Aleo angamba afindrako eto ny mikasika ny Lioka 13. 3

21. RBNIR ( 17/08/2017 22:16)

tspoaeta:

za alo ts hamaky an'io gazetibe an'i RBNIR io e. k'rats voasazy aho k hamaky an'io

Afaka vakiana tsikelikely koa ange ilay izy e! :-) ampahafirin'ny an-dRA TAN sy namany ary io nefa ireny aza arakao tsara ihany e :-)

22. RBNIR ( 17/08/2017 22:29)
Miharena:

Mba handray anjara kely aho eto aloha Rhaj0 sy RBNIR

Io indray ianao sy imazinasion nao Rhaj0 rehefa tsy mahita havaly an!!

Mba hovay indra yilay diska fa efa goaka namana a!!

Ary efa manomboka hitan'ny olona marina tokoa ange ny fetran'ingahy (limite) rhajoizany tato ho ato e! :-)
23. rhaj0 ( 18/08/2017 02:28)
hi hi hi... dia mba toatoa ny ahoana hono ny mba fanaovan'i Miharena contradiction ny resako??

Araho tsara foana, fa tena tsisy venti-kevitra, tsisy n'inon'inona, fa mifiritidritika fotsiny ry Miharena, araka ny voninahitr'Andrmntra hatrany, dia mamerimberina fotsiny hoe, "goaka" hono ny fitombenan'ny resako ;-)

Dia hitan'i RBNIR @ ahoana koa ilay "goaka" aaa ??? sa rahefa averimberina io dia marina ho azy eo? :-)
24. Miharena ( 19/08/2017 09:10)
Izay aloha Rhaj0 no tena fahitan'ny maro azy hoe alefanao any amin'ny varotsimifodin'ny imazinasion dia tianao atao teboka ny lahadinika tsirairay momba ny finoana eto.

Fa raha mamaly ilay fanontaniana ataon'i Endriny indray isika dia izao no tena marina:

- Ny mpino dia mahalala fa manana fiainana mandrakizay izy.
- Tsy Jehovah no mandripaka fa ripaka ho azy izay tsy mino ary lazain'i Jehovah tsara hoe rehefa tsy miraharaha Azy dia afaka mandeha eny amin'izay mahafaty azy ny olona.

- Ny fahafatesan'ny vatana tsy midika fa ripaka ny olona iray satria eo vao manomboka ny fiainana any ankoatra.

- Ilay ankoatra fotsiny no mety any amin'ny fahaverezana na any amin'ny fiainana arakaraka ny asan'ny tsirairay.

- Dia hamafisina fa ny asan'ny tsirairay dia eto an-tany izy no manatanteraka azy dia minjinja rehefa mandao ny nofony eto.

Noho izany dia tsy mitombina ny filazana fa ripaka ireo olona niaran-doza satria tsy fantatsika ny fiainany aorian'io fotoana io.

Ny tsy mibebaka dia ringana satria tsy te-hanana fiainana ao amin'ny Tompon'ny aina.
25. rhaj0 ( 20/08/2017 19:41)
Miharena:
Tsy Jehovah no mandripaka fa ripaka ho azy izay tsy mino

Eto izany, TSY tompon'andraikitra hono izany i Jehovah, hozy Miharena, fa tena "ripaka ho azy" tao ny olona.

Izany no tena hoe, dia mamoromporona mba hampamety ny baolina fotisny ry Miharena. i Jehovah mihintsy anefa no mivava foana hoe, "ripahiko", na maniraka (n anjely) hoe "ripaho"

Miharena:
Ny fahafatesan'ny vatana tsy midika fa ripaka ny olona

RAhefa avy noripahan'ny Anjely anefa ireo olona, dia "maty ny vatany"


Amoromporony resaka dia avilambilano ao foana ho'a ny tenin'i Jehovah eee..
Izaho indray ve hi-contredire anao @ iznay .. :-)


(fa tatsy @ ilany tatsy, dia namaritra indray i Miharena)
Miharena:
Ny tena marina anefa dia tsy ny Kristianina no te-ho Kristianina fa ny Mpahary izao rehetra izao no miantso ...

Eto indray izany, dia TSY tompon'andraikitra (@ maha-Kristiana azy indray hono ny Kristiana, hozy Miharena, fa ny Mpahary no "niantso".. hotsahotsan'ny hoe, Atra no nisafidy ny Kristiana, dia "tonga ho azy" ho Kristiana tao RaKrisy.


Toa na ny fampianaran'i Jesosy azany toa tsy haiano akoriny re ery Miharena... taiza nisy Jesosy "niantso" re ry Mihrena, fa tena mba ahoana koa azany ianao izany. Dia tena izany ve no (mba) ampianarinao avy ao ambony alitara ao ry Miharena??? Dia mino dia manaraka izay lazainao tokoany ve ny olona rehetra ao???


O ry namana eto @ serasera.. aiza ianareo Kristiana (puriste ary tsara sitra-po) fa tena mivoraka mamoromporona sy mamalambalan-dresa-Baiboly ity Miharena ity, ary dia manala-baraka ny anaran'ny Jehovah @ ity resakany.
26. Miharena ( 21/08/2017 04:07)
Ianao Rhaj0 aza manao mahatsikaiky fa tsy mazava aminao izay lazaina dia mamoron-kevitra hanipaka izay ambara fotsiny.

Ny Mpahary raha nandripaka dia mazava fa tsy tiany ny hitohizan'ny faharatsiana tamin'izany andro izany satria aoka ho fantatra fa toy ny mamboly olombelona IZY ka raha ratsy no hiafarany dia tsy mampety Azy izany.

Eo amin'ilay faharoa io ianao dia miteniteny foana indray satria mazava fa tsy tonga hitsangatsangana no niavian'i Jesoa teto fa hiantso ny mpanota mba hibebaka. Ka tsy miantso ary ve IZY?

Ny Apostoly ve no te-ho Kristianina sa IZY no niantso??

Mba ataovy matotra ny zavatra soratanao Rhaj0 fa aza atao misafotofoto toy io a!
27. rhaj0 ( 21/08/2017 12:01)
Miharena:
Tsy Jehovah no mandripaka fa ripaka ho azy izay tsy mino
Miharena:
Ny Mpahary raha nandripaka ...

Ka, raha ny lojikan'i Miharena izany dia "TSY Jehovah no Mpahary" eee...
Bravo Miharena. Izaho indray ve hi-contredire anao @ izany :-)

Miharena:
Ny tena marina anefa dia tsy ny Kristianina no te-ho Kristianina

Jesosy:
Matio 11:28 Mankanesa atý amiko hianareo..

Asa ahoana indray ny famakin'i Miharena ny tenin'i Jesosy, (raha mba namaky izany izy @ io), na koa hoe, ahoana indray ny dikan'ny MANKANESA ao @ diksionera-Miharena.

Aleo anaovana fitsapan-kevitr'olona eto mihintsy ity. O ry Kristiana (tsara sitrapo) eto @ serasera, inona ny dikan'ny MANKANESA?

RAha ny fahazoako azy aloha, dia
-"fampirisihana" hoe "avia aty" io
- fa tsy "antso" direkta hoe "avia aty"
Ary dia sitra-po ny hanantonana an'i Kristia: ilay Kristiana no te-ho Kristiana.


Fa bravo ihany Miharena aaa... afamaofaohy ary avilambilano ao foana ny resa-Jesosy avy eny ambony alitara eny eee... Mba misy ihomehezan'ny ambany alitara :-)

28. Miharena ( 22/08/2017 10:43)
Manasa no dikan'ny mankanesa aty Amiko. Mazava tsara kah! Fa raha tsy misy niantso dia tsy nisy resy lahatra fa marina no lazain'Ilay Mpiantso.

Sady ilay izy tsy hoe toy ny milaza hoe andeha isika hihinambary (izay fiainan'ny olona fanaony andavanadro) fa milaza fiainana mandrakizay.

Izany hoe ilay antso dia fampahatsiahivana ihany fa ny olona tsy manaiky dia tavela ao amin'ny tsy fahalalany ary mamorona tontolo ho azy samirery aby.

Misy fiteny iray nataon'i Jehovah Ray hoe ny fahotanareo no efitra mampisaraka Ahy aminareo.

Ka asa aloha fa ity eritreritra sy fomba fiheverana ity dia efa mandrindrina.

Fa izany tsy misakana ny lalana sy ny didin'ny fiainana napetraka sy ny fisiana, na io nilamina sy eken'ny maro na io mikorontana eken'ny maro izay mahita azy tsara.

Ka asa hoe aiza ho aiza moa ny olona tsy miaiky fa izany no zava-misy??

Angamba ny olona toa an-dRhaj0 no tsy manaiky na dia efa ilazana aza fa fotsy ny rahona ohatra!!
29. rhaj0 ( 22/08/2017 11:35)
Miharena:
Manasa no dikan'ny mankanesa aty Amiko

ka rehefa "asaina" (inviter-na) ianao, dia sitraponao ny ho avy na tsy ho avy.
sitra-po ny hanantonana an'i Kristia: ilay Kristiana no te-ho Kristiana fa tsy araka ny belazaonao teo.

(maninona moa ry Miharena raha mba miaiky fa diso ilay pli-vava-nao teo ambony alitara teo.. efa firanao io ny voninahitr'Andtmrna @ izany, dia mbola ampianao tsisy fanetre-tena.. Fa dia ao ianao izany ee... ataonao fa tsy hitan'ilay Atra ao @ imazinasion-nao angaha ianao io izao??)
30. Miharena ( 22/08/2017 11:52)
Aza hitrikitrihina toa an'io ny hevitra fa mazava ny teny eo: raha tsy nisy nampahatsiahy ny fiainana dia ny fahafatesana no safidian'ny olona.

Asa aloha fa zava-misy ny fiainana sy ny fahaverezana aloha hatreto.

Ny tsy mahafantatra tsy hiantoraka fotsiny amin'ny fiainana fa io fahalalana io fa tsy imazinasion.

ny imazinasion dia zava-poronina.

dia lazao fa zava-poronina ny filazan'i Jesoa niantso ny mpanota mba hibebaka.

Raha resaka fanetren-tena dia ny firesahana aminao izao no isan'ny fanetren-tena lehibe ataoko satria izaho tsy hanadratena akory tonga eto fa hizara. Ianao rahateo Rhaj0, liana matoa manaraka tsy tapaka ity dinika eto ity.

Dia misaotra anao koa manaraka fa hahafahana mamantatra ny tontolonao ilay izy sady hahafahana mananatra hatrany tsy tapaka ary ts yam-piavonavonana fa mitohy tsara.
31. rhaj0 ( 22/08/2017 12:35)
Iieee... "zava-misy ny fiainana", fa kosa Imazination ny "fahaverezana".

Lazaovy indray azany hoe, toatoa ny ahoana izany "fahaverezana" izany??
32. endriny ( 23/08/2017 15:34)
Raha manaraka ilay fampiaanran'i Jesosy ao amin'ny Lioka 13.3 izany aho. Ka mba mijery ny niafaran'izy Jesosy tenany sy ireo rehetra nanaradia azy tamin'izany fotoana. Dia nahita aho fa ny Ray aman-dRenin'i Jesosy (raha azo lazaina fa mpanaradia azy ireo) irery ihany no maty ara-boajanahary, fa ny sisa rehetra dia naringana daholo. Ary tsy tamin'ny fomba tsotra akory, fa tena tamin'ilay fomba sadikadika ohatran'ny fataon'ilay Atry ny Hebreo sy ny Kristianina ihany.
33. Miharena ( 23/08/2017 18:20)

rhaj0:

Iieee... "zava-misy ny fiainana", fa kosa Imazination ny "fahaverezana".

Lazaovy indray azany hoe, toatoa ny ahoana izany "fahaverezana" izany??



Misy ny fahoriana izay afaka miantraika amin'ny fanahy izay isaloran'ny olombelona rehefa any aorian'ny fandaozany ny nofony.

Ireto misy ohatra vitsivitsy mihatra : raha toa ka tokony hitohy hiaina amim-pilaminana ny olona iray mody mandry dia lasa matoatoa mandehandeha mitetitety eny rehetra eny fa tsy tafody araka ny tokony ho izy. Dia ireny no miteraka matoatoa izay mbola mihevitra fa mbola miaina eto ambonin'ny tany.

Nisy tranga, ary mbola misy izany amin'izao fotoana izao. Ohatra: tao Mantasoa dia nisy ny faharoboan'ny tanana iray manontolo tampoka tamin'ny nanamboaran'i Laborde ny Farihy Mantasoa ka nanjary maty tampoka ireo olona sasany izay maromaro ihany tavela tao. Hatramin;izao dia tsy afaka tao ny fanahin'ny maromaro tamin'izy ireo fa mitohy miaina ao ka misy ny mampakatra sotro eny ambony eny, misy ny miseho amin'ny mpitondra lakana miampita amin'i ofarihy io ary misy aza ny olona lasan'izy ireo any ambany rano any ka tsy hita faty raha tsy efa elaela.

Santionan'ny fahaverezana izay iray izay fa ny voalaza ao anaty Baiboly dia ilay Isaia io anisan'ny milaza azy tsara ho an'ireo mpanandro mpamita-bahoaka:

Isaia 47: 13-15

13 Sasatra noho ny hamaroan'ny fisainanao ianao; aoka hitsangana ankehitriny ireo mpamantatra* ny lanitra sy mpandinika ny kintana ireo hamonjy anao, dia ireo mpanambara isaky ny tsinam-bolana izay zavatra ho tonga aminao**. [*Heb. mpizarazara] [*Na: Aoka hitsangana ankehitriny ireo mpamantatra ny lanitra sy mpandinika ny kintana ireo hamonjy anao amin'izay hanjo anao]
14 Indro, fa ho tahaka ny vodivary ireo; ho main'ny afo izy ka tsy hahavonjy ny tenany amin'ny herin'ny lelafo akory; tsy misy vainafo hamindroana, na afo hitaninana aza.
15 Ho toy izany aminao ireo efa nisasaranao ireo, dia ireo nifampivarotra taminao hatry ny fony ianao mbola kely; samy hipariaka mandositra ho any amin'ny fonenany avy izy
, ka tsy hisy hahavonjy anao.


Izay voatsipika dia milaza tsara ny hanjo azy aby. Ny fonenany dia afo izany.

Misy ireo olona mpanao velirano amin'i Satana izay mihevitra fa tsy matahotra afo hono ry zareo ary any no fonenany. Misy Youtube maro milaza izany amin'ireo olona nalana devoly (azo jerena ny Marc Tatandraza).

Zava-misy ary voatantara tsara izany rehetra izany fa azo atao ny maka ireo fijoroana vavolombelona antsary isan-karazany.
34. rhaj0 ( 24/08/2017 12:27)
ndrekaiky ooo... Ny tadidiko an-tendron'orona eto izao dia:

i Miharena dia:

1- mino "matoatoa"
2- mino "Satana" (tapany voay, tapany olona)
3- mino "bibiolona"
4- mino an'i Apaostaoly Tsaratsara, na izay lazainy
5- mino an'i Apaostaoly Tatandraza, na izay lazainy
6- mino Astraolaogy
7- mino fa na dia tsisy Atheista aza ao @ resa-Baiboly, dia afaka hazavaina ny fiainan'ny Atheista ara-Baiboly
8- mino fa, rahefa tsy "mino" ny inoan'i Miharena ny olona iray, dia "misy otrik'aretina"
9- mino fa h@ izao taona 2000 izao dia mbola misy "fitsanganana @ maty"
10- mino fa izy Miharena dia "kipantsin'Andrmntra", ka miteny à travers an'i Miharena i Andrmntra


Hamafiso kely hoe ry Miharena raha marina daholo ireo fitadidiko 10 ireo, dia ahitsiio raha misy diso??
35. endriny ( 25/08/2017 04:50)

Miharena:

Nisy tranga, ary mbola misy izany amin'izao fotoana izao. Ohatra: tao Mantasoa dia nisy ny faharoboan'ny tanana iray manontolo tampoka tamin'ny nanamboaran'i Laborde ny Farihy Mantasoa ka nanjary maty tampoka ireo olona sasany izay maromaro ihany tavela tao. Hatramin;izao dia tsy afaka tao ny fanahin'ny maromaro tamin'izy ireo fa mitohy miaina ao ka misy ny mampakatra sotro eny ambony eny, misy ny miseho amin'ny mpitondra lakana miampita amin'i ofarihy io ary misy aza ny olona lasan'izy ireo any ambany rano any ka tsy hita faty raha tsy efa elaela.


Aza mandainga re ry Miharena a fa tsy I Laborde izany no nanao ny farihy eo Mantasoa a. Ary tsy nisy olona safotry ny rano izany ao, fa rano niakatra tsikelikely, telo taona mahery io vao feno. Marina fa misy Tanana sy fasana tavela ao fa tsy nisy olona dobo izany tao noho ny fanaovana ny tohodrano. Efa tamin'ny faraparan'ny 1931 vao vita I Mantasoa raha toa ka tianao ho fantatra ary Andrangoloaka no anarany fahiny.
36. Miharena ( 25/08/2017 19:23)
Raha resaka antsoratra no hanadihadianao ny tantara dia tsy hanoratra ny marina mihitsy akory ny vazaha menasofina raha namono olona tamin'io fotoana io.

Fa ny zavamisy no tantaraiko anao izay misy vavolombelona mitantara soa aman-tsara.

Asa na fantatrao fa nitranga tao ny tantara iray nahazo ny vazaha tompon'ny trano sy tanana famantanam-bahiny ao.

Nahita olona be volo be sady fohy izy izay nanatona azy teo am-pandroana tamin'ny riandrano teo an-tokontaniny. Niady tamin'io izy ary indray mipi-maso no nanavizanan'ilay olondia azy ka nalemy mandra-podimandriny ity ranamana ity. Betsaka ny tantara notantarainy avy eo nanambara fa misy tokoa ny zava-miafina ao amin'io farihy Mantasoa io.
37. rhaj0 ( 25/08/2017 20:37)
ngo dia "bibiolona", araka ny "finoaNAO" Miharena, ilay "be volo sady fohy' io???

(dia mba amafiso kely koa ho'a iretsy "finoanao" iretsy ambony iretsy ry Miharena aaa...)
38. Miharena ( 29/08/2017 12:17)
Tsy resaka finoana io namana fa fanamarihana zava-misy.

Milaza ny momba ny tranga sasany ahitana fanahy tsy tonga any amin'ny toerana tokony hitombenany aho amin'ireo ohatra ireo.

Ny olana ankehitriny dia misy tsy mahazo io ny olona dia tsy manao izay ialana amin'izany.

Raha toa ohatra ka miseho aminy Satana dia tsy fantany fa itompoany dia lasa andevon'i Satana izy.

Isika koa raha tsy mitandrina dia andevon'i Satana satria minia tsy mahalala ireo faharatsiana ataontsika izay lovantsika tamin'i Satana.

Ny fahasamponana rehetra misy dia avy amin'ny Devoly avokoa ka aza atao tsinontsinona ny fandinihina azy aby mba hahazoana misoroka izany ho an'ny tenan'ny tsirairay.

Ny fandinihan-tena dia isan'ny ampianarina ny mino mba tsy hironany any amin'ny tsy izy.

Raha tohizana kely aminao ilay izy Rhaj0 dia ity : misy ny tsy mandraharaha ireny tranga ireny dia lasa tsy mahazo izay manjo azy akory. Ohatra hoe : tsy mahay afa-tsy ny mitsipaka ny Mpamorona izay ny Devoly no rain'ny mpitsipaka voalohany ary manaraka ho azy daholo izay ateista rehetra...!??



39. rhaj0 ( 29/08/2017 15:28)
Miharena:
ny Devoly no rain'ny mpitsipaka voalohany ary manaraka ho azy daholo izay ateista rehetra

TSY mi-click an-dry Miharena mihintsy hoe, TSY MISY @ Atheista izany
- Andriamanitra, Anjely, ..
- Devoly, Satana, ..

Izany hoe, aleo tsipihina fanin-2 fa indraidray tsy mety azon-dry Miharena ny resaka:
TSY MISY izany DEvoly sy Satana izany.

Ka "manaraka Devoly" @ ahoana hono izany ny Atheista ao @ imagination-nao ao ry Miharena??
40. Miharena ( 29/08/2017 20:47)
Ny Baiboly no manamarina fa misy ny mitsipaka ny Mpahary.

Dia ireny ateista ireny manao izany. Ka na izy hitsipaka ny devoly na hitsipaka an'Andriamanitra dia efa fitsipahana izany ary very izy satria ny devoly no mamboly saina aminy hoe tsy misy izy.

Na hamoron-kevitra eo aza ianao tsy afaka miala amin'ny zava-marina sy misy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1681