Fonony fotsiny

1. kally ( 13/05/2005 15:17)
Ity njay ary resaka ivelany fotsiny a!tsy misy an-kikôzy hoe fanahy na tôtsa na ôtsan'zany fa tena resaka kata sy hoe bôgôsy sy manja fotsiny.Dia ohatsa hoe lazainareo zany hoe ôtsôtsan'ny aôna ny sipa na kôfy revenareo avy ety avelany fotsiny.Ilay mbô tena hoe milay aminareo izany e!
répondu par lilbon le 15/07/2005 04:53
2. hery ( 13/05/2005 16:58)
Sipa reveko (ivelany fotsiny an)?

- Tsotsa fikata :-) mi-jean ambany n'aiza n'aiza.
- Antoniny ny vatana (somary kely ny hanche) otsan'ny glita fa tsy tena be sokatsy
- Volo olioly (iny mantsy tout terrain azo pasohana rehefa te ho tsotra... nefa frisé kou d'office)
- Fohy noho zah.
- Tenue de sport matetika.

Fa izao fotsiny e... sarotra ny mahazo ny tonga lafatra. Fa ze azo eo lafarina (atao tonga lafatra ny dikan'io) :-)
3. sonwin ( 13/05/2005 18:55)
foniny fotsiny ve :roll: mitovy amin'i mumu :lol:
4. Veloo ( 13/05/2005 19:17)
ny ahy a bandy mahay miakanjo tsara manao patalo na jean io na patalo misy rirany ireny, manao lobaka dia miakatra eo @ atsasany ny tanana. volo lavalava (tss lava be an) tsotra be an (tsy otran'ny an;i hery mbola pasohana =)) =)) =)) ) ary ilay volo akipaka amin'ny tanana any ambadika fona , manao kirao tsara be...no sady lava ranjanana ayayayayaya :wink:
5. pitchou ( 13/05/2005 21:10)
hery> ka jean sa spaoro e! raha lava loatra ange izy d afaka manao drigy e! =)) =)) =))
za aloha d tsy voako mihitsy raha vao bandy mahia izany e! tsy maintsy misimisy vatana! lava (raha azo atao! hihihi), miakanjo milamina fa tsy kroutamboul, madio tsara (kiraro tsara borosy na tennis fotsy tsara, ny hoho tsy misy maintimainty, ny volo tsy gras noho ny loto, ny lobaka madio be ny col sy lohatanany, ny Tshirt tsy misy rovitra sns
6. maditra ( 13/05/2005 21:39)
tsssss, zah toa tsy dia manana hoe, otraotran'izao no tiako fa raha anontaniana kosa zah mety hilaza hoe:
- Sipa maintimainty, madinika nefa tsy mahia, fohifohy koa, sady mahay mitsiky. Ny volony na atao mirandrana na mitsotra tsy koa; pataloha jean (teritery), dia ireny lamba kely tsy misy tanany ireny nefa tsy mamoaka foetra no ambony.
- Na koa sipa malandy(fotsy), bebe vody (tsy trop an), manao jupe na pataloha fohy kely. Tsy dia be nono, sady sportive.
7. felicia ( 13/05/2005 22:26)
bandy lava 1m80...zarazara hoditra,tsisy volo-tratra,bary maso...mahay miakanjo dans tout les situations,jejojejo e fa tsy trop loatra an... :P
8. vegas ( 14/05/2005 03:13)
sonwin> mumu kosa milay dôly ny anatiny sy ivelany fa aza atao an'zany e.
9. mamzelkely ( 14/05/2005 07:01)
ny ana njay refa lelà plus de 1m60 de ao zany, tsara ny fiankanjo genre jean sy lobaka de tennis na bateau (za tena adalana lelà manao le kiraro bateau reny) de manitra be de za ko tsy tia lelà be volo tratra de tsy mahia ko izy de ao tsara amiko refa mifandray amreo toetra reo!!!de lelà misy volom-bava ôtran'ny an Craig David reny!!!
10. yonikafopl ( 14/05/2005 09:23)
euhhh, ny ana njay ny fofony kalou no henoiko voalohany, ny fiakanjony indray, rehefa mahay miakanjo amin'ny fotoana tokony hilana azy, fa za indray tsy tia ireny lehilahy manao jean malalaka reny, na dia hoe lamaody ary, zany hoe lehilahy tsy fisaka kely fa mba misinisy nofo, de manao jean somary manara batana iny, tsy dia tery nefa tsy globaka koa, ny volo koa voakarakara, madio tsy misy maintimainty ny hoho,mahafinaritra ahy koa ny mahita lehilahy tia manao montre, gourmety, kolie volamena.de manao kasikety rehefa mi jean na mi sporo. lehilahy tsy mifoka, tsy be teniratsy, misotro fa bex fotsiny fa tsy whisky sy toaka.
zay kalou
11. mamzelkely ( 14/05/2005 11:56)
za ko mitovy am yonik am le we lelà manao firavaka surtout izy ra sady manao peratra(chevalière) de manao vangovango(tena j'aime bien mitsy)
12. dadabe ( 14/05/2005 17:10)
:evil: ny ahy rehefa sipa tsy momba de tiko
13. sonwin ( 15/05/2005 11:22)
vegas> ka resaka foniny ny eto ts akijery ny anatiny fa marina ny voalazanao ka
14. iartistika ( 15/05/2005 14:09)
ny ahy ny sipa reveko le fonda be reny! le kontrabasy reny mihitsy fa tsy mbô gitara! le azo hitsanganana 2 minitra reny ny ao aoriana :lol:
15. yonikafopl ( 15/05/2005 20:54)
iartistika hihihihihihi =))
16. booboo ( 16/05/2005 05:55)
iartistika>hihihihihihi.

Ny anà lé manao lobaka tsy misitrika, short ny ambany, be fe ôtra ny rugbymen :°)vô maika très bien , ary kapa maivamaivana ireny dé ny satroka bob tsy hadino. Ny maso somary bridés dé refa mitsiky dé misy fandaingana.
17. yonikafopl ( 16/05/2005 06:43)
booboo ooufff,, tena samy manana ny tiany marina an, tsy tiako ny bandy otranzany kle!
18. dadabe ( 16/05/2005 11:52)
yonika>fa ny tahaka ny ahoana no tiandry :-w :-w
19. iartistika ( 16/05/2005 16:23)
radada> elà manao satroka bob fa manamaina de tsy tiany!! :-D
20. yonikafopl ( 16/05/2005 20:27)
iartistika ntsoouuu

dadabe, efa io ambony io fa lah tsy mamaky kle :wink:

sa.... aleo lazaiko e!, bandy otran'i dadabe no tiako hihihihhi :-* :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6468