Misehoa amin\'ny finoanao.

1. hery ( 17/01/2005 08:00)
Misy namana 5600 eo ho eo isika no mpikambana ato. Inoako fa samihafa finoana daholo :-)
Nisy resaka natsipin\'ikaretsaka izay anefa hoe toa resaka kristianina (na indrindra fitsikerana kristianina) no be mpiresaka ato amin\'ity Fivavahana sy Finoana ity. Fa tsy misy ve ohatra mpino silamo, mpino boudhiste, mpino hindouiste, mpino fomban-drazana sy ny sisa afaka manazava ny fahasambarany sy izay fifaliana iainany amin\'ny finoany ato? Mazava ho azy, tsy hoe fitarihana ny olona tsy mitovy finoana aminao akory izany fa fijoroanao hoe mba misy, ary arahinao, ihany koa ny finoanao.

répondu par sonwin le 21/03/2005 18:20
2. lo ( 17/01/2005 10:02)
mahaliana marina tokoa izany resaka izany ry zareo. d miandry zany izay efa ao anatin\'ny voaresaka lava e. :)
3. mandrindra ( 17/01/2005 10:51)
Izaho dia notazaina tamin\'ny finoana kristiana protestanta ary nanao ny fianarako tany amin\'ny sekoly katolika mandrampaha- azoko ny bac. Ankehitriny aho dia tsy mino an\'i Kristy intsony fa manaikiy ny fisian\'i Zanahary. Ny filamatra hitondrako ny fiainako dia miankina betsaka amin\'ny fahendrena malagasy. Izany hoe mandala fihavanana. Ny fahalalana onona no ivon\'izany. Ny fanaovana ny soa dia ataoko rehafa tsy mapiboridana ahy fa izaho indray tsy mitovy amin\'ireo izay mino ka manao hoe rehefa voafelaka ny tarehinao havia dia tolory koa ny havanana. Ny fiainana ao anatin\'ny fahamarinana izany no mitondra fifaliana ho ahy.
4. isrine ( 17/01/2005 13:09)
Za efa lasa mpino silamo, satria nanambady silamo. Tsy noterena akory za hanarahaka an\'io fa kosa te-hahalala bebe kokoa ny tena ventin\'ny finoandry zareo.
ny hitako hoe fahasambarana dia ny fitiavana. Ary @ alalan\'io fitiavana io no ahavitana zavatrabetsaka, eny fa ny tsy noeritreretina ho vita aza.
Tokana Atra fa ny fomba entina midera azy fotsiny no samihafa!
5. chipie1 ( 17/01/2005 13:19)
za ndray aloha de batista nianatra tany aminy sekoly katolika , amiko andriamanitra iray iany , fa ny itako nahasamy hafa fotsiny refa hatao batisa na batemy mou zany de efa olona lehibe vao hatao fa tsy zazakely ... satria ao aminy baiboly misy soratra oe \" izay mino no hatao batisa\" de zay no narahany,
6. booboo ( 17/01/2005 13:23)
Zà kristiana satria ao no hahatsapako fa malalaka kokoa zà @ zé safidy hataoko @ raha rehetra sy mampandroso anà kokoa.
7. kavitra ( 17/01/2005 17:32)
matoa misy ny tsekera eo @ kristianina dia iza tsy mazaka tsikeraina dia tsy TENA KRISTIANINA mino aho fa tsy mila hotenenina an\'i tsika indray ny nahazo an\'i Jeso (roraina,dakaina,tsikeraina,opaina,......)ka tsy ampahafirinireo no nahazo antsika
8. ikaretsaka ( 17/01/2005 18:01)
na izany aza dia tandremo ny extremiste be loatra
9. nikopol ( 17/01/2005 18:13)
Za mino an\'Andriamanitra fa sura za fa tsy kristianina, tsy silamo, tsy boudhiste sy ny sisa fa dia mino ny fisian\'ny hery hafa maro isankarazany, izay antsoin\'nyy sasany hoe Andriamanitra. Izaho aloha dia tsy manana relation manokana amin\'ireo Andriamanitra ireo e. Fa na izany aza dia tsy manelingelina ahy ny mpivavaka na ny tsy mpivavaka. Fa dia samy manao izay tiany io.
Ny zavatra fantatra fotsiny na misy na tsy misy Andriamanitra, dia ny fivavahana dia realité sociale tsy azo odiana tsy hita. :D
10. kinaoly ( 17/01/2005 18:17)
nikopol> amen :-P
11. nikopol ( 17/01/2005 18:17)
fa mande fiangonana za refa miaraka aminy mpiangona an. Mba tsara taiza ihany aho manko. :lol:
12. ikaretsaka ( 17/01/2005 18:33)
fitaizana izany ny fivavahana @ ialahy :D mety ka
13. nikopol ( 17/01/2005 18:41)
ikaretsaka, zay kou, ny fitondrantena nampianarina ny akamaroany avy aminy fivavahana daholo.
Soa ihany alou fa ny fivavahana rehetra samy nanome balizy hahafahany olombelona miaramiaina sy mi-preserver ny espece.

:lol:
kinaoly amen nga ! na tsy mpivavaka aza za dia niosona niaraka taminy mpivavaka dia lasa manana toetrana mpivavaka tsy satry fa miala tsiny
14. ikaretsaka ( 17/01/2005 18:43)
marina mihitsy letsy zany ry kopol..
15. chipie1 ( 17/01/2005 19:26)
inn no ialana tsiny ry ra niko?
16. mihanta ( 17/01/2005 22:37)
aleluia :-D
17. tandanitra ( 18/01/2005 10:29)
Fitiavana sy finoana ary fanantenana no mitondra ny fivavahana rehetra. Izaho kristiana:
- MANANTENA ny fitsanganan\'ny tena @ maty @ ilay corps spirituel,
- MINO an\'i Jesoa Kristy, Zanak\'Andriamanitra,
- miezaka miaina @ FITIAVANA araky ny maha Andriamanitra Fitiavana ny Andriamanitra izay inoako ary tsy tia manimbazimba ny finoana na fivavahan\'ny hafa.Izaho koa sahy milaza fa tsy extremiste ny mpino kristiana.Izao fotsiny no izy :na ianao mino na ianao tsy mino an\'Andriamanitra dia zakainao ny vokany (na paradisa sa na helo ). Amen !
18. ravatorano ( 18/01/2005 12:08)
teny saika ho lazaiko daholo ireo voalazanareo ireo hany ka lany bala aho fa dia amin ny manaraka indray eh
19. chipie1 ( 18/01/2005 12:51)
ravatorano> ndana fahano klou ny basy aza de aza tifirina lotra ny namana an! :-D
20. moi ( 18/01/2005 13:18)
Aiza ny boudhiste sy ny mbola tsy nanoratra o !
Ny mpino fomban-drazana ...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1943