hivavaka ho an'ny taniko aho ...

1. bichette ( 15/02/2006 10:05)
IITantara 7:14 raha ny oloko izay nantsoina tamin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hanasitrana ny taniny. IITANTARA 7

Nomen'andriamanitra antsika ny fanalahidin'ny fitahiana ho an'ny tanintsika ka maninona moa isika malagasy raha miray saina ny hivavaka, hifona sy hanetri-tena ? toyizay hifampitsikera ? ahoana hoy ianareo ? :-*:-*:-*:-*

répondu par marozevo le 17/03/2006 00:55
2. dadabe ( 15/02/2006 10:38)
AMEN! ndao hiray hina e!!JEHOVAH O ! omeo fitahiana ny taninay, dia aoka handrosoi Madagasikara ......!!
3. lapino ( 15/02/2006 10:53)
... ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, ...

Ilay mivavaka sy mitady ny Tavany manko samy mahay daholo, fa ny sarotra dia ireo ... :-w:-w
4. bichette ( 15/02/2006 13:45)
ny zavatra angatahin'Andriamanitra amintsika anie dia tsotra e, tsy mitady avatra betsaka izy fa ny fontsika fotsiny, isika manantona azy miaraka amin'ny fahotana, fahartsiantsika , isika amin'ny maha-isika antsika;

Mahagaga fa aleon'ny olona manantona mpimasy, mpisikidy, dadarabe izay mangataka :
- rà
- vola
- sorona
- harena
kanefa tsy azo hantoka ny hahazahoana valiny. Misy fombafomba maro samihafa koa angatahiny, ohatra hoe : mila manao an'izao sy izao ianao sns ....

kanefa anie ilay Andriamanitra dia tsotra e !

8 Mamindra fo sy miantra Jehovah, Mahari-po sady be famindram-po.

9 Tsy mandaha-teny mandrakariva Izy, Na mitahiry fahatezerana mandrakizay.

10 Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy, Na mamaly antsika araka ny helotsika.

11 Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra ambonin'ny tany No haben'ny famindram-pony amin'izay matahotra Azy.

12 Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin'ny andrefana No halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.

13 Tahaka ny fiantràn'ny ray ny zanany No fiantran'i Jehovah izay matahotra Azy;

14 Fa Izy mahalala ny toetsika Ka mahatsiaro fa vovoka isika.

15 Tahaka ny ahitra ny andron'ny zanak'olombelona; Tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny,

16 Satria tsofin'ny rivotra izy ka lasa, Ary tsy mahalala azy intsony ny fitoerany.

17 Fa ny famindram-pon'i Jehovah dia hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin'izay matahotra Azy Ary ny fahamarinany mihatra amin'ny taranaka.

18 Dia amin'izay mitandrina ny fanekeny Sy mahatsiaro hankatò ny didiny.


salamo 103 io

:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*
5. Veloo ( 15/02/2006 14:37)
AMEN! ndao hiray hina e!!JEHOVAH O ! omeo fitahiana ny taninay, dia aoka handrosoi Madagasikara ......!!

AMEN
za dia mivavaka fona ko ry bichette a tsy afaka manampy akampobehany retsy a.. Antra mahalala:-*
6. vale ( 15/02/2006 15:12)
marina akia zany bichette à, ary momba ny hoavin'ny firenentsika dia ataoko fa ny fivavahana no tena hanome vaholana @io!!! ny vavaky ny maro koa hono mataka-davitra eh! Ny fifampitsikerana(mifanaratsy!) aloha dia tsy mety eh!:wink::wink::-*
7. lem ( 15/02/2006 15:20)
mivavaha ka aza mitsahatra, fa na misy 2 na 3 mivory @ anarako dia eo afovoany aho.Aoka isika hivavaka:Ray o! indreto izahay mpanota tsy ankanavaka ,miaiky sy manetritena fa diso eo antrehanao, mamindra fo aminay Tompo o! ary iantrao ny taninay, nefa aoka anie tsy ny sitraponay no hatao fa ny sitraponao irery ihany,Amen. mangataka ny hira:Zanahary o! tahio
8. bichette ( 15/02/2006 15:49)
tokony hitolona ambavaka isika fa tsy mitsikera foana ry reto a ! marina mihitsy io lazain'i lem io

mivavaha ka aza mitsahatra, fa na misy 2 na 3 mivory @ anarako dia eo afovoany aho

9. Veloo ( 15/02/2006 16:34)
=D=D=D
10. Veloo ( 15/02/2006 20:32)
Mba fantatrareo moa ry reto a priere a la chaine de misy effet- mihitsy... ohatra mivavaka doly @ 12h de l'aprem... dia tena mandaitra mihitsy.
6h du mat usa
12h de l'aprem ao frantsa
@ firy any dago?
any chine?
afrika du sud
de aiza ko?

ka ahona atao ve e????:wink:8O:o:lol::D
11. caprio ( 15/02/2006 21:35)
hilaina ny fiaraha-mivavaka,kanefa aza dia @izao fiainana mandalo izao hiany no anantenantsika valiny,fa sao diso fanantenana isika satria hoy ny tenin,Atra hoe:Raha @izao fiainana izao hiany no anantenantsika an,i kristy dia mahantra indrindra isika,Isika mantsy rehefa mivavaka dia manantena valiny avy @Atra araka ny zavatra nangatahin-tsika kanefa matetika tsy araka izay no zava-mitsanga dia kivy isika,tsarovy anefa fa rehefa miankina Atra isika dia izy no mahafantatra ny mahasoa antsika eny fa na dia mangataka harena aza isika dia mety ho vao maika fahantrana no miseho,fahasitranana mety ho aretina sns....ary tena izany mihintsy io Atra io,mila mizatra miaraka aminy isika dia ho fantatsika ny toetrany araka ny tenin,ny soratra masina manao hoe:mifankazara @ tsitoa hianao dia hiadana.Amaranako azy dia manohana ilay hevitry ny namana teo aho fa tokony hifanome ora isika dia miara-mivavaka,dia ho samy lasa mpanompon,Atra daholo anie isika rehetra
12. caprio ( 15/02/2006 21:51)
bichette,mahafinaritra ny soson-kevitra nataonao,ary tena mila an,Atra tokoa io tanin-tsika io,kanefa tsarovy fa tsy voatery ho mpandresy akory isika rehefa mivavaka,izany akory tsy midika hoe tsy hilaina ny mivavaka,eny tena hilaina tokoa ny mivavaka kanefa tsarovy fa mety tsy ho azonao @izao androntsika izao ny valim-bavaka fa mety ho @ilay andron,ny paradisa izay nomanin,Atra satria raha mino Atra isika dia tsy maintsy mino ny fisian,ny paradisa mbola ho avy,koa mivavaha mandrankariva fa tena misy zato isan-jato io paradisa io
13. Fiffi ( 16/02/2006 05:39)
ny ahy indray aloha dia tena tsotra eh! tsy hitako izay hihainako raha tsy mivakava aho , tsy ataoko amabanin'-javatra mihintsy ny fivavahana.
14. bichette ( 16/02/2006 06:37)
caprio : marina ny teninao, tsy vola amankarena "loatra" no tadiavina fa ny mba hibebahan'ny Madagasikara mba ahatanteraka ny tenim-pikasan'Andriamanitra. Ary aoka isika hahita fifaliana amin'ny fanantonana an'Andriamanitra fa tsy hanantona Azy mba hahazo zavatra fotsiny.
:-*

15. diamondra27 ( 16/02/2006 09:51)
veloo: any italie sy egypte sy suisse, nicaragua, +++ koa misy namana e!

ka tsy vitan'ny oe: mivavaka ihany ange no atao ry namana, fa miala @ ratsy fanao, manetry tena , miaraka TSY AZO SARAHINA vao hahazo valimbavaka isika ; sa ahoana hoy 'nareo?

Sa oe aaleo hivavaka aloha de miala tsikelikely @ le toetra ratsy,sy manetry tena.

Mbola henjana an!
16. caprio ( 16/02/2006 10:07)
bichette:de inona ary zany no fomba mety andresen-dahatra ny vahoaka hivavaka,ny hevitro aloha de isika mihintsy no manomboka mivavaka mba ho Atra no andresy lahatra azy ireo,satria raha Atra no mandresy lahatra azy ireo dia mino aho fa ho lasa panompon,Atra daholo isika malagasy, zany we isika mahafantatra zany no manomboka mivavaka ho an,ni vahoaka sa ahoana hoy enao? izay hevitra mety no ataon-tsika e fa ankinitsika @Atra fotsiny mba samy ho olon,Atra mahay mifanakalo hevitra tsara isika fa tsy hiady hevitra akory,amiko mantsy dia samy hafa ny mifanakalo hevitra sy ny miady hevitra sa ahoana hoy enao
17. diamondra27 ( 16/02/2006 11:10)
caprio : ka isika anie le olomboafidy e!de avy eo manantanteraka ze andrasan'i Tompo amintsika.
Misy teny any ho any manao hoe: "izaho namboly apolosy nandena..." , ary koa hoe: ny asantsika de manambara ny famonjena fa azy sy Atra manokana ny finoany na tsia avy eo.
18. Tokinao ( 16/02/2006 12:26)
Marina fa tokony angatahana amin'Andriamanitra ny tanintsika mba handroso. Nefa aoka koa tsy ho adinontsika ny fisaorana Azy amin'ny fahasoavana izay mbola omeny antsika : ny tsy fisian'ny ady an-trano, ny filaminana ( na de eo aza ny korontana majinijinika ). Eny aoka isaorantsika izy na dia noho ny fahantrantsika aza, satria io angamba no làlana iray heverin'andriamanitra hampitodika antsika aminy.
Zavatra iray tena tsapako mantsy dia izao : rehefa mandeha tsara ny fari-piainan'ny olona iray na firenena iray de lasa manadino an'Andriamanitra izy. Ary lasa toy ny "machine" ny fiainany fa tsy misy ara-panahy intsony.
19. bichette ( 16/02/2006 14:57)
:-* Misaotra anareo rehetra nanohana ny hevitra ary misaotra anareo koa vonona ny hiroso hivavaka ho an'ny Madagasikara. :-*:-*:-*

hoy Tokinao :

Marina fa tokony angatahana amin'Andriamanitra ny tanintsika mba handroso. Nefa aoka koa tsy ho adinontsika ny fisaorana Azy amin'ny fahasoavana izay mbola omeny antsika


Eny aoka isaorantsika izy na dia noho ny fahantrantsika aza, satria io angamba no làlana iray heverin'andriamanitra hampitodika antsika aminy.


Eny, hisaorana anie Andriamanitra ny amin'ny zavatra rehetra.

caprio > hoy ianao
bichette:de inona ary zany no fomba mety andresen-dahatra ny vahoaka hivavaka,ny hevitro aloha de isika mihintsy no manomboka mivavaka mba ho Atra no andresy lahatra azy ireo,satria raha Atra no mandresy lahatra azy ireo dia mino aho fa ho lasa panompon,Atra daholo isika malagasy, zany we isika mahafantatra zany no manomboka mivavaka ho an,ni vahoaka sa ahoana hoy enao? izay hevitra mety no ataon-tsika e fa ankinitsika @Atra fotsiny mba samy ho olon,Atra mahay mifanakalo hevitra tsara isika fa tsy hiady hevitra akory,amiko mantsy dia samy hafa ny mifanakalo hevitra sy ny miady hevitra sa ahoana hoy enao


eny, ny ataontsika aloha dia mivavaka, mivavaka ho an'ny malagasy rehetra, mihankina amin'io daholo angamba , mifona ho an'ny malagasy indrindra ireo izay mbola manompo sampy angamba, sa ahoana hoy ianareo ? mivavaka mba hanolontena ny malagasy, mba tsy handalo fotsiny ao antsofina ny teninAtra fa mba tena hiasa tokoa.

dia hivavaka koa hoa n'ny mpitondra mba homen'Atra fahendrena, mba ny Tompo no hanendry izay tiany hitondra ary mba homeny fahalalana sy fahendrena anie. Dia mivavaka ho ann'y tanintsika koa isika.

dia mifampizara eto moa isika dia samy manome ny sosokeviny.

hoy i veloo etsy ambony :

Mba fantatrareo moa ry reto a priere a la chaine de misy effet- mihitsy... ohatra mivavaka doly @ 12h de l'aprem... dia tena mandaitra mihitsy.
6h du mat usa
12h de l'aprem ao frantsa
@ firy any dago?
any chine?
afrika du sud
de aiza ko?


hevitra tsara tokoa.

Ny hevitro indray mba ho tena a la chaine dia reehefa mipaika ny amin'ny 12h dia mivavaka , n'aiza n'aiza misy antsika rehefa mipaika ny amin'ny 12h atoandro dia mivavka izay olona rehetra amin'ny tany amin'ny 12h io. amin'izay manko mifandimby tsara tokoa :

raha 12h zao ao Madagasikara, dia mivavaka ny ao Madagasikara , amin'io fotoana io anefa mbola 10h ny ao frantsa ary 6h du matin any new york

afaka adiny roa avy eo, 12h ny ao france, mivavaka daholo ny ao frantsa dia afaka adiny 1 eo (raha tsy diso aho ,) 12h any londres dia mivavaka daholo ny any londres sy ny faritra rehetra dia ohatran'izay hatrany hatrany dia tsy tapaka mihitsy ilay chaine de priere fa isan'ora izany dia misy mivavaka foana foana. asa na azonareo ny tiako lazaina. Sosokevitra moa ny ahy iny fa isika rehetra no miara mandray fanapahankevitra.






20. bichette ( 16/02/2006 15:03)
caprio > ié toa samihafa marinany mifanakalo hevitra sy ny miady hevitra :-w
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2776