hivavaka ho an'ny taniko aho ...

41. Veloo ( 26/02/2006 17:00)
vale asa raha ho mety izy ity... tsy misy mamaly intsony afatsy za sy njy ary i marovezo...
mety adaboka e
marovezo a an3 izay ao am-ponao ihany ka...juste ny daty sy ny ora fotsiny no oe saika atao mitovy doly...
Aiza ny firaisa-kina ny malagasy????????????????
42. bichette ( 27/02/2006 12:11)
eto ihany aho fa tsy eo antoerana,

veloo tsy misy adaboka izany aky a
ilay sujet efa io koh
43. Veloo ( 27/02/2006 15:43)
bichette a mianjy ary e.:-*
44. marozevo ( 28/02/2006 00:12)
Tsy azo adaboka izany io kah... Isika telo ihany, hoy ianao, no mifandimby eto. Eny angamba, saingy be dia be ny olona manao vavaka ho an'i Madagasikara no tsy mba afaka manketo amin'ity aterintsika eto ity. Ny olon-tsotra sy madinika ary ny mahantra dia manao izany isan'andro. Ndao hiombona amin'izy ireo isika telo fa ho avy eo ihany ny manaraka eh. Raikitra izany, isaky ny amin'ny 12h GMT, dia ataovy ny calcul any amin'ny misy anareo.
45. vale ( 28/02/2006 12:02)
marozevo, ny mpikambana ange no tian'i veloo tenenina e, misy firy kosa ary ny isan'ny mpikambana fa izay no nanaovako hoe tonga dia atomboka dia izay izany:wink:mazotoa daholo!:wink:
46. Veloo ( 28/02/2006 14:01)
vale a zany mihitsy aky a, jereo fa efatra isika izao no mba manaiky eto...
marovezo a ato @ forum retsy no tiko lazaina a..
A moins que Bichette mila mandefa taratasy atsy @ namana???? dia mba ho betska ny ankizy???
47. fijo ( 28/02/2006 22:19)
andriamanitra ô,aiz aihany ty petrola nay ity e?alefaso amin'izay fa aza be safary eo enao e.
48. bichette ( 01/03/2006 04:20)
tonga dia atomboka ilay izy dia manao antso matetitetika atao lohahevitra eto.

vavaka :
famindrampo ho anny Malagasy aloha angaba
49. bichette ( 01/03/2006 04:24)
misy vavaka ho anny filoham irenene atsy am lohahevitra atsy, tsara atambatra angaba sa ahoana hoy ianareo ?:-*
50. Veloo ( 01/03/2006 19:40)
bichette a ie wa retsy...
51. LazaRandri ( 02/03/2006 02:08)
1) Samia mivavaka tsy ho voasakan'i Satana ito fikasana ito
2) Mila mpandrindra sy mpanentana izy ito sao mazoto am-boalohany fotsiny toy ny afo-mololo, sao dia misy terem-panahy sy mahay manao izany isika?
3) Manamora ny fandrindrana sy fanentanana ny email, satria mampihena ny mpanelingelina toy ny eto @ forum. Apetraka eto ihany anefa ny fandaharana amin'izany ho an'ireo liana. Mila ny adiresy email an'ny mpiara-mivavaka ny mpandrindra (aza soratana eto sao tratran'ny spam fa alefaso any aminy manokana!!!).
4) Andraikitry ny mpandrindra ny mijery ny fotoana maha-afaka ny tsiairay; mandahatra ny zavatra ilana vavaka isan-kerinandro, mandray ny soso-kevitry ny mpiara-mivavaka, ary manentana ny hafa handray anjara.


"Koa mifaneka heloka hianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana hianareo. Ny fiasan'ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra." Jakoba 5:16
52. marozevo ( 02/03/2006 15:33)
Koa efa hoe ny fotoana no iombonana fa tsy ilay tonom-bavaka koa. Tsy dia ilàna fahasahiranana hafa angamba io, fa izay vonona dia manao vavaka tora-po isaky ny 12 h GMT, dia vita eh... Tsy fikambanana akory isika no miara-mivavaka eto, fa olona tsara sitra-po fotsiny.
53. bichette ( 02/03/2006 16:25)
ie , tonga de mandeha ny vavaka ange e, raha mbola lany fotoana ny aminizato sy eroa, tonga ihany ny faraandro, tonga de pratik fa tsy be theory
:-*:-*:-*:-*
54. Veloo ( 02/03/2006 21:04)
ie wa retsy ry bichette...:-*
55. marozevo ( 05/03/2006 00:32)
Ka io hevitraben'i laza eo ambony io anie no tsy ekeko fa tsy ny anareo ry veloo sy bichette eh... Ny an'i lazaRandria tadiaviny hasiana organisation be kooo.... E.mail eh... mpanentana eh.. mpandrindra eh... Dia angamba hasiany sekretera jeneraly sy tresorier koa rehefa any aoriana mba hahafahany mahazo vola...
Amiko tsy ilaina ireo rehetra ireo eto amin'ity sehatra iray ity.
56. Veloo ( 05/03/2006 01:46)
tena mbola sarotra kle:-w:-w:-w:-w
57. marozevo ( 05/03/2006 15:10)
Fa mandritra ny fanaovana ny dinika dia efa afaka mivavaka ho an'i Madagasikara eh... Tsy voatery hiandry izay fanapahan-kevitra eto akory. Sady tahakan'ny tsy hisy fanapahan-kevitra eto...
58. Veloo ( 05/03/2006 19:59)
:roll:
59. bichette ( 10/03/2006 04:31)
marozevo > isika tonga dia mivavaka e
60. bichette ( 10/03/2006 04:44)
LazaRandri > angaha tompoko tsy mety raha tonga dia samy mivavaka ? hoy ianao mantsy
1) Samia mivavaka tsy ho voasakan'i Satana ito fikasana ito
2) Mila mpandrindra sy mpanentana izy ito sao mazoto am-boalohany fotsiny toy ny afo-mololo, sao dia misy terem-panahy sy mahay manao izany isika?
3) Manamora ny fandrindrana sy fanentanana ny email, satria mampihena ny mpanelingelina toy ny eto @ forum. Apetraka eto ihany anefa ny fandaharana amin'izany ho an'ireo liana. Mila ny adiresy email an'ny mpiara-mivavaka ny mpandrindra (aza soratana eto sao tratran'ny spam fa alefaso any aminy manokana!!!).
4) Andraikitry ny mpandrindra ny mijery ny fotoana maha-afaka ny tsiairay; mandahatra ny zavatra ilana vavaka isan-kerinandro, mandray ny soso-kevitry ny mpiara-mivavaka, ary manentana ny hafa handray anjara.


:-*:-*:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0442