eny sa tsy

1. krust ( 20/07/2005 11:52)
ekenareo ve raha ny vadinareo na ny sipanareo manana namana particulier fa tsy commun?.zany hoe ny vavy ny namany lehilahy & vis versa.
répondu par fijo le 03/08/2005 21:51
2. radriana ( 20/07/2005 12:39)
Oadray, fa ahoana kosa no tsy ekena, tsy hitako izay olana, zon'olombelona izany. Namana mpiaramiasa na mpiaramianatra na sendra hita eny andalana eny dia lasa namana. Tsy voatery hoe mahazo accord ny vady na sipa vao hananamana.
3. krust ( 20/07/2005 13:27)
marina ny teneninao fa tsy any @ izay loatra lay izy;fa ekenao ve raha tsy ampafatarany anao io namana io fa afeniny.namana lehilahy ohatra raha vehivavy izy.de tsy hafahafa ve zany na dia tsy tokony heritreritra ratsy aza?
4. booboo ( 20/07/2005 13:31)
raha fanahy iniana afenina zany hum-hum.
5. kally ( 20/07/2005 13:34)
Driy! nahoana izy no ho sakanana tsy hanana izay namana tiany ?
6. mandrindra ( 20/07/2005 13:50)
Efa hoe namana ka na dia afenina aza tsy hitako aloha izay mety ho olana. Ny tsy fitantarana izany (na fanafenana hoy i krust) tsy voatery hoe antony ratsy foana, fa mety koa iny ilay part de liberté ilain'ny tsirairay. Fa na mpivady aza mila fahalalahana ny andaniny sy ny ankilany.
7. booboo ( 20/07/2005 14:01)
bof! zà tsy hitako ny olana fa ilaina eo @ fiainana ny namana. Refa fantatro sy fantany fotsiny ny anarana dé ampy anà sy izy zay.
8. krust ( 20/07/2005 14:10)
Koa raha mahazo liberté loatra any e dé ohatrany sovaly tapa kofehy e.Kraty ka mifankatia any izy ireo dé dé ahoana hozizy ianao ry mandrindra a!
9. booboo ( 20/07/2005 14:13)
dé aiza ho aiza @ zany ny teoran'ny fahatokiana ilay iraika raha zany ?
10. isrine ( 20/07/2005 14:28)
ekena tsy asiana fanampipanazavana.
raha toa ka lasa mpifankatia ny mpinamana dia anljarany ny misafidy na ny vady ao antrano na misaraka dia manambady ilay olona vaovao indray, dia ho hita eo izay voa na izy na ilay vady taloha.
izay no efa iainan'ny vahoaka ankehitriny, maketsy sy mankeroa;
11. mandrindra ( 20/07/2005 14:38)
krust, ny ahy indray aloha dia ny fifampitokisana no ataoko ambony indrindra. Raha toa moa izy ka mitia olona hafa any, dia mahazo mandeha satrai izany no fahalalahana amiko. Rehefa tia olona hafa izy inn no hijanonany miaraka amiko intsony. Fantaro fa tsy ny fahalalahana akory no miteraka fitiavana ivelan'ny tokantrano.
12. krust ( 20/07/2005 14:47)
ny fahatokisana eo ihany fa raha tsy fantatrao mihitsy ny anaran'ilay olona sy ny mombamomba azy dé ahoana e!
dé raha ohatra koa moa tena tsy fantatrao ny fisiany fa saindra tratranao tampoka dé ahoana ny andraisanao an'izay?
13. cocorie ( 20/07/2005 15:05)
Fa ny anao ve le namana mivadika sipa no ataorana sa ahoana e! raha namana fotsiny tsy hitako ny hanafenana azy, raha ts'izany de maloto saina nareo ze miafina izany.ny ratsy ihany no afenina e fa tsy aharihary;
14. booboo ( 20/07/2005 15:06)
Dé anontanio ny anarany e! taiza nareo no nifankafatatra ôtra zany e! raha mbola tsy mahatoky ihany dé anontanio direct oe miaraka angaha nareo ? sa tsy tianao zany ?
15. radriana ( 20/07/2005 15:43)
Tsy lasa kosa aloha raha mifanafinafina e. Tokony ho fantatra au moins ny anarany.
16. mandrindra ( 20/07/2005 15:56)
krust a, izay ilay fifampitokisana matoa tsy mbola tsy fantatarao ny anarana sy ny mombamomba ilay namana dia heveriny fa tsy ilainao aloha izany.
Na fantatra na tsy fantara ny fisiany dia rehefa namana dia namana, rejefa mivadika ho mpifanakatia indray zavatra hafa izay.
17. harotiana ( 20/07/2005 16:27)
Marina izany.Rehefa namana tsy voatery foana hoe mivadika fitiavana. An'i tsirairay no mandinika ny zavatra ataony, sy ny tena tiany.
18. Lov ( 20/07/2005 19:02)
Angamba raha le tena namana araka ny tena famaritana azy no mifanerasera aminy, zany hoe tena mpinamana fa tsy le namana mety hivadika de tsy misy blem. K ale famaritana le hoe tena namana angamba no tena tsara.
( Fa ny ela koa anefa maha iray roa ndray2 !)
19. fijo ( 20/07/2005 22:02)
tsy hitako aloha izay olana e.
20. rjej2004 ( 21/07/2005 05:11)
Na afenina na tsy afenina aloha tsy hitako zay olana satria namana fotsiny. Ny fisian'iny koa ane no mety hampisy bonheur aminareo e!satria mety manoro hvt tsara azy.Ataovy tsara foana ny saina de tsy hisy n'inon'inona hitranga eo fa mba matoky e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1794