inona marina ilay hoe filan'izao tontolo izao e

41. gountera ( 18/07/2006 11:35)
Io tsy oe manota zany ny miaino na mihiran'reny hira lazain oe zaotl ren, dia ôtrzay ko ny fitafina ts manot ny manao zipo foh ohatr fa mis tenin'Andriamanitra oe Tempolin'Andriamantr ny tenatsik de mba attao anomezan voninahtr az de mini-jupe ve ohtr de manme voninahtr azy!de ôtrzay ko ny hira "Zay ataonareo oziz de ataovy hoan'Tompo" de zay ny hoe rah resy lahtr enao de tsar koko ny oe miain hira Evgéliq sy mb ren zan no fihirahiranao e!Merci!Haja mpandefa
42. prime ( 18/07/2006 11:55)
soanja> Efa manana ny mahaizy azy izao tontolo izao (fa tsy atoro voanjo hadiana hoy ny fitenenana) na @ fomba amam-panao sy ny kolontsaina fotsiny aza... (savoir-vivre, savoir-être, savoir-faire, savoir-savoir, faire-savoir, savoir communiquer, le SAVOIR)...
Na amintsika malagasy fotsiny aza dia efa manana ny fenitra ara-piaraha-monina tsy hay tohaina (lazaina hoe fahendrena), ny famadihana, ny fanandroana, ny sikidy sy ny ody, ny finoana ny fitahian'ny razana, ny tsiny sy ny tody, ny famangiana doany sy mpitaiza isankarazany... ka sahirana izay manana eritreritra ny hanova an'izany satria efa manana ny herin'izao tontolo izao tsy azo sembatsembanina...
azfd, miala tsiny fa i soanja no tiako resahina teo ambony fa tsy i achia... (ifonana e!):lol:
43. soanja ( 18/07/2006 12:44)
Namaky vetivety fotsiny aho dia nahatsapa fa fampifandraisan-javatra fotsiny ilay izy amiko. Ilaina ny fananganana Organisations isan-karazany handaminana ny toekaren'izao tontolo izao. Tadidio fa mbola miaina eto ambonin'ny tany isika ary mila fandaminana ny rehetra rehetra. Zany hoe mila governements sns fa tsy vitan'ny hoe fivavahana dia samy miala. Ny antony dia tsy mitovy ny foto-pinoana'ny rehetra ka mila marimaritra iraisana itambaran'ny rehetra. Dia any no isehoan'ny Organisation isan-karazany.
Tsy hitako izay hidiran'ity Illuminati amin'izany. Tamin'izaho namaky an'ilay boky Davinci Code no niresaka momba an'ity ary amiko hevitry ny olombelona koa io fa tsy hevitr'Andriamanitra ka maninona aho no hino azy. Nomena tamin'ny teny faminaniana ve io resaka io eo ireto Elites ireto dia hiaraka amin'ireto sns sa eritreritra nampifandraisana fotsiny?
Raha ny Banque Mondiale sy ny FMI sns hatramin'izao dia miezaka manampy ny firenena mahantra sy izay mila izany fanampiana izany. Ka inona no tsy tokony hisan'izany? Tsy maintsy misy leader daholo hafahana mampandroso izany. Ka anajarantsika ny hino sy tsy hino.
Ny filan'izao tontolo izao amiko dia miankina amin'ny fandanjalanajana ary afaka mamakafaka ny tsara sy ny ratsy eto aho hoe nahoana isika no tsy maintsy nandalo tamin'ireo finoana isan-karazany ireo vao tonga amin'ny sehatra iray toy izao dia ny fianoana an'Andriamanitra.
44. prime ( 18/07/2006 13:17)
soanja> raha tsy mpino no miteny io lazainao io dia tsy mahagaga ahy fa ianao no miteny azy dia somary taitra kely ihany aho...
Ny façade'ny fiainana iainantsika rehetra, na ara-politika, na ara-pinoana, na ara-ekonomika, na ara-piaraha-monina dia azo lazaina tokoa hoe mahasoa izany ka inona ny olana, ohatry ny BM sy ny FMI resahinao... Fa izaho miteny aminao fa raha mihamahantra isika tena "voulu" io fa tsy hoe tsy mahay mitondra ra-8 na tsy mivavaka ny malagasy na misy antony hafa... Miangavy ihany aho mba hovakianao tsara io organisations lehibe io sy ireo "ramifications" rehetra ao aminy, fa ilay izao tontolo izao sy ny zava-misy dia efa misy baiko mialoha ny ahatanterahany fa tsy tongatonga ho azy... Na ny fifidianana io aza dia sinemà sisa fa efa vita mialoha ny amin'io...
45. saho ( 18/07/2006 16:41)
Ny fiainan'izao tontolo izao amiko dia eo @ resaka fitiavana vola, filana ara-nofo, filana ara-rendrarendra, tsy mivavaka, tia tena, tsy fitiavana ny namana sy ny havana na mpiray tanindrazana, na olona tsotra, fanavakavaham-bolon-koditra, sns...

Amiko ny Jiosy no nipoiran'ny finoana Kristiana, izany hoe i Jesosy dia velona ara-nofo t@ fotoana fohy kanefa dia zanaka Atra...Ny fomba finoan'ny Jiosy anefa dia JUDENTUM no filaza azy @ teny allemand fa tsy aiko ny mamadika azy @ teny gasy ofisialy, izany hoe miainga @ Boky 5, Tora ka io boky 5 tora io anefa dia tsy inona fa Filazantsara taloha @ baiboly kristiana, misy Genesisy sns...

Noho ny tonga teto an-tany i Jesosy t@ taona voalohany dia nanenjika azy ny Jiosy sasany fa tsy izy hoy ny Judentum no Mesiasy fa hafa mbola handrasana hatr@ izao.

Ny mahagaga ahy dia ny JIOSY no tena manaraka ny boky 5 na ny filazantsara taloha hatr@ izao ary izy dia tsy mino an'i Jesosy mihitsy...Araka ny voalazan'ny baiboly filazantsara taloha hoe Maso solon'ny maso sns...izany dia midika valin-faty be ka jereo anie ny ady misy ao Israel sy Libanon fa tena mila ady foana ireo Jiosy ireo. Tsy tia olona ankoatra azy izy fa samy izy ao ihany. Mifanaraka be ny Harena misy ao Israel sy USA ary mifanohana izy ireo. Tena tantara tokoa ilay izao tontolo izao. Ary amiko dia MINO NY FARANY AHO satria NY VOLA NO MANDIDY IZAO TONTOLO IZAO fa TSY NY FITIAVAN'ATRA izay FINOANA KRISTIANA. Ary i Jesosy dia Fitiavana lehibe no manjaka ao @ izay mino azy. TIAVO NY NAMANAO TAHAKA NY TENANAO. Amiko na maintý na fotsy na mavo na metisse dia olona daholo amiko ary efa voalazan'ny filazantsara vaovao daholo ny fiainan'izao tontolo izao. Tsara ny kristiana raha miezaka manaraka ny DIDY FOLO sy MIVAVAKA satria tsy miaina @ sakafo toa ny fihinana isan'andro ihany ny fiainan'ny kristiana fa mila sakafo ara-nofo koa...

Sarotra tokoa ny hahafahana mifanakalo fa soa fa misy toa intony Internet intony mba hifandraisan'ny Kristiana koa

Veloma indray

46. saho ( 18/07/2006 16:51)
Diso kely aho ny farany io fa mila sakafo ara-panahy no izy fa tsy ara-nofo fotsiny
47. Achia ( 18/07/2006 17:33)
lasa anti semita indray ty resaka ty marina . Ka maninona moa ra nde mba hadihadiana mihitsy hoe aoana
no tena hampiarana sy tokony hanaovana inty finoana Kristiana ito e maro ihany mantsy izay nanamposaka hevitra zay fa maninona ra nde mba hiarahamijery hoe inona no tena tokony hatao an ?
48. KOTOKELY ( 18/07/2006 21:22)
Amiko dia tsotra ry zareo ilay resaka a. Raha nivavaka ho antsika ny Tompo dia hoy izy "...Tsy hampiala azy amin'izao tontolo izao fa hiaro azy amin'ny ratsy".

Mazava fa raha mbola miaina eto amin'ity izao tontolo izao tany ity isika nofo sy ra dia tsy afaka ny tsy handeha hiantsena, handeha metro na bus na taxibe, tsy afaka ny tsy hiray amin'ny vadintsika koa , sns tsy voatanisa. Misy lalànany mipetraka (na voasoratra : loi io na conventionnel izany hoe efa fanao eken'ny fiarahamonina ity fiainana ity ka ny Tompo tsy mamoaka antsika hiala amin'io fa kosa mamporisika antsika TSY HANAO NY RATSY FANAON'IZAO TONTOLO IZAO. Ka ny famaritana ilay hoe RATSY no tena mampiady hevitra ny kristiana matetika. Ao ireo ratsy efa voararan'ny tenin'Andriamanitra toy ny halatra, vonoan'olona sns, tsisy hiadiankevitra.
Fa misy kosa zavatra tsy dia voafaritra mazava ny tena maha-ratsy azy ( nisy ranabavy izay nanitrikitrika tamiko fa tsy tokony hanao pataloha ny vehivavy, dia nanontaniako izy hoe hazavao amiko araka ny tenin'Andriamanitra ary ny tsy mahamety izay : tena tsy nisy hambara mihitsy izy fa dia ny hoe fanaon'izao tontolo izao izany, dia hoy ilay iray hoe ka fitafiandehilahy ange ny pataloha e. Dia hoy aho hoe t@ andro nanoratana ilay hoe aoka ny vehivavy hanao fitafiambehivavy ange ka akanjo rebareba ireny no nanaovan'ny jiosy lahy fa tsy nisy pataloha izany e. Dia hoy izy roa hoe, ka izany no nampianarina anay ko.)

Aleo re rehefa manana fandresen-dahatra isika kristiana dia mba ho matotra tsara ary ho azontsika tsara aloha ilay antony fa tsy manaraka be fahatany fotsiny ka hihomehezan'ny olona rehefa miady hevitra e.

Amiko dia tokony hifampahery ny kristiana n'inon'inona fandresendahatra @ hevitra iray. Ny tena zotl amiko ry zareo dia ny kristiana miakanjo maotina tsara nefa mifosa olona sy mialona anaty, mifanaratsy fa tsy mba mifampahery, mifampitsara foana hoe zotl zotl nefa ny ato anaty mbola pire nohon'ny zotl.

Ka hoy aho hoe, aza dia mitady lavitra loatra re hoe inona no zotl fa ny ao anatintsika tandremana tsara fa rehefa tafaray @ Kristy tsara isika dia tsy misy zotl mipoitra mintsy eo.

Raha mihira ve izaho hoe neny ô tiako ianao ary tena ampisehoako fa tiako ny reniko dia afaka tsarain'ny namako aho hoe heeee!!!! hira zotl zany fa tsy midera an'Andriamanitra, nefa le namako mitsara ahy io manana alahelo @ reniny, dia iza no tena zotl????

Azafady fa lavabe, hi hi
49. soanja ( 19/07/2006 11:14)
Prime a, pesimista be ianao izany raha ny fahitako ny fijerinao ny fiainana amin'ity resaka ity. Azafady fa eritreritra fotsiny io an.
Raha ohatra izany ka mihevitra ianao fa efa fandaharana io dia iza izany no nandahatra an'io tany amboalohany indrindra, i Satana ve? tamin'ny vao noforonin'Atra ve ny tany dia efa nipetraka io sa taty afara? Inona no nahatonga azy ho tahak'izany?
Tsia tena tsy manaiky hoe efa fandaharana io. Tsy misy mahalala hoe i Bush no ho lany eo na i Dole fa arakaraky ny vote ihany io. Ary misy tokoa aloha ny risoriso ekeko fa tsy noho izay fa fanararaotana ny hafa tsy maharaka daholo, raha ny aty US no resahiko.
Fa manaiky kosa aho raha mitongilana ny alehan'ny hery (pouvoir na power) amin'izao tontolo izao fa tsy noho ilay teny fandaharana akory fa noho ny zavanisy sy ny tantara izay isika rehetra efa mahafantatra hoe nanao ahaoana avy vao tonga amin'izao sehatra izao.
Anjarantsika tsirairay ny manova ny ho avy raha vonona amin'izany isika indrindra raha te hanatsara azy ary hisy ny fiantraikany izany amin'ny ho avin'ny Planeta Tany saingy noho i satana mbola mihelohelo dia tsy mora akory izany.
50. prime ( 19/07/2006 12:34)
Tsara ny fitarihana entin'i saho sy kotokely... Fa ny fanamarihana entiko dia misy ambaratonga ihany, mba iangaviako avahana tsara ny resaka hoe fiainana ara-nofo sy ny fiainana ao @ zao ttl izao fa fahavalo samihafa mihitsy ireo...
Fa na i paoly apostoly aza dia nilaza fa izay tsy sitrany no ataony, ary ny ara-nofony no resahiny... Indraindray isika mety mandresy ny nofo, mety resiny koa sady matetika resiny noho ny mahaolombelona, nefa dia izay firaisana @ Kristy izay no manafaka antsika araka ny fiainam-bavaka sy ny fifonana...
Fa ilay zao ttl zao dia efa voaozona hihasimba, satria hery tsy hay tohaina hoy aho io, ny tontolo manodidina mifehy ny fiainan'ny zanak'olombelona dia efa voafehin'i satana tsy hiova intsony... Ary tena feno haizina araka ny lazain'i jaona apostoly ao @ filazantsarany... point kely ao anaty haizim-be no fahitàna ara-panahy ny mpino ka tsy hahazava an'io intsony fa ny tenany sy ny mpino vitsy2 ihany manodidina azy no azony tsilovina...
oooay, lasa lavabe fa rehefa avy eo indray... miala tsiny tompoko...
51. cutie ( 19/07/2006 12:56)
Mpandefa : KOTOKELY [ Valio ] 19-07-2006 02:22:20
Lohateny : Re : inona marina ilay hoe filan'izao tontolo izao e
Amiko dia tsotra ry zareo ilay resaka a. Raha nivavaka ho antsika ny Tompo dia hoy izy "...Tsy hampiala azy amin'izao tontolo izao fa hiaro azy amin'ny ratsy".

Mazava fa raha mbola miaina eto amin'ity izao tontolo izao tany ity isika nofo sy ra dia tsy afaka ny tsy handeha hiantsena, handeha metro na bus na taxibe, tsy afaka ny tsy hiray amin'ny vadintsika koa , sns tsy voatanisa. Misy lalànany mipetraka (na voasoratra : loi io na conventionnel izany hoe efa fanao eken'ny fiarahamonina ity fiainana ity ka ny Tompo tsy mamoaka antsika hiala amin'io fa kosa mamporisika antsika TSY HANAO NY RATSY FANAON'IZAO TONTOLO IZAO. Ka ny famaritana ilay hoe RATSY no tena mampiady hevitra ny kristiana matetika. Ao ireo ratsy efa voararan'ny tenin'Andriamanitra toy ny halatra, vonoan'olona sns, tsisy hiadiankevitra.
Fa misy kosa zavatra tsy dia voafaritra mazava ny tena maha-ratsy azy ( nisy ranabavy izay nanitrikitrika tamiko fa tsy tokony hanao pataloha ny vehivavy, dia nanontaniako izy hoe hazavao amiko araka ny tenin'Andriamanitra ary ny tsy mahamety izay : tena tsy nisy hambara mihitsy izy fa dia ny hoe fanaon'izao tontolo izao izany, dia hoy ilay iray hoe ka fitafiandehilahy ange ny pataloha e. Dia hoy aho hoe t@ andro nanoratana ilay hoe aoka ny vehivavy hanao fitafiambehivavy ange ka akanjo rebareba ireny no nanaovan'ny jiosy lahy fa tsy nisy pataloha izany e. Dia hoy izy roa hoe, ka izany no nampianarina anay ko.)

Aleo re rehefa manana fandresen-dahatra isika kristiana dia mba ho matotra tsara ary ho azontsika tsara aloha ilay antony fa tsy manaraka be fahatany fotsiny ka hihomehezan'ny olona rehefa miady hevitra e.

Amiko dia tokony hifampahery ny kristiana n'inon'inona fandresendahatra @ hevitra iray. Ny tena zotl amiko ry zareo dia ny kristiana miakanjo maotina tsara nefa mifosa olona sy mialona anaty, mifanaratsy fa tsy mba mifampahery, mifampitsara foana hoe zotl zotl nefa ny ato anaty mbola pire nohon'ny zotl.

Ka hoy aho hoe, aza dia mitady lavitra loatra re hoe inona no zotl fa ny ao anatintsika tandremana tsara fa rehefa tafaray @ Kristy tsara isika dia tsy misy zotl mipoitra mintsy eo.

Raha mihira ve izaho hoe neny ô tiako ianao ary tena ampisehoako fa tiako ny reniko dia afaka tsarain'ny namako aho hoe heeee!!!! hira zotl zany fa tsy midera an'Andriamanitra, nefa le namako mitsara ahy io manana alahelo @ reniny, dia iza no tena zotl????

Azafady fa lavabe, hi hi
=D
52. prime ( 19/07/2006 13:07)
53. cutie ( 19/07/2006 13:09)
io fotsiny ve sisa:-D
54. booboo ( 19/07/2006 13:47)
drôle be koa lé mamaky hoe zotl zotl :-D:-D:-D








(entre pà tsy aritro fotsiny iny f'azafady e hihihihihihi )
55. JOCH ( 21/07/2006 15:26)
Misy teny ao amin'ny soratra masina ao hoe "manaja ny mpitondra anareo, fa tsy misy fahefana misy raha tsy avy amin'Andriamanitra izany"
izany hoe ny mpitondra firenena na ratsy io na tsara de avy amin'Andriamanitra ary sitrak'Andriamanitra ny hipetrahany eo.ary io teny eo ambony io de ny apostoly Paoly mihitsy no nasain'Andriamanitra nilaza azy
Koa ny politique ve izany de hosokajiana ho isan'ny fanaon'izao tontolo izao kanefa raha tsy misy ny politique de tsy misy ny fitondrana ary raha vao tsy misy ny fitondrana de mazava ho azy zava-doza no mitranga eo amin'ny firenena iray de sahala amin'ireny any Somali ireny, fanjakan'ny barou hoy ny fitenenana.
Raha ny tena kristiana ve izany de tsy mahazo manao politique sa ahoana, raha mahazo kosa iza ihany izany no lazaina fa olon'izao tontolo izao?
56. Achia ( 22/07/2006 06:12)
eny @ avenue eny misy azy ry joch a eny betska mitsy ny ol zao tontolo zao :°)
57. JOCH ( 26/07/2006 15:17)
tena manaiky ny teninao kosa aloha aho ry Achia fa ny fanontaniana mipetraka de ity moa ireny ihany ve no izy.
Tamin'ny andron'i Apostoly sy ry Jesosy ve nisy avenue, ka nahatonga azy hiresaka momba io, fa hoy Izy hoe malalaka ny lalana ho any amin'ny fahaverezana ka betsaka no lasa any fa tery sady hety kosa ny mankany amin'ny fiaianana mandrakizay ka vitsy no mahita azy.
Ka raha atao ny analyse de toa vitsy ihany ireny amin'ny avenue ireny, izany hoe lasa mivadika indray izany ilay tenin'ny Tompo ka lasa hoe:
tery de tery ny lalana mankany amin'ny fahaverezana ka de vitsy no mankany fa malalaka be kosa ny mankany amin'ny fiaianana mandrakizay ka de lasa any daholo ny ankabeazan'ny olona.
Inona no havalinareo izany??
58. prime ( 28/07/2006 08:21)
JOCH> tsy misy mahazo fahefàna afatsy izay avy amin\'Andriamanitra (na tsara na ratsy), ekena fa avy Aminy fa ny hoe sitrany dia tsia... Tsy voatery ho sitrany fa navelany handray fahefàna noho ny antony maro... farao (ramsès II) tany Egypta navelany ho mpanjaka nandritry ny firy taona ary nohamafisiny aza ny fony hoy ny tenin\'Andriamanitra mikasika ny hanafahana ny zanak\'israely @ fanandevozana... nebokadnezara tsy tenenina intsony... Ka ny hoe sitrany mantsy dia izay manao ny sitrapony... Fa tsy voatery ho sitrany izay nomeny fahefàna fa mety napetrany @ fahefàna iray entina anitsiana na amaizana ny mpanompony sy izay mpino Azy ihany koa (ohatra iray ihany fotsiny izao izay)...
Ny hoe politika fanaon\'izao ttl izao dia mazava be ny @ izany, izay mpanao politika te-handray fanjakàna tsy maintsy mankato ny filàn\'izay nifidy azy... ireo nefa ny ankamaroany dia efa saron\'ny filàn\'izao ttl izao...
Mikasika ny olon\'izao ttl izao, toa ohatra kosa aloha no notenenin\'i Achia fa tsy hoe ireny ihany no izy e! Fa ny teneninao ihany no mitombina vitsy ny hahita ny lalana mankany @ fiainana...
59. JOCH ( 03/08/2006 23:32)
prime>raha ny hevitrao sy ny fanazavanao no dinihina de tena tsy tsara mihitsy izany ilay politika arak'ilay nolazainao hoe tsy maintsy mankato ny filan'izay nifidy azy.
Kanefa de ianao ihany no manaiky ery ambony hoe:ekena fa avy Aminy fa tsy voatery fotsiny hoe sitrany.
Atao ahoana moa no hiakatra eo amin'ny fitondrana raha tsy manao politika.Ary hoy ianao hoe tsy maintsy manatanteraka ny filan'izay nifidy azy.
Moa ve ny antony hifidianan'ny olona kandidà iray tsy ny mba hanatanteraka ny hetahetany, ary tsy misy vahoaka mangetaheta zavatra ratsy fa izay hampiadana azy sy hilaminan'ny fireneny ihany no tena tadiaviny amin'ny mpitondra
ka de tena sarotra ihany ny hanamarina ny hevitrao sy ny teninao.
60. prime ( 07/08/2006 10:25)
JOCH> Izaho tsy niteny mba hamarinina ny lazaiko kah!!! mety ho diso toy ny hevitra rehetra fa mitondra fanazavàna fotsiny araka ny lazain\'ny soratra masina...
Averiko, tsy misy mahazo fahefàna afatsy izay omen\'Andriamanitra izany... Fa izay omeny fahefàna tsy voatery hoe sitrany... Marina io ary izany no voalazan\'ny soratra masina... Ny tiako ambara dia tsy voatery ho sitrapon\'Andriamanitra ny anomezana fahefàna olona iray na dia ekeny aza ny itondran\'ilay olona...
Mikasika ny hoe tsy misy vahoaka mangetaheta zavatra ratsy fa izay hampiadana azy sy hilaminan\'ny fireneny no ilainy @ mpitondra, izaho miteny aminao kosa aloha hoe diso izany... Ary eo ity lohahevitra ity no miainga satria ilay lazaina ho hetahetam-bahoaka mihitsy no atao hoe filan\'izao tontolo izao... hetahetam-bahoaka ny nanomboana an\'i Jesosy t@ hazo fijaliana fa namahàna an\'ilay jiolahy atao hoe Barabasy... hetahetam-bahoaka no nahalany an\'i Hitler Adolf t@ 1938 ary lany t@ fomba demokratika tanteraka... hetahetam-bahoaka no nifidianantsika malagasy ny lalàm-panorenana ka nanovantsika fomba fijery hiala t@ sôsialisma ka idirantsika @ politika \"l\'ultra-libéralisme\"... Hatreo aloha fa lasa lavabe...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0488