Aleo foanana ny position de hors-jeu!

1. jentilisa ( 28/06/2006 07:19)
Eritreritra ny ahy mahita sy nahita hatramin'izay ny zava-nitranga amin'ity resaka position de hors-jeu ity. Efa tsy mety eken'ny fifa ny fampiasana ny sary amin'ny televiziona. Mahay mampiasa io position de hors-jeu io tsara ny breziliana (izaho dia izay mifanandrina amin'ny brezil hatrany no fidiako rehefa milalao ireo satria iangarana foana ry zalahy). Mody misy manimba maso ny mpilalao iray mihoatra amin'ny vodilaharana hafa saingy tsy iny no tolorana baolina fa mpilalao hafa mitsoriaka hatrany aoriana. Izany hoe tena tsy misy ny position de hors-jeu amin'iny fotona iny. Saingy izao: mety hanelingelina ny fihazakazahan'ny vodilaharana ny fijoroan'ilay mpanelingelina ary dia tsy ho azo mihitsy ilay nitsoriaka. Tsaroako tsara anefa indray mandeha fa nisy Kameroney tavela tany aloha tsy nandray anjara na inona na inona mihitsy tamin'ny fanafihana iray (tsy tadidiko na arzantina na brezila no nihaonany tamin'io fotoana io) sady tery antsisiny nanakaiky ny fandakana corner tery no nisy azy. Maty ilay baolina fa nolavin'ny mpitsara satria hoe nisy lohalaharana Kameroney tavela tery aloha tery (ilay tsy nandray anjara na inona na inona sady tsy nanelingelina na iza na iza). Izany hoe io position de hors-jeu io no fomba hiarovana ny ekipa tiana ho tafakatra ary hamelezana izay tsy tiana loatra ary ny afrikana moa no tena asiana amin'izy io. Izay no nahatonga ahy hanoratra hoe tsy ale ve foanana any io position de hors-jeu io fa entina hampakarana ekipa tsy tokony ho tafakatra intsony?
répondu par lapino le 01/07/2006 08:46
2. lapino ( 28/06/2006 08:01)
Aleo ihany misy ka!
3. mandrindra ( 28/06/2006 08:17)
io kosa no anisan'ny fototra ijoroan'ny taktika rehetra e. raha tsoahina io dia miova tanteraka ny endri dalao. alaivo antsaina fotsiny hoe lasa misy mpilalao afaka mijanona any akaikin'ny mpiandry tsatokazo foana, lasa dakabe any aloha fotsiny sisa fa tsy misy lalao mahafinaritra intsony.

ekeko anefa fa misy hadisoana maro nataon'ny mpitsara mikasika ny fampiharana an'io lalàna io.
4. lapino ( 28/06/2006 08:50)
Eritrereto marina ange hoe hotsoahina ny hors-jeu, dia ahoana no ho lasa filalao azy indray? Dia raha tiana hialana ohatra ny mpilalao be dia be mitangorona eo am-bodin'ny tsatokazo, kôzy tsy lasa ohatra ny handball atao amin'ny tongotra sisa io?!

Ny fahadisoan'ny arbitre koa tsy maintsy misy foana amin'ny maha olombelona. Kanefa za koa mihevitra fa tsy mety ny arbitrage video, fa ny tsy fahatongavana lafatra tsy maintsy misy foana. Amin'ny coupe du monde an'ny robots angaha no tsara raha masinina no mitsara. Fa amin'ny coupe du monde an'ny olombelona, aleo ihany olombelona no mitsara
5. prime ( 28/06/2006 11:08)
Aleo misy ihany ny position d'hors-jeu kah! @ izay koa tena stratège sy tacticien no asan'ny coach sy ny sélectionneur ary ny direction technique rehetra... Ny foot koa anie tena spectacle mihitsy mihoatra noho ny maha-sport azy ka very ireny endriny ireny raha atao mahitsy be toy ny robot ny fitsaràna... Ireny comédie kely isankarazany ataon'ny mpilalao ireny mihitsy no maha "épicé" an'ilay mondial...:wink:
6. fraz ( 28/06/2006 11:43)
Aleo ihany misy fa lasa manao an'ilay kilalao taloha miandry remorque be koa. Na lasa mety manao position tactique 1 - 10 (Goal dia arrière daholon ny ambiny :))
7. jentilisa ( 28/06/2006 12:08)
Izao indray, hadalan'ny lohalaharana raha miandry mahazo fotsiny izy ka tsy manampy ny ekipany. Izao anefa! na hisy lohalaharana hijoro aza eo ambody but rehefa tsy hikitika baolina izy dia tokony tsy ho hors-jeu mihitsy. Maro ny ekipa no atao hors-jeu foana rehefa atao ireny fa ireo ekipa goavana kosa (frantsa, brezila, arzentina, Italia ary angletera sy alemaina tsy maninona.)Izay no olana amin'ilay izy. Raha ny tokony ho izy (fa tsy izay no lalàna) raha vao misy fotsiny any aloha dia tokony ho hors-jeu foana iny nefa isafidianan'ny mpitsara ny hanaovana azy na hataony hors-jeu iny olona iny na tsia...raha hoe lasa hand-ball indray moa efa izany ange ny lalao amin'izao fotoana izao e! iza amin'ireo no tsy mampiasa tanana na dia hoe hifehezana mpanafika tsy hihetsika aza? ny taktikan'ny hors-jeu anie ka taktikan'ny basket no ampiasaina e! entina hanelingelina vodilaharana tsy ho afa-maenjika ny hafa iny ho'aho!
8. prime ( 28/06/2006 12:25)
jentilisa> fa tena tsy zakanao mihitsy izany ilay izy an!!! miangatra ve ny mpitsara hoy ianao rehefa ireo ekipa ireo??? asa aloha fa be dia be koa manko ny "enjeu" ao ambadiky ny mondial ary vola be no mampihodina an'io miaraka @ fifa ka mino aho fa raha tsy manao @ phase finale intsony ireo na tsy tafakatra mihoatra ny 1/4 fa hoe ekipa afrikana sy aziatika sy tatsinanana sisa tafita mety ho perte ihany ny fifa... Efa nitranga io zavatra io t@ 82 tany espagne ary nilokaloka mihitsy blatter moa t@ izany fa tsy miverina intsony ny toy ireny... Fitantanana toy ny an'ny orinasa mantsy ny an'ny olona ny baolina fa tsy ohatry ny antsika aty...
9. Herimiafina ( 28/06/2006 12:51)
Raha foanana ve ny position de hors-jeu tsy i Thierry Henri no lasa ballon d'or eo! :wink:
10. lapino ( 28/06/2006 12:57)
Ny fahazoako ny olana amin'ny tenin'i jentilisa izany dia hoe fitaovana fangalarana ny hors-jeu. Ny fahitako azy indray dia hoe:

- raha ho an'ny fahatsaran'ny lalao, dia aleo misy ny hors jeu; lalàna ohatra ny rehetra iny, ary ampiharina amin'n fomba mitovy ho an'ny andaniny roa.
- raha noho ny fiangarana indray anefa, dia tsy hitako izay antony hanafoanana azy. Tsy ny hors-jeu ihany tsinona no azo hiangarana ao amin'ny fitsipi-dalao. (Ilay penalty an'i Italia iny izao ohatra mivaingana). Ka raha hofoanana daholo izay rehetra mety ho azo ahodina hangalarana ao amin'ny fitsipika, dia tsy misy dikany.
11. Samoana ( 28/06/2006 13:48)
Herimiafina:

Raha foanana ve ny position de hors-jeu tsy i Thierry Henri no lasa ballon d'or eo! :wink:

hihihi marina mihintsy izany; sady lery tsy mba mahay miafinkafina ao ambadimbadiky ny ariera fa miharihary toy ny voamason-kary mihintsy. hihihi

12. ronaldo09 ( 28/06/2006 19:36)
Ka ianao ary izany efa tsy tia Bresil ka tsy izay no marina fa amiko aloha dia mazava daholo ireny baolina 3 tafiditra ireny e!Sady isika ange Tele no jerena fa ny mpitsara eny ambony kianja e!
Marina tokoa fa i Henry no Ballon d'or raha foanana ny position de hors-jeu,ary raha mahay moa ny Ghana iza no nisakana azy ireo tsy hahafaty baolina ?
13. eprom ( 29/06/2006 06:03)
ronaldo09> Aiza kosa eh, de tsy "hors-jeu" ve iny baolina faharoa iny? Nahoana koa moa ny mpitsara no tsy afaka mijery tele? Azo atao tsara anie no mampisy mpitsara eo ambody tele eh. Ary afaka miresaka tsara amin'ny mpitsara eny ankianja aza. Ny rugby izao ohatra de efa ampiasana ny arbitrago video. Nahoana tokoa moa no tsy ampiasaina izany @ baolina kitra? Ohatra t@ Italie-Australie, rehefa nianjera ilay mpanafika de tsofina ny kiririoka, jerena ny tele (3 sekondra), karatra mavo ho an'ilay nanao sinema fa tsy penalty akory.
lapino> Amiko indray de lesoka tokony arenina ny fitongilanan'ny mpitsara ( tsy amin'ny baolina kitra ihany). Ny teknolojia de afaka ny hanampy antsika. Tsy manala ny maha-kilalaon'olombelona azy akory izany fa vao mainka aza manatsara azy. Tsy misy tahaka ny lalao madio hoy ilay ranamana iray izay
14. jentilisa ( 29/06/2006 09:09)
Izaho indray miteny hoe tombotsoa be ho antika malagasy ny fanafoanana ny hors-jeu! tami'ny boay kely anie tsy nampiasa izany hors-jeu izany mihitsy e! tsy dia nilaina ihany koa ny mpitsara fa samy boay kely no milalao tsinona. Rehefa nisy mpitsara vao nampihariana tamin'ny te-hilalao baolina ny hors-jeu. Eo vao manova taktika ny mpilalao tsirairay.

Ataovy foana anie io hors-jeu io raha tsy moramora ho an'ny gasy ilay izy e! fa eo koa raha mba mijery baolina ny vehivavy tsy dia mahalala loatra ny lalàna dia mba arany ihany ny zavatra hafa fa ity hors-jeu ity no sarotra azo mihitsy ho azy ireo na handaniana 50 pejy aza angamba!
15. lapino ( 29/06/2006 18:10)
Za kosa tsy mino hoe tombontsoantsika io e. Ary isan'ny zavatra nampiady foana hatram'zay koa aza ilay hoe manao but kely nefa mbola misy miandry vodina but ihany. Fa rehefa ampiharina ny hors jeu dia miova tanteraka ny lalao. Misy fampitahana amin'ny rugby ihany, amin'ny rugby aza tsy azo atao ny mandefa pasy mandroso.

Ny vehivavy mpankafy baolina kitra kosa mahazo ny fandehan'ny hors jeu e. Dia efa misozy vehivavy kosa ny mividy kahie 50 pejy ho azy izany! :°)

eprom > raha asiana arbitrage video ny baolina, dia tsy misy hilana azy intsony ny arbitre de touche, ary ny arbitre central aza ho lasa saribakoly mandehandeha sisa, fa izay mijery video any anaty efitrano tsy hay any no tena hitsara ny lalao. Na izay fotsiny aza dia efa hitako hoe maty ny baolina kitra. Tsy any amin'ny fitsarana amin'ny video hoy aho no tokony hanarenana ny fitongilanan'ny mpitsara.

Ny fahadiovan'ny lalao indray, tsy ny mpitsara no antony mampadio na tsia an'ilay lalao. Ny mpilalao ihany io, satria avy any ny finiavana hamely (matetika rehefa tsy mahay). Mametra ny an-kamely ihany angaha no mety hisy fiankinany amin'ny mpitsara.
16. jentilisa ( 30/06/2006 06:37)
resaka mandeha amin'ny radio no nahatonga ahy hanoratra iny. Tsy nisy naharesy lahatra mihitsy ireo nanazava...ary dia miankina be dia be amin'ny mpitsara ny lalao na ahoana na ahoana. Ny fanaovana simulation ka eken'ny mpitsara no matetika manimba ny lalao. Ilay nolazaiko kosa aloha tsy hoe vehivavy mpankafy e! ireo mba hijery no nolazaiko raha tsy diso aho.
17. ravakamalala ( 30/06/2006 07:29)
f'hita akia jentilisa! tsisy atao mantsy dia tsy maintsy mba hoe mitombina eo ambody tele eo koa fa atao akory na dia tsy dia mpankafy loatra aza.

Dia eo dia mijery eo dia mijery, tampotampoka eo misy kiririoka maneno, mi sendaotra ny anao lahy hoe hors jeu ve leaza? fa ahoana kosa an? dia zay moa midonaka fotsiny sady tsy sahy manontany fa ny anao lahy aza efa lagy!!! hihihi...d mody fanina fotsiny e!

fa na izany na tsy izany aza rehefa tena mpankafy akia dia manao izay ahazona an ilay resaka foana a!

raha ny fahitako an ilay resaka hors jeu indray alou, raha hoe mety ho fahavoazana ho an ny afrikanina ilay izy, dia tokony sorohiny fotsiny, zany- hoe ovaina taktika ohatra , dia fantarina tsara ny hors jeu rehetra dia mba mi s'adapte e!
18. jentilisa ( 30/06/2006 10:04)
Lasa tsy azon'ny afrikana atao ny manao "défense en ligne" sady ho tratra aoriana hatrany ny fiaingana!
19. eprom ( 30/06/2006 10:24)
lapino> za indray tsy mihevitra hoe hahafaty ny baolina kitra ny arbitrage video fa vao mainka hahatsara azy aza. Momba ny arbitre de touche ohatra ( arbitre assisstant moa izany no filaza azy izao), iza no afaka tena hahafehy ny "position de hors-jeu"? Diniho tsara anie ny lalanan'ny hors-jeu fa sarotra de sarotra ho an'ny arbitre no mitsara azy satria mila mijery zavatra roa ao anatin'ny fotoana iray izy : ny toerana misy ny mpilalao miohatra amin'ny vodilaharana farany andaniny sy ny namany mandefa ny baolina mankany aminy ankilany. Isika aza amin'ny tele mila "arret sur image" vao afaka mahita tsara indraindray hoe hors-jeu na tsia ilay mpanafika, indrindra rehefa mitsoriaka be ilay olona. Aza adinoina fa ny fiheverana ny mpitsara ho mitanila de miteraka fahatafintohinana eo amin'ny mpilalao sy ny mpijery, izay no tena manimba ny fanatanjahan-tena amiko.
20. jentilisa ( 01/07/2006 05:20)
ary misy finday ve amin'ireny mpitsara ireny e? atao inona ireny misy fil miaraka amin-dry zareo ireny? sa zesta fotsiny?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2092