mino sa tsy mino
1. fmr
(
21/02/2005 09:08)
inona no mahasamihafa ny mino an'Andriamanitra sy ny tsy mino an'Andriamanitra satria samy ho faty daholo ihany ?
répondu par mandrindra le 29/04/2005 15:45
2. intelligenzia
(
21/02/2005 09:37)
ary maninona i fmr (éphémère ve io aloha?) no mbola misakafo sy misahirana mandeha miasa kanefa ho faty ihany? :lol:
3. eisy
(
21/02/2005 10:27)
Tsy aleo ve mino toy izay tsy mino e! satria
1-Very inona kay ianao raha mino e?
2-Raha mino ianao fa misy Izy de tsy kouah. fa raha tsy mino kosa ary ianao nefa misy Izy de asa izay hanjo .
He he tandremo an
1-Very inona kay ianao raha mino e?
2-Raha mino ianao fa misy Izy de tsy kouah. fa raha tsy mino kosa ary ianao nefa misy Izy de asa izay hanjo .
He he tandremo an
5. bichette
(
21/02/2005 10:51)
tandremo fa na ny devoly aza mino ny fisin'Atra an !
Maro ny mino Atra fa vitsy amin'ireo no tena mahatoky ny heriny ary mino izay voalaza ao anaty baiboly mikasika Azy.
Misy ny tena hoe mino, mahatoky ny fisianAtra, mahatoky ny heriny ary miankina tanteraka Aminy. Mino ny tenin'Atra.
Misy olona tena tsy mino mihitsy hoe misy tanana nahary izao rehetra izao fa tena mihevitra fa creation natioraly izao rehetra izao.Tsy mino

6. lezo
(
21/02/2005 15:46)
ny ahy ny hevitro de zao momba io! za aloha de mino ny fisian'Andriamanitra (ilay Ray Zanaka Fanahy masina io an!) de tsotra izay mino azy de Handova ny fiainana mandrakizay!(mifona aho @ ty teny frantsay ity hoe:) spirituel be io resaka io fa tsy hoe maty na velona! ary tena ady hevitra tsara tokoa satria maro ny olona minomino fôna! satria tsy ampy fahalalana dia RINGANA tsy mahafantatra an'Jesoa izay izy irery aloha h@ zao no mbola olona nitsangana t@ maty! ary tsy fombafomba mpivavahana na "réligion" fa Jesoa! de zay mino ianao de tsara tsy mino ianao de tsy miaraka aminay any @ fiainana tsy misy fahafatesan'ny nofo intsony fa velona mandrakizay?? Mamaky an'ilay Boky famakin'ny Kristianina hoe Baiboly fa ao no manazava ny saina!
7. bichette
(
21/02/2005 16:46)
ie, raha misy zavtra tiana ho fantatra dia tsy misy hafa afatsy ny mamaky baiboly sady aminn'y faran'ny page matetika misy reference
ohatra : fibebahana (omeny eo daholo ny ahitana momba ny fibebahana)ohatra , fampaherezana (omeny anao daholo ny antoko ahitana izany)
ohatra : fibebahana (omeny eo daholo ny ahitana momba ny fibebahana)ohatra , fampaherezana (omeny anao daholo ny antoko ahitana izany)
8. pitchou
(
21/02/2005 19:46)
na tsy hamaky baiboly aza enao, ka mino an'Andriamanitra dia mora ho anao ny hahafantatra izay mety sy tsy mety!
Fa izaho mino fa ho voavonjy daholo ny olona satria Andriamanitra be fitiavana sy famindram-po ka omeny chance daholo ny rehetra hahatsapa ny tsy fetezan'izay tsy mety nataony! tsy maintsy misy ny maniasia saingy tsy avelany ho very ireny! mpiandry tsara izy ka tsy hamela na dia ondry iray aza ho any ivelan'ny vala! izay ny ahy ny finoako! mety hisy hieritreritra hoe hanararaotra izany satria ho voavonjy ihany? d tsotra ny havaliko: raha olona efa misahirana mafy aminao ve ohatra d vao maika hampitomboinao ny fasahiranany? tsy tokony hitady izay hanamaivana ny asany ve ary ianao? sa ... aleo mitanty ilay fiteny malagasy hoe miteraha hahita?

9. ikaretsaka
(
21/02/2005 23:07)
bichette:
ie, raha misy zavtra tiana ho fantatra dia tsy misy hafa afatsy ny mamaky baiboly sady aminn'y faran'ny page matetika misy reference
ohatra : fibebahana (omeny eo daholo ny ahitana momba ny fibebahana)ohatra , fampaherezana (omeny anao daholo ny antoko ahitana izany)
za mino an'andriamanitra facon kristianina fa ny ahy tsy ny baiboly ihanyny vakiako
11. fmr
(
22/02/2005 11:11)
intelligenzia:
ary maninona i fmr (éphémère ve io aloha?) no mbola misakafo sy misahirana mandeha miasa kanefa ho faty ihany? :lol:
ka izay ilay sitrany ahay ka !
:P misakafo dia misahirana manao izay hitazonana ilay aina nomen'Andriamanitra sitrany ahay elaela vao maty ko ! tsy mitovy kosa aloha ny mihinana sakafo mahavelona isan'andro sy ny maty mosary é ! :^) :^)
12. eisy
(
22/02/2005 11:22)
Reveo ze revinao ary fijo a saingy asio fahatahorana ihany fa tsy handende fahatany
13. bichette
(
23/02/2005 07:17)
ikaretsaka > ka ny baiboly no tena manazava voalohany sy mamaly ny fanontaniana voalohany, misy boky maromaro amin'izay nosoratan'ny olona manambara ny traikefa sy ny fanazavana maro samihafa momba ny lohahevitra manokana sa inn no tian'i ika resahina
14. ikaretsaka
(
23/02/2005 08:33)
bichette:
ikaretsaka > ka ny baiboly no tena manazava voalohany sy mamaly ny fanontaniana voalohany, misy boky maromaro amin'izay nosoratan'ny olona manambara ny traikefa sy ny fanazavana maro samihafa momba ny lohahevitra manokana sa inn no tian'i ika resahina
ny ahy tsy baiboly ihany no vakiako sy hoe manazava sy mamaly fanontaniana voalohany (jereo ilay lohahevitra momba ny baiboly ao ambadika ao)
fa za zany ilay hoe 1) sady tsy mitsipona isan'andalana za fa par contexte raha baiboly, ilay tantara 1 manontolo no andraisako azy fa tsy hoe "dia nahiratra ny jamba" (ohatra) de zay fotsiny fa tsy fatatra akory hoa fa maninona no nampahiratra ny jamba? diainonany niseho after an ilay nahiratra le jamba?
io le mitovy @ ilay hoe " nanadino ny "kapaotiny" tany Troasy" i Md paoly e!
16. mandrindra
(
24/02/2005 10:55)
Izaho tsy mino an'Andriamanitra sady tsy manaraka ny fiainana kristianina. Noho izany izaho tsy mino ny fiainana any ankoatra. Ny ety antany ihany no fantatro sy ataoko izay mahatsara azy izany hoe izay mahafinaritra ahy rehetra.
17. fijo
(
24/02/2005 23:23)
mandrindra mitovy isika,saingy ampiako fotsiny hoe manaja izay mino koa aho satria tsy mbola nisy nahita ka samy mandray izay tiany.
18. 1kd100
(
25/02/2005 11:30)
mandrindra:
Izaho tsy mino an'Andriamanitra sady tsy manaraka ny fiainana kristianina. Noho izany izaho tsy mino ny fiainana any ankoatra. Ny ety antany ihany no fantatro sy ataoko izay mahatsara azy izany hoe izay mahafinaritra ahy rehetra.
Na izany aza tsy mba lasan'eritreritra ihany ve ianao hoe iza ary no namorona izao tontolo izao, ohatra fotsiny hoe ny atome izay farany kely indrindra @ zavamisy na koa ny milliers de galaxies tsy voafehin'ny saina hatramin'izao ? Dia avy aiza koa ohatra ny aina, ny olombelona, misy fiainana azo antenaina ve aorian'ny fahafatesana ?Ho an'izay mino an'Andriamanitra sy izay tsy mino koa aloha dia voavalin'ny Baiboly izay tokony horaisina @ finoana , fa misy koa tsy hotakatry ny sain'olombelona voafetra fa aorian'ny faharian'Andriamanitra " lanitra vaovao sy tany
vaovao " vao ho fantratra ny zavamiafina rehetra. Finoana daholo no andraisana izany, ary izaho koa manaja ny hevitry ny tsy mpino fa nomena safidy ny tsirairay .
19. mandrindra
(
25/02/2005 14:21)
1kd100, tsy dia omeko laharampahamehana ny hitady hoe avy aiza ny tontolo, be ny olana ankehitriny dia ny ankehitriny aloha no hitadiavana izay mety ho valiny fa tsy hitondra soa manokana ho ahy (sy ny manodidina ahy) ny fitadiavana hoe iza no namorona ny tontolo. Ny tany ary mbola tsy haiko tsara koa tsy andeha hitady ny galaxie hafa aho. Ny aina dia ny raiko sy ny reniko no nanome ahy azy koa hisaorako sy andrianiko izy ireo. Raha ohatra efa nisy nahita ny fiainana any ankoatra ka afaka hitantara izany sy hanamarina any fisiany dia vonona ny hiaino aho. Hatramin'izao aloha dia finoana daholo ihany fa tsisy fototra mivaingana koa izaho tsy mino.
Izaho indray tsy andeha hitady ny zavamiafina, izaho tsy manana ilay atao hoe spiritualité, ny zavamisy aza efa be loatra sy tsy araka koa tsy andeha hitady izay miafina aho.
Fomba fijeriko ny ahy ireo fa tsy manintona ny hafa aho hanaraka izany. Samy manamboatra izay mety ho lafatra amin'ny fitondrany ny fiainana.
Ekeko ilay tenin'i fijo hoe : "manaja ireo mino koa aho" no sady ampiariko izany.

20. kally
(
25/02/2005 17:11)
Asa izay ataonareo hoe mino,fa ho ahy ny hoe mino an'Andriamanitra sy ny heriny dia mino ny Fitiavana sy ny heriny satria Andriamanitra dia Fitiavana.Izay mitandrina ny Fitiavana no manaja an'Andriamanitra.Raha hino ianao,mahay mivavaka nefa ny zavatra rehetra ataonao mamono ny fitiavana daholo,inona moa no mba inoanao izany?