habibiana tsy roa aman tany ny toy itony !

1. ravatorano ( 30/08/2006 07:46)
Habibiana
Novonoiny ny zanany dia nananton-tena izy
Noho ny adiny tamin'ny vadiny dia novonoin'ity raim-pianakaviana ho faty aloha ny zanany vao notaperiny ny ainy. Hafatra an-taratasy no napetrany ho an'ny vadiny.


Talanjona ny fokonolona rehefa nandre sy nahita ny zava-nitranga.
Novonoiny, notaperiny mihitsy, ny ain-janak'ity raim-pianakaviana iray, Rasolofoson Honoré, antsoina koa hoe Lala, ary avy eo izy namono tena. Nananton-tena tamin'ny tady. Teny Androndra, omaly maraina, no nisehoan'izany. Ireny tariby mitondra herin'aratra ireny no nanakendany azy mianadahy, ilay vavy kely Ravo (fito taona) sy ilay lahy kely, Faly, zandriny (efa-taona). Ilay vavy kely aza mbola notrobarany ny antsy ka nivoaka teo amin'ny kibony teo ny tsinainy sy ireo taova tao anatiny.
Mampihorin-koditra tokoa, raha ny zava-bitan'ity raim-pianakaviana ity. Tsy misy afa-tsy adin'ny mpivady anefa, raha ny fanazavan'ireo fianakaviany sy ny manodidina, no fotony. ‘Efa nisara-panambadiana hatramin'ny volana mey teo i Lala sy Tahiana vadiny’, hoy ny iraitampo aminy. Eny amin'ny reniny, eny Tanjombato, i Tahiana no mipetraka, ary eo akaiky ny ray aman-dreniny ao Androndra kosa i Lala.
Nosoritan'ny anabavin'i Lala fa efa hitany niaraka tamin'olon-kafa ny vadiny. “Asa raha ny fahitàny an'i Tahiana efa niaraka tamin'olon-kafa no nahatonga azy hanao izao fanapahan-kevitra izao”, hoy izy.
Tany amin'ny reniny foana izy mianadahy no nipetraka, hatramin'izay nisarahany izay, fa vao tapabolana latsaka kely teo izay no nakan-drainy azy. Ny alahady teo no nambaran'ireo fianakaviany fa tonga tao Androndra saika haka an-janany hianatra ny vadiny.

Taratasy
“Tsy nomen'i Lala izy mianadahy, ary novonoin'i Tahiana tao i Lala”, hoy ireo fianakaviany. Dia tsy fantratra ihany koa raha mbola niampy an'izay ny alahelon'i Lala.
Hijery azy tao an-tranony, satria nifanao fotoana tamin-drainy handeha hiasa any Alasora i Lala, no nahitan'ny fianakaviany azy. “Tsy mba fanaony mantsy ny matory maraina”, hoy ny anabaviny.
Raha vantany vao novohàna anefa ny trano dia ny fatin'i Lala nihantona tamin'ny tady no nitsena azy ireo. Nangina tanteraka tamin'izany ny tao an-trano. Nikiaka izy ireo niantso vonjy. Nirohotra nizaha ny fokonolona, ka rehefa nidirana lalina ny tao an-trano dia vao mainka zava-doza ihany koa no hita : ny fatin'izy mianadahy teo ambony fandriana misy rihana.
Nisy taratasy iray nipetraka teo ambony latabatra, nisy ny soratanan'i Lala : “Mijaly ny zanako dia naleoko novonjena ... Mifalia ianao fa tanteraka ny sitraponao ... Aza manantena fahasambarana amin'izay fitiavana intsony, fa izaho mihitsy no hanapitra ny ainao ... Tandremo. Aza asaina mikasika na mandevina anay telo mianaka mihitsy izy sao iharan'ny lozam-pifamoivoizana any. Ataovy anaty lamba iray izahay ...”
Tonga teny an-toerana ihany, toran'ny alahelo, ny renin'ireto zaza. Fa raha tsy voasakan'ny polisy, saika niharan'ny hatezeran'ny fianakaviam-badiny.

Nirina Rakotoson
Date : 30-08-2006
express de madagascar
répondu par rivodoza le 25/09/2006 12:22
2. ravatorano ( 30/08/2006 07:51)
itony re no iny eh
zany v no fitiavana diso tafahoatra ?
nanana aretina ara-tsaina v ilaty raim pianakaviana fa nanin no d novonoina koa ny zaza fa naninn raha izy rery no namono tena
Tany Mandoto betafo koa efa nisy tranga ohatran io nopozininy ny zanany d namono tena koa izy !
:cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry:
3. booboo ( 30/08/2006 07:55)
4. Fiffi ( 30/08/2006 08:11)
tena :(:( be le tantara , tena eto am-pamakiana an'io mihintsy zah io ka tena marikoditra be mihintsy sady :(:(
5. Fiffi ( 30/08/2006 08:13)
Faty telo be izao no indray nivalapatra tao amin’ity trano iray tetsy Androndra omaly maraina. Rangahy iray sy ny zanany roa, vavy sy lahy, 7 taona sy 4 taona. Ilay vavy kely moa dia tataka be ny kibony ary nivoaka teo ivelany ny tsinainy. Nitangorona ny olona. Ao ireo te hahalala vaovao fotsiny, ao ireo nahafantatra ampahany kely amin’ny fiainan-tokantranon’ireo mpivady niteraka ireo zaza roa ireo.
6. mamzelkely ( 30/08/2006 08:30)
et ben :?
7. nikopol ( 30/08/2006 08:30)
le fianakavian'ilay bandy ve dia mbola hiaro anle bandy ihany ? :twisted:
8. pissoa ( 30/08/2006 08:44)
Fa angaha misy bandy arovany intsony eo :roll:
9. ravatorano ( 30/08/2006 08:53)
nikopol < ié
ka raha araky ilay taratasy napetrak ilay bandy “Mijaly ny zanako dia naleoko novonjena ... Mifalia ianao fa tanteraka ny sitraponao ... Aza manantena fahasambarana amin'izay fitiavana intsony, fa izaho mihitsy no hanapitra ny ainao ..
d notohizana indray teo ambany hoe " Tonga teny an-toerana ihany, toran'ny alahelo, ny renin'ireto zaza. Fa raha tsy voasakan'ny polisy, saika niharan'ny hatezeran'ny fianakaviam-badiny."

fiffi < ilay zanany vavy anie ka namboarin lery tamin ny antsy e d ilay lahy kely nokendainy :cry::cry::cry::cry::cry:
10. nikopol ( 30/08/2006 09:13)
ravato! gravy letsy zany ! foin'lery natao fitaovana ampijaliana ny ex-vadiny ny zanany roa ! Bandy tia tena! lazainy fa famonjena ny actes habibiana nataony! domazy fa maty lery kle !
11. Fiffi ( 30/08/2006 11:09)
Ilay vavy kely aza mbola notrobarany ny antsy ka nivoaka teo amin'ny kibony teo ny tsinainy sy ireo taova tao anatiny.
Mampihorin-koditra tokoa, raha ny zava
mbola tsy nahita habibiana tahak'zao angamba aho hatramin'izay an! :(:(:(:(
12. papala ( 30/08/2006 11:42)
Tena fitiavan-tena be ny anlay lehilahy ! mampihorikoditra an!
13. ravatorano ( 30/08/2006 11:44)
za tena ory ny foko nahita an io ary izay olona nijery gazety d tena vaky vava avokoa anjoany satria tena tsy rariny no nahazo ireo zaza ireo.
Ilay bandy aloha efa maty fa tsy haiko hoe ahona no hitsarana anzy ilay renin jaza koa mbola velona any fa tsy anjarako koa ny hanameloka azy fa na izany aza tena tsy rariny ireny zava nitranga ireny !
:x:x:x:x
:cry::cry::cry:
14. Fiffi ( 30/08/2006 12:59)
15. boubounezy ( 30/08/2006 20:29)
:twisted::cry::cry::cry::cry::°)
16. naritsimba ( 31/08/2006 05:57)
@ maha olombelona antsika dia malahelo isika fa amin'ilay raim-pianakaviana izay namono ny zanany sady namono ny tenany dia hafa ny tao an-tsainy.
Apetrako ireto fanontaniana ireto:
1°Izany tokoa ve no tena fitiavana ho an'ilay lehilahy?
2°Raha izaho na ianao io no teo amin'ny toerany ka tena hoe tokam-po tahaka ny siny inona no nataonao?
3°Raha io tranga io no jerena ilaina ve izany ny mampirafy raha toa ka mampirafy ny iray @ mpivady?

Anao, ho ahy, ho antsika no mieritreritra.
17. papounette ( 31/08/2006 06:24)
Zà mieritreritra fa mifangaro aretintsaina nila fitsaboana any @18 zany.
Naninn izy raha namono tena rery tany rehefa tsy zakany ny olana fa tsy ny ankizy no kendaina sy vorahana ny tsinay?:evil:
A@ko n'innn n'innn problema @ tokantrano,tsy tokony namono ny zanany io lhl io fa rizareo mivady no tokony nifamono faty.Le ankizy zao tsy nanampo na inn na inn fa natory soa amantsara no novonoiny tao.
Marary saina mitsy!!!!

18. ravatorano ( 31/08/2006 07:26)
naritsimba< raha za manokana aloha na d tena tiako b aza ilay ramatoa vadiko nefa lasa nisitaka d tsy hamonoako ny zanako miitsy zany
fanajako ny fitiavako azy ny fahaveloman ireo zanako ireo noho izany tsy mitombona amiko hoe fitiavana lehibe ny vadiny no hamonoany ny zanany.
raha zà no teo amin ny toerany defa io voalazako io e avelako izy mandeha any amin izay tiany any fa za tsy hamono ny zanako.
Amiko ny fampirafesana dia mazava ho azy fa tsy ilaina fa reefa tsy tianao ilay olona d miap's enao
19. nikopol ( 31/08/2006 07:33)
fa le bandy ve mihevitena ho Andriamanitra no izy no sahy hanala ny ain'ny zanany roa, satria zay no heveriny fa hamarana ny fijalian'ny zanany izay tsy voatery nijaly akory?
azo eritreretina daholo ny arguments hahafahana miaro ilay bandy fa amiko dia adalana sy habibiana ny nataony.
20. Fiffi ( 31/08/2006 08:10)
de ity indray ny tohin'io tantara mampalahelo be io.

Niadiana ny fatin'izy telo mianaka

Romoromo tanteraka na dia efa maty aza ny tantaran'ireto fianakaviana kely teny Androndra. Mbola niadiavana indray mantsy ny razana ary nipaka hatreny amin'ny Fitsarana.


Tsy nifanaraka ny fianakaviana teny amin’ny tranom-paty ka voatery nankeny amin’ny fitsarana.
Raharaha be tokoa, omaly, ny an'ireo fianakaviana roa tonta nivoahan'ireo razana telo teny Androndra, ny talata maraina teo. Nifandroritana mantsy ny fatin'izy telo mianaka na dia teo aza ilay hafatra napetrak'i Lala tamin'ny alalan'ny taratasy talohan'ny namonoany ny zanany sy namonoany ny tenany.
Ny fianakavian'i Lala nitazona ny hafatry ny zanany amin'ny fanakanana ny vadiny na ny renin'ireto zaza, i Tahiana, tsy hikasikasika azy telo mianaka. Ny fianakavian'i Tahiana kosa etsy andaniny, tsy te-hahalala izany fa menaky ny ain'i Tahiana ireo ka manan-jo izy hikarakara farany azy. Dia nifandramatra tamin'izay.
Marihina fa taorian'ny nizahan'ny mpitsabo sy ny polisy ny fatin'izy telo mianaka teny Androndra ny talata maraina dia nalefa teny amin'ny tranom-paty teny amin'ny Hjra ny razana natao “autopsie”. Ary nanaraka teny ny fianakaviany naka azy. Tonga teny, araka izany, ny fianakavian'i Tahiana.
“Hatramin'ny afak'omaly alina no nanomboka ny disadisanay”, hoy ny fianakavian'ity farany.

Fifanarahana
Nambaran'izy ireo fa na dia tonga hijery ireo menaky ny ainy teny amin'ny tranom-paty aza izy ireo dia nosakanan'ny fianakavian'i Lala hatrany. “Tsy maintsy mijery sy mikarakara ny zanakay izahay”, hoy izy ireo.
Ny fijerena ny razana mbola eo ho eo ihany fa ny toerana hitondràna azy, hiandrasana ny nofo mangatsiakan'izy telo mianaka no tena nafana. Notazonin'ny andaniny, ny fianakavian'i Lala hatramin'ny farany mantsy ny hafa-janany. “Misy dikany ireny ary tsy te-hanasaraka azy telo mianaka mihitsy izahay na eo amin'ny fiandrasana azy izany na eo amin'ny fandevenana ny nofo mangatsiakany”, hoy izy.
Novalian'ny havan'i Tahiana izany ka notsindrian'izy ireo fa tsy sarotiny amin'izay toerana handevenana azy izy ireo. Saingy manahy ny amin'ny ainy. “Sao mantsy misy mihetraketraka satria tsy maintsy hanotrona ny nofo mangatsiakan'ireo zanakay izahay”, hoy izy ireo.
Dia nifandramatra teo ary tonga hatreny amin'ny Fitsarana mihitsy no niafarany. Nasain'ny tompon'andraikitra tao amin'ny hopitaly namonjy fitsarana.
Namaly anefa ny tao amin'ny Fitsarana fa amin'ny zoma ho avy izao vao afaka mamoaka ny didy amin'ny fikarakarana ireo razana izy. Ela loatra anefa raha mbola miandry izany, ka nanaiky ny fandaminana napetrak'ireo tompon'andraikitra novantaniny tao amin'ny Fitsarana ihany izy roa tonta.
Tapaka tamin'izany, noraiketina an-tsoratra fa i Lala eny Androndra eny an-tranon-dray aman-dreniny no andrasana. Izy mianadahy kely kosa entina eny amin-dreniny eny Tanjombato. Saingy rehefa halevina izy telo mianaka dia hajaina ny hafatry ny maty. Alevina eny Ambohimandroso ka miainga eny Androndra ny fiara mitondra ny fatin-drainy, maka ny fatin-janany eny Tanjombato ary tonga dia eny amin'ny fasana andevenana azy ... Izay vao navoaka ny tranom-paty tao amin'ny Hjra ny razana.

Nirina Rakotoson
Date : 31-08-2006
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1645