Sujet BAC série A @ ity taona 2006 ity...
21. lapino
(
28/04/2006 21:18)
Raha jerena avy any amin'ny lafiny politika ilay izy, dia afaka soa aman-tsara. Tsy misy lalàna manavaka ny mpitondra fivavahana amin'ny olom-pirenena rehetra koa moa. Tsy maintsy voahosy angaha moa ny laisite raha mpitondra fivavahana no mitondra firenena? Sa tsy manana zo hanana ny fivavahany azy manokana izay hitondra firenena?
Fa raha jerena amin'ny lafiny fivavahana indray, dia mipetraka ihany ilay fanontaniana. Raha eo anatrehan'Andriamanitra ve, fahadisoan'ny mpitondra fivavahana ny manao politika?
- tsy hataony ankilabao ve ny fitondrana fivavahana raha ampiarahany amin'ny politika, na tsy ho tanteraka ny fifantohany amin'ny adidiny?
- tsy ho lasa "olon'izao tontolo izao" ve izy raha manao politika? Kanefa voalaza hoe: "Eo amin'izao tontolo izao ianareo, fa tsy olon'izao tontolo izao"
...

22. lapino
(
28/04/2006 21:21)
kally:
Tahaky ny manontany hoe afaka misotro rano ve ny olona mihinam-bary?
Toa tsy azo atao hono ny misotro rano raha misy hanina ao am-bava, fa tsy mahalala fomba. (mbola miasa @ bac ve izany fa lesona efa t@ T2?) :wink:
23. Fiffi
(
29/04/2006 06:14)
tsy ho lasa "olon'izao tontolo izao" ve izy raha manao politika? Kanefa voalaza hoe: "Eo amin'izao tontolo izao ianareo, fa tsy olon'izao tontolo izao"fijo: mba azonao hazavaina kely ve io hoe olon'izao tontolo izao ? miheritreritra manko aho hoe ny olona anie ka an'izao tontolo izao .
24. lapino
(
29/04/2006 07:07)
Fiffi > mba azonao hazavaina ve fa maninona no afangaronao foana za sy fijo? Soupçon-nao fotsiny ve izany sa sûr am'zany ve ianao?
Raha ohatra manko ampiteneninao zavatra tsy noteneniny akory ny sasany dia tsy mety. Raha ohatra koa apetakao amin'ny hafa ny zavatra notenenin'ny sasany dia tsy mety koa.
Ny fampiasan'ny namana sasany pseudo eto amin'ny serasera anefa mitondra ny tena momba azy ihany.

25. Fiffi
(
29/04/2006 07:42)
lapino: tena miala tsiny aminao aho fa tena nanao hadisohana tokoa! ny antony nahatonga zany dia vao avy namaly ny hevitr'i fijo ta @ fahasalamana aho dia tonga teto ka dia hialako tsiny indraindra an!
Tsy misy olombelona tsy manao fahadisoana fa na ny mihinam-bary aza hono... fa dia mbola hialako tsiny hiany.
Ka mamerina ny fanontaniako aza aho raha azo hatao ny hoe " olon'izao tontolo izao" ka dia misaotra anao indrindra.
Ary miala tsiny @ i fijo koh raha nanonona azy nefa tsy nisy nidirany.

26. lapino
(
29/04/2006 07:57)
Fiffi, tsy misy tsiny mihitsy ny hadisoana. Fa ny nahatonga ahy hiteny manko, tsy vao in-1 izahay sy fijo no nafangaronao, fa efa im-betsaka ihany. Tao amin'ilay dinika "fiara ohatra ny vehivavy" ohatra no tadidiko, fa efa nisy hafa koa.
Raha fahadisoana anefa ilay izy, dia ialako tsiny, satria mihinam-bary tokoa misy latsaka. :-*:-*

27. lapino
(
29/04/2006 08:10)
Fiffi:
mba azonao hazavaina kely ve io hoe olon'izao tontolo izao ? miheritreritra manko aho hoe ny olona anie ka an'izao tontolo izao .
Ny hoe "izao tontolo izao", dia entina milaza izay eto amin'izao tontolo izao, dia ny olombelona, ny zavatra "materiels" isan-karazany, sns .... Andriamanitra dia tsy avy amin'izao tontolo izao. Ary izay mpanara-dia an'Andriamanitra dia tsy naman'izao tontolo izao intsony. Ny olombelona rehetra dia avy amin'izao tontolo izao, kanefa afaka miova lasy ho naman'ny avy any ambony.
Ny devoly nilaza fa azy izao tontolo izao. Tsy haiko raha iza no lazaina fa andrianan'izao tontolo izao, sns ... Isika rehetra aloha eto amin'izao tontolo izao, fa tsy voatery ho an'izao tontolo izao daholo. Ary halan'izao tontolo izao izay tsy azy.
Tsy haiko raha mazava ihany ...
29. marozevo
(
30/04/2006 08:11)
Ao ambony misy manontany fa mety hampihena ny andraikitry ny mpitondra fivavahana ny fidirany amin'ny lafiny Politika.
Amiko kosa dia ny mifanohitra amin'izany aza. Tsy ny fanahy ihany fa ny olona manontolo no tokony hojeren'ny mpitondra rehetra, na mpitondra fivavahana io na mpitondra fanjakana. Mazava loatra fa miavaka ireo andraikitra ireo, nefa koa mifameno.
Ny mpitondra rehetra dia tokony hanabe ny olona ho tia an'Andriamanitra, hanaja ny mpitondra, ary hifanaja amin'izy samy izy.
Ny olana fotsiny, rehefa tsy mifanahaka io, ka misy ny fifanoherana, dia tsy maintsy milaza ny marina ny Fiangonana, na ny mpitondra fivavahana. Izany no nataon'ny Papa ohatra tamin'ilay Afghan nibebaka iny. Angamba hitantsika ny intervention nataon'ny Papa.
Toy izany koa no nataon'ny Eveka sy ny FFKM teto M/kara tamin'ilay raikalahy taloha, satria hita fa tsy nizotra araka ny izy ny fiainana tamin'izany, ary hatramin'izao dia mbola mizaka ny takaitran'izany ny maro amintsika, mba tsy hilazana hoe isika rehetra.
Mandritra izany, mizotra tsara (fa tsy tanteraka 100% kosa), ny andraikitra amin'ny fivavahana.

32. marozevo
(
01/05/2006 23:40)
Fa izao ry reto ah ! Misy olona iray amin'ireo efa-dahy malaza tamin'ny 2001, hono, araka ny henoko fa angamba tsy marina. Io olona iray anisan'ireo efa-dahy tamin'ny 2001 io hono mikaroka hevitra mafy hiverenan'ilau raikalahy taloha...
Mahefà be eh...
Mahefà be eh...
33. Fiffi
(
02/05/2006 05:02)
inona zany na iza zany "ilau" zany ? olona malaza t@ inona ? tena tsy arako!
34. marozevo
(
02/05/2006 21:57)
Andraso kely aloha ho avy eo i dadabe na i petsambava fa azon zalahy io. Raha sanatria ka tsy azony dia hazavaiko ihany any aoriana.
36. marozevo
(
04/05/2006 14:26)
Tsy hita zalahy fa aleo holazaiko eh...
Izy efa-dahy tamin'ny 2001/2002 : Ratandra - Rabenirina - Ra.... ??? (tsy tsaroako ny anarany), ary ny fahefatra dia i Razafimahefa. Miala tsiny fa tsy hoe maniratsira raha manao fanafohezana anarana, atao izay hahazoana ny resaka, nefa tsy tsara koa ny manonona anaran'olona. Miala tsiny be dia be mihitsy amin'io.
Dia ankehitriny, hono, - hono ho'aho fa za tsy afaka manaporofo anh - honohono fotsiny. Io fahefatra io toa mikaroka hevitra hiverenan'ilay raikalahy taloha. Ilay raikalahy taloha kosa inoako fa fantatrao. Raha tsy fantatrao dia mi-se-referer amin'ilay hiran'i Rossy hoe "LERA".
Asa na marina izany na tsia !!!

37. Fiffi
(
05/05/2006 08:18)
marozevo: mba mahaliana ahy zany , saingy tena tsy mahafantatra an'io Rossy io mihintsy zah na dia kely aza ! fa na izany aza dia hikaroka aloha.
38. marozevo
(
05/05/2006 22:56)
Oay oh ! Rossy hono de tsy fantany !
Boay avy eo Ampahamarinana (Mahamasina) izany. Tamiin'ny 1976 izy nanana tarika atao hoe JOMAKA AMPAMA na hoe HAZO MIDOROBOKA.
Taty aoriana izy nianatra "droit" teny Ankatso sady nanomboka nihira ilay hoe : "NY alina zary mazava, ny andro diavolana lava".
Avy eo izy nanam-bady an-dRazoza... dia nihira niaraka taminy koa io...
Nony kelikely nanjary nalaza Ranamana, ka anisan'ny nampalaza azy tamin'izany ny hoe "Papa mandelà..", ny hoe "Avela ho avy izay ho avy..". Nanana hiram-pivavahana malaza koa izy, toy ny hoe "Omeo anay ny saina tony...".
Nanao Politika be izy taty aoriana ka nafangarony tamin'ny hira nataony "Lera.... Raha tsy hanao ianareo ny olona mivaky fo, Ndao haverina eo ilay raikalahy taloha".
Oay oh ! Rossy hono dia tsy fantany !

40. Fiffi
(
07/05/2006 03:33)
GT inona io ry Achia ?
marozevo: zany hoe efa naheno an'io kosa aloha aho an! saingy tsy dia nisy occasion nahafantarana azy misimisy kokoa.