tsy fahalala-pomba ve sa ahoana?!!

21. rnosy ( 24/05/2006 10:26)
Ka le olona nampitondra zavatra anao ange efa mba mety efa nisaotra anao t@ ianao mbola taty de neveriny fa efa ampy de tsy niverina niantso anao tsony izy, mba jereo ihany aloha ny antony fa aza tonga de manome tsiny. ary le olona teny ivato zany de tsy niteny t@nao akory fa tonga de nalainy le dossier de lasa izy ve?hafahafa ihany zany :wink::wink:
22. sasa ( 24/05/2006 11:22)
Misy ny olona manao an'io fa tsy ny rehetra kosa anefa, izay ilay hoe tsy maintsy misy foana ny maningana koa
23. prime ( 24/05/2006 11:53)
saonjo iray lohasaha...:-D:-D:-D:-D
24. tisera ( 24/05/2006 12:13)
Atavovy ao an-tsaina tokoa hoe : mahafaly kokoa ny manome noho ny mandray é! Tsy izay mahay mnome sitraka antsika ihany akory no hanaovan-tsoa fa raha tena mba nahatohina an'i andry ilay fihetsik'ilay olona dia mba anontanio izy rehefa hitan 'i andry hoe :" ary sao dia mba tsy voarain'ilay tena tokony handray ny ttsy aza hoe ilay ttsy t@ 2005 iny fa tsy naharenesam-baovao " , eo izy no mety tonga saina dia hanao ny fisaorana . Ny soa atao levenam-bola é!
25. soasoafy ( 24/05/2006 12:18)
Andry44 a, aza mitondra ny entan'io ol io tsony @ manaraka fa tena tsy mahalala fomba izy raha resaka fisaorana am-bava ange tsy tokony hahafaty antoka ho azy e. Ary Robert ,mbola tsy tratra enao de mody miana-kendry eo fa any aoriana any tsarovy tsara ny zavatra nosoratanao io rehefa sendra tratran'ny cas ohatran'ny nahazo n'i Andry44 enao,tsy anao ny lelo de mora aminao ny manisina.
26. prime ( 24/05/2006 12:29)
=))=))=))=))=))
27. xxx ( 24/05/2006 13:08)
andry44:

salama daholo???
Nisy olona nampitondra zavatra ahy,dossier-an'ny dadan'ilay olona io,ilaina maika be tany M/car,hono.
T@izaho handeha hody any t@volana Août t@taona lasa teo.
Nomeko io olona io ny numéro-ko any Dago.
Tonga tao Ivato aho de tonga de hitan'ilay olona handray ilay dossier;nomeko azy io dossier io.
Vitako tsara ny zavatra mba niangavian'ilay olona ahy fa ny mampalaheloi kely de tsy mba nahalala nisaotra ilay olona;na de ny niantso 1 min aza tsy nataony nefa tsy ampy 1 euro akory izany!
Raha nalefany t@poste iny mety 3 semains vao tonga miampy ny frais!
Fanontaniana mipetraka:efa miha-tsy mahalala fomba ve ny olona ankehitriny?

Aza omena tsiny izy fa mety sahirana be any amin'izay misy azy any.
Io ary anie leitsy mba tsy dia maninona e! Ny efa hitako izao dia olona nangataka indray avy any Dago hoe ity misy dossier hapetraka amina Université de haloavy ity vola ity fa soloinay (omenay an'i dadanao sy mamanao aty Dago ny equivalent en FMG). Dia nanao tokoa aho, nanatanteraka ilay hafatra rehetra ho fanampiana.
tsy nisy fisaorana akory fa pire aza satria taty aoriana dia noho ny fifangaroan'ny dossier dia ratsy classement ilay dossier tao amin'ilay oniversité hany ka tsy voasokatra arampotoana ny dossier an'io olona io dia izaho indray no nolazainy fa ni-saboter azy sns. Lasa lavitra ny resaka, lasa hatramin,ny hoe "ny gasy hoa tsy azo atokisana mihintsy sns".
Niverina tamin'ny laoniny ihany anefa izany olana izany avy eo ary tsy hita indray izay nanjavonany tsy misy fisaoarana tsy misy n'inon'inona.

hay rehefa tena nodinihiko, bevohoka rakalakely de niteraka dia sahirana. Ary tsy vonona ny handeha hianatra aty ivelany indray. Ny vola amin,io tsy nosoloiny akory an, tsy nomeny ny RAR-ko.

Fa tsy maninona fa rehefa Paka ny andro dia acvotsotro ny trosa sy ny alahelo rehetra de efa namela heloka zah. :D

HM.

28. prime ( 24/05/2006 13:40)
=D=D=D=D
29. Fiffi ( 25/05/2006 12:00)
ary maninona no miditra xxx nefa manisy sonia etsy ambany ?

Zay fotsiny hiany eh! raha hanome , raha hanampy olona iray dia ataovy @ fo tsy misy pentina , faly enao avy eo , afaka adidy koa fa aza miandry valiny fa Andriamanitra hiany hoa hamaly ny soa vitanao.
30. patrick2002 ( 25/05/2006 18:07)
Manahirana marina ny miaina, ka andeha izaho HISAOTRA an'i Hery nohon'ny nanaovany an'ity site serasera ity sao dia tezitra lery hoe tsy mahalala misaotra ,akory ra Patrick nefa dia eto @ serasera foana ka dia .
Misaotra ra Hery ah! mankasitraka mankatelina re tompoko oh! haniry olona fa tsy hirin'olona ,dia ho tahian'andriamanitra, ho lava andro iainana eh!
^:^^:^^:^
31. Fiffi ( 25/05/2006 18:11)
patrick2002: hummmm :)
32. andry44 ( 26/05/2006 12:30)
Ny ahy aloha io soa natao ka mino aho fa hilevenam-*bola e!
Robert>>Izaho kosa raha nanaiky nitondra ny zavatrany de tsy nanantena na inona na inona fa ny mampalahelo de na ny fisaorana aza tsy nataony nefa mino marimarina aho fa niantso ny fianakiany tany Dago ilay olona nampitondra nanontany :hoe voaray ve ny entana sa ahoana.
33. Herimiafina ( 26/05/2006 12:37)
Mampalahelo ny zavatra toy izany, matetika mihintsy misy olona tsy miresaka na tsy manantona raha tsy misy zavatra ilainy aminao kanefa raha vao azony iny zavatra iny dia iny izy no tsy hita faty tsy hita velona.

"Raha misy mamelaka ny takolakao havanana dia omeo azy koa ny havia" = "Raha misy namana nahatafitohina anao, dia avelao ny helony".

Tsarovy anefa fa tokony hotenenina ihany izy na dia izany aza, ampahafantaro azy ampahendrena fa tsy feno fahasiahana ny alahelonao.

Soa mantsy izy fa sendra olona tsotra fo tahaka anao fa tsy olona mety marary fo ka hanatsatoka antsy azy no nataony izany ka hampidi-doza azy. ka adidinao ihany ny mampahafantatra azy sao mantsy dia lasa za-dratsy izy ka hanohy izany fanaony izany ary hifanena amin'ny olona mety hampidi-doza azy.

Ity no teniko farany: ilay "semblant de déja fait", zavatra mahazo ny saintsika olombelona matetika rehefa ao anatin'ny olana sy ny rythme isika. Mety niheritreritra izy hoe efa niantso, nanana intention tokoa izy hiantso sy hisaotra saingy tsy nataony prioritaire izany dia nijanona fotsiny tao antsainy, ary aty aoriana dia toy ny efa nataony mihintsy nefa mbola tsy nataony.
34. andry44 ( 26/05/2006 12:43)
Fiffi,Prime>>izaho tsy manao halahelo @izany fa mba entiko hisintonana ny saintsika sy hanovana ny fomba ratsy tsy mahatsara ny fiaraha-monina fotsiny ihany no nitondrako ity dinika ity eto!!
Ny fijeriko azy angamba ny karazan'olona toy ireny no tsy te hifanerasera @olona.Nefa anie ato ambon'ny tany tsy misy mahavita tena na manana ny ampy fa samba izay mifanampy e!
35. lapino ( 26/05/2006 12:45)
Ary raha jerena am'zao indray: firy isan-jaton'ny olona no mbola marary fo raha tsy mahazo fisaorana avy amin'ny zavatra ataony? Tsy misy maharatsy azy akory ny misaotra, kanefa maharesy lahatra ve ny ilana azy?

Tsy afaka eritreretina mihitsy ve hoe nankasitraka ilay olona raha tsy nampiseho marika fankasitrahana? Miverina amin'ilay adihevitra "tompoko" sy ny mari-panajana taloha iny indray ... :)

Ilay resaka hoe fisaorana an'i Hery noho ny serasera izao, efa nolazainy hoe aza ilaozana ^:^^:^ fotsiny fa mba ampio, na dia klik in-1 isan'andro amin'ny pub fotsiny aza. Eo izao hita hoe tsy ny fisaorana mihitsy no tena zava-dehibe.
36. xxx ( 26/05/2006 13:02)
Ary sao de fomban'ny olona mipetraka ao Frantsa ao ary io miampy ny rythme eo @fianana lazain'i Herimiafina eo ambony io?
37. Herimiafina ( 26/05/2006 13:06)
Tsy de hoe olona mipetraka Frantsa loatra retsy io ry xxx angamab ana! Rehefa fiara-monina dia misy karazana olona toy izany foana, na any Dago na any Amerika, mba marina e.

Fa ny any azo atao hoa dia ny fananana esprit systémika foana, comprehension sy ny fanadihadiana hoe inona no mety ho antony.

Raha apetraka eo amin'ny toeran'ilay oloona resahana mantsy izao ny olona iray hafa dia mety hitovy tsy misy valaka amin'izay koa ny zavatra hataony.
38. vale ( 26/05/2006 14:08)
fijo:

za koa dia efa tratran'ny toa izany,ka dia tsy mety mandray entan'olona intsony aho izao.
fijo>8O :-D:-D:-D=))=))=))


39. vale ( 26/05/2006 14:24)
lapino> amiko aloha dia tsy fankasitrahana izany e, na koa tsy fahalalam-pomba , saingy adàla mihoatr'azy ianao raha ande hila vaniny @ izany, izay mangina volamena hozy ny fitenenana (raha zay resaka fankasitrahana tsss !! nanao ny tsara ianao dia ampy izay, tsisy fahalalam-pomba na fankasitrahana? azy any azy, ary raha olona misaina koa dia hiomehy aza no hataony, satria fantany fa ol tsy mahalala ny "savoir vivre" ilay faha-2(point).
Tsy ny adala no adala fa izay miady @ adala NO TENA ADALA!:lol::-D:-D
40. Simpona ( 26/05/2006 15:37)
amiko aloha raha tamin'ny nanolotra anao ilay dossier ilay olona dia efa nisaotra anao, ary nony nandray izany ilay olona nampitaina ilay izy dia nisaotra koa dia efa fankasitrahana ny nataonao izay.
efa mahazo mifaly am soa vitanao enao
Fa mety manasarotra fiainana loatra araky ny nolazain'i Robert enao raha mbola hiandry valiny hafa. "hatram aout 2005 tokoa ve de mbola niandry fisaorana foana???".
Izy anie tsy naniraka anao manokana fa lalanao ihany io e, sady tsy hoe entana folo kilao no nampitondrainy na niala vola tahaka ny sendra an'i xxx enao.
Ny niantsoany tany antranony hoe azo sa tsy azo ilay dossier, tsy hoe tsy fahatokisana anao fa fakana toky fotsiny hoe tsy nifandiso ve nareo na nisy olana hafa tany, fihetsika normal io.
raha tena manahirana anao ny tsy fanamafisany ny fisaorany dia aminy angambo no mety ahazoanao fanazavana feno indrindra.
:wink::wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7491