mampijaly ny fitiavana
1. xxx
(
17/08/2004 07:25)
Ilay olona tiako tsy tia ahy, nefa ilay olona tian'ilay olona tiako tsy tia azy.
Ilay olona tia ahy milaza fa mijaly hono izy nohon’ny fitiavany ahy be loatra, tsy fantany manko fa mijaly aho nohon’izany fitiavany ahy izany satria isarangotany.
Mijaly aho satria tsy tian’ilay olona tiako, mijaly aho satria ilay olona tiako tia olon-kafa, mijaly aho satria mahita ilay olona tiako mijaly tsy tian’ilay olon-tiany.
Ananako avokoa hono ny « kanto » amin’ny sehatra rehetra, tsy midika izany fa hoe tanteraka aho na dia izany aza, koa nahoana aho no tsy tian’ilay olona tiako ?
Sambatra hono izay miaraka amiko, koa nahoana ilay olona tiako no milaza fa tsy te hiaraka amiko satria matahoatra ?
Misy olona tena tsy mahavita na inona na inona nohon’ny fitiavany ahy hono, dia lazaina fa mampijaly hono aho, aty amiko daholo ny tsiny ; tsy mba mitsetra ny fijaliany hono aho ; ary izaho angaha tsy mijaly ? tsy izaho ve no tena mijaly amin’izany rehetra izany ? mijaly satria tia olona tahaka azy ? mijaly satria tsy tian’ilay mba olon-tiako ? ilay olon-tiako te hiaraka amin’olon-kafa ? mijaly satria ilay olona tia ahy nefa tsy tiako manaraka ahy eny foana ?
:oops:

répondu par bichette le 27/08/2004 06:21
2. rvoulah
(
17/08/2004 07:46)
somary sarotsarotra vao azo ny tena tinao holazaina.
ka raha tsy tia anao moa izy , nahona enao no mbola hijanona aminy fa mba mitadiava koa ze olona afaka manampy sy mety mahasambatra anao.

4. tsiperifery
(
17/08/2004 08:11)
Mitotoa koba hatavy e ! Farafaharatsiny @ izay tsy mijaly @ hanohanana :)
Marobe no mbola azo isafidianana ka mba mivoaboaha ahita fitiavana hafa fa aza mampijaly tena misarangotra @ tsy anjara hampiongo-bolo fotsiny e !

5. tequila
(
17/08/2004 11:54)
Azoko ny mahazo anao . Tsy hita anefa izay tena afaka hambara satria tsy tiana ny maheno hoe avelao ho avy araka ny fotoana ny zavatra , na hoe resaka voditsobika sns. :cry:
Aleo hono nefa miaraka amin'olona tia anao toy izay miandry ny tianao tsy tia anao . Sarotra ny mianatra mitia olona zany raha efa tsy dia tena nisentoana .
Ny azoko ambara dia raiso raha mety aminao , fa Izy hono no manome ny fitiavana , ka dia arakaraka izay zany .
:) Fa asio tsiky ny fiainana fa io hono nge contagieux e , rehefa miainga ny zavatra tsara dia manaraka daholo ny rehetra . :wink:

7. nikopol
(
17/08/2004 12:12)
Mety misy hafa any ho any sady tia anao no tianao, aza manary toky. :lol:
9. xxx
(
17/08/2004 12:45)
mpandefa lay hevitra :
Dia raha araky ny teninareo izany dia tsaratsara ho ahy ny miaraka amin'izay olona tia ahy na dia tsy tiako (na hoe tsy mbola tiako aza) ? hummmm ! tsy dia mijaly aho amin'io fotoana io ?

11. nikopol
(
17/08/2004 12:54)
Raha afaka manome toro-hevitra za dia aza miaraka amin'ny olona tsy tinao zany na tia anao aza izy.
Andramo ihany aloha fa mety ho tsara e! :lol:

12. hery
(
17/08/2004 15:12)
Ilay olona tia anao kanefa tsy tianao aloha avelao amin'ny sisiny mandrapitiavanao azy indray... tsy mety izany fitiavana terena izany fa efa tsy any Faratsiho (oups... tongatonga fotsiny io) intsony isika.
Inona no tsy itiavan'ilay olona tianao anao? Noho izy mitia olon-kafa ve sa ianao mihitsy no tsy mamely? Ary izy mitia olon-kafa ve tena mifankatia ry zareo? Raha ianao no tsy mamely eo imasony ka atakalony olon-kafa dia mbola afaka miady ianao. Ny toetra ratsy hono azo ovaina. Raha tena choix-ny ny hitia olona hafa fa tsy vokatry ny tsy fitiavany anao dia tsy misy fika intsony fa aleo mitady olona hafa mitovitovy amin'io olona tiana io... na dia tsy hahita toa azy intsony aza ianao dia misy olona manana izay zavatra nitiavanao azy.
Mahereza

13. tolotra
(
17/08/2004 15:34)
mitadiava ianao olona iray itianao,de apetrao any ilay tsy tia anao.efa tsy anjara angamba ny anareo,sao antitra eo ampiandrasana sy eo ampijorona eo fotsiny!
14. poupounesana
(
17/08/2004 17:57)
mba tsy hijalianao b loatra d ezaho tiavina zay tia anao eh!
sangisangy ny ahy fa enao ihany no tena mahita ny tokony atao!ny fo koa anie tsy azo terena eh!fa ezaho ampiarahana manapak'hevitra ny fonao sy ny sainao

15. fijo
(
17/08/2004 20:27)
safosafon'olon tia tsy tiana hono toa rojojandary.ka ny tsara dia ny misintaka rehefa tsy ao ilay feeling
17. tequila
(
18/08/2004 16:46)
misy ange olona afaka ianarana ho tiana ihany e . Vao haingana nisy olona niteny tamiko hoe ny hanambadian-kiadanana hono . Ny azo raisina amin'izany dia izay tsy mampijaly raisina . :wink:
19. yonikafopl
(
19/08/2004 10:33)
ny tena fitiavana dia ny manome sy mitady izay hahasambatra ilay tiana.Raha misy olona tena tianao ary safidiny ny tsy hiaraka aminao fa amin'olonkafa izy no mahita fahasambarana kokoa dia avelao izy ho sambatra miaraka @ ilay tiany raha tena tianao izy. Nefa ianao eto milaza fa ilay olona tiaviny tsy tia azy akory??
ary izay koa ny mampijaly anao ny mahita azy mihafy @ ilay olona tsy tia azy.
Sarotra ihany ilay resaka fitiavana, tsy mety koa anefa ny hanery ny fonao hitia olona tsy tia anao izany fa sady handratra anao no handratra ilay olona tia anao koa.
Aza kivy fa mbola misy any ho any olona mety ho tianao mihoatra lavitra noho io olona io, sady tena tia anao kou.