partitions

1. tipet ( 28/05/2004 13:25)
Maninona moa raha fanampin'ny tononkira efa misy, asiana takelaka iray andefasana tononkira miaraka amin'ny naotiny ho an'ireo tia mozika rehetra.
répondu par sakaiza le 10/08/2004 06:56
2. fyjl ( 28/05/2004 14:53)
Tena tsara ny hevitrao tipet, fa tsy fantarao we possible vezany sa tsia. Ho an'ny tia mozika dia tena fanampina be mitsy zay zavatra zay. Fa ny mety olana fotsiny de tena ho partition tena marina ve no ho avy eo. Ny tononkira mantsy tsy dia maninona loatra na misy diso aza fa ny partition tena mahasarotiny ny tompony mihintsy. Nefa mino aho fa hitandrina tsara izay malala-tanana hanome an'izany mba tsy hanome zavatra diso
3. samoina ( 28/05/2004 15:11)
Na de ny clé hitondrana azy fotsiny aza de efa mahafinaritra ho an'ny namana toa anay mianatranatra mitendry gitara e !
4. ikaretsaka ( 28/05/2004 18:43)
izay mihitsy... iza ary no vonona hiaraka amiko hitady clef e.. tairo ry zalahy musiciens an
5. fijo ( 31/05/2004 23:22)
za koa diamba efa nangataka io ihany,fa tsy mbola nahazo e
6. fijo ( 01/06/2004 23:09)
alefaso moa ry zalahy izay mahay fa mba mila anie ny namana e.
7. ikaretsaka ( 02/06/2004 00:57)
Ramaso> ary ialahy mahay le .. @ ilay hoe raha mba mangingina aho indraindray...
La bemol de sol diese de misy re de ohatran'ny mi bemol de inona avy eo ilay any amin'ilay hoe blablabla malefaka tsy mety mihato izay mahay?
8. tipet ( 02/06/2004 04:22)
Ramaso sy ikaretsaka zao efa mahay fa raha mandefa tononkira laisany rangah de tonga de asio naoty aaah. Torak'izany koa izay mahay mozika rehetra.
9. ikaretsaka ( 02/06/2004 04:34)
tena tsy haiko ny tonony f any feony fotsiny no haiko ..
10. fijo ( 03/06/2004 22:22)
ny ahy dia mahaleo sy ry lolo ireny.tselonina ireny no tena mba tiako raha misy mahita.ny hira vahiny dia misy boky any amin'ny FNAC
11. ikaretsaka ( 04/06/2004 03:12)
ny hira gasy raiketo fa efa vetsaka ny vonona e
12. samoina ( 04/06/2004 07:58)
fijo/ Hay ve elà tia tselonina e ! Namako elà fa andao hivazo e !
13. fijo ( 07/06/2004 23:42)
ny ahy letsy dia ireny no tiako fa ilay izao vitsy no tena mba tiako.dia miandry ny namana hanome ary e
14. tipet ( 08/06/2004 06:38)
raha hira hafa leisy ry fijo de afaka manome zah fa raha Tselonina tô ts mahay miitsy ah. Dia atao aiza anefa raha alefa le hira sy naoty?
15. samoina ( 08/06/2004 08:52)
tipet / Omeo titre sy ny accord de base alou @ vôlohany de mihezaka midebr zahay débutant e !
Oh: "Mpivahiny"- Lôlô
Lam/Do , izay no fahaizako azy de lazaiko. De manampy ny namana hafa hanatsarana azy
16. kitjo ( 08/06/2004 13:20)
Oay, za ko hanao ra io Lolo io ,
mba atombohy marina d andramana, za aloha tena tsy maahy an le theorie be manko d mihaino d manaraka

alefaso eeee

tipet> Aona raha Mahaleo? Embona ohatra na "Hanaraka anao"

Lalatiana : Avelao???
Misy ve?
17. fijo ( 08/06/2004 23:33)
misaotra mialoha letsy tipet an.io voalazan'i samoina io no fika tsara.tsy tselonina ihany no tiako fa na mahaleo sy lolo sy ny hafa aza tiako daholo e..
18. tipet ( 09/06/2004 05:28)
OK ary ry zalahy. Mahaleo sy Lolo zao no misy.Ka ts haiko iza no anombohatsika azy. "Hanaraka anao" ohatra ve. Zah koa nge ry zalah ts de mahay fa mba mikitikitika fotsiny eh. Ka aza tsiny raha misy diso ohatra ny lasa any rehefa mandefa zah. Aona? alefa mail sa aôna. zay zao no mbola ts hitako ny anaovana azy. Hanraka anao zao Do ny naotiny. Accord de base : Do Lam Fa Sol Mim ireo no miverimberina ao
19. kitjo ( 09/06/2004 17:06)
Oeeeee

tipet> mba misy zavavy ato fa tsy zalahy aby k, misaotra @ le Mahaleo fa "les femmes d'abord" znay e,hihihihi

alefaso eto d amzay miaaramahita sa tsy mety?
20. fijo ( 09/06/2004 21:37)
misaotra letsy tipet a,dia efa mba nametsovetso tato sahady ary moa fa zara aza misy an'ireo hifaliana.
kitjo>ary iza koa ity sipa kely mahery vaika be misisika ity kle.hilalao glita koa ngaha dry?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1464