Sujet BAC série A @ ity taona 2006 ity...

1. 4mimananelatra ( 27/04/2006 14:41)
Tokony hanao pôlitika ve ny mpanao fivavahana ?

faharetany :4 ora
coeff: 4

Mazotoa ary e!
novalian'i prime ny 02/06/2006 14:52
2. pissoa ( 27/04/2006 14:43)
Sujet bac ve dia avoaka eto :evil::evil::evil:
3. cutie ( 27/04/2006 14:44)
Mpandefa : 4mimananelatra [ Valio ] 27-04-2006 19:41:47
Lohateny : Sujet BAC série A @ ity taona 2006 ity...
Tokony hanao pôlitika ve ny mpanao fivavahana ?

faharetany :4 ora
coeff: 4

Mazotoa ary e!

ie ze te hanao politika afaka manao daholo :P
4. Herimiafina ( 27/04/2006 14:48)
Tsy izay no tokony fipetraky ny fanontaniana fa izao:
"Inona no mety ho lafiratsin'ny na mety ho lafitsaran'ny fifangaroan'ny Fivavahana amin'ny Politika".

Omena ohatra ny Fivavahana Protestanta any SUEDE, NORVEGE, sns ary ny Fivavahana MUSULMAN any amin,ny Tany Arabo, ary ny Fivavahana CATHOLIQUE tany Europe fahiny.

Any Suede mantsy ny Pasitera dia fonctionnaire.

Miditra lalina amin'ny cas-n'i madagasikara: ilaina ny éducation-n'ny olona noho ny fisavorotahana, tafiditra amin'izany ve ny RELIGION.

NY Firenena tandrefana mantsy dia mampiditra lalina io resaka Fivavahana io amin'y Politika saingy à rôle RESTREINT. Misy ny antsoina hoe MULTICULTURALISME sy ny antsoina hoe LAICITÉ aty amin'ny tany CAPITALISTE ary force sociale na lobbying matanjaka be amin,ny decision politique ny LOBBYING RELIGIEUX. :@
5. Fiffi ( 27/04/2006 14:58)
fa na izany aza dia diso toerana ity fa tsy tokony ato no nasiana azy!
6. pissoa ( 27/04/2006 15:00)
Valio kanjony ry reto fa sao dia mba mahazo mention izaho amin'ny bac kle :roll::roll::-D
7. diamondra27 ( 27/04/2006 15:01)
fa ho aiza? ka misy resaka fivavahana koa

mety misy but tiany horaisintsika ao ambadik'izao ange e! de tsy série A no tokony ho izy fa matière hafa mihintsy ohatra oe: inona re e!
8. Fiffi ( 27/04/2006 15:05)
inona re eh ? ka mba tokony zany hoe nomen'ny mpandefa ny dinika aloha izay heviny an! fa tonga de ny coeff sy ny ora koh !
9. cutie ( 27/04/2006 15:35)
matiere religion e :-D:-D:-D:-D
10. Herimiafina ( 27/04/2006 18:03)
Izao no fomba hamelabelarako azy!

Ny olana dia hatraiza no tokony hiditra ny Fivavahana eo amin,ny resaka POLITIka.
Ny Politika resahako eto tsy resaka masison'ny mpampiady antrano sy ny mpanongana ary ny mpanankorontana sy ny mpitady seza.
Fa POLITIKAN'NY FAMPANDROSOANA, sns.

Ary izay no tena resahana fa tsy resak hoe AREMA akory na TIM na inona.

Tokony hiditra lalina ny Education Religieuse amin'ny Fitaizana ary ny tany rehetra dia manana an'io orientation io avokoa (jereo ny arabo).

Ny tsy tokony hidirany dia any amin,ny resaka PROPAGANDY na ny fiandaniana amin'ny antoko iray, izany hoe resaka poste politika sy ny masiso rehetra.

Anjarany kosa anefa no miara-miasa amin'ireo izay hampandroso marina ny firenena fa tsy Fanjakana mpamono olona izay mifanohitra amin'ny doctrine-ny. :@
11. cutie ( 27/04/2006 18:54)
12. marozevo ( 27/04/2006 20:32)
Tsy dia any amin'ny maha BAC azy no itiavako an'ity fanontaniana ity, fa ilay an-kolaka ao ambadika. Ka araka ny hevitro kosa dia tsy diso toerana ity loha hevitra ity.
Raha ny cas Madagascar, dia azoko lazaina fa fahasoavana ho an'ny Madagasikara ny fidiran'ny mpitondra fivavahana amin'ny raharaham-pirenena (Asa na Politika izany na tsia !). Raha tsy nisy ny fandraisana adidy sy ny fanentanana nataony asa na nentin'ilay raikalahy taloha taiza ho aiza amin'ny ady an-trano io Gasikara malalantsika io.
13. fijo ( 27/04/2006 20:58)
tena olana politika misy ankehitriny io fanontanian aio ka.fa ary amin'ny politika no tokony asiana azy
14. marozevo ( 27/04/2006 21:57)
Fa tsy afaka milaza isika hoe : "Ianao Kardinaly, na ianao Mgr Rabenirina, dia aza mieritreritra fivavahana na aza miteny amin'ny maha mpitondra fivavahana anao rehefa miresaka fianam-pirenena".

Izay tsy manaiky ny herin'ny fivavahana sy ny herin'ny mpivavaka, ary ny herin'ny Fiangonana eo amin'ny tantaran'i Madagasikara, dia olona te-hamilivily ny marina.

Dia hoy ianao (impersonnel io) hoe : Ko ny mbola toy izao ihany ny firenena ?

Dia hovaliana hoe :"Raha tsy nisy aza ny fivavahana dia mbola ho ratsy noho izao".
15. Fiffi ( 28/04/2006 04:43)
mitovy hevitra @ fijo aloha zah an! tena tsy hitako izay hamaliana azy momba ny fivavahana sy finoana aloha an!
16. hery ( 28/04/2006 05:29)
Tokony hitsinjo ny manodidina azy ve ny mpanao fivavahana?
Tokony hitady izay mahasoa ny fireneny ve ny mpanao fivavahana?
Tokony hihinan-kanina ve ny mpanao (angaha atao izy io?) fivavahana?
Tokony hanana zo maha-olom-pirenena azy ve ny mpitondra fivavahana.
Tokony ho velona ve ny mpanao fivavahana?

Raha eny no valin'ireo dia eny ny valin'ny faontanianao
17. Fiffi ( 28/04/2006 05:54)
hery: misaotra anao nanampy sy nampiratra ny maso fa tena tsara fipetraka tokoa ireo voalazanao ireo. Ny olana kely nisy tamiko manko dia tsy nanadihady na nandefa saina lavitra fa tsy nahazo ny lohateny , ny olana koa manko rehefa misy mandefa dinika dia tokony aloha raha azo hatao ny hoe manome ny heviny , satria io hiany no mahatonga ny hamaliana sy ny fihadihadiana ny hevitra fa raha tonga de hoe " sujet bac 2006: tokony hanao pôlitika ve ny mpanao fivavahana ? tonga dia manintona ny politika , de manjary mandray an-tandrony fotsiny ny hamaliana azy. (zah manokana io an!)
18. ndrena ( 28/04/2006 06:43)
Hevitra roa misongadina aloaha ny valin'io fanontaniana io e!ny voalohany dia ny mpitondra fivavahana variana @ politikan'ny tany ka manadino sy mitondra ny ondriny mihintsy ho very,faharoa ny mpitondra fivavahana tena mitandrina ny ondriny ka tsy variana sy voatariky ny politikan'ny tany.Raha amiko izany tsy tokony handany andro @ politikan'ny tany izy ireny fa kosa hiezaka hanatanteraka ny adidy izay tena niantsoana azy
19. kally ( 28/04/2006 07:45)
Samy raiki-tapisaka @ fiainana andavanandro na ny pôlitika na ny fivavahana ka tsy afa-misaraka. Tahaky ny manontany hoe afaka misotro rano ve ny olona mihinam-bary?
20. marozevo ( 28/04/2006 14:00)
Ndrena > Fa ilay politikan'ny tany moa natao ho an'iza ? Moa tsy natao ho an'ny vahoaka va ? Raha tsy hoe angaha hevitra hafa no tiana homena ny hoe Politika.
Ary ny fivavahana natao ho an'iza ?

Raha araka ny hevitro dia tsy afa-bela amin'ny fitadiavana izay hahasoa ny taniny ny mpitondra fivavahana. Ny fanaovana politika lazaina anefa tsy hoe "manohana an-dRanona na Ranona, fa mikatsaka izay hahasoa ny tany ama-monina".

Ka noho izany, tsy diso toerana ity sujet ity akory.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1384