Tsy mampihomehy (nefa lava be).

1. DotMG ( 30/05/2005 07:03)
Ity tantara iray ity dia niseho raha nandeha fiara fitateram-bahoaka iray teto an-drenivohitra aho. Tsy misy azoko izay mampihomehy amin' izy ity kanefa tamin' ny fotoana nisehoany dia nihomehy hoatry ny gaigy ny mpandeha rehetra tao anaty fiara, ary isaky ny mitantara azy aho dia misy olona iray mihomehy foana ary tsy mety milaza amiko ny antony ihomehezany.

Toy izao ilay tantara: Sabotsy hariva tamin' izay, amin' ilay fotoana tsy dia mifanesika iny, nefa koa tsy dia hoe vitsy mpandeha ilay fiara fa feno daholo ny toerana rehetra. Nisy lehilahy iray nanakana, teo Ampasapito, dia noraisin' ilay tovolahy mpanangona saran-dàlana sy mpizara tapakila. Niditra Ranamana, toerana iray no tsy nisy olona, tery amin' ilay antsoin' ny matihanina hoe "Seza aorian' ny débà". Madama tsara tarehy izay no teo akaikiny, manandrify ny varavarankely; dia teo izy no nipetraka. Somary nisy fofon-toaka kely ilehiry, nefa tsy ilay mamo be irony. Tsy dia madio tsy dia maloto ny fitafiany. Nijery azy ilay madama dia nisisika tany amin' ny faritra nisy azy, mba hanome toerana malalaka an' ity vao niditra, nefa koa sady nampiseho endrika ho tsy dia faly loatra ny amin' ny hipetrahany eo. Dia nojeren' ilehiry tsara koa ilay Madama dia hoy izy:
- Fa nahoana ianao Madama no mitsoaka, Matahotra ahy angaha ianao?
Tsy namaly ilay madama fa nodiany tsy re ilay teny teo.
- Izaho ange tsy manaikitra e! hoy ilehiry nanohy. Izaho ange lehilahy e!
Tamin'izay fotoana izay aloha dia nisy nikimokimo tany aoriana tany.
Dia mbola nanohy ilay mamomamo:
- Ny vehivavy hoatranareo ihany no manaikitra fa ny lehilahy hoatra ahy tsy manaikitra izany.
Dia nanao "effet domino" ny hehy tao anaty fiara, olona iray no sisa tsy nihomehy: izaho io!

Nony hiala indray, feno olona tsara ny seza aloha ("Devant"), dia nangataka làlana tao ilehiry, ilay mamomamo io. Ramatoa roa samy nitrotro zaza no teo. Nahita izany ilay mpamily mpanampy dia nanao tamin-dRanamana hoe:
- Aleo ianao Ramose aty aoriana no mivoaka fa tery be amin' ireo Ramatoa anankiroa ireo eo amin' ny dévà ireo a.
- Ireny tery ireny mihitsy no tena milay ka! hoy ilehiry! sady nisisika tety aloha ihany izy.
Nanomboka indray ilay kimokimon' ny sasany tany aoriana tany. Ilay mpamily no namerina fanindroany nony hitany fa tsy nasian' ity katrikatry ity hasiny ny tenin' ilay mpamily mpanampy:
- Any aoriana ianao Ramose mivoaka azafady indrindra an!
- Fa ahoana aho no teren' ialahy ho any aoriana no hivoaka? hoy ilay mamo nampiaka-peo. F'ialahy angaha tany aoriana no nivoaka? Raha tany ialahy no nivoaka dia manaiky aho.
2. rurik ( 30/05/2005 08:31)
lava loatra mbola hamaky aho fa andraso aloha
3. mamzelkely ( 30/05/2005 09:32)
tena kamo be hamaky fa resumer-o azafady zay tsara sitra-po!!!:lol:
4. lanto ( 30/05/2005 09:47)
lava marina !! tsy nahavaky aho :lol:tsy aleo ve avoaka boky na atao atsy am sombin-tantara ?
:lol::lol:
5. ari.malala ( 30/05/2005 09:59)
tsy azoko oe in no mampime!
6. sasa ( 30/05/2005 10:50)
he he he za kou tsy nahavavy fa le farany no hitako hoe, nivoaka avy any aoriana mba hafahafa aloah le izy e
7. mishou ( 30/05/2005 13:26)
za koa aloha tsy namaky e, lava loatra marina
hiantso am-badiko angamba aho hanao tantara amiko fa tena kamo be aho zany:-D:-D:-D
8. maditra ( 30/05/2005 13:46)
Zah namaky klou e! Mety mampiomehy ihany angamba io fa tsy olona otran'antsika (sarotra ampiomehezina)ry DotMG no tafiomehy aminy. hihihi, mankasitraka fotsiny e!
9. booboo ( 30/05/2005 14:09)
wouahahahahahahahahahahahahahahahahahahahaha. raha zà koa klou no nanatri-maso an'io dé tena tapa-tsinay e! hihihihihihihihihihihi.
10. rurik ( 30/05/2005 14:25)
mba tantarao tsikelikely hoe ry booboo:?:?
11. booboo ( 30/05/2005 14:30)
aaa, lasa tsy mampé tsony.
vakio hatr@ vôlohany e ! hihihihihihihihihi
12. rurik ( 30/05/2005 15:06)
ka andraso ary vakiko tsikely ary e izaho koa anie manao kamokamo izay e lol
13. yaya ( 30/05/2005 15:33)
Mampihomehy kah
14. iartistika ( 30/05/2005 17:39)
:-w mamponé ihany!!
15. dadabe ( 30/05/2005 17:44)
mihomeheza eo aza hoe zay sahy:-w
16. iartistika ( 30/05/2005 17:47)
ho avy eo rasasa hiomehy!!
17. Diavolana ( 30/05/2005 18:10)
leizy tsy nampihomehy no nampihomehy ahy ha ha ha
18. pissoa ( 30/05/2005 19:21)
Nareo kamo mamaky ireo manenina fa mampihomehy lay izy =))=)) raha nanatrika angamba aho tena narary kibon'ny fihomehezana.
19. lanto ( 30/05/2005 19:23)
hihihi tena zay aho vao nahavaky ! Mampimé kah !
Ary dotmg kosa mahay mitantara :)
20. rurik ( 30/05/2005 20:01)
za tena maka toerana aloha ka.pissoa an sao dia miditra eo dadabe ka hahita zavatra eo e hm
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5878