Mpilalao mahay indrindra

1. lapino ( 27/06/2006 05:00)
Iza no mpilalao mahay indrindra raha ny fahitanatsika ny lalao hatramin'izao?
répondu par Ralay le 11/07/2006 02:18
2. jajaf401 ( 27/06/2006 05:36)
Lalao inn kay ilay izy? de equipe sa olona mihitsy no anontanianao ??
Raha @ mondial aloha : equipe=epagne; fa raha olona RIQUELME (Argentine)
:-D:-D:-D
3. lapino ( 27/06/2006 05:52)
Marina zany jafaf ;)
Lalao baolina kitra, fiadiana ny laka eran-tany
Dia tsy ekipa fa mpilalao ka.
4. Fiffi ( 27/06/2006 05:55)
lapino: hihihihi andraso kosa aloha vita ny lalao vao azo lazaina io koh! Mbola ho be tsinona ny surprise ho avy ao.:)
5. fraz ( 27/06/2006 07:02)
messi (argentine) dia lapino (serasera)
6. Fiffi ( 27/06/2006 07:27)
:-D:-D:-D kay ve lapino tena hummm pro be an! :)
7. jentilisa ( 27/06/2006 10:22)
Ary ny ahy izao i Costa Rica(rdo) ao amin'ny ekipan'i Portugal no mba...
8. rivelino ( 27/06/2006 10:29)
n ahy i Gerrard ao @ ekipan' n Angleterre
9. kally ( 27/06/2006 13:26)
Ny ahy Lampard no hitako fa mahay.

Halako ery mantsy ireny ankalazaina nefa tsy alehany ohatran-dry Zidane sy ry Beckham ireny:twisted:
10. mpanarivo ( 27/06/2006 15:46)
raha ny ahy indray dia tsy afaka @i henry(france) ah! satria tsy mbola nisy mpilalao nahazo butteur 3fois nisesy;izany hoe isan-taona @ ireny ambora isam-paritra ireny.
ary hita zany!
11. onjah ( 27/06/2006 17:01)
Ohatry ny mbola tsy misy joueur tena misongadina aloha hatramin'izao raha ny fahitako azy e.
12. jajaf401 ( 27/06/2006 17:33)
:roll::roll::roll:
13. fijo ( 27/06/2006 19:07)
ny ahy mpiandry tsatokazon'ny mexika no hitako tena nahay aloha hatramin'izao
14. Aino ( 27/06/2006 19:40)
Raha @ mondial aloha : equipe=epagne

espagne az atsy de mamely @ foot indraindray ko.
ny equipako izay maharesy ihany no fidiko:°).
15. Optik ( 28/06/2006 05:19)
Ny mpilalao mahay ndrindra lesy de i Ronaldinho a! hehe!
16. lapino ( 28/06/2006 05:40)
fijo, raha mpiandry tsatokazo, toa ilay an'i Angola no mahay raha ny fahitako azy. Tsara petraka foana lery sady mahatohana tifitra be dia be.

fraz, fiffi, tena rehefa misy penalty tsisy gôl de mety mahay ihany za kle! :)
17. lapino ( 28/06/2006 06:00)
jafaf, fa inona no tena mampiavaka an'i Riquelme, fa raha amin'ny ekipan'i Argentine izao dia i Messi sy Tevez no toa tena matanjaka ao?
18. Fiffi ( 28/06/2006 06:53)
lapino: triche indray zany koh! :-D:-D:-D
19. jentilisa ( 28/06/2006 07:03)
Ary ianareo ve efa nahita goal tratry ny position de hors-jeu?
20. mandrindra ( 28/06/2006 08:27)
ny ahy dia i maxi rodriguez no hitako misongadina amin'ity mondial ity. manaraka azy i miroslav klose.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2567