fandraisana anjara amin'ny dinika

1. ftma ( 29/06/2005 10:02)
Asa raha voamarikareo fa lasa mivoana foana ny loha-hevitra ato amin'ny dinika, raha mba misy lohahevitra mahaliana dia mba mamaky nefa avy eo tsy misy hifadraisany intsony ny resaka, marina fa misy ny "manala azy fontsiny" (hoy izay olona izay) fa raha mba azo atao tsy aleo ve mba mandray anjara @ ilay loha-hevitra dia avy eo "manala azy".
Betsaka mantsy no tsy te hiditra ato @ dinika intsony fa resaka "tsy matotra" hono, asa izay hevitrareo fa tsetsetra tsy haritra ny ahy.
répondu par mandrindra le 05/08/2005 13:40
2. booboo ( 29/06/2005 10:31)
marina zay.
3. stephan ( 29/06/2005 11:39)
Marina tokoa fa ilaina ilay manala azy fa erhefa be loatra ny manao izay dia izay no mampivaona ny resaka. Tokony tsy hampihemotra izany fa soraty hatrany izay tianao soratana e!
4. routa ( 29/06/2005 12:52)
ftma>marina tokoa zany
fa na zaho zao koa aza de ndray2 mananihany fotsiny ndray2 fa de lesona tsara io e!
voaray ny hafatra re tompoko ooo!
5. cutie ( 29/06/2005 20:45)
ftma , refa misy manala azy de avy daholo koa ny mpanala azy :-*:-*:-*:-*
6. welie ( 30/06/2005 10:00)
ftma sy cutie> :lol: :-*
7. bichette ( 30/06/2005 12:10)
eny wa reto a misy anefa ol sasany mba tena mila vonji dé ol 2 fotsini no tena mamali ni marina ny sisa manala fotsini dé tsi ay tsony na tena serieu na tsi
8. ftma ( 30/06/2005 20:56)
stephan: mihemotra ihany satria fifanakalozan-kevitra anie no atao e ka raha tsy azo valiana ilay "fanalana azy" dia lasa kamo ko manoratra.
cutie: mahazo manala anie fa mba mandray anjara @ ilay loha-hevitra ko.
9. fijo ( 30/06/2005 21:33)
i fijo ihany io ko.
ka izao anie e .amin'ny voalohany aloha samy mamaly tsara.ary dia tena ady hevitra be.fa vao tonga le teny kely mibolisatra izay dia iny ry ari malala sy routa ry cutie ry welie izany moa eeee dia fijo ee
10. ravatorano ( 01/07/2005 04:52)
io lazain i fijo io dia tena marina.nisy lohahevitra izay (Ambondrona) tena nisy mpamaly betska tokoa saingy ny 90% tao amin ilay izy dia tena tsisy ifandraisany amin ilay lohahevitra mihitsy fa d hanihany sy ny fanalana azy hany ka tonga hatramin dry Modeste efa nipetraka tsara tany ho any !hihihihih
Marina io ftma nefa tsy azo ferana ny troupin ireo namana ireo , ho fafanao v ny voasorany tsy d asa indray ny resak handeha eto hihihihih
11. ftma ( 01/07/2005 09:03)
ravatorano: tsy hoe hofafana anie zoky e amin'izay zandriko "manala ao" hihihihi
Mahazo mamoaka ny heviny daholo fa mba tokony ho liana @ loha-hevitra alefan'ny namana sasany, raha toa anie mamorona loha-hevitra ny namana iray dia mba te hizara ny heviny na te hahalala ny hevitry ny tsirairay e
lasa lava kabary aho
:lol:
12. welie ( 01/07/2005 18:08)
:-w:-w:-w Hummmmmm!!!

fijo> Aza atao tratrako misy sizé anlà mandende any fa dé hehehe... :-P

ftma> Ekipa solida manisy sira alou ka! lol... :-* re a!
13. cutie ( 01/07/2005 23:19)
ftma, za mamaly ka, fa refa misy an'ndry fijo mpanala azy de manala azy kou za. lolllllllllllll
14. mandrindra ( 05/07/2005 12:46)
ravatorano, rehefa voafafa anie ve izay voasorany hisy resaka ho hita intsony, e izany hoe efa voafafa ko. dia izay izao ilay hoe manala
ftma, io dia tahaka ny resaka rehetra io, mario anie fa n'aiza n'aiza alehanao raha vao misy olona maromaro mivorivory dia manomboka amin'ny size iray ny resaka fa mandramphatapitry ny fivoriana na fiarahana dia misy lohahevitra maro miposaka ao. Dia misy koa ireo izay manao resaka anjorony. Na virtoaly ary ny eto dia taratry ny realy ihany.
15. bichette ( 05/07/2005 14:51)
misy kosany ny sasany efa tena ila ho faty dia manontany ny hevitry ny namana dia ny olona 3 voalohany mamaly tsar dia misy iray mibolisatra kely dia izay, vita hatreo fa adino ilay olona nampiditra ilay lohahevitra fa resaka hafa mihitsy sy ny mpanala no mifampiresaka sa ahoana ? :snif:
16. booboo ( 05/07/2005 15:36)
ié :?
17. ftma ( 05/07/2005 20:21)
mandrindra: izaho anie tsy manohitra ny izay resaka eto e fa mba asiana resaka koa ilay loha-hevitra, atramin'izao ohatra isika izay nandray anjara teto dia miresaka momba ny loha-hevitra na asiana "fanalana" azy aza tsy maninona fa mba tozomina ilay hevitra tery aloha, ary asiana :lol:
:lol: be dia be
bichette marina izany lasa fifamalian'ny olona 2 na 3 ilay izy, "ekipa solida" hoy welie :wink:
18. bichette ( 06/07/2005 09:20)
:D zany mihintsy :-D dia voatery mandefa hafatra @ lay ol rehefa te hanome sosokevitra satria tsy serié tsony eto ka asakasak'izay manao xxx rehefa mampiditra lohahevitra :-D
19. hery ( 21/07/2005 07:13)
Ohatra fotsiny http://serasera.org/forum/index.php?rub=message&msgid=m42cb7b9f3e77c

Olona mametraka lalao fanontaniana no ao. Rehefa tsy mahay na tsy tia an'ilay fanontaniana dia tsy mamaly fotsiny fa tsy hoe :

- Ry dadabe milaza hoe mamo ilay mametraka fanontaniana (tsy manopa ve izany raDada? Raha manontany anao ohatra ny dadanareo dia teneninao hoe enao ve mamo e... tsy hahatezitra ve?)
- Ry sonwin, sasa, mifenty, akamatiana, yonikafopl, mishou tsy namaly an'ilay fanontaniana mihitsy na nangataka fanazavana momba ilay fanontaniana... donc hors sujet tanteraka.
- Mi-insiste manohy ilay resaka i DotMG fa e e e, mitohy ihany ny fanalàna.

Ka hoy aho hoe:

- Izay eranareo ihany io. Aza mitady zavatra matotra raha tsy manome zavatra matotra.
- Mba hajao ihany ny olona rehefa en public na dia tsy tianareo sy halanareo any amin'ny privée aza. (angamba fankahalana manokana an'i DotMG no nanaovan'i dadabe hoe mamo ve izy?)
- Fahendrena koa ny fahanginana indraindray. (Izay no mahatonga ahy mitsiky fotsiny :-) )
20. sipagasy ( 24/07/2005 22:38)
mmhhh dia tsy hahazo manisy sira intsony izany eny antenantenany eny??? mmhhhh de manjary matsatso be ny resaka sa.... oups hors sizé injay za :/
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4379