Omeo sopapa indray sao de mba mety.

1. soanja ( 18/08/2006 20:25)
Misy Gasy atao hoe namana na mbola tsy namana fa fantatra vao tonga aty US any amin'ny Etat hafa. De nampiana izy mba ahafahany tonga taty fa nila fanampiana mafy. Dia izao tonga. Milamina tsara ny rehetra. Fa ny tena somary mandreraka kely dia miantso foana: maraina , atoandro , hariva. Leo ny vadiko moa zah tsy eo lava. Ka izao dia izaho indray no mila fanampina avy aminareo. Inona no tsara tokony atao?
Dia inona re ny fomba mba hanampiana azy mba tsy hiantso matetika. Isanandro vaky. Telephone ampiasainy tsy anazy.
Tsy te handratra fon'olona aho ary koa nefa tsy te hampiferinaina ny ato an-trano. Nefa mahatsapa adidy koa. Efa mba niresaka moramora taminy ihany aho momba ny atao hoe cultural shock ary safidy ny hankaty fa tsy misy nanery ,fa toa mbola tsy miditra ao an-tsainy aloha io satria eo anivony izy mantsy izao. Nefa izahay koa tsy RAD-niny ka hoe de hitantana azy amin'izao lalantsarotra rehetra izao. Dia tsy hianatra izy raha izany.
Manana hevitra ve nareo? Sa ity ve ilay resak'i Fiffi ary hoe mahaiza manao TSIA?
répondu par Fiffi le 16/09/2006 15:30
2. cutie ( 18/08/2006 20:58)
asaovy mamonjy fety na meeting international students reny .
Io ihany no tena haingana manala culture shock, fa samy mitovy daholo tsinona refa tonga aty, samy vahiny daholo de mora mifandray.
3. Fiffi ( 18/08/2006 21:04)
soanja: hummmm ! tandremondry an! nahay nanoro hevitra ahy ndry tatsy ka zah indray zao no hanoro hevitra andry fa nahazo lesona tsara!

Misy fetrany avokoa ny rehetra ! soanja aahh! zah akia io efa sahy nanao hoe TSIA !! satria tena nahatsapa aho fa tena nanao sy nanampy t@ foko manontolo fa nahatsapa koh hoe misy ny fanararaotana de namaky ny nolazainareo rehetra tato zah de inona no valiny ? TSIA !
4. fijo ( 18/08/2006 21:44)
soanja an,za ampiana hoany ,fa tsy hiantso andry mihintsy aho,raha tsy hoe hisaotra.kozy e
5. cutie ( 18/08/2006 21:47)
:-D:-D:-D:-D
6. fijo ( 18/08/2006 21:48)
vazivazy iny,fa marina aloha fa sarotra le vao tonga amin'ny tanana iray tsy hay,nefa ve efa mba natoro izy hoe izao sy izao no atao mba hiezahana amin'izay hoatao?
ary lazao azy,fa enao tsy ao an trano foana,ka manelingelina ny ao raha antsoina foana ny ao an trano.dia hotsapany
7. hery ( 18/08/2006 21:58)
Raha ny fahazoako an'i soanja dia hoe mipetraka ao antranonareo ilay olona dia miantso foana, sady mi-occuper ny telephone sns. dia ianareo indray no mihafihafy.

Io no mety ahitana an'ilay cultural shock.

Anisan'ny zavatra atao amin'io, raha io ilay situation, dia tsy avela miantso ao antrano izy kanefa tsy raràna ny hiantso. Asaina mandeha miantso any amin'ny cabine na phone center sns... tsy maninona mihitsy na mijanona adin'ny maromaro any izy amin'ny voalohany... fa ho leo koa izy rehefa avy eo, dia tsy hiantso raha tsy misy zavatra maika.

8. soanja ( 19/08/2006 01:09)
Fiffi> tena io mihitsy ilay izy. Izay angatahiny aminay anie izao dia TSIA ny valiny e. Fa ilay izy miantso foana hoe: ahoana kay fiantsoana an'i Dago? Dia omena eo. Miantso indray : aiza no mividy pre-paid phone card hintsoana any. Dia tenenin'ny ao an-trano. Dia miantso indray oviana aho afaka mba mankany aminareo? an an tena mbolasahirana izahay izao fa any amin'y ririnina any. Dia miantso, dia miantso... My poor husband! reraka mamaly sady amin'izay olona tsy fantany. Hoy izy ny farany "mba manja ve izany sipa izany? fa toa manelingelina loatra kale! Fa raha manja mantsy izy dia vonona ny hiary tory hiandry ny fanontaniana manaraka indray aho." Izay aho vao tena sorena. Hoe aleo asiana fetrany ilay izy fa toa.... Tsy sangisangy io fa tena izy an. Leo farany ny olona dia mitady fomba hanilihana ilay izy aty amiko hoe "ny namanao, hitadiavo hevitra fa..."
Fijo> Ny olona toa anao izany no tsara mankaty o. Tsy mifanelingelina isika fa mifampisaotra dia miala.
Hery> Efa nisy cas 2 be izao tahak'izany tato aminay. fa ity iray ity aloha tsy ato aminay no mipetraka. Nomena avis mihitsy vao niala tato. Telephone niakatra $400/mois. Izaho moa nandeha vacances tamin'zay.
Zah hoa tia namana fa izao aho toa mety ho fay ihany. Sa ve isika gasy tsy mahalala ny fetrany?
Fiffi a, androany ihany dia mpiahariko io TSIA io fa ampy zany izay!
Cutie> what a good idea! Io no fomba hampiasaiko ilay TSIA.
Misaotra anareo rehetra aho fa misy ampiasaina daholo ireo hevitra ireo. :-*:-*:-*
9. Fiffi ( 19/08/2006 06:51)
Ka zay indrindra ! be ny fitiavana sy ny fanampiana ny olona fa tsara raha hasiana fetrany satria misy fetrany avokoa ny zava-drehetra!
Zah aloha de nahazo lesona avy t@ nareo rehetra de zao mandry zao ny heritreritro satria tena sahy ary nanao hoe TSIA ! na de nankarary fo aza !
10. papounette ( 19/08/2006 11:12)
:oops:Fa inn alo zany cultural shock zany?Manao ahoana ny fisehony?Tsy maintsy manao an'zany daholo ve ny olona mandeha andafy rehetra reny?
MIsy ve ny cultural schok raha ohatra olona avy any Diego mandeha any Tuléar na vice versa?

11. malalatinasoa ( 19/08/2006 12:56)
papounette:

:oops:Fa inn alo zany cultural shock zany?Manao ahoana ny fisehony?Tsy maintsy manao an\'zany daholo ve ny olona mandeha andafy rehetra reny?
MIsy ve ny cultural schok raha ohatra olona avy any Diego mandeha any Tuléar na vice versa?





Rehefa samihafa tanteraka na niova ny tontolo manodidina sy ny fomba fiainana dia matetika mitranga io choc culturel (indrindra indrindra rehefa miova firenena). Mandra-ampi-s\'adapter anao @ ilay environnement vaovao. Ny fitrangany arakaraky ilay olona ihany. Ny ahy izao tsy hita teny ivelany mihintsy satria tonga dia nahafinaritra ilay toerana nisy ahy.Fa ny signe nahitany hoe nisy \"choc\" psychologique fahiny dia t@ volo nihintsana.


Soanja > Misy ny olona no rehefa zatra tolorana sakafo eo ambony latabatra, no lasa mitady fahanana @ sotrokely rehefa avy eo.
Raha te-handa nefa tsy te iteny TSIA mivantana isan\'andro, dia azo atao tsara ny miteny hoe:
- tsy tadidiko tsara ilay izy ka sao manoro vohana aho (tsy maintsy mandeha ikaroka izy @ izay).
- tadiavo sy hamarino @ moteur de recherche fa io no tena mine d\'information,
- somary sahirana izahay ato ho ato,
- na tsy mandray ny phone avy aminy indray na indroa(@ izay izy tsy miantso matetika intsony)

Ataovy tsapany fa mila mikarokaroka etsy sy eroa izy, raha tsy te ho very, fa tsy io miandry tolorana eo fotsiny. Na somary masiaka aza ny fomba anantanterahana izany, soa ho azy ihany izany = mariky ny fitiavana ny namana.
Izay aloha ny hevitro, tsy haiko na mety ahomby na tsia,mahereza e 8). Aza kivy @ fanaovan-tsoa :wink:.


12. soanja ( 20/08/2006 04:14)
papounette:

:oops:Fa inn alo zany cultural shock zany?Manao ahoana ny fisehony?Tsy maintsy manao an'zany daholo ve ny olona mandeha andafy rehetra reny?
MIsy ve ny cultural schok raha ohatra olona avy any Diego mandeha any Tuléar na vice versa?




Ireto avy ry Papounette ny etapes andolavan'ilay olona voan'ny culture shock:1 mankany amin'ny 4
1- Vao tonga amin'ny firenena na Province iray hafa tsy mitovy fiaina niainany mihitsy. Dia tsara daholo izy jerena. Manaitaitra sady goavana ary tena maty lolo ilay olona matetika.
2- manomboka miferin'aina sakafo, rivotra iainana, fitenenana mandreraka be ny mihaino ilay teny tsy hay satria mbola tsy voafehy na koa be loatra ny teny vaovao tsy nianarana tany ampianarana talohan'ny nhatongavana. Eo ilay te hody mihitsy. Mandreraka daholo ny vazaha ohatra. Tena racists tsisy ilaivana azy nareo sns. Sarotra ny mampiasa fitaovanaisan-karazany ary mikorontana ny fandaminana ny fianarana. Eo be ny misarka ny mpivady tsy mitovy razana.
3- Manomboka voafehy ihany ilay fiteny ary efa misosa tsara ny fifamaliana resaka amin'ilay teny. Ary mety koa aza hanonofy amin'ilay teny. Tamana tsara ary mahatspa fa mahay mandray olona ilay toerana. Lasa mankasitraka izay hita ary midera izay nahay. Mankahala ny an'ny tena izay nilaozana ary mahita ny vahiny somary vendrambendrana.
4- Mahatsapa fa an'ny tena ilay tanana ary manomboka tsy miraharaha intsony hoe ity vazah ity gasy fa dia olon-kolona eny. Izay ataoko ataoko fa inona no adinareo?
5- Mahatsapa tena fa nandalo culture shock ary mahita ny hafa mandalo dia te hanampy izany olona izany. Sitrana izay ianao rehefa mahita an'io.


13. bmw307 ( 20/08/2006 11:24)
soanja ra tonga any@ nareo any ve aho de tsy hampandrosoina ao antranonareo ao e! sa tena masiaka be ilay !!!!!nareo aho e!:lol::lol::lol:
14. soanja ( 20/08/2006 13:29)
bmw307 a raha entinao mitsangatsangana amin'ilay bmw aho dia ampandrosoako ianao ka. :wink::wink::wink:
15. Herimiafina ( 20/08/2006 18:39)
Vetivety angaha retsy io zaza io no mivahiny ao aminareo? Raha vetivety mantsy dia tsy dai maninona fa raha hanorimponenana ao no mety ho olna klé. :wink:
16. soanja ( 20/08/2006 22:31)
Saika tsy hiteny le olana eto aho fa aleoko omena ihany satria tena manelingelina ny saiko.
Izy dia niantohan'ny fiangonana hoe hianatra aty roa taona. Ny vahoaka (mpiangona) manontolo dia nanao pledge hiantoka ny fianarany. Dia tsy maitsy mody izy , fa izay no nifanarahana taminy. Ny antony niantohana azy dia mba hampiakatra ny farim-piainany any Dago fa mahantra loatra ry zareo nefa ny zaza 6 be izao. Izy maranitra ary mbola mazoto sady tanora.
Izao anefa dia milaza izy fa tsy hiverina any intsony dia eo ny olanay satria mamadika ny rehetra nanome fahatokisana azy izy. Dia mitady anay foana hanome hevitra azy, dia miala pa izahay dia eo no olana. Izy anefa vao eo no tonga. Tsy mana-kavana ary tsy manana n'iza n'iza fa izaho no fantany.
Iza ny mba te hiditra ao amin'ny pataloha teriko?
17. Herimiafina ( 20/08/2006 22:39)
Sarotra eb marina izy izany klé. Kanefa aza taitra fa mbola zaza izy izany matoa tsy mahafantatra marina izay tadiaviny sy tsy manan tanjona kendrena toa izany.
Tsy ho tafajanona any izy aloha raha tsy hoe hanambady olona manana citizen na hanao DV-lottery na hitady asa dia hangataka taratasy permanent resident angaha?

Fa raha ny fahitako izany zaza izany dia mety ho leon'ny fiainana any ho azy eo dia tsy maintsy hanapakevitry ny hody ihany avy eo! Satria zah siora fa mbola tsy niasa akory zany tany dago tany ry mbola ho shocked indray rehefa avy eo vita ny fianarana ka hiasa any. :wink:
18. soanja ( 21/08/2006 01:10)
Olona efa niteraka 6 anie izy ry HM e. Tsy zaza intsony izany. Fa izy ihany mahafantatra izay ataony. Vita ny adidiko, misaotra an'Andriamniatra lehibe aho.
19. Herimiafina ( 21/08/2006 01:23)
Hanky va re! 8O
Noheveriko fa hoe zaza enina ry zareo no iray trano marina (izany hoe ny RAR-ny no mananjanaka maro).
Hay kosa kay efa olondehibe. Saingy mbola tsy ampy fahamatorana kely na dia izany aza. Tsy mahagaga satria isika gasy koa indraindray efa zatra ilay misy ny fianakaviana foana eo andamosina miaro sy mandray initiative izarana olana hany ka lasa tsy zatra mi-se debra sy manatrika olana irery rehefa lasa tokana irery toa izany.

Ny fahitako ilay olana dia toa izao: "mi-deprime io olona io ary nahita ny fahatsoranareo mivady, dia iny fahatsorana hitany tamin'ny voalohany iny no nahatonga azy lasa somary manao abus kely".

Ny vaha-olana dia tsy any amin'ny fitenenana hoe "tsia" na ny firesahana aminy manta be na diplaomatika, satria ny olona mi-deprime toa izany mora mandray antendrony ary na dia mody tsy tezitra aza izy eo imasonao dai manao ampo be ao ambadika ao ka tandremo.

Ny tokony hatao dia aseho azy ankolaka hoe tsy mety ny abus ataony, ilay abus hoy aho fa tsy ilay mi-telephone raha ohatra ka tsy manao abus izy.

Ny atao amin'izany dia rehefa miantso telephone izy dai mody mandeha mitady cabine telephone any ivelany, mody mangataka 25cents ny vadinao ianao ohatra sady atao mafimafy henony hoe "sao misy change 25cents any fa andeha ho atsy amin'ny cabine aho fa misy appel important andrasako sao miantso eo ilay olona dia occupé nefa ny telephone", somary amboarina kely ny ton amin'io dia lasa ohatry ny hoe innocent be ianao.

Tonga saina ho azy eo ihany izy raha mahita izay miverimberina! Ary jereo fa lasa henjehin'ny heritreriny ary hiala tsiny.

raha bettrohana na ratraina mantsy izy dia na desolé aza, na consciente aza hoe nanao ny tsy nety tsy hifona aminao izany mihinsty satria lasa misy fierté be. :wink:
20. soanja ( 21/08/2006 01:28)
HM> Iny fika iny indray no tena tsy arako.:D:D Tena toran'ny homehy aho fa asa na mba ho vitako ilay izy na tsia fa tena bonne idee. Nefa zah tokoa mantsy dia tia miteny directe nefa tsy sahy koa mandratra olona tsy afa manoatra. Tena aleo eritreretiko kely dia lazaiko anao eo na ho vitako na tsy ho vitako. Fa any vadiko ato efa manana programa hoe "aleo kotiko dia tsy sahy miantso intsony."
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3191