IO TOKANTRANO IO

1. ludo ( 18/08/2004 13:55)
Veh tsy mahay mitondra tokantrano d mety mampisy olana @izy mivady v zany ndrindra ny
leh sasany zay sarotiny???
répondu par mimich le 13/12/2004 15:39
2. kally ( 18/08/2004 15:49)
Ohatry ny ahoana moa ity lazain'i Ludo hoe vehivavy tsy mahay mitondra tokatrano?
3. ludo ( 18/08/2004 16:45)
veh tsy mahay mitantana ary e!! zany we tsy mampirafy an fa fomba fitantanana tokantrano
@ ankapoben(mahandro,fahadiovana,filaminana,ect,......)
zay kosa ngamba o ? mazava ngamba zay!!!
4. kally ( 18/08/2004 18:28)
Tsy mba tsy fahaizana izany fa hakamoana!

Misy ny lehilahy no mahandro sy mikarakara ny momba azy (akanjo,ets) fa na izany aza raha mba te-hody aloha aza ralehilahy fa tiany ny vadiny vao mieritreritra ny trano mikorotam-belona izy d' efa aleony aloha makamaka aina aty ivelany.
5. fijo ( 18/08/2004 21:38)
misy tsy mahay mihintsy ry kally an.efa nahita sipa gasy aho tsy mahay mahandro vary akory.loza be
6. kally ( 18/08/2004 23:49)
ka io ilay lazaiko an'i Fijo hoe hakamoana ho'a izany : raha tena nazoto izy nitady sy nanandrana samirery ny fomba fandrahoam-bary mandra-pahainy azy.Matoa izy tsy mahay manao n'inon'inona dia satria kamo hatry ny kely,zatra mitazam-potsiny ka na ny mamalona ny akanjony aza tsy hainy.Aza sendrany ihany!!
7. ludo ( 19/08/2004 08:05)
amiko tsy akamona fa ny fitaizana azy mbola kely ka hatr@ ivoahany anambady no tsy nety
8. sipagasy ( 19/08/2004 08:15)
Dia iza izany no diso???? ny ray aman-dreny nitaiza????????, :{
9. booboo ( 19/08/2004 08:54)
ludo>dé na efa tsy zaza intsony ara ve dé tsy hahalala ho tonga saina oe tokony mba hisy minimum ho hay ihany eto @ ity fiainana ity raha resaka fikarakarana tokantrano ! hakamoana zany amiko !
10. mimich ( 19/08/2004 09:39)
ra oll efa lhb kos no mbola tsy hahay raharaha na dia kely az dé efa hakamoana be tsy roa aman-tany zany ee! refa lhb tsinona ny oll, dé manana fahatsiarovan-tena sy tonga saina hoe tokony hanana fahaleovan-tena fa tsy hiankina @ hafa foana indrindra fa eo @ resaka fanaovan-draharaha.
11. ludo ( 19/08/2004 10:11)
eny e samy manana ny fitsarany ny tsi-1-1 fa
zava-misy no tantaraiko sanatria we manakiana anreo veh non olona fantatro akaiky lay ol zatra niadana tao @ rad ny tsy
nikasika mihitsy fa ny mpanampy no nanao ny zvtr rhtr d zao izy nivoaka nanambady ka misedra fiainana d milaza izy fa mijaly hono
fa tsisy hainy ny lohany sy vodiny @ resaka tokantrano ! amiko zany tsy akamona fa tsy nanana finiavana t@ fahazaza
12. yonikafopl ( 19/08/2004 10:59)
ka ilay tsy fananana finiavana ange ka akamoana ihany no mahatonga izany ludo e. Satria rehefa ao ny fahazotoana misy ny finiavana. Vehivavy tsy misaina ny ho aviny izany. :lol:
13. booboo ( 19/08/2004 12:01)
zay mihitsy !
14. manova ( 19/08/2004 14:50)
Aiza aloha ry Ludo zany oll fantatrao zany, samy hafa manko ny aty ampita sy ny any Dago, fa raha aty no tsy hiezaka sy hahay n'ina n'ina dia efa kamo sy misary adala
15. fijo ( 19/08/2004 20:06)
misy fahadisoan'ny RaR mihintsy io fa aleo dia lazaina ny marina.maro ny ankizy vavay any mada no zatra io tsy manao inona io ary rehefa manambady dia mbola zatra mpiasa koa ka dia io no vokany.zavatra hitako izany fa tsy tantara akory.
16. ari.malala ( 20/08/2004 06:03)
Hahandro izay hohanina sy handamina avy ve dia tsy ho hay? Hakamoana sy hadalana izany amiko! Izay ilay atao hoe tsy mandray ravin-dena, dia avy eo tsy mahay n'inon'inona. Ny hadisoana dia an'ny RAR aloha satria tsy mba manery ilay zaza hanao raharaha aloha, dia an''ilay zaza koa satria tsy misaina izay hoaviny.
17. mimich ( 20/08/2004 12:20)
zay le hoe zaro @ lalana tokony halehany ny zaza e!
18. fijo ( 23/08/2004 20:42)
izay koa no andraikitry ny RaR
19. yonikafopl ( 24/08/2004 00:23)
ka na mampianatra sy sasatra manoro aza le RAD nefa le vhv kamou inn no ho vokany??? toy ny mpampianatra lany rora mampianatra nefa misy ireo izay manamafy sofina.
20. mimich ( 24/08/2004 09:38)
iaza ny tsy hahandro izy ry yonika rehefa nona nefa tsy misy mpanao a!, ny mahavoaan'ireny anie ka le kenakenaina foana e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0555