Fa maninona ny lehilahy no....... ?

1. Fiffi ( 05/05/2006 07:57)
Raha nijery ny gazety androany aho dia izao no zavatra hitako ao:

Ampitatafika - Tovolahy nanolana ny zandriny valo taona
Teny Ampitatafika, ny 1 mey teo, tovolahy iray, 25 taona, no nahavita nanolana ny zandriny vavy kely vao valo taona monja. Tsy nisy tao an-trano ny lehibe, ireo ray aman-dreniny, fa izy mianadahy ireto ihany no niandry trano tao ka tamin'ilay no nanararaotany nametavetana an'ity zandriny. Noferany tsy hiteniteny na amin'iza an'iza ilay zaza nony avy eo.
Tsy nisy fotoana ela akory anefa dia vaky ny marina satria nampangain'ny fandehan'ilay zaza ny nafenina. Tsikatritry ny olona tao an-tanàna ny fandehan'ity zazavy kely nibakabaka tampoka teo ka nandeha ny fanontaniana isan-karazany. Isaky ny manontany ny olona dia ity zokiny no mitsatsaingoka mamaly ary nolazainy fa nianjera ilay zandriny. Rehefa tsy teo anefa izy dia nanontanian'ny olona mangina ilay zaza ka tonga dia nitantara tamin'ny manodidina ny fihetsika mamoafady nataon'ity zokiny azy. Niandry ny hahatongavan'ny lehibe tao an-trano fotsiny ny olona nitantarana ny loza niseho.
Nisafoaka ireo ray aman-dreniny ka lasa nitondra ny raharaha teny anivon'ny mpitandro ny filaminana.

Nirina Rakotoson L'Express de Madagascar
répondu par Fiffi le 08/05/2006 12:45
2. Fiffi ( 05/05/2006 08:02)
Mipetraka zany ny fanontaniana hoe "Fa maninona ny lehilahy no manao an'izao ?

-Voa omaly zah nahita fa rain-jaza koa nanolana ny zanany vavy kely vao 6 taona monja . De androany indray ankizy vao 8 taona.

Fa naohoana ? fa nahoana no zaza tahak'izao no hanaovana zava-tsy mendrika tahak'izao na dia mafy tahakan'inona aza ny fanirina ?

3. mamzelkely ( 05/05/2006 08:10)
de ts haiko akia fiffi aa misy fahavoazana angamba ny sainy klé :?
4. petsambava ( 05/05/2006 08:49)
ka tsotra ny antony na fifohana zava-mahadomelina na toaka na ny fijerevana sary x e
5. Fiffi ( 05/05/2006 08:54)
ka maninona no ny zaza no hanaovana ny habibaina tahak'izao ?
6. Ragadona ( 05/05/2006 09:41)
Ka mety efa lasa mpisotro gaigy vavy koa ny vhv lehibe ka tsy itokisan dry zalahy intsony fa sao manapaka zavatra amin ny antsy refa matory amin ny alina na izany aza tsy mety ny nataony fa angamba domelina be.
7. caprio ( 05/05/2006 10:25)
toe-javatra mapalahelo tokoa izany ary tena mampalatsa-dranomaso mihintsy satria tena mamoafady,raha ny hevitro aloha de hezahana izay ahafahan,ilay zaza tsy ahatadidy izany refa lehibe izy satria mantsy ho lasa hazo-fijaliana ho azy mandrakizay io raha tadidiny ka dia ampalahelo ny hiafaran,ny fiainany.tena asan-devoly io ka tokony hitandrina tsara isika lehilahy satria manjary mamoafady ary mety hitondrana nenina mandram-pahafaty ary ny tenako izay manoratra dia tena malahelo mafy ilay zaza tsy manan-tsiny fa hianareo mpamaky no asa
8. Aino ( 05/05/2006 10:25)
raha izao no mitohy dia ho simba dol indrany ny zazavavy kely rehetra!! noho ny hadisoany ray sy ny zoky lahy ary ho any sasany izay manolana ihany koa!!
9. ravakamalala ( 05/05/2006 10:41)
tsatohiko ny antsy zany raha hitako! imbecile!
10. Fiffi ( 05/05/2006 10:56)
na inona na inona , na misy inona na misy inona , tsy rariny ny fanaovana an'izao.
11. Ragadona ( 05/05/2006 11:00)
Lasa zava pitranga mahazatra mihitsy io raharaha io ankehitriny ary ny sazy henjana miatraika amin izay manao azy tsy mampijanona azy, ka ataoko fa misy phénomènes sociaux tokony hodinihina sy hojerena akaiky mba hamongorana azy fa raha hijanona amin ny fitserana sy dikidiky fotsiny dia tsy hampiova n'inon'inona velively, vao maika aza hiorim paka ary ho lasa filàna le izy. Mety scandale mitranga tsikelikely teo amin ny fiaraha monina koa ange no niatombohan ny rapport lahy-lahy sy vavy-vavy e, dia amin izao hivadika ho zo
12. vegas ( 05/05/2006 11:07)
Tsy ny lehilahy rehetra kosa io an! Mba be ihany koa ny manolana ny efa ampy taona hihihihi.
Fanontanina:Impiry manolana ny lehilahy iray mandritra ny andro iainany? (en moyenne)
13. rapala ( 05/05/2006 11:09)
tsy mba tsapanareo ve fa ny influence-ny films vahiny @ cinema na tele no mahatonga izany? Betska ny film porns sy violence amin'izao fotoana izao - simba mihintsy ny sainy ankizy surtout hoe any dago any... izay aloha no fahalalako azy e!
14. sylvain ( 05/05/2006 11:28)
Tena tsy rariny,tsy tokony hisy fitsarana b atao @ olona ohatrireny,fa rehefa vaoporofo mazava d tokony migadra mandra-pahafaty,na nifoka izy tamin'izany na nisotro fa mody fialana mantsy zany d @izay kelikely ny sazy ho azo.
15. rapala ( 05/05/2006 11:32)
sylvain> marina mihintsy ilay lazainao ary tsy manda an'izany mhintsy zah ary tsy momba an'ireo olona manao zavatra ratsy de ratsy @ vehivavy surtout hoe zazakely mihintsy aho sanatria fa ny tiako ho lazaina fotsiny ange de hoe be loatra tsy misy limitiny ny films ratsy miditra ao dago e...Araka ny filaza ny teny amerikana dia hoe ' to find the cure you have to find the cause'
16. Fiffi ( 05/05/2006 12:38)
Fanontanina:Impiry manolana ny lehilahy iray mandritra ny andro iainany? (en moyenne)
mampiheritreritra lalina dia lalina ny fanontanianao ry vegas!
17. Fiffi ( 05/05/2006 12:41)
Fanontaniana: fa angaha dia tsy misy moyen mihintsy hanaovana an'io raha tsy mampijaly olona ? indrindra fa ny zaza ?
18. rapala ( 05/05/2006 13:10)
Ilay moyen ange misy ry fiffi e, fa ilay olona mihintsy no efa na marary saina, na tsy mivaky lou... :twisted::twisted:
19. Herimiafina ( 05/05/2006 13:18)
Fiffi:

Mipetraka zany ny fanontaniana hoe "Fa maninona ny lehilahy no manao an'izao ?

-Voa omaly zah nahita fa rain-jaza koa nanolana ny zanany vavy kely vao 6 taona monja . De androany indray ankizy vao 8 taona.

Fa naohoana ? fa nahoana no zaza tahak'izao no hanaovana zava-tsy mendrika tahak'izao na dia mafy tahakan'inona aza ny fanirina ?



-Fa maninona izy roa no manao toy izao? :roll:
-Fa maninona ny tanora no manao toy izao? :roll:


20. vahatra22 ( 05/05/2006 13:51)
ny a ndray d tsotra ihany ny valin-teniko:ty ny solution haingana indrindra sy sazy henjana indrindra, ary ity mintsy no lalàna tokony hivoaka: tongana d tapahana ny filahian'ny lehilahy ze tratra manao izany!na mety hahafaty azy aza! @ zay tsy misy sahy manao tsony fa iny mantsy tena mihatra @ aina mintsy!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3667