faniriana sarotra antenaina

1. nyeja ( 04/08/2005 05:57)
tsy mba mitady ny hoe
tsy maintsy ho tiavinao
fa tiako ny eo anilanao

tsy manantena ny hoe
tsy maintsy ho vadianao
fa tiako ny eo anilanao

faniriana sarotra antenaina

nefa tsy azoko dradraina
faniriana sarotra antenaina
na dia tsapa aza indraindray
ilay fotsika roa dia mifandray

tsotra ny fiteniko
ary inoako fa tsy ho neniko
ilay faniriana fantatrao
hoe tiako ny eo anilanao

Ny Eja

mety noho ny antony maro samihafa?
répondu par akamatiana le 08/09/2005 03:45
2. chakkakkely ( 04/08/2005 06:09)
manaona ny eja! asa mety tonga dia fantatrao za angamba , tena mety be amiko minsty io tonokalo nao io @zao , mahafinaritra fa tohizo eh! tena milaza ny ato ampoko ato mintsy io @zao satria za nitia olona iray zay ary tena tiako ny eo anilany , fa izy asa tsy aiko ! mahafinaritra be fa mahereza eh!
3. ari.malala ( 04/08/2005 06:38)
Tsara be ilay tononkalo! mety hoe fitiavana tsy hotanteraka angamba ny azy roa? :) tsara! mandona fo ilay izy!
4. vonimboasary ( 04/08/2005 06:55)
Mahafinaritra ilay tonokalo e!
Tena mampihetsi-po tokoa indrindra fa raha sendra olona tiana izay nefa izy toa ohatra ny tsy dia
miraharaha ano firy a!io no tononkalo tokony
omena azy ;
5. jajaf401 ( 04/08/2005 09:34)
Mafinaritra lesy eja ah! Ary hafa koa zany aingam-panahinareo zany ah! Hoatry zay mihitsy anie ny endrikendriky ny fanehoan-kevitra eh! zany hoe izy indray no mijery todika ny tenany!sa ahoana?
azonao antenaina amizay zany fa tafita any aminy ilay hafatra eh!
6. vaovao ( 04/08/2005 09:35)
nefa tadidio fa ts'zay tinao d tia anao nge ry vonimboasary e!zay ngamba no anton'le izy !!
7. haingo23 ( 04/08/2005 10:47)
Tsara be ilay tononkalo.
Ny fanontaniana dia ny hoe haninona eo akaikinao fotsiny ?????
8. fijo ( 04/08/2005 22:04)
tsara fa saingy toa maneho faharesena,ka mety ratsy ny vokany.
9. vaovao ( 05/08/2005 09:15)
marina zany r'fijo,manjary ra resimpitia d midingindrambo b ndray le tina @ iny!!
10. mandrindra ( 05/08/2005 10:50)
Tonokalo maneho ny fiainana andavanadro amin'ny teny tsotra. Marina fa maneho faharesena nefa izay no tranga misy andavanandro. Koa dia ity ary tohiny rehefa avy nilaza ny zava nisy ho an'izay te handresy.

Rehefa tsy ho takatra ianao ry olontiana
Dia ho tapahiko eto ilay fanirina
Ho setrin'ireo izay nantenaina
Ianao iny tsy ho afa maina

Fa andeha aho, hanjohy ny lalako
Olonkafa no hivavahako
Hanangana ny ho avy mirana
Toy ny lokon'ny voahirana

Tsy manana ny talentan'i nyeja akory ny tenako fa mba manoratra izay "eritreritra mandalo".
11. loloniary ( 05/08/2005 10:51)
Mahafinaritra e!
Mampanohina ny fo, mety tsy ho tanteraka daholo tokoa nge ny faniriana rehetra e, fa ny fampionan-tena @ izay efa anjara koa nefa ndraindray manome areti-pitiavana lalina lasa ohatry ny nenina
12. chakkakkely ( 05/08/2005 15:00)
a zao alo eh! rehefa maniry zany dia mino fa ho tanteraka koa ! sa aona!manjary tonga manimba saina be zany mantsy
13. Veloo ( 05/08/2005 16:20)
Eeeeeeee tsisy hafa angaha any tonokalo mba mety ho ahy e? :-D:-D:-D:wink:
14. zakilinina ( 05/08/2005 20:22)
Tsara ny tononkalo afa-tsy ireto tsininy kely ireto.
Mamelà ahy hitanisa kely amin'ny maha mpampianatra teny malagasy ahy fa adidiko izany.
1)- Tsy misy teboka na faingo hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany. Tokony mba hanomboka amin'ny sora-baventy ny andininy voalohany farafaharatsiny. Aiza ve ka any amin'ny mpanao sonia vao mba misy sora-baventy !
2)- "vadianao" : marina ny tsipelina saingy mampatahotra satria mety manambara firaisana ara-nofo. Ny "vadinao" angamba no tsara asolo azy ka tsy mandratra sofina.
3)- "fotsika" : fontsika angamba no izy.
15. vaovao ( 06/08/2005 07:22)
Miala any ary ny mpandala ny haisoratra an! mitandrema tokoa r'zareo rhf manao haikanto toy itony fa manjary mivadika zay tena tiana lazaina raha vao diso tsipelina kely fotsiny d tsy tafita ndray @ io le tiankampitaina!!
16. nyeja ( 06/08/2005 07:39)
azafady akia ry zakilinina,fa ilay faingo sy ny sisa dia adinoko tokoa,fa dia ahintsiko amin'ny manaraka an ,
fa izao e ilay vadianao dia io mihitsy no tena tiako e raha firaisana ara nofo no dikany araka ny fijerinao dia mba aleo ho anao irery izay fa ny ahy tsy izay ihany no tao antsaiko , dia misaotra anareo naome ity tononkalo ity an
17. nyeja ( 06/08/2005 07:43)
Azafady indray fa maika loatra aho mamaly fa ity clavier ity mihintsy no mandiso ny teny malagasy angamba an !. :oops:
misaotra anareo manome hevitra ny tononkaloko re .
18. manohisoa ( 06/08/2005 09:18)
Misy santimaka be ato zany:D:D
19. zefalah ( 06/08/2005 20:05)
manohisoa>> efa dadabe @ fitiavana daholo ny olona ato...efa mahay zay ataony...fa misy ny sasany mbola manao nao fahatany.
misy santimaka be ato nefa tsy mety misy fahazavana
maizina lava.
20. majesty ( 08/08/2005 05:16)
mhummm!
tena tsara ilay tonon-kalo fa tsy tiako iainana :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.09