sarotra hono ny mitady vady aty andafy..

1. joda ( 14/04/2004 08:53)
ho an'ny celibataire...
répondu par fijo le 28/04/2004 20:38
2. cathy ( 14/04/2004 09:43)
fa maninona? na ho an´ny lhl na ho an´ny vhv ve? any Dago ry reto mora a!
3. xxx ( 14/04/2004 11:21)
ahoana moa no hoe mahamora azy ?
4. sobika ( 14/04/2004 11:36)
Aiza koa no hoe mora eh!
mety hoe aty fotsiny ny 85% ny mponina gasy daholo de mba betsaka kokoa ny chance ahafahana mifanena @ le mety ho vadinao! nefa refa tsy anjara nge tsy mety hihaona mintsy eh!
5. joda ( 14/04/2004 14:37)
raha ny hitako aty france aloha surtout ho an'ny vehivavy gasy dia sarotsarotra....
6. voahary ( 14/04/2004 14:42)
ka tokony mieritreritra vady aty Dago fa tsy hoe rehefa any france fotsiny
7. nenitiana ( 14/04/2004 15:15)
Mahagaga ahy izany ianareo any france tsy mahita vady izany, ka ny frantsay lehilahy ireo aza ry reto mandeha any dago maka vady koa ianareo any no tsy hahita, sa ilay vady gasy no resahina eto?, ianareo izany tsy hanambady raha tsy gasy?
8. tequila ( 14/04/2004 18:05)
Ka ngah moa io ngamba misy hoe zah tsy hanambady raha tsy gasy na inn fa arakarak'izay tonga eo , nefa aloh amy voalohany ve tsy hieritreritra hoe mitady gasy toa ah ...
9. sipagasy ( 14/04/2004 18:06)
haka ihany kosa ve aloha tsy aleo maka ny mitovy fihaviana @ tena é! hi!hi!hi!
10. angie ( 14/04/2004 19:12)
Aza mamely havana ry sipagasy a
11. angie ( 14/04/2004 19:13)
Ny ahy aloha dia avy @ tompo iny na dia vaza aza e, ny toetra no important.
12. yonikafopl ( 14/04/2004 20:04)
Marina ny an'i angie, rehefa olona manam-panahy sy manana ilay toetra ilainao na avy aiza na avy aiza dia Ok foana , ary tsy ny fitadiavam-bady akory no sarotra fa ny fitadiavana ilay iray mba iriana sy mifanaraka @ ilay critere ilaina.
13. fijo ( 14/04/2004 20:15)
marina izany fa tsy ny fitadiavana no sarotra fa ny fifidianana ilay tiana ary gasy.
14. ikaretsaka ( 15/04/2004 00:29)
tohanako 100%
15. samoina ( 15/04/2004 11:57)
rehefa tena mitady mora foana fa mbola tsy vonona matoa tsy mahita e !
16. jeanbob ( 15/04/2004 19:06)
Zaho manokana dia tsy mahita ny mahasarotra azy. Lehilahy ny tenako ary ny vady fitady .. tsy ny ho vady ny vitsy fa ny ho rafozanina no vitsy.. Hoy isika malagasy izay.

Zaho aloha dia aleoko lavitra ny vehivavy gasy. Gasy ka manja ihany io e. Ireny no mahalala ny fahorian'ny Malagasy ... Tsy hoe soumise ny vehivavy gasy fa mbola mandala ny maha-mpianakavy !

Izaho manokana dia tsy mahita ny mahasarotra ny mitady vady aty ivelany, ny mifanohitra amin'izay aza no hitako fa aleoko aloha matsaka sipa gasy any Dago na dia zany aza fa ny vehivavy tonga aty anie saika midingindram,bo daholo e ! Sa ahoana ry reto hahahaha, tsy midingindrambo ve ianareo ...

Ny antony dia tsotra efa manaraka ny fomba fisainana vahiny dia manadino ny fototra ...

Aza misy miala eto anh ...

17. fijo ( 15/04/2004 20:23)
marina io midingindrambo io ry sipa isany a.
18. yonikafopl ( 15/04/2004 21:05)
non kosa e! izahay aty fa tsy midingin-drambo izany; sa ve arakaraka ilay toerana io?, ny anareo any france any angamba.
19. pitchou ( 16/04/2004 09:39)
asa marina! ny toerana nisy ahy tany aloha tsy nisy nidindin-drambo izany! fa rehefa tsy tiany kosa moa ve enao d hoterenao izy na hanery tena hanambady anao?
20. joda ( 16/04/2004 13:04)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2796