Fitiavana tsy misy sacrifice, tsy tena fitiavana

1. xxx ( 26/09/2005 12:04)
Ny fitiavana dia mitaky sacrifice hatrany, raha toa ka tena tia ny olona iray. Vonona ny hiaritra ny fijaliana ho an'izay tiany. Miaritra sy maharitra eo @ tsy fitoviana ara-kevitra,ny fifandirana isan-karazany sns...
répondu par lilbon le 07/10/2005 05:43
2. ravakamalala ( 26/09/2005 12:16)
mety hoe concession koasa angamba e! sa hanao maritiora?
Izay zavatra rehetra ataonao ho an ny olontianao tsisy fijaliana zany. Fitiavana daholo, dia na zavatra tsy tianao zao aza dia lasa tiana ho azy ny manao ho azy.
Fa raha mahatsapa tena ho mijaly ianao manao zavatra ho an ny olona tianao dia tsy tianao akory izy zany.
3. booboo ( 26/09/2005 12:19)
eka ouz
4. cocorie ( 26/09/2005 12:36)
Tsy fitiavana izany fa fijaliana.

5. mamzelkely ( 26/09/2005 12:52)
marina mits zany fa refa tia enao de lasa manao sacrifice ho azy...
6. fasaly ( 26/09/2005 13:09)
mila sacriffice ny fitiavana fa tsy atao tafahoatra ndray sinon tsy fitiavana tsony fa hafa ndray
7. mandrindra ( 26/09/2005 13:16)
inona ilay hafa indray ry fasaly ?
8. pika ( 26/09/2005 13:17)
fihafiana fa tsy fijaliana
ny zanaka tiana hono tsy hitsitsiana rantsankazo
na mamy aza ny zanaka rehefa manaikitry ny nono akifika
ilaina ilay maso manganohano indraindray ahitana ny tsirony fa rehefa trop kosa dia tsy izy izany
9. mandrindra ( 26/09/2005 14:25)
sacrifier-o izay ty hisacr any; ko rah tsy efa maso ko.
10. xxx ( 26/09/2005 14:56)
Ny fitiavana lehibe indrindra dia ny mahafoy ny ainy ho an'izay tiany. Tsy voatery mijaly anie ianao raha toa ka manao sacrifice ho an'izay tianao, satria am-pitiavana no hanaovana izany. Ohatra: ianao olona sahiran-dava, tsy mba manam-potoana hifandraisana @ olon-tianao mihitsy, kanefa ianao tia azy. Tsy maintsy misy zavatra hampandeferinao ao mba hahafahanao manome hafaliana ilay olon-tianao. oh2: Betsaka ny sakana eo @ fiaraha-monina indrindra mikasika ny fiarahanao @ ilay tianao. hi-abandonne ve ianao, sa hisikina sy hiaritra ho an'ilay tianao?
11. britney ( 26/09/2005 15:47)
izay mintsy lay atao hoe sacrifice fa mazava tsara ka!
12. Herimiafina ( 26/09/2005 16:54)
Fitiavana tsy misy sacrifice tsy tena fitiavana.
Ary ny sacrifice tsy misy fitiavana tsy tena sacrifice.

hehehehehehehe.

Aza mi-jouer la victime foana hoa fa tsy te-hahita olona mijaly ampanambadiana ny tenanay o!

Aza manambony morala be otsan'izany kou fa tsy mety zany fa jereo amin,ny tena izy le izy.:-D:-D:-D:-D

Hoy rabevazivazy tsimanankambarafiry.
13. lilbon ( 27/09/2005 04:15)
ny fitiavana tkoa mou mitaky sacrifice an ?
TANDREMO:io le mampisaraka ny mpivady!
amy voalohany mety le sacrifice fa
TADIDIO:fa iny sacrifice iny indrindra no ahafoana ny fitiavanao ilay olona
refa sacrifier-nao ny tenanao de hijaly enao de tonga saina refa avy eo de mahatsiaro maty antoka ,de mahita olona ho tiavina tsiss sacrifice de mifindra trano ! heheheh
14. lilbon ( 27/09/2005 04:19)
Lanjalanjao le sacrifice e!
marina e!:):):)
ho an'ilay olona hanaovana sacrifice , tandremo sao mitia par PITIE avy eo
ho an'ilay olona manao sacrifice,tandremo fa sao hividy fitiavana .:*:*
refa mety de mety ,refa tsy mety de tsy mety !fa aza forcer-na le fitiavana.
CONSEIL D'AMI
15. ratole ( 27/09/2005 04:31)
Vague be ilay mot sacrifice amiko ary mahafoaka zavatra maro. Tsy misy teny hafa azo anoloana azy ve na gasy na frantsay na anglisy. Ohatra hoe fandavantena, ...
16. zefalah ( 27/09/2005 04:58)
fa refa diso miaritra loatra enao dia tsarovy fa mampijaly ny tenanao enao,na fitiavana manao aona na fitiavana manao aona refa tsisy valiny dia tsisy dikany,satria enao na anampy anazy aza nefa izy tsy afaka anampy anao? anao inona enao?
sa hoe refa any aorina any izy anampy ahy?
eritrereto tsara vao mipatalo njo ny alo lasa arina.
misy vehivavy miandry an'zay avy aty aminay lehilahy fotsiny....tsy mba miezaka akory ,fa faly anarapo.
satria tia lotra lay lehilahy dia manao zay mety.
misy iany ko nefa lehilahy manao an'zany.
araraotiny lay sipa fa tia azy...lay sipa jamban'ny fitiavana sy ny sacrifice dia manao zay mety.
izy @zay tsy mba miezaka mintsy.
tandremo nareo...misy olona faly hihinana fotsiny na de eo aza lay atao hoe fitiavana.
faly anararaotra anao izy..satria enao efa jamba.
17. pika ( 27/09/2005 05:25)
ary efa hita mihitsy anie i lilbon hoe manana expppppp merci e
18. mamzelkely ( 27/09/2005 07:03)
bref mila sacrifice zany ny fitiavana e...:°)
19. mandrindra ( 27/09/2005 09:07)
dia inn daholo ary ny sacrifier-nareo ireo ?
20. Nananie ( 27/09/2005 10:03)
Ohatran'ny conditionnel be kou lé we fitiavana tsisy sacrifice tsy izy. Dia raha tsy misy sacrifice 'zany de tsy izy?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.583