momba ireo gasy manambady vazaha

21. ravatorano ( 13/04/2006 11:08)
aza mataotsa zany na manaiky ampataorina fa aty tsa misy maninn zany :wink:
efa voazan ireo namana reetra teo fa maka tsy taitra no izy mlam fotsni zany we kalama raha mandeha andalambe amin ny toerana toy an Isotry Ambohijatovo na lalakely iny la totohobato mangingina d esory ny volamena d aza atao hitan ny bandy ny poketra matevina fa zé strict minimum entina e zay sosy ilainao ihany entinao miantsena izany.
Mora kobo mantsy ny vahiny ny gasy io na vazà d iny no karakarain dry zalah raha vao hitany fa "mazava " sy "tsisy pentina" ,fa d voamboatrany tokoa any e:wink:
22. Fiffi ( 13/04/2006 16:18)
aza matahotra izany eh! aza misahirantsaina @ io fa karakarao ny fihaonana @ fianakaviana fa ho fety be zany an!:)
23. rurik ( 14/04/2006 07:39)
manta:

soloy gasy raha matahotra.avereno any ny vazaha fa ny gasy koa anie manja

mba mandinihy rangaha vao manoratra fa tsssssssss vadiny io ko sady izay tiany.


24. rurik ( 14/04/2006 07:43)
aza mivoaka ariva na alina na mandeha irery tandremo fotsiny ny toerana mangingina dia ny olona any koa tsimaintsy miteny izay tokony ataoko dia mahaiza manaraka izay lazain'ny fianakams.
tsara mandroso aky dia tsara miverina an .
25. Fiffi ( 14/04/2006 12:41)
rurik: f'ita wa akia eh! misy olona dia tsy mba mandanja izay lazainy fa dia .... ::wink:
26. rurik ( 14/04/2006 14:16)
fahita matetika eto io toetra io ,
dia avy eo mametraka fanotaniana we maninona ny gasy no..... maninona ny gasy no.... nefa izao no to......
27. tovolahy007 ( 15/04/2006 01:05)
manaoana e
Amiko de ny fitandremana fotsiny no atao e.Za zao tany 2 mois tsy nisy naninona mitsy fa de nilamina.Refa miteny ny olona hoe aza mandeha irery @ io toerana io na hoe aza mandeha ny fa gravy any de araho fotsiny ny teniny de zay.Ohatra ve hoe efa fantatrao fa enjana be ny ao Ambodin'Isotry ao de mbola hoentinao any ny vazahanao,Tsy mety.
Fa za aloha efa niaraka t@ na vazaha tao Ambodin'isotry nandeha nividy ravindamba fa de gaga daolo ny mpivarotra tao hoe mba masahy nareo an,fa za t@ io no ohatra ny lasa garde du corp zany hoa,fa tsy nisy naninona.Izany tsy midika hoe manaova toa ahy koa fa ny ahy zany efa tsy fidiny ary tsy hanao toy izany tsony za mandrakizay.
De manaova fialantsasatra sambatra e,toa anay
28. Fiffi ( 15/04/2006 04:21)
Fa za aloha efa niaraka t@ na vazaha tao Ambodin'isotry nandeha nividy ravindamba fa de gaga daolo ny mpivarotra tao hoe mba masahy nareo an, fa ahoana io ? nga tsy azo hatao ?
29. tiazaza ( 18/04/2006 10:10)
misaotra anareo taminy toro-hevitra rehetra ary isaorako manokana koa ireo nandray anjara tamin'ity discussion ity izany eh, i Fasaly mantsy niteny ahy an'io ary dia mba nagovitra ny tena ary nanontany ny fianakams tany dia niteny ko ary zarao, ny olana amiko anefa ry zareo dia ny fianakaviako dia ny akabeazany eny Isotry no mimpetraka ary mantetika izany izahay hita eny, tsy dia olana amiko raha izaho irery no nandeha satria aho lehibe teny amin'iny quartier iny nefa rehefa miaraka ny vady aman-janaka izao dia hitako hoe na izaho aza lasa m atahotra tampoka,yeh handeha koa retsy i B ry Diamondra, satria hanao batisa ny zanako izahay dia hamonjy ny famadihana an'i mamanay any!
dia raha mbola manana soso-kevitra atao izany ianareo dia mbola mihaino foana aho,Eny ambanila izahay no hivantana ary dia izahay 3 mianaka irery no eny fa tsy misy mpanampy io no tena antahorako koa! izay fa dia misaotra anareo
30. Fiffi ( 18/04/2006 11:20)
tsara kosa zany an! dia mahavità ny soa rehetra ary !:)
31. Vaika ( 19/04/2006 18:51)
raha mbola manana soso-kevitra atao izany ianareo dia mbola mihaino foana aho
Tiazaza : Aza hadino ny mandalo ao amin'i Fraise hallal, karàna spécialiste-ny akoho hendasina (mafilotra tsara ohatran'ireny akoho athlète ireny fa tsy prêt-à-cuire matsatso be), masikita, samôsa, mokary, eo Ambalavao-Isotry. Milay be mihintsy sady matsiro : 2€ dia voky miaraka amin'ny jus de garana-drela. Tsy misy pi kosa : fady ry zareo fa sao miteniteny foana ! Tamin'ny herintaona aho no tany ary tamin'ny sivy alina foana no nandeha teny tsy nisy naninona k'aza matahotra fa any no tena milay ny revy e ! Rehefa misy mitady hanendaka eny Isotry dia mody milaza hoe zanak'i Mô be ilay mpivaro-kena hoe (mba mamorona sady manambaka fa dia hiantso vonjeo sady tsisy hamonjy eo akory ve ?) amin'izay maty lolo ry leirony dia tsy sahy. Na zà zanak'i madame Lène mpivarotr'anana hoe, izay anie ny mot de passe eny fa nareo mbola tsy lasa akory dia mifezaka sahady e !
32. zandrikely ( 23/04/2006 17:36)
fananatenana2003 : manaova tsotra , mahaiza mifandray @ olona , ny manodidina , zay ihany no hitako hoe mety any mada , ny mahatonga ilay fanendahana anie dia misy mahita enao fa be vola e , ary olona malala fa misy sosy any @nao no manendaka anao , ataovy toy ny mahazatra dia aza heritreretina be fa tsy maninona io e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2409