inona marina ilay hoe filan'izao tontolo izao e

1. JOCH ( 07/07/2006 14:16)
hoy ny tenin'Andriamanitra hoe aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao.
Izany hoe ny fanaovana izany de fialana amin'Andriamanitra, izany hoe ota satria ny ota de fandikana ny tenin'Andriamanitra.
mandeha ny hira amin'ny radio ka raha vao tsy evangélique de lazaina hoe hiran'izao tontolo izao.
Raha vao mihaino an'iny ve izany ianao na mihira iny hira iny de efa tsy an'Andriamanitra ka very.
De betsaka ny olona no mifampitsaratsara hoe iny tena zotl( zao tontolo izao)kanefa izy koa amin'io mody hoe tsy mihaino sy mankafy hira fa ny fitafiny de mitovy amin'ilay lazaina hoe zotl ihany, ny film jereny de izay rehetra mandeha amin'ny télé kanefa tsy misy film évangélique na iray aza.
IZA izany no tena mahatanteraka io hoe aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao io? Sa ve ny olona no diso fandray io teny io ka tsy arak'ilay hevitra tena
tian'Andriamanitra lazaina no fiheveran'ny olona azy.
Inona ary no marina de aiza no tokony hasian'ny tena kristiana ny tenany?javascript:emoticon(':'(')
javascript:emoticon(':'(')javascript:emoticon(':'(')
javascript:emoticon(':'(')
répondu par prime le 07/08/2006 10:25
2. marozevo ( 07/07/2006 14:21)
Iza aloha ilay hoe "izy".
3. Herimiafina ( 07/07/2006 14:44)
Le izao tontolo izao dai izay misakana anao tsy hiheritreritra an'Andriamanitra.
Ny olana isankarazany, ny asa raha toa ka iny no lasa voalohandaharana amin'ny fiainanao. sns.

Lasa izao tontolo izao avokoa ny zavatra rehetra avy amin'Andriamanitra rehefa raisinao misaraka amin,ny fanompoana, eny fa na ny olona na ny fiainana aza! :wink:
4. dadabe ( 07/07/2006 16:11)
tsy azoko tsara le hoe izao tontolo izao
5. cutie ( 07/07/2006 18:07)
isika sy ny manodidina antsika no dikan'zany e :lol:
6. soanja ( 08/07/2006 00:35)
Izao indray no fahitako an'io:
Ny fiainana rehetra dia mila balance. Efa nomen'Andriaminatra antsika ny didy folo izay tsy tokony ho dikaina raha te ho Kristianina ara-pianana ary nomeny koa ny Evanjely isan-karazany raha te hanaraka an'izany ara-panahy mifandraika amin'ny ara-piainana (nofo).
Ny ankoatr'izay dia an'ny izao tontolo izao raha tsy tafiditra ao anatin'io. Saingy misy ny zavatra tsy voateny tao anaty baiboly nefa iainantsika amin'izao noho ny fandrosoana sy ny fahaizan-draolombelona. Izay no ananana ny saina handinika sy hamakafaka. Ary Andriamanitra nanome an'io antsika ampitiavana. Moa ve manimba ny tempolin'Andriamanitra aho raha hifoka rongony ohatra, higoka ka manao izany mihoatra ny tafahoatra.
Mino aho fa ho faly Andriamanitra raha manana fahatoniana ny fonao sy ny sainao ary ny vatanao ka afapo tamin'ny zavatra nataonao iray; Ohatra nihaino classical music , na hoe nandihy salegy ka sady afaka manitatra izany ho amin'ny hafa koa (fahatoniana sy fitiavana). Ary indrindra ka tsy hanelingelina ny fotoana goavana indrindra dia ny fanompoanao azy.
7. dadabe ( 08/07/2006 11:44)
hummm ekena akia ry Soanja a:°):°)
8. soanja ( 08/07/2006 15:17)
Inona ry no tena dikan'io tarehy ratsy io. Fa ohatra ny hoe mahita devoly izany aho mahita an'io marina dadabe! Na izany aza ity no omeko anao:-*:-*:-*:-*
9. Achia ( 08/07/2006 20:01)
oay soanja nga efa nahita devoly ? ary mitovy reto zavatra reto :twisted::°)
10. soanja ( 09/07/2006 03:49)
Izay mampatahotra dia devoly amiko. Satria tsara tarehy sy mahafinaritra daholo ny zavatra namboarin'Andriamanitra ankoatr'ireo devoly isan-karazany.:wink::D
11. JOCH ( 09/07/2006 04:04)
le izy anontanian'i Marozevo de ireo olona tena milaza fa tena kristianina sy tena marina ary modely
12. dadabe ( 09/07/2006 10:52)
Mpandefa : soanja [ Valio ] 08-07-2006 20:17:46
Lohateny : Re : inona marina ilay hoe filan'izao tontolo izao e
Inona ry no tena dikan'io tarehy ratsy io. Fa ohatra ny hoe mahita devoly izany aho mahita an'io marina dadabe! Na izany aza ity no omeko anao


Soanja kosa e:snif::snif::snif: nefa mitsiky tsy ravo ny dikan'io :snif::snif:
Mpandefa : soanja [ Valio ] 09-07-2006 08:49:19
Lohateny : Re : inona marina ilay hoe filan'izao tontolo izao e
Izay mampatahotra dia devoly amiko. Satria tsara tarehy sy mahafinaritra daholo ny zavatra namboarin'Andriamanitra ankoatr'ireo devoly isan-karazany.


humm tandremo tsara ry Soanja fa mety ho voafitaka amizany ianao a, aleo hazavaiko anao any @ telefonina ny versee manambara fa tsy mitombona io nolazainao io :-$
13. soanja ( 09/07/2006 12:45)
Miala tsiny dadabe a. Aza mitomany an! Zah anie ka be sangisangy e. hay ve izany no dikan'io tarehy ratsy io e!
Ok. misaotra mialoha.
14. dadabe ( 09/07/2006 14:39)
Soanja : tsy olana e:D:D io fa efa novaiko e :wink:
15. Mifenty ( 09/07/2006 15:11)


zotl b kosa kou
16. soanja ( 09/07/2006 15:38)
Ny ahy indray ny fanontaniako dia hoe raha ny fitafy tian'Andriamnitra ho antsika dia toy ny ahoana satria tamin'izy nanamboatra an'i Adama sy Eva dia tsy tao anaty vocabulaire-ny izany fitafiana izany. Taty afara moa nisy ny fiovana. Ny fitafiana tany Israel na Middle East ve izany no tokony harahantsika aty amin'ny tany mangatsiaka be aty? Omeo hevitra azafady o.
17. dadabe ( 09/07/2006 16:35)
hummm misy heviny ra nofo sy ara panahy io ry Soanja a
18. soanja ( 10/07/2006 17:57)
Aha ! aleo velabelarina io azafady raha tsy mahadiso. Mino aho fa hahasoa antsika rehetra eto.
19. dadabe ( 10/07/2006 21:13)
tsy aleo hanokafana dinika vaovao sao lasa hors sujet eto isika :D
20. soanja ( 10/07/2006 22:26)
Eny ary.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0081