mety mbola ho tafaverina miaraka ve ra efa nisaraka 1 an
1. lorra
(
14/11/2005 08:16)
manahirana be le fitiavana, izy io olona efa niaraka tamiko 3 ans de nisaraka de zao ndray izy otran'ny te hiverina de tsy fantatro hoe efa nisaraka 1 an ve de mbola mety ho tafaverina?(l)^^:lol:
répondu par rakekely le 06/01/2006 07:21
2. fasaly
(
14/11/2005 08:49)
midy aza efa nisaraka ho folo taona mbola miverina niaraka de nifanambady mintsy aza kou! iny ni maharatsy izany, rehefa izay ny destin ve.....azo lavina
3. pika
(
14/11/2005 09:25)
mety tsapany izany fa ianao no tena tiany sy azony antoka t@ zay hitany taminareo nisaraka
fitiavana izany e aza asiana olana raha mbola tia azy koa
fitiavana izany e aza asiana olana raha mbola tia azy koa
4. Noslid
(
14/11/2005 09:50)
Ka toy ny mpivady misintaka anie eh! Possible io raha oh i toi mbola tia azy. Saingy jereo tsara aloha sao dia misy paika ambadika an!
5. ari.malala
(
14/11/2005 13:36)
miombokevitra @ namana eo ambony za, mety zay vao tsapany ny ten afitiavany anao
6. booboo
(
14/11/2005 14:25)
lorra > tena te-hiverina aminao izy sa "ôtra te-hiverina" ? raha te-hiverina izy dia ianao ange sisa no andrasany. Sa ?
8. cutie
(
14/11/2005 22:49)
: lorra [ Valio ] 14-11-2005 12:16:07
Lohateny : mety mbola ho tafaverina miaraka ve ra efa nisaraka 1 an
manahirana be le fitiavana, izy io olona efa niaraka tamiko 3 ans de nisaraka de zao ndray izy otran'ny te hiverina de tsy fantatro hoe efa nisaraka 1 an ve de mbola mety ho tafaverina?
Arakaraky le antony nampisaraka anareo io .
Raha tsy de misy dikany akory le antony nisarahana de mety mbola samy afaka ny hiaraka ndray ngamba nareo .
9. lorra
(
15/11/2005 05:01)
booboo:
lorra > tena te-hiverina aminao izy sa "ôtra te-hiverina" ? raha te-hiverina izy dia ianao ange sisa no andrasany. Sa ?
ny fihetsika manambara fa ny vava tsy miteny fa tsy aiko hoe inona no antony?menatra izy angamba fa be lotra ny vava navoakany, fa ny namako rehetra sy ny azy de maha remarqué ny fihetsiny daholo hoe mbola tia ana izy ary tsy voahafiny mihintsy ny fitiavany.
10. jaira
(
15/11/2005 10:18)
ny zavatra rehetra aloha mety miverina avokoa ho an'nizay mino e fa ny @fitiavana aloha mila mitandrina ihany ianao satria efa nisaraka taminy dia hiverina indray mila misaina tsara iana ohoy inona moa no antony nisarahanay ? raha miverina indray ve izay tranga-javatra izay d ahoaona ?mila mandinika tsaramihitsy hoe fitiavana marina ve no misy eo aminay sa d fitiavna mora rava raha voa misy olana kely .Ianao koa mila mametraka fanotanina @tenanao hoe z v tena tia an'io olona io sa hataitairna fotsiny no niarahako taminy teo aloha ;raha voavalina marina tsara ireo dia mino aho fa afaka manapakevitra iaonao hoe hiverina aho sa tsy fa heritrereto tsara ihany e veloma an
11. pika
(
15/11/2005 10:19)
tandremo sao pitié fotsiny anefa ny hiverenanao aminy a fa raha mbola hoe tsapanao fa tena mbola tena tia ianao
12. gasitiako
(
15/11/2005 11:31)
io enao sy izy no niaina azy tao, enao irery ihany mahay mandrefy sy mahatsapa hoe hatraiza, tena izy sa manala azy, ka refa mahatsiarotsiaro de mody miverina de lasa indray avy eo, tena mamela ratra sy takaitra ao anatinao nefa izany, tsarovy mandrakariva fa fitiavana io mandoro ka mila mitandrina tsara, misaina tsara, nefa raha tena simba be aminy enao de enao ihany satria ny alika jamban'ny taolana, ny olona jamban'ny vola ary ny tanora jamban'ny fitiavana, lafiny iray zay, fa azo eritreretina ihany koa ny hoe nivezivezy tatsy sy taroa nefa toa mbola hafa ihany enao ka io no mitarika ny ho mandrakizay, satria mety sendra ny soa lavo hahay hamindra sy ny kenda hahay hitsako ranamana tany ambadika tany, nefa mila fantarina ihany koa ny lasany nandritra izay 3 taona nisarahanareo izay sao dia efa misy vavikely na lahikely 2 taona any
13. mamzelkely
(
15/11/2005 12:17)
lorra< refa sur njy fa te hiverina aminjy izy ka njy ko te hiverina aminy de andana ky tsy mangindy ts andramana anie.. refa ts mety mits izy de zay vô ajanona e....:)
14. fiaritiana
(
15/11/2005 14:02)
rehefa tena tian njy izy ka njy koa tia azy ka vonona hamela azy na tsy haiko, de tena possible zany e!ny olona 35 ans nisaraka aza niverina ihany
mahereza e!
mahereza e!
15. vivi
(
15/11/2005 18:25)
rehefa atao miverina aloha d tsy maintsy tafaverina fa tokony mihezaka manitsy ilay antony nisarahana kosa aloa e!
16. Herimiafina
(
16/11/2005 20:28)
Mety mbola tafaverina miaraka foana na dia folo taona aty aoriana aza kah. Raha misy surprise tsara de voatazona le fitiavana.
18. vivi
(
17/11/2005 13:42)
fa ny tena mety aloa d ny manadino sy manitsy ilay antony nisarahana taloa, sady hodina fanina ilay resaka nampisaraka
19. Herimiafina
(
17/11/2005 17:48)
Ie, ilay resaka nampisaraka anie de tsy maintsy hadino foana na ho ela na ho haingana e.
Maro ny anciens couples no mihomehy rehefa miheritreritra ireo karazana ady niainany na ny ady nampisaraka azy ireo.
Matetika eo ilay miteny hoe: "tena mbola zaza marina isika tamin'ireny, izany avy moa de hampisaraka o?".
Matetika koa taty aoriana de efa nahita ny pire de lasa mi-tolerer ny karazana faute taloha.
Ohatra, nampirafy no antony nisarahana taloha. Ankehitrinya nefa ilay vady eo ampelatanana mampirafy be dirandoza lavitra, na ny tena koa lasa mpampirafy be mahintsiny, de lasa mi-comprendre ilay olona taloha hoe, hay ve toy izao no nanaovany an'izany e, de zah kou de tsy mba ni-tolerer mahintsiny.
Izay anie le efa noteneniko hoe: miaina be loatra amin'ny conte de fée fotsiny isika de lasa jamba e, lasa tsy mahita intsony ny réalité. Prince charmant lava no ao andoha nefa avy eo Koazimôdo no lasa diva.
Henjé tsara fotsiny e. hehehehe:-D:-D:-D:-D

20. kilalaki
(
19/11/2005 15:51)
tsy misy maharatsy ny mifankatia,saingy miheritrereta tsara ianao alohan'ny hanapahana hevitra,mirary anao hahita ny soa.