Aleo angamba afindrako eto ny mikasika ny Lioka 13. 3

61. Miharena ( 09/09/2017 04:17)
Ilay teny eo ambany milaza fa afaka mamerina izao tontolo izao tsy hisy indray aloha dia tsy ao anaty programa. Azo vakiana hatramin'ny farany ny Baiboly fa tsy mahavita manafoana izay misy Andriamanitra fa manavao no azoNy atao.

Tany vaovao sy lanitra vaovao no voasoratra.

Raha ny hery namoronana Kerobima tsy hahafoana azy velively fa mananatra no azo atao mba hiverenany amin'ny lalany na hamoronany lalana tsara kokoa fa raha izao androntsika izao aloha, raha mbola betsaka ireo olona tsy miombona amin'ny Tompo Mpahary dia lasa manaotao foana hatrany e! Satria rehefa tsy AZY dia an'ilay mpanohitra.

Tsy levona mihitsy manko ilay hadalana rehefa dinihina tsara ny fiainantsika, indrindra fa ho an'ireo mihevitra fa tsy misy daholo na Andriamanitra na Devoly ka zary manao fiainana manao izay danin'ny kibony izy satria tsisy bedy. Dia mikorontana ilay fiarahamonina.
62. rhaj0 ( 09/09/2017 22:07)

Miharena:
Tany vaovao sy lanitra vaovao no voasoratra.

Sy Devoly vaovao?? nanao "reset" indray izany i Andmntry ny Kristiana.

Miharena:
ireo mihevitra fa tsy misy daholo na Andriamanitra na Devoly ka zary manao fiainana manao izay danin'ny kibony izy satria tsisy bedy. Dia mikorontana ilay fiarahamonina.

Efa im-10 lazaina hoe, ndana zahavo ny statistika ry Miharena, hoe firy isan-jaton'ny atheista
- no any am-pigadrana
- no any @ Oniversitia

Tsy takatrao mihintsy ve ny paikaben'ireo milaza fa, rahefa TSY @ reviny hono dia "rotaka"??

Dia "mino" ery ry Miharena, dia miboloky tsy am-piheverana.. Anarany fotsiny mba efa mahita interinety dia mba tokony mahalala ny fandehan'ny fiainan'izao tontolo izao. Hafa ny taloha, nihidy tamina vohitra kely.
63. Miharena ( 10/09/2017 03:15)
Raha ny Baiboly aloha dia manome tokoa hoe misy ny helo izay halehan'ny ratsy fanahy sy ny tsy mino. dia hatreo aloha fa tsy fantatra izay Helo vaovao any rehefa hisy ny tany vaovao voadio sy lanitra vaovao.

Ny olana amin'ny fiarahamonina indray : Arosoy aloha ny statistikanao dia ho hita eo hoe ateista sa kristianina no betsaka any am-ponja.

Ny olana manko dia izao, misy ny mitonona Kristianina saingy ateista nefa izy raha ny marina.

Tsy resaka boloky io resaka io misy Andriamanitra ary nisy ratsy fanahy. Izay tsy manaiky izany dia minia tsy mijery fa manaoizaysaimpantany fotsiny ihany.

Sa hanao toa an'i David Icke hoe sarisary noforonin'ny olona daholo ireo matoa iainan'ny olona ?
64. rhaj0 ( 11/09/2017 13:39)
Miharena:
misy ny mitonona Kristianina saingy ateista

Ny an-dry Miharena ve moa, rahefa TSY mitovy (finoana) aminy, rahefa tsy "mino" ny (Atra) inoany, araka ny "fombafombany" ao, dia ... "atheista" daholo.

Dia peho ho atheista, ary ataovy mangana mihintsy izany ireo namanao (kristiana) be dia be eraky ny fonja ee...
IZaho indray ve hi-contredire anao @ izany ry MIharena :-)

Ry mopera/pasitera nefa @ io serina mihintsy hampadio an'ireo Kristiana gadra namany ireo.
65. Miharena ( 11/09/2017 17:52)
Tsy ampy valinteny ianao Rhaj0.

Tsy jerenao hoe iza ireo olona migadra ary nahoana no mankany ny mpitondra fivavahana?

Raha ny marina dia asan'ny mpitondra fivavahana ny mamerina ny olona am-bala ka na iza na iza migadra, dia mahazo ny anjaran-tenin'Andriamanitra daholo mba hibebaka.

Ary aoka ho fantatrao fa na ianao io aza dia isan'ny taomina hibebaka sy hino an'Andriamanitra.

Ka aza manao ilay afirmasio gratoita ianao fa manjary mivoana.
66. rhaj0 ( 11/09/2017 22:43)
Miharena:
Raha ny marina dia asan'ny mpitondra fivavahana ny mamerina ny olona am-bala

Izany hoe "tao am-bala" = kristiana izy taloha.

Dia nefa "nanota" ary dia "nivoaka ny vala" = TSY-kristiana na Athée (arak'i i Miharena)

Dia averin'i MOpera/Pasitera ho ao am-bala = kristiana indray


TSy nandrabe ve izany?

Dia iza azany no nandra: ilay gadra, sa ilay kristiana, sa i Mopera, sa i Miharena, sa ilay angano petatoko eee ??..
67. endriny ( 12/09/2017 04:51)
Fa angaha tsy hoe holevonina izao rehetra izao no hoe tsy afaka manafoana izao rehetra izao indray?
68. Miharena ( 12/09/2017 06:58)
Ny asa fandevonana Endriny dia mazava fa izay tsy ilaina no levonina satria tsy miteny ny toriteny raha tsy misy fiainana mandrakizay.

Ny momba ilay famerenana am-bala Rhaj0, mazava fa ny fahamafisan-dohan'ny olona no tsy inoany fa nisy namorona izy.

Dia mampahatsiahy ny Mpitandrina sy ireo Mpaminany izay voantso hanao izany asa izany.

Fa ny asa dia an'i Jehovah sy Jesoa fa iraka ny ambiny.

Ka tsy eo amin'ny resaka hoe kristianina dia niala dia averina izany fa ny olombelona rehetra ampahatsiahivina fa tokony hiara-miasa amin'ny Mpahary fa tsy handehandeha araka ny saim-pantany eo.
69. rhaj0 ( 12/09/2017 12:48)
Miharena:
ny olombelona rehetra ampahatsiahivina fa tokony hiara-miasa amin'ny Mpahary fa tsy handehandeha araka ny saim-pantany

hi hi hi... Ahoana azany no hiarahana miasa @ "Mpahary IMAZINERA" ao @ imazination( Kolektiva) anao irery ao ry Miharena. Tena TSY takatry ny saim-pantatrao mihintsy io an...

Tsy takatrao mihintsy hoe, ahoana no hijapianay ao @ Imazination-NAO ao ry Miharena..

Fa rehefa ao @ imazination-nao ihany azany ianao ry Miharena, dia amboaboary ao hoe, "efa miara-miasa" hoe izaho (ohatra) sy izao Mpahary izao. Izany no mahatonga ahy manoratra eto sy mivanitika @ finoan'i Miharena eto, Efa nahazo ny tsodranon'ilay Mpaharinao aho hanoga ny finoana-primitiva-nao ry Miharena aa...
Dia izany io hitanao ataoko io :-)
70. endriny ( 12/09/2017 14:07)

Miharena:

Dia mampahatsiahy ny Mpitandrina sy ireo Mpaminany izay voantso hanao izany asa izany.


Efa tsy misy mpaminany intsony izao ry Miharena fa aza midelira a. I jaona mpanao batisa no mpaminany farany. Fa efa tonga ny Jesosy mpamonjy taorian'i Jaona
71. Miharena ( 14/09/2017 06:19)
Aza manao izany ianao Endriny.

Tsy mifarana ny fisian'ny Mpaminany fa jereo tsara ny Baiboly.

Jereo ny Romana toko 12 : 2---

2 Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina*. [* Gr. tanteraka].
3 Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin'ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain'Andriamanitra ho anareo avy.
4 Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena,
5 dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin'i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra.
6 Ary satria samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika: raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana;
7 raha fanompoana amin'ny fiangonana, dia aoka ho amin'ny fanompoana; raha mampianatra, dia aoka ho amin'ny fampianarana;
8 raha mananatra, dia aoka ho amin'ny fananarana; izay manome, dia aoka ho amin'ny fahatsoram-po; izay manapaka, dia aoka ho amin'ny fahazotoana; izay mamindra fo, dia aoka ho amin'ny fifaliana.
9 Aoka ny fitiavana ho amin'ny tsi-fihatsaram-belatsihy; mankahalà ny ratsy; mifikira amin'ny tsara.
10 Mifankatiava araka ny fifankatiavan'ny mpirahalahy; mitariha lalana amin'ny fifanomezam-boninahitra.
11 Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo.
12 Mifalia amin'ny fanantenana; miareta amin'ny fahoriana; mahareta amin'ny fivavahana.
13 Miantrà ny olona masina araka izay ilainy; mazotoa mampiantrano vahiny.
14 Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona.
15 Miaraha mifaly amin'izay mifaly, ary miaraha mitomany amin'izay mitomany.
16 Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin'ny fietrena ianareo*. Aza manao ny tenanareo ho hendry. [* Na: manetre tena amin'ny malahelo]


Fomba filazanareo sy Rhaj0 moa ilay manao afirmasio gratoita ka tsy hitarika anao hanao izany aho Endriny fa jereo ny Soratra aloha sy ny zava-misy iainana.

Matoa moa ny tena mbola mananatra ihany eto dia satria manana ireo fanetren-tena azo avy amin'ny Tompo voambara ao amin'io andinin-tSoratra Masina io dia mba mampianatra eto ihany e!

72. rhaj0 ( 14/09/2017 12:24)
hay va re i Paoly ao @ Romana no nanisika io "raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana" io.

Asa indray ahoana ny dikan'io andininy io @ teny orijinaly anglisy sy frantsay, fa ataovy ny devoaranao ry Miharena fa efa niaraha-nahita teto fa i Andrianaivoravelona anie ka mivaralila matetika loatra eee...

Fa ny mampihomehy tsiravina ahy fotsiny dia:
Ity "faminaniana" kay hono, hozy i Paoly, ka hoe "ATAO"???

Toatoa ny hoe, avy mikaly hariva izany i Paoly, dia rahefa mahazo ny daoziny tsara iny, dia hoz'izy mibadabada lela hoe:
Ndeha HANAO Faminaniana indray k'lou fa tss.... "arrry ataao arrrakky nny ohatrrrin'ny Finoaaannna" ilay izy an...

73. Miharena ( 14/09/2017 17:53)
Tsy nitombina mihitsy ny firesakao fa avereno vakiana tsara.

Efa lasa Jesoa vao nisy Paoly nitory teny ary mahalala ireo karazana Mpaminany tamin'ny fotoan'androny fa tsy izay efa nandalo ihany akory.

Betsaka ny Kristianina no misy mahazo fanomezam-pahasoavana maminany.

Ary aza averina amin'ny resaka fandikan-teny ny resaka fa ireo fandikan-teny ireo matoa nivoaka dia hahafahana mamamntatra izay tena tian'ny Mpahary lazaina.

Raha tsy izay no izy dia efa ela no navela ny Baiboly satria tsy misy dikany mazava sy tsy mananatra sy mitaiza ny olona.

Maro no mahita lesona mazava ao.

Fa ny olona vetaveta ve moa tsy ny azy ihany no asesiny!?
74. rhaj0 ( 14/09/2017 18:32)
Ka "atao" sa "tsy atao" ve azany k'lou ny "faminaniana", hoz'i Paoly ao @ io Romana io eee...

(i Paoly no nanoratra ny Romana ngo dia tsy fantatr'i Miharena)
75. Miharena ( 14/09/2017 18:59)
Fanomezam-pahasoavana no voasoratra fa aza avily any amin'ny hoe Paoly no nanoratra fa ilay voalaza resahana.

Mila jerena eto hoe mazava saina ilay miresaka sa ... mbola hamerina io fomba firesaka tsy misy laoniny io hatrany.

Misy ilay fiteny hoe ny azy ihany no asesiny ... na dia hita aza fa mivadika tsy araka ny tokony ho izy.
76. rhaj0 ( 15/09/2017 01:52)
Tsy (ho) takatr'i Miharena mihintsy ny fandehany, fa dia aleo ahitsy indray azany ny fanontaniana ee..

Ka "atao" sa "tsy atao" ve azany k'lou ny "faminaniana", arak'io ao @ Romana io ee..
77. endriny ( 15/09/2017 05:44)
Aza mirediredy re ry Miharena a. Fa ny asa nampanaovina ny mpaminany dia ny fanomanana ny olona ny amin'ny niavian'ilay mesia. Dia izay fa tsy misy mpaminany intsony rehefa tonga ny mesia.

Fa mpianatry ny mesia sisa no nisy aty aoriana.

Mandehana vakio ny bokin'ny mpaminany aza fady,

Aty aoriana tsy misy faminaniana intsony satria na ilay lazaina fa mesia aza tsy mahalala na ny ora na ny fotoana hiavian' ny farany.

Ary efa voalazany daholo ny zavatra hitranga @ farany.

Fa hiraraka ny voatsinefy avy eny an-danitra. Satria hihozongozona ohatran'ny rotra ny lanitra
78. Miharena ( 15/09/2017 10:59)
Tsy rediredy ireo resako ireo aloha fa samihafa ny sehatra iresahana azy.

Ny an'i Endriny dia mazava tokoa fa ny faminaniana momba ny niavian'i Mesia ny iray ao anaty Baiboly.

Mbola misy faminaniana zavatra maro ao fa tsy io ihany koa akory. Ohatra : ny faminaniana ny ho faharavan'i Jerosalema; Ny faminaniana ny momba ny faharavan'i Babylona lehibe sns...

Ny an'ny ankehitriny dia misy ny faminaniana momba ny fahatanterahan'ireo zava-boarakitra ao anaty Baiboly rehetra ireo sy ny fikasana ho avy izay mety mbola vaovao amin'ny sofin'ny olona nandinika tamin'izany fotoan'andro nahazoana faminaniana anarivon-taona lasa tany.

Rehefa misy olona tendrena hanao io asa io ka manaiky dia ampitondraina faminaniana hanafarana ny zanak'olombelona momba izao andro farany izao.
79. endriny ( 18/09/2017 03:27)
Ka tsy misy mpaminany intsony fa aza mirediredy e!

Efa voalaza ao anaty TV daholo ny hitranga amin'ny fara andro fa aza manonofy intsony. Apokalpsia no anaran'ny faminaniana ny zavatra hitranga alohan'ny farany.

Raha misy milaza fa mahay noho ireo dia mpisandoka no anarany
80. rhaj0 ( 18/09/2017 13:28)
ka ilay teny hoe "maminany" mihintsy anie ry Endriny no hafa ny dikany ao @ diksionera-Miharena eee... Ary dia TSY hihaino anao mihintsy i Miharena fa efa coincé ao izy.

Fa dia io ho'a izany, rahefa avy voky dia mahazo daozy vao maraina izao, dia mibadalela hoe:
Ndeha HANAO Faminaniana indray k'lou fa tssss.... "arrry ataao arrrakky nny ohatrrrin'ny Finoaaannna" ilay izy an... (Romana 12:6)

Ohatra hoe, izaho izao "maminany" fa ... ao @ 94km atsimo andrefan'i Baghdad, izay misy an'ilay renirano Babilaonina, dia ... tena ho resin'ny Irakiana ihany ISIS r@ Zoma... 22 Septambara... ganagana mody.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1115