ikalanoro,zazavavin-drano,kinaoly,lolo-vokatra....

1. majesty ( 12/07/2006 13:00)
Mba efa nisy nahita maso an'ireo voatanisa eo ambony ireo ve ianareo,toa malaza mantsy fa misy izy ireo nefa hatramin'zao aho mbola tsy nahita olona sahy nilaza fa tena nahita maso na mba hoe misy sary ahafahana mana-porofo ny fisiana fa toa manjary lasa resa-be fotsiny.Misaotra mialoha namaly ô!
2. cutie ( 12/07/2006 13:25)
mbola tsy nahita za:-D
3. soanja ( 12/07/2006 13:33)
Efa betsaka tokoa ny nahita an'ireo. Ny hoe manana fakan-tsary ve ry zareo hanaporofoana azy dia izay no nahavoa azy.
Angatra ve = lolovokatra?
4. cutie ( 12/07/2006 13:36)
soanja, ary njy nga efa nahita:lol:
5. lapino ( 12/07/2006 14:01)
Ikalanoro no efa nahita za, sipa niara-nianatra taminay. Raha kinaoly indray dia http://serasera.org/namana/index.php?rub=namana/namana&user=kinaoly
Fa ny ankoatra an'izay tsy haiko. :wink:
6. soanja ( 12/07/2006 14:02)
Ny kalanoro no efa reko fa tsy hitako maso fa sarotra ny mandainga.
7. cutie ( 12/07/2006 14:06)
lapino :-D:-D:-D:-D
8. Aino ( 12/07/2006 14:20)
lapino :-D:-D
fa inn marina le kinaoly eh?
9. miangalyandria ( 12/07/2006 14:30)
Lapino sy Kinaoly : MISAOTRA E ! Mahafinaritra be ilay teny malagasin'i Kinaoly marina moa ! Efa ela be aho no tsy namaky an'izany hoe vatoaratra izany :P
10. dadabe ( 12/07/2006 14:35)
hummm majesty : maniry ny hiaona amin'ireo angaha elah letie?

miangalyandria >:wink:
11. fasaly ( 12/07/2006 15:06)
:-D:-D:-D:-Daleo ihany tsy mihaona amin'ireo fa tena matandraka be no mitolotolona hono zany kapohy zany an! zà kalou tsy mbola nahita ary mety tsy mino raha tsy mahita indray mandeha:°):°)
12. dadabe ( 12/07/2006 15:13)
maty any toi fa ataovy:-D
13. Achia ( 12/07/2006 16:08)
Le lolovokatra kalo efa maro no nitantara fa otran'ny
hoe misy mihitsy no hitantaran'izay mitantara e ! fa otrandreny mihaino orera reny mitsy hitantarandry zala azy :{:{
14. soanja ( 13/07/2006 01:34)
Ny nahenoako Kalanoro dia tany Vohemar. Ratsy feo be -ketsona, mampatahotra be ,fa tsy afaka jerena hono izy fa raha tsy izany tonga dia rangotiny ny tarehy. Rehefa nomen'ny tompon'ny Kalanoro tantely sy vary masaka ary trondo manta izy dia vitany daholo ny mission nampanaovina azy, izay tsy nampoiziko hoe hampiasa Kalanoro ry zareo. Zaho moa nivoraka tamin'io ka na ny feo fotsiny no henoko dia efa teraka pipy (azafady fa izay ny tena zavanisy an fa tsy miteny ratsy akory io :wink:).
15. Solitikabe ( 13/07/2006 03:20)
Izao ry Majesty an
Misy toerana iray ao Ambatondrazaka ao atao hoe Andranomalaza. Somary atsinanana io raha avy eo Andreba ianao, miakatra ilay vohitra kely izay ary mandalo Antohokazo. Manomboka eo dia fadio ny manendry alikaola. Misy lolo tsy tia toaka amin'ny lalana, ka izay manendry na mamofona toaka an-dalana dia vereziny dia na maratra vao tonga any amin'izay toerana misy olona. Tsy tadidiko moa no fomba filaza azy.
16. majesty ( 13/07/2006 07:16)
Tsy izany fa mba te ahita an'ireo za na dia hoe amin'ny sary fotsiny aza,malaza be mantsy indrindra any amin'iny faritra atsimo iny izany lolo-vokatra zany nefa na ny gazety aza toa tsy manana sary akory fa mionona amin'izay filazan'ny olona.
Ny kalanoro indray efa mba nisy fotoana nahenoko ny feony niaraka tamin'olona izay fa tsy haiko koa na ilay olona fantatro no nody nanao kely feo tao ambadika tao na ahoana fa hoe tsy mahazo mitodika mintsy hono refa miteny ilay kalanoro.
Dia tsy haiko nareo na ahoana fa izaho ôtran'ny te hilaza fa mety misy ihany ireo zavatra ireo fa ny resa-be sy ny angano no lasa miparitak
17. dadabe ( 13/07/2006 07:24)
humm ny kalanoro anie hono mampanakarena ry majesty e :wink: lasa majesty be toi
18. ravatorano ( 13/07/2006 07:33)
za aloa rakizy d efa nahita izany atao hoe lolovokatra izany tamin iny faritra atsimon 'i Ihosy iny.Asa nareo raha efa nahita ny toerana antsoina hoe sakalalina,ambinda,sahambano fa ireo toeran ireo no nolalovanay tami izany fotoana izany (1998)
Any ambanivolo any moa dia reefa misy vahiony tonga antanan dia omena sakafo raha sendra eo ampihinana ny tena ary diaz ohatran ny koveta kely ireny ny vilaia ka natao ho an olona efatra na telo izany fa tsisy zany hoe manana anjara mitokana izany.Misy antony ny hilazako an io.
Tafatory tao amin iray amin ireo tanana ireo izahay dia nisy ranamana be lamba manao satoka hisatra ireny efa kimavoka tonga izany d nanatona ny trano nisy agnay.Nampandrosoin ny tompotrano izy ny andro moa efa hariva sady efa manomboka maizina iny.
Ny sakafo hariva any ambanivolo dia eo amin'nnny enina eo ho eo satria sady mihinana no mireska.Dia raikitra ary dia naroso ny sakafo.Ilay ranamana vao tonga dia tsy nahitan teny fa ireo tompotrano no misolo vava azy raha sendra misy resaka miantefa aminy.Ranamana io dia malany b ary raha tsy dozidozy izaay tamin izany defa tsy tafapetraka tao satria zay kouh ! sady fomba any koa moa ny tsy maintsy handraisnao kely :-$miaraka amin 'ny tangalamena ny tanana eo ka na inn aroso eo d tsy maintsy mandray anjara ianao raha te hahavita ny asanao amin'ny antsakany sy andavany.
Dia nalefa ny koveta hipoky ny vary d natondraka teo ambony ny laoka akoho rony d samy nandray ny sotràony d samy nibata hena :miam:d ....farany voky.
Reefa vita ny resaka dia nofafaina ny tsihy fa teo ihany izaay no natory d samy nanamboatra ny tandrifiny aby.
Maraina ny andro tsy teo koa ilay ranamana dia nanontany ny tena hoe havanareo angah iny dia namaly ry zareo hoe eny fa tsy nahandry anareo izy fa lasa namonjy ery ampita andrefana ery sady teny izy no nandry fa tsy zakanao miaraka matory aminy fa tsy maay mandry izy iny fa kofokofoka b.
Ny fahamarinan izany aloha dia tsy haiko fa nanontany ilay namako anakiray hoe ary toa fady rano zalah iny ah d notenenin ilay ray amnadreny izay hoe havanay iny fa efa maty ela ary ireny no antsoina hoe lolovokatra fa tena ankona za sady tsy te hino satria tsisy maty mitsangana izany miitsy.
Raha tena marina fa lolovokatra izany dia izao za zany efa nahita, efa niaraka nisakafo taminy niray koveta miitsy ary saika tafaraka tsihy taminy koa saingy za tsy te hino an izay satria sarotra amiko zany sady tsy hitako tsara ny tavany satria milombona lamba izy, ny fiheverako ny lolovokatra koa dia misy milaza fa reefa mandeha izy tsy mipeha tany nefa za tsy nahamarika izany miitsy .Asa na nohon ny hoe maraian efa teo tsony izy vao nisy niteny an izay .
Fa za zareo tsy mino ah fa izay no fitrangany aloha e
Ny kalanoro za mbola tsy nahita
ny kinaoly dia resaka koa reko fa misy hono ireny ary kapohy kely otran ny kalanoro ihany fa za mbola tsy nahita.
Mampitaotra anie zany mahita olona tsy mitovy amin ny tena izany indrindra fa hoe lolovokatra zany e
fa raha nolazaina mialoha taminay izany mety tsisy nahatan damba teo fa nirifatra zaay roalahy fa roa zaay no tany:-D:-D:-D
19. majesty ( 13/07/2006 08:02)
ravatorano :roll::roll::-w
20. rabaradaka ( 13/07/2006 09:41)
Marina lay voalazan'ny zoky solitika be tena misy zavatra ao Ambatondrazaka ao. Fa samy manana ny filazan'ny azy ny faritra eto Gasikara, any avaratra ohatr dia tsy miresaka lolovokatra fa kalanoro. Efa nanatrika fomba gasy fitadiavan-javatra very tamin'ny kalanoro aho. Feo hafahafa izay no reko ary misy somary lamba mampisaraka ka tsy tazana ilay izy. Tandremo fa betsaka koa ny mampiesona. Saika asan-devoly ireny ry dadatoa sy nenitoa a ! Mba e !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2266