faty hoentina any am-piangonana

1. bobone ( 30/08/2006 07:53)
:roll:Fa ahona angaha no asiana na rarahana toka gasy na tôka vazaha ny fiara hitondra ny razana halevina rehefa avy natao veloma farany ao am-piangonana.:roll:
répondu par prime le 31/10/2006 11:02
2. bobone ( 30/08/2006 08:06)
Misy mantsy milaza fa asina toka ny fiara mba tsy hisy lolo manaraka !fa tonga soa hono amin'izay!
tena mahagaga ilay finoana an!:-o
3. Fiffi ( 30/08/2006 08:10)
mba mahagaga ahy indray zany fomba zany an! na finoana zany an!
Izany aza izy efa hoe hentina any am-piangonana zany ve de mbola hanaovana an'izany ?
Sa kosa tsy misy finoana an'Andriamanitra ? satria raha hentina hatao veloma farany eny am-piangonana ny olona maty de hisy an'zany lolo manaraka zany ve ?
4. bobone ( 30/08/2006 08:18)
:D ka io no tena nahagaga ahy ange aki ry fiffi e!
masoko izao no nahita! nifampijery izaho sy ny namako ary ny vadiko mahita an--dreo mandraraka toka @ fiara! ary samy nanontany tena hoe inona ity hataondreo ity!! ahitana zavatra hoa ny eto an-tany ! tena marina
5. hery ( 30/08/2006 08:24)
Ny tsy mahagaga aminy fotsiny dia tsy ny tompom-paty matetika no tompon'ny tomobil. Matetika mantsy tomobil hofaina ilay izy. Ary ny saofera tsy miditra any am-piangonana. An'ny saofera izany matetika ny hevitra - araka izay inoany - hoe aleo asiana toaka. Dia ny tompom-paty koa tsy mandrara satria manaja ny finoan'ilay mpitondra.

Sady indraindray koa ange fombafomba fotsiny ilay izy fa tsy misy ifandraisany amin'ny finoana mihitsy e.
6. diamondra27 ( 30/08/2006 08:39)
izaho indray milaza hoe: fomban-drazana io efa hatr@izay saingy tsy misy mahay manazava hoe: inona no tena antony fa dia samy nanaraka sy nanaja ny fara sy dimby

raha mba manana dadilahy ianareo , olona zokinjokiny azo anontaniana dia izy no anontanio fa mety hahavaly azy (raha toa ka tsy nanarakefa toy ny rehetra izy)
7. booboo ( 30/08/2006 08:43)
io efa nazavain'i Hery io ny antony kah
8. prime ( 30/08/2006 09:16)
Ny zava-misy no hazavain'i Hery fa tsy ny antony... fiara tsy an'ny tompom-pahoriana...
Fa ny antony tena ara-pomba malagasy mihitsy, mikasika ny finoana ny razana ihany... fa @ malagasy ny faty tsy mbola tafiditra am-pasan-drazana ka tsy vita ara-pomba rehetra dia tsy mbola azo antsoina hoe razana (ilay mitahy) ka tsy maintsy ialàna ny faditra sy ny tsiny rehetra avy amin'ny razany mba tsy ho tezitra @ velona... Ka ireto farany dia tokony hanao izay azo atao hahatonga an'ilay maty ho laza razana... Noho izany mbola mitady rà sy zava-mahery izy ka mba tsy ilay rà no omena azy (antony andrarahana toaka amin'ny fiara, izay mitondra olombelona azo akàna rà amin'ny alalan'ny loza mety ataon'ireo razana ireo - misintona hoy ny fiteny izay) dia ilay zava-mahery no omena, farafaharatsiny mandrapahavitan'ny fandevenana (mba ieren-doza)...
9. diamondra27 ( 30/08/2006 10:32)
prime: misaotra anao nanazava:-*:-*=D=D^:^^:^^:^

izay le teneniko hoe: INONA no ANTONY

raha misy olona hafa hanampy moa dia vao maika tsara
Foko 18 isika , mety tsy hitovy ny antony koa samia milaza e! za tsy mahay aloha an!
10. caprio ( 30/08/2006 11:12)
Ny antony mazava aloha dia tsy misy fa samy manana ny finoany ny tsirairay,ary raha ny fahafantarako sy ny finoako aloha dia @izao taon-jato hiainan-tsika izao dia manjaka tanteraka ny fivavahana ka ho ahy sy ho an'ireo olona kristianina ankehitriny dia hinoako fa finoanoam-poana avokoa izany fomban-drazana izany satria rehefa dinihina dia betsaka ny olona tsy maka izany panandro zany intsony refa manao trano ary tsy mandraraka toaka refa mandevina kanefa tsy misy zavatra mitsanga izany satria ny maty dia maty mandrakizay fa tsy afaka miaraka na mifandray @velona intsony izy ireny ka tsy tokony andaniana vola-be avadika izany intsony(famadihana)ary efa maro zao ny olona tsy mamadika razana izany kanefa tsy misy zavatra mitsanga ka dia miovaha @izay reto fa aza dia minomino foana intsony fa raha mahavita zavatra ny razana mandritra izay taon-jato maro nanompoan-tsika sy nanaovan-tsika fombafomba taminy izay dia tsy toy izao ny fiahinan-tsika malagasy ka atsipiko hiany ny tady eny an-tandroky ny omby ary atsipiko ny teny ho ao am-pon-tsika malagasy rehetra
11. prime ( 30/08/2006 11:15)
Ze kely fantatro tokoa io fa maro ny antony hafa, fa manodidina finoana foana ilay izy fa tsy mivaona akory...
12. mi ( 30/08/2006 12:26)

Hooy bobone:

Fa ahona angaha no asiana na rarahana toka gasy na tôka vazaha ny fiara hitondra ny razana halevina rehefa avy natao veloma farany ao am-piangonana.

Amiko de finoanoam-poana io! efa mazava nge zao e
13. LazaDaddy ( 30/08/2006 12:33)
misy olona izay rehefa mahita an'ireny izy dia hipipizany izay pneus rarahan'olona taoka. hahaha!
14. jentilisa ( 30/08/2006 12:54)
Ilay izy araka ny fiheverako dia fomba iray mba hanerena olona hividy toaka! izay ihany!
15. mika117 ( 30/08/2006 13:40)
caprio! tena mihombokevitra aminao mintsy aho;fa tsy hitako zay dikany na asiana taoka io na asina ranomanitra;fa rehefa maty dia maty;tsy mitsangana @ maty intsony raha tsy efa tonga Jesosy .NY vola fotsiny no lany hividianana taoka ;na mety ry zalahy mihitsy no tena te hisotro fotsiny @ izao mba tsy ahenony ny fofona taloha ;dia lasa fomba ndrazana lay izy avy eo=))=))
16. tywa68 ( 30/08/2006 14:44)
mbola be aloha ny manao izany (na rehefa hisotro dia manary toaka kely ho an'i razana hono) ! tsy aleo ve homeny any dia mba mihena ny sotroiny ê ? efa fomba fanao h@izay zany ka tsy hita zay maharatsy azy hoy ny fitenenana ! zara aza tsy lany daôlo !=))=))=))=))
17. Achia ( 30/08/2006 20:12)
za koa lo efa nahita fa le izy ndray tao anaty radiateur no nasiandry zala toaka . Inona hoy ianareo no nitranga nivilavila be le wam :-D
18. Fiffi ( 31/08/2006 06:44)
prime:
(antony andrarahana toaka amin'ny fiara, izay mitondra olombelona azo akàna rà amin'ny alalan'ny loza mety ataon'ireo razana ireo - misintona hoy ny fiteny izay)
zah aloha mbola tena tsy nahafantatra hoe ny razana mety hanao loza ! @ fomba ahoana ? zany aza efa hatao hoe razana , efa maty , efa tsy misy aina ka @ fomba ahoana no hanaovany ratsy ? na hisian'ny loza avy aminy ?


19. prime ( 31/08/2006 10:38)
Fiffi> finoana ilay izy dia mety miseho mihitsy ho an'izay mino izany... mpiara-miasa tamiko, ny iray maty, ny iray velona fa mitondra takaitra mandrak'ity ny androany, t@ 2003 rehefa avy namonjy lanonam-be tany toliary (fanokanana andro iraisam-pirenena ho an'ny fizahan-tany) dia niharan-doza dia toy izao no fisehony (hoy ireo sisa velona)...
rehefa hiditra an'Ambalavao izahay, misy tetezana kely izay ao rehefa avy fidinam-be mialoha ny fidirana eo @ ilay tetezana (fiara mazda 2 nifanaraka) dia nisy omby mainty nijanona teo afovoan'io tetezana io, ny namany rehetra efa lasa fa izy teo tsy nety niala dia nisy mena loko tapaka iray koa teo aoriany, dia naka sisiny ary ireto fiara 2 niandry ny hahataperan'ny omby rehetra, no injay nisy kamiô avy any aoriana tany (lazain'ireo chauffeur fa tsy tapaka frein mihitsy ry zareo fa tsy nihinana fotsiny nandritry io fotoana io) nirimorimo... satria tsy nisy fomba hijanonana, ny omby marobe nibahana arabe sy tetezana dia tany @ ilay mazda no nifatratra... ilay mazda teo aloha nanitsy nankany @ ilay tetezana aloha, rehefa voadonan'ilay taoriana, no nandona ilay omby mena vao latsaka tao anaty rano, ilay mazda taoriana, nodomin'ilay kamiô tonga dia tany anaty rano ary notsindrin'ilay kamiô...
Dia hoy ny sasany t@ ireo mpandeha sisa velona, "ilay omby mainty tsy hita hoe lasa aiza, ilay omby mena maty teo ambony tetezana, soa izahay fa nandray t@ ilay mavesatra teo fa toa tsy zarizary ilay omby nozaraina omaly"...
20. prime ( 31/08/2006 10:46)
Fiffi> Mbola maro ny Malagasy no mino fa rehefa tsy vita ny adidy amin'ny razana dia mifototra ireo... (raha tokony mitahy dia lasa miozona)... izany hoe ny fanahin'izy ireo no miasa... (ny tromba izao no fiseho mivantana @ asan'ny fanahy misy)...
Ianao angaha mbola tsy nahita ireny olona mivavaka mafy ireny (mamonjy doany ohatra) indrindra rehefa famadihana, ao ny mangataka zanaka, harena, fiarovana @ mosavy, fahasalamana... izaho mino fa efa nahita ianao fa tsy eritrererinao fa misy asany ireny... Ho an'ny kristiana dia ireny indrindra ilay antsoina hoe "fanahy ratsy eny @ rivotra"... Fa ho an'ny malagasy ireny dia ry dadabe sy ry bebe, te hiresaka amin'i x sy y... Tsy vitsy isika no miteny hoe izaho nahita an'i bb t@ nofy dia izao hono, nahita an'i ddb t@ nofy dia izao hono... Miambena ry fiffi fa fanahy fetsy anie ilay fahavalo e...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3434