momba ireo gasy manambady vazaha

1. fanantenana2003 ( 12/04/2006 12:40)
handeha ho any madagasikara izahay aminy volana jona sy juillet io hamonjy famadihaha, donc ny conjoint-ko sy ny zanako dia handeha ho any koa, matahotra ihany anefa nytena momba an'ireo zavatra nisesisesy tato ho ato momba ireo vahiny maty sy voahendaka tetsy sy teroa, mba te ahafatatraaho ny momba ny hevitrareo momba an'io misaotra betsaka
répondu par zandrikely le 23/04/2006 17:36
2. Fiffi ( 12/04/2006 12:51)
zavatra nisesisesy tato ho ato momba ireo vahiny maty sy voahendaka tetsy sy teroa
tsy ny vahiny hiany no voan'ny zavatra mampalahelo tahak'izao. Sady koa raha nisy an'ireny , tsy midika velively kosa aloha io hoe hitohy hatrany fa dia enganie ka mba hihetsika ny mpitondra hijery an'ireny. Ny fahantrana no mahatonga an'ireny zava-mampalahelo ireny. Nefa kosa aloha , anareo no mitandrina , ohatra tsy hivoaka alina na mety efa ho lazain'ny fianakavianao any hiany izay zavatra tokony hatao satria ry zareo no eny an-toerana mahafantatra tsara ny fandehany any.
3. manta ( 12/04/2006 14:53)
soloy gasy raha matahotra.avereno any ny vazaha fa ny gasy koa anie manja
4. Fiffi ( 12/04/2006 14:57)
ka vadiny io koh !! :roll::roll::roll:
5. sanjila ( 12/04/2006 15:56)
Izaho aloha de mahita fa n'aiza n'aiza anie misy foana ny vonon'olona sns e, aty an dafy ary vao vantany mijery vaovao an tsary de raha tsy resaka meurtre na pédophilie de braquage/vol na viol.
6. Fiffi ( 12/04/2006 16:49)
jentilisa: ka zay indrindra manko an! ka nahoana no hoe soloy gasy raha matahotra.avereno any ny vazaha fa ny gasy koa anie manja :roll::roll:
7. diamondra27 ( 12/04/2006 16:52)
fanantenana2003: asaivo manao fitafiana simple fotsiny izy, de aza manao zavatra mi-attirer olona , de mandehana tomobilina foana, de miaraha @ fianakams any =tompotoerana, fa aza mandeha irery . De aza mande harivariva ihany koa na mitondra vola be loatra eny andalàna

i B.... koa ve handeha any?

De mazotoa an!fa oviana le fotoana?

Kiss akia njy a!:wink:
8. Herimiafina ( 12/04/2006 17:25)
fanantenana2003:

handeha ho any madagasikara izahay aminy volana jona sy juillet io hamonjy famadihaha, donc ny conjoint-ko sy ny zanako dia handeha ho any koa, matahotra ihany anefa nytena momba an'ireo zavatra nisesisesy tato ho ato momba ireo vahiny maty sy voahendaka tetsy sy teroa, mba te ahafatatraaho ny momba ny hevitrareo momba an'io misaotra betsaka

Efa hatramin'izay ny vahiny no lasibatra foana ho an'ireo tonta kely sy mpanendaka mamono na tsy mamono, amateur na professionnel, fa tsy vao izao.

Ary ny tena marina aza dia ny malagasy koa dia alsibatra rehefa hitany mamirapiratra eny andalana eny fa azo hamboarina tsara.

ka aza atao sakana ny zavatra toy izany fa na any amin,ny tany mandroso aza dia misy koa izany.

Ny fanafodiny dia tsy manao hita be, manjelanjelatra, manao l'interessant sy m'as-tu-vu eny andalana, ary mahamahana foana tsy mitakosona be amin,ny olona satria ao anaty tangorona sy mifampikasokasoka no mamely ny mpanataka kitapo, eo amin,ny fidirana ireny taxi-be sy bus ireny na any anaty embouteillage.

Mahimahina hatrany, tsymody alina irery amin'ny tanàna tsy fantatra.

Tadidio fa ny mpanendaka tsy mamely any akaikin'ny tananany, ny mpanendaka eny Ampasampito ohatra dia bandin'Andravoahangy sy manjakaray, ny mpanendaka eo Andravoahangy indray dia bandin'Ampasampito sy Ambohimirary ary mpinamana aminy avokoa ny olona eo antananany ary mahafantatra ny anton'asany.

Mazotoa e! :@:@

9. Vaika ( 12/04/2006 18:09)
Manta : Tsy misy hatahorana. Ary mitovy ihany na vazaha na gasy (avy aty an-dafy !) no tonga any. Ny mandeha tongotra alina fotsiny no tandremo fa mbola be ny mpanendaka (na gasy na vazaha !). Ny pôketra, appareil photo, camescope, firavaka ets, dia mba hafenimpenina. Ny ray ban rehefa calme vao avoaka... Efa ohatran'ny taloha fa tsy dia niova loatra. Rehefa amin'ny parking (analakely, antaninarenina ...) dia misy gardien (klo na lam dia mety) ary antsoy mihintsy hijerijery ny daba fa milamina foana e ! Aza dia hasahotaka amin'izany ny vadinao fa vacances no aleha. dia mahazoa fahafinaretana e !
10. lemenakely ( 12/04/2006 19:05)
tsy dia mety raha amiko manokana surtout ianao manambady vazaha ny manaratsy ny hoe feno mpanendaka sy sahala @ izany ny any @ tanàna, tanindrazanao foana i MADAGASIKARA ary gasy foana ianao ...mila mitandrina fotsiny e malimalina ka na eto an-dafy aza anie misy mpanao sinto-mahery e !!sy mpangaro-paosy...
11. diamondra27 ( 12/04/2006 19:14)
zakony gasy fa za matahotra ny hody any kouuuu, raha tsy oe: tena azo antoka ny mpiambina ahy.

Za gaga fa ny fianakams ko maka-film @ camescope nefa tsy maninona aloha e! sa oe izy tompotany?
12. fasaly ( 12/04/2006 19:16)
manta:

soloy gasy raha matahotra.avereno any ny vazaha fa ny gasy koa anie manja



de manin kou raha tsy manao valy boraingina otsanzany.....! mba mila hevitra izy kou raha tsy azo solina toy ny lobaka eny ankoditsa ity vady rainjanaka kanou!!:roll::roll::roll::roll:
13. ftma ( 12/04/2006 19:39)
Tsy misy tokony hatahorana izany ny fandehanana any Madagascar, vao t@ volana marsa teo no ny namako nadeha tany tsy natahotra izany, faly ery ry zareo niverina avy any, izaho aloha tany nadritra ny 1 volana tsy mba nataotra izany na dia mandeha irery aza e, n'aiza n'aiza anie aleha rehefa hotratry ny mpagalatra dia tratra e
14. Fiffi ( 12/04/2006 19:59)
:)de manaova vakansa mahafinaritra any eh! :)
15. avylavitra ( 13/04/2006 04:26)
Na aiza na aiza rehefa ho tratra dia tratra, na andafy io na aty Dago, na an-tsaha na an-tanana. Fa tsy olana tokony hibahana izany. Na telephone portable aza anie no tiany sy tsiriritiny dia alainy e. Nefa na any andafy koa aza misy an'izany. Donc mitivy fa tsy sahala. Koa tongava fa tsy misy tsara toy ny mitandrina ary tsy misy maty tsy ami'ny androny hoy ny fitenenana izay.
Mirary anareo hanao vacances milay aty amin'ny tanindrazana e!. Raiso fotsiny ilay conseils any ambony any hoe aza mano l'interessane, sy misehoseho be fa soysez simple, dia mandeha ho azy ny fiainana. Ary rehefa misy olona diso manaka-dresaka na diso mi colle be foana eny an-dalana, dia mba mailo.
16. Fiffi ( 13/04/2006 04:40)
dia tokony tandrema koa ny fitondrana firavaka eny @ tena mba tsy ho tazana fa manintona ny ratsy fa na izany aza dia positivena kely aloha ilay fandehanana any fa mahafinaritra ny fihaonana @ fianakaviana an!
17. Fiffi ( 13/04/2006 06:02)
de anaraka anareo ho any ko zah zany :)
18. diamondra27 ( 13/04/2006 09:15)
de bon voyage akia zany 'nareo an!:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*
19. Falzar ( 13/04/2006 09:50)
Aleo akia iz'handeha Fanantenana 2003 raha mazoto fa na ho any na tsy ho any anie izy, rehefa ho tonga ny ratsy de tonga foana e! Mivavaha fotsiny de matokia.
Mirary soa e!
20. little ( 13/04/2006 10:23)
tsy misy koa zany io e! any amitsika nge paradisa kely raha resaka sekirite no jerena e! Fa tandremo eny isotry sy ankazotokana. tsy maninona io fa zavatra milamina any e! ny gasy nge be tsikitsiky e! fa aza de snobena
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5831