Ny zanaky ny haizina.

21. cutie ( 11/06/2006 20:02)
Mpandefa : ftma [ Valio ] 12-06-2006 00:57:46
Lohateny : Re : Ny zanaky ny haizina.
Tena mbola tsy azoko ilay resaka antramin'izao Fa raha ilay nolazain'i Stong izany no raisina dia izay manao ankolaka ( hevitra ambadika) no zanaky ny haizina

tsy zany kosa alou ny fihevereko azy e
zanaky ny haizina, manao ze handreseny lahatra anao mba hitariany anao any @ maizina,hitovy aminy .
22. ftma ( 11/06/2006 20:04)
Cutie: ka izany no ilaiko fanazavana ko :wink:
zanaky ny haizina izany ireo voarebirebin'ny devoly na santana?
23. cutie ( 11/06/2006 20:05)
Mpandefa : STONG [ Valio ] 11-06-2006 13:25:05
Lohateny : Re : Ny zanaky ny haizina.
Amiko,lé zanaky ny mazava no marani-tsaina noho lé maizina,fa ny mahatonga ny zanaky ny haizina hisongadina d noho ny tsy fieritreratany ny hafa.Ny zanaky ny mazava mantsy miheritreritra alohan'ny hanaovana zvt,ra fantany fa tsy ahasou ny hafa ny ataony d tsy hataony mitsy,tsy hitondra vokatsou ho azy sy lé namany ka na ny hamoaka lé hevitra aza tsy hataony mitsy,izay no mahatonga ny zanaky ny aizina hisongadina satria heno na aiza na aiza ny heviny tsy ampiheverana
Zanaky ny aizina: " manaona i dadanareo ao??"
(ny ao ambadik'zay)>> " mbola tsy maty fona v??""
Zanaky ny mazava: " manaona dadanareo ao??"
( ny ao ambadik'zay)>> "mino aho fa salama tsara izy!!"

lasa resaka psycholojia loatra ndray zany :roll:
24. cutie ( 11/06/2006 20:20)
Mpandefa : ftma [ Valio ] 12-06-2006 01:04:51
Lohateny : Re : Ny zanaky ny haizina.
Cutie: ka izany no ilaiko fanazavana ko
zanaky ny haizina izany ireo voarebirebin'ny devoly na santana?

ie:-D
io efa :wink:nazavaiko an-jy io ambony io anie le izy e
25. marozevo ( 11/06/2006 20:43)
Angamba kosa izao ilay izy eh :
"Hendrihendry kokoa ny zanak'izao tontolo izao amin'izy samy izy, noho ny zanaky ny hazavana..."

Tsarovy fotsiny aloha ny contexte nahatonga io. Ilay mpitandrim-panana nandanilany foana ka voaroaka amin'ny asany... Fa alohan'ny hahavoaroaka azy dia nisy zavatra nataony hahazoany namana ...Io ilay izy.
26. vale ( 11/06/2006 20:46)
Herimiafina:

Io voalazan,i Stong io mihintsy ny ohatra tiako ho hita momba ny fitaka amin'ny halalan'ny fitenenana.
Misy mantsy olona na manao manahoana aza dia misy hevitra ambadika ao! Perception io amin'ny voalohany ary confirmé foana rehefa tena hadihadiana.
ié,,, fa mila mahery tsara ftsn hoààà! ;-):-*


27. vale ( 11/06/2006 20:51)
ftma:

Tena mbola tsy azoko ilay resaka antramin'izao Fa raha ilay nolazain'i Stong izany no raisina dia izay manao ankolaka ( hevitra ambadika) no zanaky ny haizina?
Mba mahita fanazavana araka ny voalazan'ny Baiboly ve ianareo momba ny Zanaky ny haizina lazaina eto?
ftma::-* zah alou tsy mahita toko sy andininy voafaritra , fa raha mba ny fahazoako azy dia ny antsoina hoe , zanaky ny haizina, dia ni devoly sy izay manaraka azy eh, ary ny zananikny mazava dia ireo izay mpino na koa Andriamanitra!


28. STONG ( 13/06/2006 17:44)
cutie:

Mpandefa : ftma [ Valio ] 12-06-2006 00:57:46
Lohateny : Re : Ny zanaky ny haizina.
Tena mbola tsy azoko ilay resaka antramin'izao Fa raha ilay nolazain'i Stong izany no raisina dia izay manao ankolaka ( hevitra ambadika) no zanaky ny haizina

tsy zany kosa alou ny fihevereko azy e
zanaky ny haizina, manao ze handreseny lahatra anao mba hitariany anao any @ maizina,hitovy aminy .

Slt!!
Marina mitsy ny anao ry cutie a! Fa ny resaka eto mantsy d ny hoe "maranitra ny zanaky ny aizina noho ny zanaky ny mazava",Nanao iny ohatra iny aho mba hilazako fa misongadina ny aizina.
Ohatra hafa kely ty,>> Nanao fampihelezan-kevitra ny zanaky ny aizina iray,hanangana palé d spor hono izy,tsika rehetra nefa mahalala fa haka tombony ndray lé rangah io,d hoy ny rehetra " maranitra mitsy lery k" na @ zvt hafa aza d fetsy fona ry zalah,maranitra,k ra hisongadina eny fona ny faharanita-tsain-dratsiny,ny marina hanohy ny fahanginany,tsy hanome tsiny antsika retra aho ra hiteny tsika fa maranitra ny aizina,ry zalh no heno matetika!!

29. cutie ( 13/06/2006 21:28)
de tsy haiko alou e, kamo be za :-D
30. marozevo ( 13/06/2006 21:51)
AMIN'IZY SAMY IZY
31. patrick2002 ( 15/06/2006 02:30)
oh! ry reto ah tena narahiko ilay dinika fa tena hors sujet mihintsy izao, t@ voalohany ny fahazoako azy dia :ny zanaky ny aizina dia izay nataon'ny ray amandreniny tao anatin'ny haizina alina maizim-pito, ary izay zanaky ny mazava ,dia natao ny dada sy mama t@ andro mazava ,marani-tsaina kokoa ny zanaky ny aizina satria ,relax tsara i dada sy mama nanamboatra azy, ary ny zanaky ny mazava dia maimaika no nanaovana azy ka tsy tomombana tsara ny gene nampivoatra azy.=))=))=))=))
32. ranini ( 15/06/2006 07:20)
mazava tsara zanyryretoa!
zao mantsy, izao tontolo zao adia ny herin('ny maizina no mifehy azy.tsy Andriamanitra mitsyno mitondra izao tontolo izao fa satana , ka mazava ho azy fanyhery maizina foanan no miasa sy manjaka.
Eo koa moa le lazain'ny baiboly fa any aoriana ny lona hotia tena ,tsy tia ny tsara, tia vola, koaz mazava hoazy fa tena ny herin'ny maizina no maanjaka ary intelligent kokoka ry zareo @ fitaka sy ny paika kely isan-karazany.
zay aloha no havitro ee!
33. cutie ( 15/06/2006 12:21)
Mpandefa : patrick2002 [ Valio ] 15-06-2006 07:30:01
Lohateny : Re : Ny zanaky ny haizina.
oh! ry reto ah tena narahiko ilay dinika fa tena hors sujet mihintsy izao, t@ voalohany ny fahazoako azy dia :ny zanaky ny aizina dia izay nataon'ny ray amandreniny tao anatin'ny haizina alina maizim-pito, ary izay zanaky ny mazava ,dia natao ny dada sy mama t@ andro mazava ,marani-tsaina kokoa ny zanaky ny aizina satria ,relax tsara i dada sy mama nanamboatra azy, ary ny zanaky ny mazava dia maimaika no nanaovana azy ka tsy tomombana tsara ny gene nampivoatra azy.
:-D:-D:-D:-D
34. Fiffi ( 15/06/2006 15:28)
marozevo: tsy azoko ny tianao lazaina an!
35. marozevo ( 15/06/2006 23:16)
Fiffi > Ahitsiko kely fotsiny ilay fipetraky ny loha hevitra ka... Tsy hoe marani-tsaina kokoa ny zanaky ny haizina noho ny zanaky ny mazava... Io manko no anombohan'i herimiafina ny resaka.

Ny tena ao anatin'ny Baiboly tsy izany fa hoe :
"Hendrihendry kokoa ny zanak'izao tontolo izao AMIN'IZY SAMY IZY, noho ny zanaky ny fahazavana."

Be dia be ny fiovan'ny ady hevitra raha azo tsara ny dikan'io.
36. Fiffi ( 16/06/2006 11:28)
marozevo: misaotra anao. :) fa tena sarotra indray aloha io an! de mba azavao hoe fa tena ...
37. malalazo ( 16/06/2006 12:49)
Ny fahafantaroko azy dia olona tia tena
38. marozevo ( 16/06/2006 19:40)
Iza no tia tena ry malalazo ?

Izy samy izy ".... Voalohany aloha dia tokony ho vakiana ilay "brano" voalaza reference ao. Boay kely iray voaroaka amin'ny asany, comptable angamba na gestionnaire no asany. Natao ny controle, tratra Lery ... Voaroaka ... Manao compte rendu alohan'ny hi-pà.
Inona re no hataoko fa voaroaka aho ity. Ny hiasa tsy vitako, ny hangataka mahamenatra ahy.
Dia nataon'i Lery izay hananana namana : Ananan'ny Tompoko ohatrinona ianao ? hoy izy. Vary 100daba hoy ilay bandy. Soraty 50 ozy lery...
Fintina : Nitsinjo ny aoriana ilay boay kely.

Lesona atolotr'i Jesoa : Na ny zanaky ny haizina (izao tontolo izao) aza mahay mitsinjo ny ho aviny, dia ho ambakan'izany ve ny zanaky ny fahazavana raha amin'ny fitsinjovana ny ho avy mandrakizay ?

Izay no fahazahoako azy ry Fiffi ah...
39. Fiffi ( 17/06/2006 05:26)
merci marozevo :)
40. marozevo ( 17/06/2006 13:43)
Mirary soa Fiffi !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1841