Tiava ny namanao tahaka ny tenanao

1. rabeflorian ( 13/04/2006 09:19)
Didy lehibe faharoa izany "fitiavana ny namana tahaka ny tena" izany raha ny fanambaran'I Kristy. Ny fanontaniana mipetraka dia hoe: MOA TIA NY TENANTSIKA VA ISIKA? Raha tsy tia ny tenantsika isika dia tsy afaka koa hitia ny namantsika. Ny marina dia tsy tena fantatry ny maro ny dikan'ny hoe tia tena araka ny fanambaran'I Kristy.Tsy araka ny fihevi-tsika azy andavan'andro io ka ilazana ny olona tsy miraharaha ny afa fa ny tenany ihany.Ny tian'I Kristy ambara dia ilay olona mahatsiaro ny tenany ho mpanota tsy mendrika ka handova fahaverezana any amin'ny afobe satria tafasraka amin'Andriamanitra noho ny fahotana nefa nibebaka sy niverina amin'Andriamanitra noho ny famonjena sy ny fahasoavan'I Kristy ka omeny didy hoe:" Tiava an'I Jehovah Andriamanitrao ...; tiava ny namanao tahaka ny tenanao"
Raha tianao ny namanao dia asaivo manatanteraka izay dingana nataonao izay mba ho voavonjy koa izy ka ho tia an'Andriamanitra sy ny namany afa koa.
répondu par marozevo le 08/05/2006 15:06
2. little ( 13/04/2006 09:47)
Tena marina io kah!
fa didy faha 11 ko nge hoe: aza miveraka e!( sangisangy io sao misy tsy mahatanty an!)
3. Falzar ( 13/04/2006 10:16)
Tena marina akia io fa ny mampalahelo koa ange de hotrany hoe arakaraky ny itiavan-dry sy anajan-dry azy 'zany no vao mainka anararaotany an-dry e! SA aona?
4. Herimiafina ( 13/04/2006 12:22)
De eo amin'io fanamarihana nataonao farany io no tokony hipetraka ny fanontaniana ho: "Fa iza moa no namako?". Raha voavalinao io de azonao ny tian'ny Tompo hambara. Ahan :@
5. Fiffi ( 13/04/2006 13:47)
Marc chapitre 12 versets 28 à 31 .
30 Tu dois aimer le Seigneur ton Dieu de tout ton coeur, de tout ton être, de toute ton intelligence et de toute ta force."31 Et voici le deuxième commandement: "Tu dois aimer ton prochain comme toi-même." Il n’y a pas de commandement plus important que ces deux-là.»
Raha tena jerena io didin'Andriamanitra io dia mora ny mamaky azy , mora avy hatrany ny hamaly azy koa hoe tsy zavatra sarotra izany ? saingy arakin'io voalazan'i Herimiafia io dia mampiheritreritra tokoa ny hamaly azy. Ny tsara angamba dia aleo mamaky ny baiboly Marc io dia mi-se-baser @ io aloha. Alohan'ny hamaliana zany hoe "fa iza moa no namako" ?
http://www.cdaenzer.ch/Aimez-vous.htm dia aleo aloha hiheritreritra alohan'ny hamaliaa izany.
6. Fiffi ( 13/04/2006 14:13)
Olona iray nitia anao tahaka ahy Mbola tia sy ho tia anao Tsy hisy hahafoy ... Fa efa voasoratra hoe: tiavo ny namanao tahaky ny tenanao ...
(mbola miheritrerita)
7. diamondra27 ( 13/04/2006 14:31)
hummmm anatin'ny didy folo ity an!ny namana tiany lazaina eto nge de tsy hoe: namanao irery fa "ton prochain" e, fa tsy hoe: namana ami(e)



8. Fiffi ( 13/04/2006 16:15)
diamondra: ka zay indrindra manko an! "Tu dois aimer ton prochain comme toi-même."fa mety koa aloha hoe namana ka!
9. diamondra27 ( 13/04/2006 17:58)
ka le prochain ange tsy namana fotsiny e! io no tiako lazaina. Tiavo ny olona rehetra raha ny tokony ho izy izany e! fa tsy ze olona tianao ihany toy ny namanao, fianakavianao
10. narri ( 13/04/2006 18:44)
fa ny tena takiana amntsika sady sarotra tanterahana ange de le hoe tiava ny fahavalonao .........
11. Fiffi ( 13/04/2006 19:26)
raha jerena aloha ny baiboly dia "TON PROCHAIN" io , ary mipetraka aloha ny fanontaniana "MAIS QUI ES MON PROCHAIN" ? tsy ny namana izany io fa ny rehetra , ny olonarehetra ka marina ny andry ry DM an!
narri: sarotra hoy ianao ! marina fa sarotra ny hitia ny fahavalon'ny tena an! nefa kosa raha tena mihaina anatin'ny famarinana , @ fivavahana , @ tena finoana , inona moa anefa no zavatra tsy ho vita ?
12. Fiffi ( 13/04/2006 19:29)
aleo angamba aloha jerena kely ny hoe "mais qui es mon prochain" ?http://catholique-arras.cef.fr/chronq/51_prochain.htm
13. Fiffi ( 13/04/2006 19:30)
http://catholique-arras.cef.fr/chronq/51_prochain.htm
14. diamondra27 ( 14/04/2006 05:26)
narri:raha tsy andramanao io oe: tiavo ny fahavalonao io tsy hainao mihitsy ny tombotsoa azonao avy eo.

Andramo ange eh!

Matoa Atra nandidy antsika an'io de fantany fa mahasoa antsika izany. Raha mankahala ny fahavalonao ianao de izy no mahazo vahana fa raha hainao ny mitia azy de ho hitanao fa lasa namanao io fahavalo io ary mety hibaboka aminao aza izy oe: 'za nge ka saika nanao an'izao sy izao anao e! tsatsy tary...
Apetraho @ Tompo ny fanahianao fa Izy handamina ny lalanao. Angataho ny Fanahy Masina hanoro hevitra anao @ ze fomba iresahanao @ fahavalonao

Nahoana moa Jesosy no miditra foana eny @ fahavalony? Tsy izy ve no nandresy t@ farany?
Ianao koa afaka hanaraka Azy raha manaiky.

Aza tonga de kivy avy hatrany oe: ahoana koa izany hitia ny fahavaloko izany?
Efa zao sy izao ve ny nataony ahy de mbola hisolelaka aminy ihany aho?
Avelao ny hambompo fa soloy fo malemy

Averiko indray: andramo fa ho hitanao ny hasambaranao any eo
15. Fiffi ( 14/04/2006 05:53)
hampisy fihovan'ny fahavalonao koa ny hitiavanao azy.
16. zandrikely ( 16/04/2006 18:53)
fiffi : marina zany , vita daholo zay atao rehefa mihaina ao @ fitiavana sy faharetana
tiavo ny fahavalonao tahaka ny tenanao ,
17. Fiffi ( 17/04/2006 04:52)
Hoy Jesoa : "Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo"
18. marozevo ( 17/04/2006 23:18)
Nisy lehilahy iray avy any Jerosalema ho any Jerikao... Iza no namako ?
Tsy ampy ny mivavaka sy mino,
fa tsy maintsy miatrika asa...
19. Fiffi ( 18/04/2006 05:34)
asa.......... ?
20. marozevo ( 18/04/2006 12:28)
Asa tokoa ...... ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.3893