tsy fahalala-pomba ve sa ahoana?!!

41. andry44 ( 26/05/2006 16:15)

Averiko indray fa izaho akory tsy hoe tezitra na malahelo @ny fihtsik'io olona io raha mametraka izao ady hevitra izao fa mba hanitsiana ny tsy mety sy ho fampianarana ho an'ny be sy ny maro fa tsy mety ny nataon'ilay olona.
Fanaona'ny gsy maro mantsy io manararaotra mampitondra zavatra io refa misy gasy namana handeha;ilay olona io anefa tsy namako fa olona sendra nahita ahy tao @ aƩroport CDG fotsiny ary niangavy ahy fatratra.

Marina izany ry vale ary misaotra anao!
42. Fiffi ( 27/05/2006 05:35)
andry44:
Fanaona'ny gsy maro mantsy io manararaotra mampitondra zavatra io refa misy gasy namana handeha;ilay olona io anefa tsy namako fa olona sendra nahita ahy tao @ aƩroport CDG fotsiny ary niangavy ahy fatratra.
tsy dia hitako aloha ny maharatsy ilay fangatahana hitondra zavatra eh! raha mba afaka mitondra ve enao , maninona mao ? indrindra fa raha hoe taratasy kely iny fotsiny ? raha hoe entana angamba mety tsy ho lasa satria efa kely ery ny lanjan'ny entana azo hentina.



43. vale ( 27/05/2006 09:44)
soa atao levenamb-bola ry Andry, ka aza miasa saina be loatra izay olona tsy mahay mankasitraka sy tsy mahalala ny tokony ataony any fa tadidio ftsn fa nahavita soa ianao, zava-dehibe izay!:D:D:D
44. Fiffi ( 28/05/2006 04:49)
izay indrindra ! de aza hasiana fanenenana fa ny Tompo hamaly soa anao . :)
45. andry44 ( 29/05/2006 16:10)
Misaotra ry Vale a!:lol::lol:=D
Izaho izao misotra an'i Vale de mino aho fa raha mahita an'io fisaorako io izy de ho faly fa voaraiko ny hafatra tiany nampitaina!!!
Simpona>>^:^^:^Very izany ilay fahalalam-pomba nampianarana fony mbola kely:-@:-@^:^
46. Fiffi ( 30/05/2006 03:00)
ny ankizy na mbola zaza aza hampihanarina ny fahalalam-pomba , ny lehibe indrindra no mampianatra nefa raha ny lehibe indray no tsy mahay an'io , heu...
47. prime ( 31/05/2006 12:42)
Tena marina ny an'i Fiffi...:D
Izaho kosa aloha sarotiny ihany @ fifandraisana e! soa atao levenam-bola, marina izany, fa rehefa zatra ianao mifandray amin'ny olona mpananararaotra toy izany dia manomboka manadino ny zavatra fanao farany izay tsotra indrindra... Ka rehefa anaovan'ny olona soa koa dia lasa tsy manana ilay fahatsorana intsony mba mankasitraka na dia tsiky kely fotsiny aza...;-)
48. Fiffi ( 01/06/2006 06:13)
:roll: fa tena tsy mahatonga saina ahy aloha hoe nisy olona nanao service ho anao de tsy nisaotra an!
49. prime ( 02/06/2006 10:45)
"Tsikitsiky lava..." hoy Kelly mpihira izay...:)
50. andry44 ( 02/06/2006 15:45)
Raha misy mampitondra zavatra ahy @manaraka de ho hentiko foana fa izao angamba ny vahaolana:ilay olona mampitondra asaina miantso ny olona handefsany ary io farany io indray no miantso ahy.
Mety hirindra tsara angamba ny fihara-monina sy ny fifandraisana @izay.
sa ahoana hoy nareo?
51. Fiffi ( 02/06/2006 18:01)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0354