Tiava ny namanao tahaka ny tenanao
21. Fiffi
(
19/04/2006 04:39)
fa ny zavatra hinoako aloha dia tsotra fotsiny hiany: "Hoy Jesoa : "Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo" hoy Jesoa ka na ny fahavalonao aza dia tiavo koa fa hampisy fihovan'ny fahavalonao koa ny hitiavanao azy.
22. marozevo
(
19/04/2006 09:33)
Izay mihitsy no izy ka... fa ny zava-misy indraindray dia misy tsy mahatanty tenenina ny olona. Ny fitiavana manko tsy maintsy miaraka amin'ny fahasahiana hanitsy koa. Indraindray na dia efa namanao izao aza, no mba ahitsinao amin'ny tsy mety ataony, dia manjary mankahala. Izaho izay manoratra dia tsy afaka amin'io kilema io koa...
23. Fiffi
(
19/04/2006 11:09)
na ny havana koa aza fa tsy ny namana hiany no manao an'io dia manjary hisian'ny fifankalozana intsony. Tsy ianao irery hiany anefa no manana io kilema io an! hatraty koa io an! fa dia mihezaka hatrany ny hanarina an'io , eny na dia indraindray aza tena mafy.
24. mandalo
(
19/04/2006 17:23)
ny olombelona rehefa mifanena ny tenin'Andriamanitra dia toy ny manoloana ny fitaratra, hita eo daholo ny tsy mety rehetra ary tsy zakany izany ka miezaka izy ny hanafina izany amin'ny alalany ny avonavona na ny fahatezerana.tsy maintsy miezaka isika no ho mety hamboarin'ny fanahy masina fa tsy miala fanina toy ireny; izany no mbola manamafy fa ny fanahy no manova fa tsy ny olona no mahay manova ny fomba fiainany . tsy misy olona mahay tia ny hafa raha tsy efa tia an'Andriamanitra aloha, ary izany fitiavany an'ny Tompony izany no manery ao ampony handray sy ho tia ny hafa (vakio ny tantaran'i Jakoba sy Esao fa nanaiky ny faharatsiany i Jakoba ka nifona sy nandady mandrapahatonga teo anoloan'i Esao; tsy nahavita na inona na inona i Esao ;na dia nanana 400 lahy aza afahana nadringana an'i Jakoba; nalemy izy teo anoloan'ny fanetrentena sy ny fiaiken-keloka nataon'i jakoba.
tsy misy fihavanana teraka raha tsy misy fiaiken-keloka.
tsy mahay mitia isika raha tsy manana fitiavana;AO AMIN'I jESOSY IHANY NO LOHARANO AHITANA IZANY
ankoatran'izay dia fitiavana mifangaro intérets personnels

25. marozevo
(
19/04/2006 20:11)
Marina izany ry mandalo, saingy tsarovy koa fa misy inverse kely : Atao ahoana no hitia an'Andriamanitra izay tsy hita, na ny rahalahy izay hita aza tsy hay tiavina.
Ny Fanahy Masina no manosika hitia... Samy atosiny ho tia ny olona rehetra, satria tsy manavakavaka izy, fa matoa misy ny tsy mitia dia ao ihany ny olona nomena SAFIDY.

26. Fiffi
(
20/04/2006 06:42)
"Sambatra izay mino nefa tsy nahita" io aloha tsy hiadiko hevitre satria tena marina ho an'ny mino an'ny Tompo . Saingy raha jerena indray ny hoe fitiavana , @ fomba ahoana moa ny hitiavana an'Andriamanitra raha tsy mino aloha nefa tsy nahita an! ahoana ny hitiavanao ny namanao koa raha tsy ny tenanao aloha no tianao voalohany ? satria manko misy dia misy olona tsy tia ny tenany , @ fomba ahoana koa ny hitiavany ny namany raha tsy tia ny havany aloha izy ? misy dia misy ireo olona tsy tia ny rahalahiny arak'io voalazanao io ry marozevo .
27. mandalo
(
20/04/2006 11:30)
tsy azoko ilay tenn'i Marosevo hoe:"fa matoa misy ny tsy mitia dia ao ihany ny olona nomena SAFIDY. Mba hazavao kely rah mety;.
Amiko ny atao hoe fitiavana eto dia vokatrin'ny fo; izay manana fo dia afaka mitia na koa mankahala ;ka izayve ilay safidy lazainao?
ny tenini'i tompo mantsy tsy nanavakavaka olona hotiavina izy fa ny rehtra dia tokony hotiana daholo satria samy olona noforoniny.
Raha hafa noho izay ny fijerinao dia mba hazavao azafadt

29. marozevo
(
20/04/2006 14:40)
Ny tiako ho lazaina amin'io dia ilay safidy ao amintsika, izay Andriamanitra ihany no nanome azy. Io safidy io no mahatonga antsika handray na tsia izay zavatra hafa rehetra avy any ivelan'ny tenantsika, ary anisan'izany ny fahasoavana entin'ny Tenin'Andriamanitra. Nomena ho an'izao tontolo izao ny Tenin'Andriamanitra, fa tsy ny olona rehetra no mandray azy. Mazava loatra fa misy ireo mbola tsy nitoriana, resaka hafa iny, fa amin'ireo efa nitoriana na efa naheno dia misy ny mandà. Safidy io...
30. mandalo
(
20/04/2006 16:31)
izy ity moa resaka hifanazavana, ialako tsiny raha resaka safidy indray no valiako fa tsy mitovy ny hevintsika.
Ny safidy dia nomen'Andriamanitra ny olona rehetra na mpino izy na tsia; samy misy fo mitempo koa ka samy mahay mitia ;tsy misy idiran'ny safidy ny fahaizana mitia.
Raha mijery ny olon'izao tontolo izao isika dia rehefa mifankatia izy ireny dia tena mifankatia tokoa ary rehefa miady dia tena misaraka tokoa ary izay halany dia tsy mety hifankahazo aminy mihitsy. toetra efa ao amin'ny olombelona rehetra io satria ny fitiavana ny tena dia efa tao hatrin'ny ela;
Jereo fotsiny i Adama; samy nihinana ilay voankazo voarara izao nefa rehefa nanontaniana dia nilaza fa io vehivavy nomenao ahy io no nanolotra izany ho ahy; endrikin'ny fitiavan-tenan'ny olona izany rehefa nanota izy. Talohan'io anefa raha nahita an'i Eva izy dia faly tokoa ary nisaotra an'Andriamanitra (satria mbola tsy nahalala ota izy);
tsy mahay mitia isika raha tsy madio am-po; raha rehefa tsy misy ota ao ampontsika .tsy tonga amin'izany toerana izany isika raha tsy manana an'i jesosy ao ampontsika; Izy no manome antsika ilay fitiavana ahafahantsika mahazaka ny ataon'ny namantsika; ny mpiara-monina amintsika; ny fahavalontsika (vakio 1 cor 13); tsy safidy no atolony anao fa didy hitia ny namanao.
ny devoly no mampisalasala anao tsy ho tia ny hafa fa tsy Andriamanitra.
Ary vakio tsara ny 1 Jean 3 fa condition SINE QUA NONE maha zanak'Andriamanitra ny olona dia ny mitia ny namana.
Koa tsy safidy mety azo tsy atao io fa antokin'ny hoavinao,tsy haintsika irery anefa izany ka izany no nanirahan'i Jesosy ny fanahy masina hitarika antsika amin'izany.
Apetraho Aminy ny toky dia araho ny teniny fa "RIEN N'EST IMPOSSIBLE AVEC DIEU"
mahefa be ary!

31. marozevo
(
21/04/2006 20:42)
Ndao horesahina ilay safidy, sy ny hevitra voalazan'i mandalo eo ambony eo.
1- Safidy, amiko kosa dia tena nomena safidy isika. Tsy adidiko no milaza hoe ny safidin-dranona marina moa ny an-itsy diso. Tsy adidiko koa no milaza hoe ny safidin-dranona avy amin'ny demony moa ny an'itsy avy amin'Andriamanitra. Fa ny fantatro dia nomena safidy isika olombelona hanaraka na tsia ny didy, na hanaraka na tsia ny Tenin'Andriamanitra.
2- Iza moa aloha ilay ataon'i mandalo hoe "olon'izao tontolo izao"? Ny olona rehetra manko dia samy eto amin'izao tontolo izao avokoa. Hevitra ara-baiboly ve no handraisanao azy, satria hafa ny heviny ao?
3- Tsy mahay mitia isika raha tsy madio am-po - hoy ianao - Eny ekena izany, nefa koa rahoviana ity olombelona no mba hadio am-po tanteraka. Fantatr'i Jesoa io fahalementsika io, ka tsy miavonavona manery antsika izy fa manetry tena manampy hahazoantsika ny fitiavany.
Jereo akaiky ilay dinika nifanaovan'i Jesoa tamin'i Pierre :
Moa ve tia ahy(Agapès) ianao ?
Eny fantatrao fa tiako (Philia) ianao.
Dia nanontaniany fanindroany.
Moa ve tia ahy(Agapès) ianao?
Eny, fantatrao fa tiako (Philia) ianao.
Ary nanontaniany fanintelony indray.
Moa ve tia (Philia) ianao?
Eny, fantatrao fa tiako (Philia) ianao.
Hitanao amin'io fa i Jesoa no nampidina ny dikan-tenin'ny fitiavana hitovy amin'ny fahazoantsika ny atao hoe fitiavana.

32. diamondra27
(
22/04/2006 07:15)
aza mamaly ny ratsy fa reseo @ soa ny ratsy
raha misy manisy tehamaina anao @ takolaka havia dia atolory azy koa ny takolakao iray
= mandefitra sy mitia hatrany na de devany ny olona tsy tianao aza, hummmm mazana an

33. mandalo
(
22/04/2006 11:48)
araka ny fahazoako azy dia ny olona manana safidy dia olona afaka (libre--> libre de choisir).
moa ve nefa tsy mazava ny tenin'Andriamanitra fa :" ny olona mpanota dia andevon'ny ota (tsy olona afaka) ary hoy i Paoly hoe: "raha ny zanaka no hanafaka dia afaka tokoa ianareo";
Ny fahalalako izany dia tsy afaka isika raha tsy ao amin'i Kristy ,satria eo isika vao afaka ny hisafidy tsy hanaraka ny ota intsony fa talohan'izay isika dia mbola tsy mahafantatra fa ratsy ny ataontsika ka izay mahafinaritra ny nofontsika na metimety amin'ny fijerintsika no ataontsika. tsy haintsika ny hanaraka ny didin'Andriamanitra ary raha mba manniry hanao sy hanaraka izany aza isika dia tsy mahatody hatramin'ny farany; satria mbola voafatotrin'ny zavatra maro: fombafomba;tombontsoa manokana ka tsy mahatohitra ny fakam-panahy.
fantar'Andriamanitra tokoa izany fahalemen'ny olombelona izany satria tsy ao aminy intsony ilay fofon'aina mahavelona nomeny fa nosoloina ota (nolovana t@'i Eva sy Adama);
Izany no nanomezany an'i Jesosy hisolo ny toerantsika manoloana ny fitsarana;ka Izy no nandray ny valin'otantsika , maty Izy noho izany otantsika sy fahalementsika izany.saingy nitsangana Izy satria marina Izy ka ny rany latsaka no namafa ny helontsika.Afaka tanteraka isika fa tsy voafaotr'ilay ratsy intsony. manana safidy amin'izay isika tsy hanaraka ilay namatotra taloha ary ny fandresen'i Jesosy Kristy naharesy ilay ratsy no afindrany amin'izay rehetra mino Azy; ka hery entintsika handavana tanteraka tsy hiaraka amin'ilay ratsy ary hifikirantsika amin'ny Mpamonjy antsika fa eo Aminy ihany isika no hahita fiadanana.
ilay safidin'ilay mbola tsy nandray Azy anie ka dia herin'ny tenany sy ny sainy fotsiny no entiny hiadivana amin'ilay ratsy, izay mbola mamatotra azy é! ka mihevitra ve ianareo fa dia hahay hanaraka an'Andriamanitra izy? (hisafidy ny didin'Andriamanitra izy???)
ary raha misy mahavita izany dia tsy ilaina Jesosy fa samy manavotena ny tsirairay dia afaka.
Izany no antony hoe: "la grace de Dieu "satria tsy misy lalana afa-tsy io afahantsika ho avotra fa fitakin'ny devoly daholo ny sisa.
ka amin'ny fomba ahoana ny hahaizanao mitia ny hafa nefa ny tenanao aza tsy tia akory ny tenanao satria tsy vitanao ny mahaavotra azy.
Izany no ilazako hoe: raha tsy mamana an'i Tompo ao amponao ianao dia tsy mahay mitia ny namanao fa manjary fitiavana raha misy patsa fotsiny toy ilay fitiavana fanaon'izao tontolo izao;(mazava aminao amin'izao angamba ilay izao tontolo izao)

34. marozevo
(
22/04/2006 22:18)
Mandalo > Ny tapany voalohany amin'izay lazainao dia efa iaraha-mahalala iny. Tantaram-pamonjena. Tsy dia nilaina no nilaza azy eto fa manalava ny resakao fotsiny.
Safidy --- Moa ny olona iray va, raha manao fahotana tsy natosiky ny safidiny? Taiza no nisy mpangalatra nilaza fa tsy sitra-pony no nangalatra? Taiza no nisy mpijangajanga nilaza fa tsy safidiny izany? Ny safidy, matoa safidy, dia misy zavatra roa fara fahakeliny hisafidianana, fa raha tokana fotsiny tsy safidy izany.
Koa ankehitriny, indro ataoko eo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana, ny fahasoavana sy ny ozona, koa SAFIDIO ny fiainana.
Mbola tsy dia azoko loatra koa na izany aza ny dikan-teny omen'i mandalo an'ilay hoe "olon'izao tontolo izao".

35. Fiffi
(
26/04/2006 05:18)
hoy mandalo:
Izany no ilazako hoe: raha tsy mamana an'i Tompo ao amponao ianao dia tsy mahay mitia ny namanaomarina io ary tsy azo hadihadiana. Saingy hoy ianao "fa manjary fitiavana raha misy patsa fotsiny toy ilay fitiavana fanaon'izao tontolo izao" tsy mihombon-kevitra aminao velively kosa aloha aho ry mandalo amin'io an! nahoana moa no azahoanao milaza fa tahak'izany ny fomba fitiavan'izao tontolo izao ? fa iza aminao aloha no hatao hoe "izao tontolo izao" ?
38. marozevo
(
27/04/2006 21:00)
Io fanontanian'i Fiffi io koa no napetrako tamin'i mandalo dia tsy mety mamaly mivantana izy. manolotra referansy indray izy io, ka dia ho jerena izany, Saingy tsy hevitr'i mandalo io referansy io, nefa ny hevitr'i mandalo no anontanianay.
39. Fiffi
(
28/04/2006 06:08)
satria manko raha samy hi-se baser amin'ny voasoratra ao anatin'ny baiboly dia efa mazava ny valiny , saingy tokony hanome ny heviny rehefa milaza zavatra na miteny.
40. marozevo
(
28/04/2006 14:32)
Mila tandremana ny fitsatok'ireto teny roa ireo.
1 - Fitiavan-tena
2 - Fitiavana ny tena.
Kely fotsiny ny fahasamihafan'ny fanoratra fa mifanohitra be ny heviny.