Nampirafy

1. jhouhlambout ( 12/07/2005 23:11)
L'histoire: Nitsotra taminao ilay olona miaraka aminao hoe: nampirafy anao izy nandritra ny andro vitsivitsy, ka nifona taminao izy fa tsy hamerina intsony.
Dia inona ary ny fanapahan-kevitra ho raisinao, raha toa ka tena tianao ilay olona?
répondu par fijo le 03/09/2005 19:51
2. nelsie ( 13/07/2005 04:25)
Ny zavatra tiako hapetraka aloha dia tsy misy olona tsy diso izany raha mbola eto an-tany sady @ maha-olombelona tsy maintsy fotoana mahalavo @ fakam-panahy, na lahy io na vavy. Mety tsy mbola niantra taminao ilay fihetseham-po izay izao saingy tsy fantatra izay avadikin'ny ampitso.Noho izany tokony hahay hamela @ zavatra toy izany, en plus izy nahatsiaro hoe diso dia nitsotra taminao sady nifona, tsy tokony hitarika fisarahana izany satria ny fitiavana maharitra ny zavatra rehetra ary maharitra ny zavatra rehetra, sady ny fampirafesana mandalo hoatr'izany tsy midika hoe tsy tianao ilay olona miaraka aminao, fa mba mety misy filana fotsiny tao
3. fijo ( 13/07/2005 04:57)
nelsie ,raha sipa ndry dia tena tiako mihintsy.fa mba hafaka mifona matetika aho amin'izay.sendra filana kely e.
raha sipa aloha tsy hitako izay olana e.eo samy mbola mitady izay mety aminy ko.
4. ainaheri ( 13/07/2005 06:36)
Ka inona ary kosa no nahatonga azy nampirafy:?:
Fa raha tiako kosa iny olona iny tsy handika
ny lalàna mifehy ny tokantranonay aho.
Mora aminareo ny miteny hoe mifamela,ekeko mamela
noho izy nibaboka,kanefa kosa sarotra ny hiara-
dalana aminy satria ho kikisan'ny adintsaina eo ianao
hany na misy zvtr kely d'efa maloto ny sainao
ka velona ny gidraka raha ny hevitro manokana
hoy aho dia misaraka aho satria tsy ananako fahatokisana intsony izy!Ny hevitro io
5. ainaheri ( 13/07/2005 09:15)
Raha ny resa ny maha olombelona hoy nareo
manaiky aho mamela ny fifonany fa za kosa tsy manaiky ny hiverina aminy,satria amiko samy
manana ny lalànany ny zvdrehetra ary natao ho an'zay koa ny mpitsara matoa mbola nitsangana ireo hatr@
zao,dia midika izany amiko fa ity no tsy azonao atao
fa raha mandingana an'io ianao d iaharan'ny sazy!!
Ekeko ny fakampanahy sy ny ngolingoly any ambadika any fa raha tianao ilay miaraka aminao tsy voatery ho voan'zay ianao,ka amikoIZANY FANAHY INIANA!!
satria tsy noterena ianao na novozonana fa sitraky
ny fonao ilay izy. ka nenjehin'ny eritreritrao ianao
vao mifona?
6. pika ( 13/07/2005 09:28)
raha ditra hafahafa no hifonana fa tsy atoa intsony toy ny hoe miloka, mifoka, misotro, ...mety mba azo ...fa raha fampirafesana kosa efa tsy tia izy matoa nahavita izany ka aleo mamalona boky e
7. jhouhlambout ( 13/07/2005 09:32)
Ianao zany tsy mamela heloka? Na dia tena sincère tanteraka aza izy...
8. ainaheri ( 13/07/2005 09:38)
Ny @ biby aza misy lalànany ny fitiavana
raha manaraka ny doc ny monde sauvages
ianao fa na ny miaraka tsy mahazo
atao eo imason'ny sefo fa any ambadika any
ary tsy mirairay fotsiny raha tsy periode
d'ovulation !!Ka inona no mampiavaka antsika @
biby;NY FANAHY io no maha olona!!
AZAFADY AHITSIKO NY TENIKO FA TSY IZAY MAMPIRAFY REHETRA AKORY DIA HOE BIBY FA OHATRA NY NATAOKO
9. ainaheri ( 13/07/2005 09:46)
jhouhlabout>izy roa niaraka nga tsy serieux
ny fifankatiavany? Aorian'ny adalany izy vao mamoaka ny sincèriteny amiko zany rano raraka.
10. jhouhlambout ( 13/07/2005 10:33)
ainaheri> Koa aleonao zany izy tsy nitsotra ny marina? @zay dia ohatran'ny tsy nisy nanjo mihintsy ...
11. pitchou ( 13/07/2005 11:20)
nenà aloha d tsotra: raha mbola mpisipa ze ataony any aferany! fa satria zà koa ze ataoko aty aferako! olona tsy mbola hay na hisaraka rahariva na rahampitso ve d ho hifamefy eo kosany?
fa rehefa hivady d tsy maintsy misy lalana ifanarahana apetraka! d samy miaritra an'iny lalana iny na misaraka
12. soacool ( 13/07/2005 13:04)
Amiko aloha tokony hoeritreretinao aloha ny tenanao hoe inona no nataoko sao mba misy erreur nataoko ary nahatonga azy hampirafy ahy de ny fifampiresana no vahaolana, miankina @ tsirairay koa io e mahazaka ve ny saiko hoe io sipa io na io bandy io efa nanao an'izao sy zao tary sy ny hoatra an'izany e
13. ainaheri ( 13/07/2005 14:39)
Tsotra ny ahy hoe inona ny antony nahatonga
azy anao an'zany tsy nisy olana tao antrano
fa mba te hanandrakandrana any ivelany fotsiny!!
Refa tsy mitsotra izy hoy ianao tsarovy fa tsy maintsy mivoaka eny ihany zay ary @ tsy ampohiziny.
14. mpanakiana ( 13/07/2005 16:58)
asaivo mampirafy ny sipan'elà d asaivo mifona d raiso
ndray ra zakan'elà zany,tsy misy mahazaka zany fa vavany fotsiny nama,asa efa nampisotroiny ny ranony sy ny ventiny angamba knou....^:^
15. britney ( 13/07/2005 17:10)
inona lay ranony sy ny ventiny zany kay ma hampiarina kely!
16. fasaly ( 13/07/2005 17:14)
izaho aloha tsy mamela heloka zany e!
ny hitan'ny masoko sy misy porofo io an! fa ny honohono mbola tsy izy izany. fa tonga de vita fa tsy milalao zà, indray mandeha izy mampirafy de mbola hisy ny fanindroany ny fanintelony fa tsy hijanona hatreo akory.
fa au cas hoe mamela heloka de ahy ny retour mamaly faty be zao mintsy. valy fingika fingaka.
17. ainaheri ( 13/07/2005 18:32)
http://fa au cas hoe mamela heloka de ahy ny retour mamaly faty be zao mintsy. valy fingika fingaka.
Za ndray tsy hamaly faty azy zany fa avelao ny fahotany ho azy any,satria ra mamaly faty ianao d mbola hiaraka ihany zany nareo refa avy eo?
18. fijo ( 13/07/2005 22:11)
mamela ny helony fa tsy izy anie no nanota fa le biby kely tsy ahalala miharitra io e
19. jhouhlambout ( 13/07/2005 22:17)
20. anja2000 ( 14/07/2005 05:22)
Fampirafesana ,in no tena definitionany?miditra @ rel°sexuelle ve sa na de tsy amin'izay aza. Amiko rehefa mampirafy de efa tsy izy zay.Raha tena sincère izy aloha de raisiko ihany satria olombelona ny tena fa raha mamerina kosa aloha tena tsy lasa mihitsy fa aleo mamoy e.Mety avy aminao koa ane nonahatonga lay izy e,ka matoa mamerina izy a de tena mety enao koa no tena tsy mahatana azy mihitsy raha tsy hoe efa tena maditra ny ankilany. na izany na tsy izany rehefa mamerina de afoizo fa sao koa mitondra fahoriana hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2741