Ny zanaky ny haizina.

1. Herimiafina ( 10/06/2006 12:46)
"ny zanaky ny haizina maranintsaian kokoa noho ny zanaky ny mazava" (ao amin'ny Luc 16).

Ny fahazahoako azy dia ao anatin'io zanaky ny aizina io avokoa: ny mpisoloky, ny tia kely, ny mpanao tsolotra, ny mpitompo tena fatratra, ny mpamitaka, ny tsy manao zavatra raha tsy misy tambiny, sns.

Maro mantsy ny mampiasa coco rehefa misy tanjona kendreny izay, tsy miresaka aminao raha tsy miketrika zavatra hangatahana aminao, tsy manampy anao raha tsy miheritreritra valiny any aoriana, ny mpandambolambo amin'ny teny misy tanjona ambadika, sns.

Asa diso ve aho e? :roll:
répondu par Fiffi le 17/06/2006 18:47
2. cutie ( 10/06/2006 12:50)
tsy haiko :-D:-D:-D:-D
ny fahazahoako azy njay, ny zanaky ny haizina mitarika anao ho lasa namany . Zay le haranitan-tsaina.
tsy le we mpisoloky sy ny tariny lazainao io:-D:-D:-D
3. Herimiafina ( 10/06/2006 13:10)
Ka ny mpisoloky rehefa hamely anao, inona no ataony? Opainy ve ianao sa lambolamboiny?
4. Fiffi ( 10/06/2006 15:52)
andraso aloha ho dinihana tsara alohan'ny hamaliana fa interressant be io voalazan'i Lioka io , sady mahaliana be .
"Si donc vous n'avez pas été fidèles dans les richesses injustes, qui vous confiera les véritables?

12 Et si vous n'avez pas été fidèles dans ce qui est à autrui, qui vous donnera ce qui est à vous?"

(azafady @ teny frantsay fa mbola miheritreritra)

5. Herimiafina ( 10/06/2006 16:14)
Mifandray amin'ilay nolazaiko taloha teto hoe, "nahay nanapaka tamin'ny kely ianao ka hanapaka amin'ny be", io teny io.

ka eo indrindra izao no miditra ilay hoe "tiatia kely" e!

Le tia tia kely dia ilay mangala-patra, mangala-danja. Hita any amin'ny ambaratonga maro any izy io.

Ohatra, manao asampanjakana dia tokony dosage 300 ny beton voasoratra ao anaty ordre de service sy cahier de charge de atao dosage 250 satria katity na mangalatra ciment.
6. vale ( 10/06/2006 17:13)
HM: an,na, kosa e, ny zanakiny ny mazava koa maranintsaina ko:(!
7. Herimiafina ( 10/06/2006 17:19)
Maranintsaina kah!
Samy maranintsaina anie fa misy ny maranintsaian kokoa angamba e!

Misy mantsy ny mampiasa ny fahaizany entina hamitahana olona ohatra.
8. Herimiafina ( 10/06/2006 18:36)
Ny zanaky ny aizina koa toa maranintsaian be mamorona excuses isankarazany entiny hi-justifier-na zavatra iray metimety amin'ny sainy e!
Asa, mbola mety ho diso ve izaho?
9. vale ( 10/06/2006 20:28)
tsy diso mihintsy nge ianao e,ny asan'ny maizina aza ahavitàna fahagagana ko(ny devoly io), fa ny asan'ny mazava kosa mbola mahery noho ny asan'ny maizina!!Minoa fotsiny ihany!!
10. Herimiafina ( 10/06/2006 20:45)
Momba le resaka maranitsaian teo retsy angamba tsy le hoe faharanita-tsaina amin'ny fahaizana no tena tiana hambara teo fa ilay hoe:

-mailaka mampiasa ny sainy amin,ny ratsy ny zanaky ny haizina.

Misy mantsy olona rehefa miresaka dia amin,ny fo, misy kosa amin'ny saina. Ny olon'ny fo mamboraka ampahantsorana tsy misy olana izay tena ao andohany. Ny olon'ny saina indray dai mampaisa diplaomasia be ka ny tanjona matetika amin'io ratsy foana, ohatra ny hamitaka zanak'olona, ny hitsetsitra, sns.

Eo izany le maranintsaina dia mampiasa ny sainy hanaovana ratsy.
11. cutie ( 10/06/2006 22:30)
Mpandefa : Herimiafina [ Valio ] 10-06-2006 18:10:04
Lohateny : Re : Ny zanaky ny haizina.
Ka ny mpisoloky rehefa hamely anao, inona no ataony? Opainy ve ianao sa lambolamboiny?

za mbola tsy nisy nisoloky de tsy haiko :-D:-D:-D:-D:-D:-D
12. cutie ( 10/06/2006 22:33)
raha tsy we i HM nga no hanomboka handangolango :-D:-D:-D:-D:-D
13. vale ( 10/06/2006 23:21)
cutie::-D:-D
HM: an,an, azoko ny tinao tenenina kah, tsy resaka hoe fahaizana ttasy sns, fa ratsy saina hoe mamely ambadika ve? sa inona? fa na izany na tsy izany hoà, rehefa mijoro @ fahamarinana, ka mahatoky sy mino an'atra tanteraka (ny mazava izany Atra e!) dia resy foana io herin'ny maizina io!!

Efa mba niharan-javatra (asaratsi'ny devoly nataon'ol tamiko manko zah) matoa masahy miteny hoe rehefa "mino" dia resy foana izany asan'ny maizina (satana) izany! teny kely ftsn aza dia ampy, ny nataoko manoloana izay zvt nahazo ahy izay dia hoe ftsn :"andriamanitrô!" tonga dia resy ilay fanahy ratsy, nitsoaka nandositra tery!!

ka mba mampahery aho izany, ary ataoko fa olona mpino enao matoa miresaka fivavahana ,ka izay no nanamafisako hoe: mahery sy "fetsifetsy:twisted::twisted:" ny asan'ny maizina,satana, fa mbola fetsy lavitra mihoatra noho "izy" koa ANDRIAMANITRA!!
14. zandrikely ( 11/06/2006 03:44)
HERIMIAFINA : ny mpisoloky rehefa hamely dia lambolamboiny enao , tena marina ko zay , fa hainy ny miresaka @nao
vale : marina zany
fa io zanakin'ny aizina ireo , na ho ela na ho haingana fa tsy maintsy misy valiny fona ny ataony
15. Fiffi ( 11/06/2006 05:37)
Herimiafina: heu...tena tsy hitako io handininy io ao @ Lioka , le zanakin'ny maizina sy ny mazava no tena tsy hitako an!
16. STONG ( 11/06/2006 08:25)
Amiko,lé zanaky ny mazava no marani-tsaina noho lé maizina,fa ny mahatonga ny zanaky ny haizina hisongadina d noho ny tsy fieritreratany ny hafa.Ny zanaky ny mazava mantsy miheritreritra alohan'ny hanaovana zvt,ra fantany fa tsy ahasou ny hafa ny ataony d tsy hataony mitsy,tsy hitondra vokatsou ho azy sy lé namany ka na ny hamoaka lé hevitra aza tsy hataony mitsy,izay no mahatonga ny zanaky ny aizina hisongadina satria heno na aiza na aiza ny heviny tsy ampiheverana
Zanaky ny aizina: " manaona i dadanareo ao??"
(ny ao ambadik'zay)>> " mbola tsy maty fona v??""
Zanaky ny mazava: " manaona dadanareo ao??"
( ny ao ambadik'zay)>> "mino aho fa salama tsara izy!!"
17. vale ( 11/06/2006 10:48)
stong: voalazanao!:}:}:}
18. Herimiafina ( 11/06/2006 11:47)
Io voalazan,i Stong io mihintsy ny ohatra tiako ho hita momba ny fitaka amin'ny halalan'ny fitenenana.
Misy mantsy olona na manao manahoana aza dia misy hevitra ambadika ao! Perception io amin'ny voalohany ary confirmé foana rehefa tena hadihadiana.
19. ftma ( 11/06/2006 19:57)
Tena mbola tsy azoko ilay resaka antramin'izao Fa raha ilay nolazain'i Stong izany no raisina dia izay manao ankolaka ( hevitra ambadika) no zanaky ny haizina?
Mba mahita fanazavana araka ny voalazan'ny Baiboly ve ianareo momba ny Zanaky ny haizina lazaina eto?
20. cutie ( 11/06/2006 20:00)
ftma
zanaky ny haizina#zanaky ny mazava:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3877