tsy fahalala-pomba ve sa ahoana?!!

1. andry44 ( 23/05/2006 18:57)
salama daholo???
Nisy olona nampitondra zavatra ahy,dossier-an'ny dadan'ilay olona io,ilaina maika be tany M/car,hono.
T@izaho handeha hody any t@volana Août t@taona lasa teo.
Nomeko io olona io ny numéro-ko any Dago.
Tonga tao Ivato aho de tonga de hitan'ilay olona handray ilay dossier;nomeko azy io dossier io.
Vitako tsara ny zavatra mba niangavian'ilay olona ahy fa ny mampalaheloi kely de tsy mba nahalala nisaotra ilay olona;na de ny niantso 1 min aza tsy nataony nefa tsy ampy 1 euro akory izany!
Raha nalefany t@poste iny mety 3 semains vao tonga miampy ny frais!
Fanontaniana mipetraka:efa miha-tsy mahalala fomba ve ny olona ankehitriny?
répondu par Fiffi le 02/06/2006 18:01
2. Rainikarabo ( 23/05/2006 19:13)
tsy ny olona ankehitriny no hoe tsy mahalala fomba fa ilay olona nampitondra zavatra no ratsy taiza.
3. kally ( 23/05/2006 19:15)
Soa natao re tsy hanenenana fa ny tia tena sy tsy mahatsiaro saina mbola misy foana eto @ ity tany ity!
Angamba raha mba mandalo amin'itony dinika itony izy mba mety ho afaka ihany ny hadalàny.
4. Fiffi ( 23/05/2006 19:45)
aza manenina ny soa vitanao enao fa Andriamanitra hamaly azy anao.:)
5. Fiffi ( 23/05/2006 19:46)
ataovy mahafaly fotsiny fa nahavita soa enao. Na izany aza de mba mahagaga mihintsy ny toetran'ny olona sasantsasany an!
6. Zina ( 23/05/2006 19:46)
ny soa natao levenan-mbola e.. Efa tsy misy mahay mifanaja intsony ny sasany, efa adino ny fahalalam-pomba.
7. Fiffi ( 23/05/2006 19:50)
indrisy!
8. fijo ( 23/05/2006 21:24)
za koa dia efa tratran'ny toa izany,ka dia tsy mety mandray entan'olona intsony aho izao.
9. Robert ( 23/05/2006 23:47)
Ny olana @'ny olona rehetra manao soa de manantena valiny foana, ary valiny tsara io. Hany ka raha tsy azo io zavatra nantenaina io de lasa malahelo. Ny sasany moa de milaza fa ny valiny any an-danitra no andrasany.
Nefa anie mba diniho raha tsy mieritreritra izany enao eee, fa manao soa tsy manantena valiny akory. Tsy hosasatra ny hizara fahasoavana hoan'ny mananao enao, moa va tsy hafinaritra ny fiainana eto an-tany?


10. patrick2002 ( 24/05/2006 00:59)
misaotra an'i Andry aloha ,nanaiky hanao service, fahaiza-miaina daholo izany rehetra izany ,tsara izany ,nefa aza adino ,fa raha ankasarotona loatra ilay fiainana, lasa sarotra sy mankaleo loatra indray ,betsaka ny olona no manafangaro ny fomba ,voninahitra sy haja, ilaina @ fiainana daholo ireo ,fa ny tsirairay no manana ny norme ,hapetrany amin'izany.
11. Fiffi ( 24/05/2006 03:07)
fa ny zavatra tena mahagaga ahy aloha de zao: tonga ianao , de indro koa ilay olona! nomenao azy ny entana de inona ? nijery anao izy ! de nandray ny entany de zay de lasa ? hummmm ! hafahafa aloha le izy an!
12. prime ( 24/05/2006 03:49)
Fombantsika gasy tena mampalahelo io an ! rehefa mitondra fiara ianao dia mba manandrama manome lalana fiara maika hisisika hitsofoka eo anoloanao dia ho hitanao ny tohiny. Tsy ny rehetra aloha fa ho hitanao ny toetran'ny olona.
Ny fisaorana olona, ny fankasitrahana olona noho ny soa ataony, amiko aloha tokony handeha ho azy e! Rehefa voarainao ny zava-tsoa, ny tsotra indrindra dia ny "misaotra tompoko". Tsy mahafaty izany sa ahoana hoy ianareo, sa lasa ambany sa maninona?
Rehefa mangataka ianao mitalaho ery dia rehefa hisaotra avy ve dia sarotra? Na samihafa aza ilay nandefa sy nandray tokony mba misy kely famantarana na dia pi-maso fotsiny aza e!
13. Fiffi ( 24/05/2006 03:54)
Raha misy manome
Zavatra ho anao
Kingaha miteny hoe
Misaotra Tompoko ô!
14. lantokely ( 24/05/2006 06:07)
miombon-kevitra amin'i prime mihitsy aho.
hitako hoe lasa hafa mihitsy ny fomban'ny olona any amin'izao fotoana izao.
tsy hoe tsy mahalala fomba angamba izy, fa ny fombany no tsy dia fantatro loatra.
ilay avy dia mitsikera tsy ampy mandalina kely (susceptible) indraindray koa no tena manahirana ahy any.
15. Fiffi ( 24/05/2006 06:27)
le izy koa anie ny mahagaga de hampianarina ny fahalalam-pomba ny ankizy nefa ny lehibe no manao ny tsy mety eh!
16. sifaqa ( 24/05/2006 06:48)
Depuis aout 2005 ve lesy ela dia niandry fisaorana foana ????????
17. Fiffi ( 24/05/2006 07:06)
sifaqa: ka mba mety tsy matin-kilolo mihintsy angamba ny tsy nahazahoany io fisaorana io.
18. prime ( 24/05/2006 07:46)
Ilay izy kosa anie ny amin'ny manaraka no kôzin-tsika eto e! izany olona izany ary iza no mahita na mbola any na tsy any intsony. Fa aza marary fo amin'izany tokoa aloha e!
Fa mba hoe ho antsika hifampiresahana sy hifanoroana. "Fa ts normes izany SMSM izany nefa met mbola hitapô ihany injay anjo any".
19. Fiffi ( 24/05/2006 08:46)
zay indrindra manko ! de indray andro any , izy indray no mila fanampiana ka mety ho gaga hoe toa tsy misy manampy ?
20. prime ( 24/05/2006 09:29)
Izay mihitsy!!!;-)
Fa ny an'i lantokely toa pbs hafa mihits sa ts kôp indray ah???!!!:lol:
ilay avy dia mitsikera tsy ampy mandalina kely (susceptible) indraindray koa no tena manahirana ahy any.
:-P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0818