Paska

1. Fiffi ( 10/04/2006 09:08)
"Fa izao no nitiavan'Andriamanitra an'izao tontolo izao: Nomeny ny Zanany lahy Tokana , mba tsy ho very izay rehetra mino Azy , fa hanana fiainana mandrakizay" (Jaona 3:16)

Noho izao fahatongavan'ny Paska izao , fankalazana nandresen'ilay Mpamonjy ny fahafatesana mba ho hanavotana antsika dia faly aho miharahaba antsika rehetra tsy misy hakanavaka "Joyeuse Pâques" daholo ary ny Tompo anie Homba sy Hitahy antsika lalandava.
répondu par Fiffi le 19/04/2006 12:17
2. Bhiou ( 10/04/2006 10:54)
msaotra aky ry fiffi à dia mrary paka finaritraho anao koa aho
3. Fiffi ( 10/04/2006 11:17)
[IMG]http://smileys.inzenet.org/repository/Content/a_plain.gif[/IMG] misaotra akia an! :-*
4. Bariry ( 10/04/2006 11:26)
Merci Fiffi âh!:-*:-*
5. Fiffi ( 10/04/2006 13:04)
:):-*:-*
6. tafita ( 10/04/2006 14:05)
mankasitra mankatelina e
fa taitra aho raha nahita ny firarian-tsoa
tonga dia nitsangan-ko velona niaraka amin'i Jesoa
ka misaotra ny namana , nanolotra an'io
misaotra ry Fiffi, amin'ny foko madio
tafita
7. Fiffi ( 10/04/2006 18:32)
:) tsy misy fisaorana fa natolotra t@ fo manontolo tokoa an! :):-*
8. vale ( 10/04/2006 19:16)
[IMG]http://www.smiley-online.com/images/gif/diable/vignette1/thumbnails/azzangel_gif.gif[/IMG]misaotra akia Fiffi dia ho andry koa!manaova paka mamy ô!
9. cutie ( 10/04/2006 19:45)
:*Merci fiffi
10. xxx ( 10/04/2006 20:40)
Handeha aiza nareo ny monday ny paska? Sao mety ny nifanao fotoana?
11. marozevo ( 10/04/2006 21:31)
Manamafy izay voalazan'i Fiffi eh... Vao mba saiky hiandry amin'ny Sabotsy na Alahady vao hanokatra fiarahabana antsika rehetra, kay moa ity efa eto ny an'i Fiffi, koa dia atolotra ho antsika rehetra ny fiarahabana toy ny fary lava vany eh...
12. Fiffi ( 11/04/2006 04:40)
marozevo: ka mba nanaovako an'ity dia ato anatin'ny herin'andro masina isika zao . Fa angaha kosa manakana ny fanokafana io ? ataovy satria mbola tsy Paska koa anie isika eh! :) misaotra antsika rehetra koa! :):-*:-*:-*:-*
13. marozevo ( 11/04/2006 10:43)
Ataoko kosa fa efa ampy io nosokafanao io ka. Tsy olana mihitsy ny nanokafanao azy mialoha ka. Ao anatin'ny herinandro masina isika araka ny teninao, ary marina izany. Enga anie mba tsy ho ny herinandro ihany no ho masina fa mba hiezaka ho masina koa isika na dia fantatra aza fa sarotra ho antsika izany.
Mirary soa ho anao sy ho an'ny rehetra.
14. Fiffi ( 11/04/2006 13:38)
enganie tokoa ary ny Tompo anie hitsinjo antsika tsirairay avy mba hanatanterahantsika an'izany.
15. marozevo ( 11/04/2006 18:09)
Ny Tompo manampy hatrany, fa mila finiavana avy amintsika ihany koa.
Nisy groupe-na olona kristianina nangataka ahy hanome dinika kely tsotsotra momba ny Paka, ka eto aho no maka hevitra, satria hitako fa samy milaza izay fahafantarany isika eto. Tena manampy be mihitsy ry reto ilay fifanakalozan-kevitra ah.
16. Fiffi ( 12/04/2006 04:35)
tena manampy be mihintsy indrindra raha miaraka @ ireny groupe ireny satria zah koa tahaka anao ry marozevo , manaraka ny ankizy izay hatao batisa @ Paska io aho ary tena ilaiko mihintsy ny fahazahoana ny hevitrin'ny hafa fa tena raha lazaiko marina aloha dia tena afa-po mohintsy aho an! :) tohizo hatrany ry namana fa tena mahomby tokoa izao.:)
17. bichette ( 12/04/2006 06:35)
aoka isika hiravoravo fa nitsanga-ko velona Jesosy nisolo toerana antsika teo aminn'y hazo fijaliana, draina Andriamanitra fa nanolotra ny zanany nohon'ny fitiavany antsika.
18. Fiffi ( 12/04/2006 07:36)
Andriamanitra Tsitoha ô , Jesoa kristy Zanakao lahy Tokana, no efa nandresenao ny fahafatesana sy namohanao ny vavahadin'ny fiainana mandrakizay hidiranay: Mifona aminao amim-panetrentana izahay , aoka ny fahasoavanao izay mahatonga ny fonay haniry sy hikasa hanao ny tsara no hanampy anay lalandava hahatanteraka izany amin'ny hatao , amin'ny halalan'i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay miara-belona sy miara-manjaka aminao sy ny Fanahy Masina , mandrakizay mandrakizay. Amen
19. xxx ( 12/04/2006 11:29)
tonga dia ataovy henekisoa matavy ritra ny laoka e ,ampiarahana @ J.B e !!!
20. Mifenty ( 12/04/2006 11:34)
:miam::miam:

ouf !!! vita iany marina ny karemy le

Tratry ny paska jiaby e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0762