faty hoentina any am-piangonana

21. Jayaho ( 31/08/2006 11:53)
Izao reto no tena marina matetika a!: Ireo saofera na resevera, na ny bandy akama, na fianakams no misy te hisotro dia mody le fiara no asiana kely!! Sa nplaniana teo daholo le toaka??
22. prime ( 31/08/2006 13:35)
Raha vao mitondra faty ny fiara matetika misy an'io fa rehefa fitsangatsanganana na mandeha tsotra tsy misy resaka io... Mifampiteny mihitsy aza hoe ndao hisotro... fa finoana mihitsy no ao am-badika fa tsy tsotsotra hoe te hirevy... mety anisany izany fa ny fiara mitondra faty tratran'io foana fa ny fianakaviana sy ny hafa raha misotro tsy manondraka pne izany...
23. vetsoko ( 31/08/2006 15:00)
finoana le izy dia tsy dia asiako ady hevitra loatra,ny mino manazava moa ny tsy mino dia efa tsy mino raha teo, fa ny fantatro dia izao :misy hery sy fanahy ankiroaeto @ izo tontolo misy antsika izao,samy manana ny heriny izireo ary samy manana ny tanjony,samy manana ny discipleny koa ary samy hafa ny fomba fiasany,mifanipaka ireo ary mifamono dia ny ahy aleoko any @ le mamelona sy mampanantena fiainana lavabe(famonjena sy ny ets...)fa ilay iray tsy dia voako(razana,faty,tapa-kazo,ets...sady tsy mampanantena n'inoninona fa dia hoe karakarao fotsiny izay fa hitahy?????hitahy ahoana???
24. naritsimba ( 01/09/2006 10:05)
hery> marina mihitsy ilay lazain'ise io. Ny sôfera no tsy manaiky hitondra ny razana, indrindra raha lavitra ny toerana handevenana dia tsy maintsy andrarahana toaka ny kodiaran'ny fiara. Fa raha akaiky kosa dia tsy mila an'izany.
25. prime ( 01/09/2006 10:40)
:lol:
26. tsito ( 01/09/2006 14:43)
ny ahy dia izao no anazavako azy. any zavatra iray refa inoana na vinavinaina lava eo dia tonga tokoa.
Mandaitra@ ze mino azy e ! ary io devoly io koa ane mba te ampiseo fa miasa e ! tsy ho faty antoka eo izy rzha tsy manao ze mety ? izany no fiainana misy ny mino an'ANDRIAMANITRA fa misy koa ny mino ny devoly toy ireo mpahay azy.
Misy koa anefa reo zay tsy mino n'inon'inona fa dia mahita ny manodidina azy eo.
Izaho ohatra dia tsy mino ny hoe arahandolo ny zazakely raha entina any antsaha, ary dia tena tsoriko fa dia nentiko tany antsaha ny zanako 2 mois et demi. Izaho reniny no nitondra azy fa tsy olonkafa akory fa nony hariva ny andro nitomany tsisy otrizany ny zanako. Tsy mbola nahita azy nitomany otrizay aho, nampandroina fa oe reraka, nataoko massage, nopasoina ny akanjo fa sao nisy vitsika nandady, nalaina ny dokotera soa fa nisy teo @ mpianakavy, ze miditra ao anefitra misy anay dia mitomany daolo dia mivoaka, nataoko ze azoko natao reetra, fa efa nivoaramena sy nataoko hofaty le zanako t@zay. Ary satria moa ny tena fantatrin'ny mpianakavy reetra fa tsy minomino foana izany ary dia mahasahy mijoro mintsy fa tahian'A/TRA isan'andro dia sarotra ho azy reo ny niteny direct tamiko hoe narahindolo ny zanako. Ilay nenitoanay nivantananay tany no naka lastikana labozi sy nanapaka kely t@ volony dia nodorany tsy hitako dia nataotaony teo aminjanako teo le izy fa sahiko ny milaza anareo fa tt d suite nangina ny zanako. Na inona na inona dia faly aho fa efa ratsy mintsy ny eritreritro . Ka za na tsy nino ny narahindolo aza dia naleoko nangina fa ny zanako aza efa saika toran'ny ranomaso.
27. Achia ( 01/09/2006 19:24)
tsito a ary efa mba nanandrana nivavaka ve aloha ianao t@ io e ?
28. fens ( 03/09/2006 19:14)
bobone:

:roll:Fa ahona angaha no asiana na rarahana toka gasy na tôka vazaha ny fiara hitondra ny razana halevina rehefa avy natao veloma farany ao am-piangonana.:roll:


Io zany de tahaka ny fomba rehetra e! sady miankina amin'ny finoana fa raha ny anay zao de tsy misy zavatra araradraraka izany na ahosotrosotra fa tode fonosina ny razana de atao anaty vata de basy mande any ampengonana hisaorana an'Andriamanitra (fa tsy hoe hatao veloma farany) de aterina any amin'ny hasiana azy!
vita tompoko! tsy misy depense de plus amin'ny fividianantoaka!
29. raval ( 04/09/2006 07:29)
Marina ny teninao ry Achia.Fa tsisy zay tsy vitan'ny vavaka.Ary mino za fa ra nivavaka tokoa i Tsito de nisy zavatra hafa niseho teo ary tonga de voava ny olana.
Momba le toka ndray de zao:Ra tena kristiana marina le olona de tsy ilaina zany, fa mande @ finoana fotsiny de vita, tsy misy ny olana ary voalevina foana ny maty.
30. xxx ( 04/09/2006 08:09)
Marina be ny lazain'i Herimiafina : ny fiara tsy an'ny tompo-paty ka dia azony atao @izay hinoany, aza hadino fa ny fiarany no asiany toaka fa tsy ny razana. Azony kilasiana ho entretien io raha tiany

Ity zavatra hitako : pasitera ilay maty, dia niteny ilay fianakaviana hoe aleo tsy asiana toaka. Dia nisalasala teo ilay saofera , dia tsy nanisy. Nony nandeha kelikely dia saika nanao accident ilay fiara, avy eo indray dia saika nirehitra ... Farany dia tsy nanaiky ilay saofera fa nijanona nividy toaka gasy , dia nasiany ny kodiarana, dia nizotra tsy nisy olana intsony ny dia

Ny hevitrareo ary
31. prime ( 04/09/2006 11:14)
Misy tsy mahazo ilay size fa io lazain'i xxx io no mamerina azy @ laoniny...
Ny voambara ary aloha dia tsy isika mpino eto no olana ka hanao izany fa ilay saofera... rehefa hoentina avy ao am-piangonana ilay faty dia tsy maintsy misy fiara handray azy eo raha tsy hoe akaiky angaha ny fasana...
32. vahiny2004 ( 04/09/2006 13:14)
prime : matetika tokoa ry prime dia mivaona ny resaka eto, efa in-2 na in-3 ianao izay no hitako namerina t@ laoniny resaka ohatr'izao

33. pissoa ( 04/09/2006 19:42)
xxx> Ahoana no nahafantarana fa saika nirehitra ilay fiara? :roll: Sao tsy accident manakory akory zany :roll:
34. prime ( 05/09/2006 11:36)
vahiny2004> tsy maninona fa kely tokony hatao na dia tsy misy mihaino aza dia atao ihany aloha e...:)
35. pissoa ( 05/09/2006 11:44)
prime ve tsy misy mihaino sa misy tsy mihaino? (misy nuance be io fa ahitsio raha tokony ahitsy) :-D:-D:-D

xxx> Zah mba miandry ny valin'io fanontaniako io ooo! Manjary tsy afaka mamaly ilay hoe Ny hevitrareo ary ...
36. prime ( 05/09/2006 12:00)
pissoa> ento kosa aloha ny hevitra e... d avy eo ho hita eo indray...:lol:
Ny hoe tsy misy mihaino sa misy tsy mihaino dia samy izy aby... efa im-betsaka tokoa no mampatsiahy hoe mivaona le resaka fa eee, tohizako ihany hoy izy izay...:-P
37. pissoa ( 05/09/2006 12:19)
prime:

pissoa> ento kosa aloha ny hevitra e... d avy eo ho hita eo indray...:lol:

Aleo aloha fenofeno ny info vo mamaly :-D:-D:-D
prime:
Ny hoe tsy misy mihaino sa misy tsy mihaino dia samy izy aby... efa im-betsaka tokoa no mampatsiahy hoe mivaona le resaka fa eee, tohizako ihany hoy izy izay...:-P

Tsy marina io ... fa saingy sao hors size tsika sy prime raha tohizana io resaka io ;)

38. prime ( 05/09/2006 12:57)
Koa alefao aloha fa mianjy ny boaikely ko ahoana azy... mbola sahizana ny sasany...:lol: hianjy info fenofeno zahoviana e???:-P
39. jemy ( 18/10/2006 08:48)
Izao no tena izy ry retoa.Andriamanitra dia tsy ty an `io mihitsy satria aminy rehefa maloto dia maloto ary tsy miova Izy hatramin `izao ka ho mandrakizay .amen .noho izany dia mahatezitra an ` Andriamanitra izany ka tsy tokony hatao intsony .Ny tempolin`Andriamanitra tsy azo lotoina.
Apok 14:7
40. prime ( 18/10/2006 11:23)
jemy> ilay fiara sa ilay razana no tianao ambara fa ireo mantsy no voakitika eto @ ity lohahevitra ity...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1573