faniriana sarotra antenaina
22. akamatiana
(
08/08/2005 21:21)
nyeja milay akia an !! fa njaso fa misy tohiny kely weee ty ra mety ??
Faniriana, faniriana ihany ny ahy
Fikasana fa izay no maha-olona ahy
Tsy maintsy hoe ho tanteraka akory
Fa miankina amin'ny lahatra avy ao ambony
Tia aho, te ho eo anilanao
Izay no faniriako nefa asakasakao
Asa? mety ho tia ianao fa misalasala
Hanambara ilay faniriana , satria sao tsy anjara
Faniriako ny eo anilanao
Satria misy fo te hifandray , fa tsy kilalao
Tsy voatery hiafara amin'ny hoe hivady
Satria faniriana sarotra antenaina hono mantsy
Ka ny faniriana ambarako eto zao
Ty raiso ny foko ho eo anilan'ilay fonao
Io ihany ny faniriana azo antenaina hatram'izao
Fa ny sisa miankina amin'ny anjara voatondro ho ahy sy ho anao.
Akamatiana
Faniriana, faniriana ihany ny ahy
Fikasana fa izay no maha-olona ahy
Tsy maintsy hoe ho tanteraka akory
Fa miankina amin'ny lahatra avy ao ambony
Tia aho, te ho eo anilanao
Izay no faniriako nefa asakasakao
Asa? mety ho tia ianao fa misalasala
Hanambara ilay faniriana , satria sao tsy anjara
Faniriako ny eo anilanao
Satria misy fo te hifandray , fa tsy kilalao
Tsy voatery hiafara amin'ny hoe hivady
Satria faniriana sarotra antenaina hono mantsy
Ka ny faniriana ambarako eto zao
Ty raiso ny foko ho eo anilan'ilay fonao
Io ihany ny faniriana azo antenaina hatram'izao
Fa ny sisa miankina amin'ny anjara voatondro ho ahy sy ho anao.
Akamatiana
24. fijo
(
09/08/2005 19:41)
nen'i mandrindra io izao no tsara kokoa;satria na potraka aza tafarina,fa iry voalohany atolory an'i vivi
28. akamatiana
(
15/08/2005 20:57)
Tonokalo iray
Atolotra an'ilay akama milay
Tsy iza akory izany fa i veloo ihany
Ny antsoantsonjy
Ny fangatahanjy
Toa isan'andro izao
Nefa tsy natao ankalao
Tsy hitako anefa izay tenenina
Kanefa noraisiko ihany ity penina
Oops!! sady tsy penina no tsy taratasy
Fa mi-frapy clavier mantsy e!:-P
Euuuhhh! ka inona re izany e
Mahereza akia hatrany an
Fa izao ny fiainana an-tany
Isika koa ane mpandalo ihany e
Ka izay akia ry veloo cherie
Zah'ty tsy mahay fa mba mampifaly anjy e!
Ka dia veloma no apetraka
Mandrapidinika , mandrapiresaka :-*
Atolotra an'ilay akama milay
Tsy iza akory izany fa i veloo ihany
Ny antsoantsonjy
Ny fangatahanjy
Toa isan'andro izao
Nefa tsy natao ankalao
Tsy hitako anefa izay tenenina
Kanefa noraisiko ihany ity penina
Oops!! sady tsy penina no tsy taratasy
Fa mi-frapy clavier mantsy e!:-P
Euuuhhh! ka inona re izany e
Mahereza akia hatrany an
Fa izao ny fiainana an-tany
Isika koa ane mpandalo ihany e
Ka izay akia ry veloo cherie
Zah'ty tsy mahay fa mba mampifaly anjy e!
Ka dia veloma no apetraka
Mandrapidinika , mandrapiresaka :-*
40. akamatiana
(
29/08/2005 03:51)
steeeel nga refa tara d ampifaliana ??mihazakazaka d mijapy kou :-P fa refa mbola tsy tafa d mianjy l vammm manaraka njay:-D:-D:-D
