annorexie

1. felicia ( 08/05/2005 23:41)
problème be n'ny vehivevy aty an-dafy io...fa tany dago aho tena tsy nahalala ny fisian'io aretina io...mahaliana ahy isika tovovavy malagasy eo anoloan'io probleme io...
répondu par fijo le 24/08/2005 21:22
2. lanto ( 09/05/2005 06:56)
Tena aretim-bazaha marina io ry felicia. Ary tena aretina tia tena be satria ny rehetra miara-sahirana eo nefa le ianao no tsy te-hihinana. Mety misy ihany tady hanao annorexie any amintsika fa tsy raharahan'ny oul de afaka ho azy e! Sady ny vehivavy malagasy menatra rehefa mahia, fa ny dongadonga no atao hoa "miadana am-panambadiana" :lol: ka tsy dia "mihinana ihany ho vanon-ko olona fa rehefa matavy dia tian'ny olona" ! hihi
3. majakely ( 09/05/2005 07:29)
ny annorexie dia ny olona tsy misakafo intsony satria :eo ny fitivana ny te hahia loatra; ka rehefa avy eo ilay olona tsy mitady hisakafo intsony fa lasa maharikoriko azy ny sakafo !toy ny poizina e!!!...Fa ny boulimie indray de ilay te hisakafo foana foana !nefa rehefa avy eo ny vatana tsy afaka mitahiry ny sakafo be loatra nohanina ka voatery mandoha ilay olona dia mahia be koa!!!Zany hoe ny sakafo no lasa toy ny fahavalo !!!Mampalahelo!
4. booboo ( 09/05/2005 07:36)
misy manao an'io na aiza na aiza fa ny aty @ ndry zareo tandrefana nasiany anarana fotsiny. Ny fisehony mitovy aby, ny raha tsapa koa ôtra zay. Ny fihatrehan'ny manodidinana fotsiny no tsy mitovy.

Amiko, tsy resaka tsy te-hihinan-kanina fotsiny ny anorexie fa misy fijaliana terrible beeeee ao anaty ao. Ny gasy hitako oe matanjaka satria tsy misy dokotera manaraka ôtra ny an'ny tandrefana (psy ohatra) fa dé iaretana sy misedra irery ny mafy eo ilay oul. Na izany aza, ilaina ary manampy beee ny oul manao an'io raha io hiala tao ny fahatsapana fa tsy irery izy et bla bla bla.
5. Rambofrau ( 09/05/2005 09:21)
Marina ny an'i Booboo fa probleme avy ao anaty no mahatonga an'io na stressée be ilay vhv dia lasa tsy mazoto homana intsony hany ka lasa mahia kely.

Aretina io , ka raha te hitsabo azy dia jerena mihintsy ny fototry ny olana toy ny pression ataon'ny fiarahamonina, Stress, ....sns
6. majakely ( 09/05/2005 10:53)
Marina tokoa fa avy amin'io resaka stress.....na zavatra hafa manahiran-tsaina; io aretina annorexie io,fa kosa efa hitako dia sipa iray izay,,,,
te-hanahaka ireny vehivavy mannequin mahia be ireny,nefa izy amin'izany efa mince mince tsara an!!! ka manao regime draconiens foana no hataony! Hany ka lasa tsy tia nisakafo intsony rehefa taty aoriana !!Dia voatery notsaboina indray satria saika maty ,fa nijaly be ilay sipa satria mahankaloiloy azy ny sakafo, nefa tsy maintsy nianatra ny nihinana èquilibré izy!!
7. mishou ( 09/05/2005 11:52)
régime io de lasa nivadika horera e, te hipitipika no niandohany de ny niafarany tsy te hikaly intsony, fa mihidy ny vavony, fa ireny misy opération atao mihitsy hanokafana ilay "tube" na vavony vao miverina mikaly indray an, ny ahy aloha asiako izay tonga eo fa za hiraharaha, izay voky no maharaka ny namany, sady atao inn koa ireny trakitraky ireny, na ny lehilahy hiaraka @ ireny aza tsy mahita hafa-tsy taolana manao hoe kpok kpok kpok, sady maina tsy misy ranony no tsy misy ilàna azy akory :{ :{ :{ :{
8. booboo ( 09/05/2005 11:58)
:roll:
9. majakely ( 09/05/2005 12:07)
Njay mishou !de kpok kpok be ve ????
10. mamzelkely ( 09/05/2005 13:44)
non fa tena mampalahelo alo ny vevavy tratran'io anorexi io fa refa aveo tena ôtrany squelette mandendea tena marina anie zany lasa mampatahotra dray nefa ny but voalohany ny we mba te hi-plaire olona
11. kally ( 09/05/2005 16:30)
sss!aleo izy ho faty ho fay e!
Ny ankizy madinika tsy ampy sakafo angaha tsy hitany no izy nanana anjara mba nahazo sakafo indray no mandà?
12. iartistika ( 09/05/2005 19:45)
tena tonga am le tenin'i booboo ty marina:crac crac!!!
13. felicia ( 09/05/2005 20:34)
kally:

sss!aleo izy ho faty ho fay e!
Ny ankizy madinika tsy ampy sakafo angaha tsy hitany no izy nanana anjara mba nahazo sakafo indray no mandà?



zay nge wa e...masay mihitsy,manan-ko hanina marary tsy te hihinana,ny tsy manana aza efa tsy fidiny
14. pitchou ( 09/05/2005 20:41)
tsy voatery ho fanahiniana otran'izany ny anorexie ka! misy dia misy aretina no nahatonga azy, fa tsy stress akory aza! ka izay sakafo miditra dia tsy mety mijanona ao mihitsy, vao maheno fofon-tsakafo (na sakafo inona na sakafo inona) dia lasa izao, hatr@ ny tsy misy tedavina avoaka! misy aza vao mieritreritra sakafo na maheno resaka sakafo d efa lasa izao!
efa misimisy ihany ny gasy fantatro voa toy izay, fa tsy maintsy niara-notsaboina ilay aretina sy ilay anorexie!

misy koa ange bevohoka lasa anorexique d mila tsaboina malaky e!
15. watafon ( 10/05/2005 06:02)
tsy voatery hoe olona te-hahia akory no tratran'ny anorexie ka ! ny ankamaroan'ny olona tratran'io de ireo tovovay indrindra fa ny tanora manana olana eo @ fiainany, problème psychique zany izy io e! ary mila fitsaboana tokoa !
16. kally ( 10/05/2005 14:37)
Marina tokoa fa tsy hoe olona te-hahia foana fa olona kaondrana koa no voan'io.Ny reny malagasy izao tena manana olana eo @ fiainany ny ankamaroany : ny goûtern'ny ankizy tsy misy,ny vola tsy ampy, ny vidim-bary iray volana tsy misy, ny hofan-trano hila tsy ho voaloa,ny écolagen'ny ankizy saintsainina isan'andro,olana tena mihatra aman'aina izany an!ary olana "psychique", miteraka stress be mihitsy,nefa tsy misy anorexique izany eo,izay tonga laniny!

Felicia>akamako indry a! :-*
17. jhouhlambout ( 11/05/2005 09:54)
18. fijo ( 11/05/2005 21:15)
tohanako mihintsy i kally amin'izay hevitra izay.aleo hoany raha izay no notadiaviny ka
19. kally ( 12/05/2005 07:12)
Soa fa tao Felicia sy Fijo nanohana ahy fa saika lasa anorexique aho :lol:
20. majakely ( 12/05/2005 11:14)
Nisy sipa izay hitako tamin'ny :émmission télé fa izy mijaly be , fa ny rainy masika be azy satria ny olon-tiny de olona mainty no tsy hananany avenira tsara hoy ny rainy !de tsy nahatelin-kanina intsony ilay sipa fa angoissé foana isaky ny hihaona amin-drainy ;satria i dadany miady foana: izy sy ilay bôfrerany //;ary lasa annorexique ny nihafaran'ilay sipa nohon'ny stress-ny,de havela ho faty ve izany izy ? :?:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3502