Aleo angamba afindrako eto ny mikasika ny Lioka 13. 3

41. rhaj0 ( 29/08/2017 23:18)
Hheeee... Dia rahefa ao @ imazination-nao ao ihany azzany dia.. tena ataovy mitsako vilona mihintsy zahay Atheista raha izay no mahafalifaly ny fonao ee...

FA TSY mahakasika anay ho'a izany ee..

Fa miteny aho hoe "mitsako vilona". FA ireto namanao ry Miharena manao izany, satria nisy Pasitera Daniel, rahalahinao ao @ Tompo ary toatoa anao ihany, nampino azy an'izany aaa...

42. endriny ( 30/08/2017 06:04)
Miharena:

Nisy tranga, ary mbola misy izany amin'izao fotoana izao. Ohatra: tao Mantasoa dia nisy ny faharoboan'ny tanana iray manontolo tampoka tamin'ny nanamboaran'i Laborde ny Farihy Mantasoa ka nanjary maty tampoka ireo olona sasany izay maromaro ihany tavela tao. Hatramin;izao dia tsy afaka tao ny fanahin'ny maromaro tamin'izy ireo fa mitohy miaina ao ka misy ny mampakatra sotro eny ambony eny, misy ny miseho amin'ny mpitondra lakana miampita amin'i ofarihy io ary misy aza ny olona lasan'izy ireo any ambany rano any ka tsy hita faty raha tsy efa elaela.


Aza mandainga re ry Miharena a fa tsy I Laborde izany no nanao ny farihy eo Mantasoa a. Ary tsy nisy olona safotry ny rano izany ao, fa rano niakatra tsikelikely, telo taona mahery io vao feno. Marina fa misy Tanana sy fasana tavela ao fa tsy nisy olona dobo izany tao noho ny fanaovana ny tohodrano. Efa tamin'ny faraparan'ny 1931 vao vita I Mantasoa raha toa ka tianao ho fantatra ary Andrangoloaka no anarany fahiny.

Miharena:

Raha resaka antsoratra no hanadihadianao ny tantara dia tsy hanoratra ny marina mihitsy akory ny vazaha menasofina raha namono olona tamin'io fotoana io.


Asa raha hainao na tsia fa tamin'ny andron'ny Mpanjaka Ranavalona I, izany Laborde izany no teto Madagasikara. Fa ny farihin'i Mantasoa efa tamin'ny andron'ny SMOTIG no namboarina. Ka Asa I Jean Laborde na afaka niaina 100 taona na tsia?

Miharena:

Raha resaka antsoratra no hanadihadianao ny tantara dia tsy hanoratra ny marina mihitsy akory ny vazaha menasofina raha namono olona tamin'io fotoana io.

Ka nahoana ianao no mino ny baiboly izay tantara nosoratan'ny vazaha? Fa maninona raha mino an'i zanabazimba sy zafindrakala etsy atsimotrano?
43. Miharena ( 30/08/2017 17:23)
Ho an'i Endriny, mety marina ireo filazanao ireo momba ny ny namoronana an'i Mantasoa fa izay tranga nisy notantaraina dia tena nisy aloha izay fa tsy foronina.

Ny tiana lazaina dia hoe rehefa zavamisy dia tsy tokony hodiofina aloha fa ny fahadisoana ara-tantara manaraka azy mety diso ny fahalalako azy.

Ny an-dRhaj0 indray dia efa mazava be ilay fidiofana ary hit abe hoe ny saibeny no tiany hamarinin'ny tenany eo fa tsy mijery ny zavamisy sy mitranga izy.

Raha tenenina ve izao Rhaj0 hoe misy ny delestazy aty Dago dia tsy hino. Toa any zamerika any manko izy io dia milaza fa tena manan-tsaina be noho izay miresaka aminy eto.
44. rhaj0 ( 30/08/2017 17:59)
Miharena:
Ny tiana lazaina dia hoe rehefa zavamisy dia tsy tokony hodiofina aloha fa ny fahadisoana ara-tantara manaraka azy mety diso ny fahalalako azy.

Ka ny resak'i Miharena dia TSY ZAVA-MISY fa "perception" (sy imazination) an'izay mitono-tena ho "vavolombelona" ao.

Raha "zava-misy" ve ohatra izao "Helo" inoan'i Miharena sy RBNIR ary Akakaovy fa "ao ambany tany" izao, koa tsy efa niboaka tao daholo ny Kerobima @ ireo puits de pétrole sy volcano rehetra izao???

Dia rahefa eto ihany.. tsy mba miasa ve ilay coco ry Miharena (sy RBNIR), rahefa hoe, ny Helo hono "ao ambany tany" ary nisy "vavolombelona" toa ry Akakaovy, nefa liay paradisa "ao ambony ao kosa ho'a toa tsisy "vavolombelona" h@ izao, nefa ny fiaramanidina sy satelita efa mihaohao ee...


Franchemà... firy taona (age mental) moa i Miharena ao?

[size=8]Aiza nama no mbola misy olon-dehibe mbola @ hoe:
1- mino "matoatoa"
2- mino "Satana" (tapany voay, tapany olona)
3- mino "bibiolona"
4- mino an'i Apaostaoly Tsaratsara, na izay lazainy
5- mino an'i Apaostaoly Tatandraza, na izay lazainy
6- mino Astraolaogy, na izay lazainy
7- mino fa na dia tsisy Atheista aza ao @ resa-Baiboly, dia afaka hazavaina ny fiainan'ny Atheista ara-Baiboly
8- mino fa, rahefa tsy "mino" ny inoan'i Miharena ny olona iray, dia "misy otrik'aretina"
9- mino fa h@ izao taona 2000 izao dia mbola misy "fitsanganana @ maty"
10- mino fa izy Miharena dia "kipantsin'Andrmntra", ka miteny à travers an'i Miharena i Andrmntra[/size]
45. Miharena ( 30/08/2017 18:09)
Voalaza ao anaty Baiboly ny fisian'ny Kerobima nivadika araka ity ao amin'i Ezekiela 28 : 12-19 ity

12 Ry zanak'olona, manaova hira fahalahelovana ny amin'ny mpanjakan'i Tyro, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ry ilay mahatanteraka* ny rafitra tsara tarehy tonga marika sady feno fahendrena no tena tsara tarehy,[Heb. manisy tombon-kase]
13 Tany Edena, sahan'Andriamanitra, ianao; Ny vato soa rehetra ny eloelo teo amboninao, dia ny karneola, ny topaza, ny onyksa, ny krysolita, ny beryla, ny jaspy, ny safira, ny robina, ny emeralda ary ny volamena; Ny fampanenoana ny ampongatapakao sy ny sodinao* dia tao aminao, tamin'ny andro namoronana anao dia natao koa ireo.[Na: vehivavy]
14 Hianao dia kerobima voahosotra izay manaloka, fa voatendriko ianao; Tao an-tendrombohitra masin'Andriamanitra ianao; Tao amin'ny vato mirehitra no nitsangantsangananao.
15 Tsy nanan-tsiny ianao tamin'ny nalehanao hatramin'ny andro namoronana anao ka mandra-pahita heloka tao aminao.
16 Noho ny habetsahan'ny varotra nataonao dia nofenoina loza tao aminao, ka nanota ianao; Ary dia nolotoiko ka nariako niala tamin'ny tendrombohitr'Andriamanitra ianao, Ary nosimbako ianao, ry kerobima manaloka, hiala tao amin'ny vato mirehitra.
17 Niavonavona ny fonao noho ny hatsaran-tarehinao; Efa nahasimba ny fahendrenao mbamin'ny famirapiratanao ianao; Nazerako eny an-tany ianao sady natolotro ho fitalanjonan'ireo mpanjaka,
18 Noho ny haben'ny helokao tamin'ny tsi-fahamarinan'ny varotrao, dia voalotonao ny fitoeranao masina; Koa izany no hamoahako afo avy ao aminao handevona anao, ary hataoko tonga lavenona eny ambonin'ny tany ianao eo imason'izay rehetra mijery anao.
19 Ny firenena rehetra izay mahalala anao dia ho gaga anao; Ho tonga fampitahorana ianao ary tsy ho ao intsony mandrakizay.


Ireo voatsipika dia milaza nazera ilay devoly Kerobima nivadika.

Ka asa aloha fa tezitra ilay milaza azy ho ateista rehefa ilazana fa mpanohitra ny tena Mpahary azy ary manaraka ny toetran'ilay mpamadika....?!
46. rhaj0 ( 30/08/2017 18:15)
Mba hainao ve k'lou ny hoe Kerobima ho'a ry Miharena, fa toa zavatra TSy fantatrao akoriny no ventiventesinao ..

Aleo toroiko: Kerobima = Chérubin. Izay no nadikan'i Andrianaivoravelona t@ teny gasy.

Ianao ve matahotra Chérubin ry Miharena (p'tit chérubin) ???
Hoe manjera anao ilay zazabodo (p'tit chérubin) ???

Ben là.... :-)
47. Miharena ( 05/09/2017 07:39)
Ny Kerobima dia mazava tsara ao anaty Baiboly.

Fa ny olanao anie Rhaj0 dia heverinao fa ianao no mahafantatra azy tsara noho ny Kristianina.

Fa izany eo ihany fa ilay fanoherana ny Mpahary aza hihodiviranao aloha.

Ny Kerobima namadika satria mba nanao izay fandaharam-potoanany manokana momba ny fitantanana ny olombelona no nanome ilay Satana ary nahazo sazy izy noho izany satria tsy mifanaraka amin'ny natiora namoronana azy ny nataony.

Ao ohatra ny fanoherana ny tenin'Andriamanitra hoe : aza hihinanana ilay hazo famantarana ny tsara sy ny ratsy fa ho faty ianareo. Dia ny an'i Satana, milaza hoe hano io fa tsy ho faty ianareo, ary namboleny hevi-baovao hoe hitovy amin'Andriamanitra hono!!

Loza be an!!

Dia sao di atoy izany koa ireny ateista ireny! Milaza hoe tsy misy Andriamanitra sy Satana fa sarisarin'eritra fotsiny izany nefa efa iainan'ny olona ny asa ataon'ilay ratsy fa tsy nofinofy. Ary iainan'ny mpaminany ny resaka ataon'Andriamanitra fa tsy nofinofy.

Dia mba hitsio tsara ny valinteninao fa aza mamily resaka any amin'ny tsy izy hijerena hoe olona mitombin-tsaina sa olona misavoamboana!!
48. rhaj0 ( 05/09/2017 15:03)
Dia tsisy havaly kosa aho raha mino "Chérubin" (hanjera anao) ho'a ianao ry Miharena aa...Miampy an'iretsy finoanao 10 iretsy dia .. esy ee..

Fa dia firifiry re ry Miharena izao adala (sy hendry) izao no manakapokapoka fa devoly sy satana ny katsaka voanjobory. Koa na ianao ao azany ve ry Miharena tsy efa niloaka izany, rahefa tsy takatry ny hoza-dohanao ny fandehany; nefa aoriana, miboraka ihany ianao, fa kay azo hazavaina ny resaka, ary tena tsisy idiran'izany devoly satana izany.

Eritrereto tsara ao eee....
49. endriny ( 06/09/2017 03:18)
Rehefa lainga dia lainga ry Miharena. Tsy nisy olona nosaforana rano izany teto Mantasoa fa ny tanana sy ny fasana no tsy azo nafindra dia dobo rano ao.

Ary raha Tena tianao ho fantatro ny nanaovana an'i Mantasoa dia izao: nosaforana rano ny tany fitrandrahana vy mba tsy ahafan'ireo mpiady tamin'ny vazaha mahazo manefy fiadiana intsony
50. Miharena ( 06/09/2017 07:58)

rhaj0:

Dia tsisy havaly kosa aho raha mino "Chérubin" (hanjera anao) ho'a ianao ry Miharena aa...Miampy an'iretsy finoanao 10 iretsy dia .. esy ee..

Fa dia firifiry re ry Miharena izao adala (sy hendry) izao no manakapokapoka fa devoly sy satana ny katsaka voanjobory. Koa na ianao ao azany ve ry Miharena tsy efa niloaka izany, rahefa tsy takatry ny hoza-dohanao ny fandehany; nefa aoriana, miboraka ihany ianao, fa kay azo hazavaina ny resaka, ary tena tsisy idiran'izany devoly satana izany.

Eritrereto tsara ao eee....


Tsy misy eritreretina intsony izany fa efa mazava be fa nisy fotony ny faharatsiana misy eto an-tany ary voazava anaty soratra maro isan-karazany.

Raha manana porofo hafa ianao dia arosoy fa aza tonga dia manafoaka ny efa fantatra avy amin'ny tantara ambara ao anaty Baiboly na loharanom-pahamarinana iraisan'ny olombelona rehetra ekena.

Aza mihevitra hoe tsy misy Devoly. Ny Kristianina moa dia milaza mihitsy hoe ireo namany no manao hoe tsisy izy amin'izay tsy misy manenjika azy.
51. Miharena ( 06/09/2017 08:04)

endriny:

Rehefa lainga dia lainga ry Miharena. Tsy nisy olona nosaforana rano izany teto Mantasoa fa ny tanana sy ny fasana no tsy azo nafindra dia dobo rano ao.

Ary raha Tena tianao ho fantatro ny nanaovana an'i Mantasoa dia izao: nosaforana rano ny tany fitrandrahana vy mba tsy ahafan'ireo mpiady tamin'ny vazaha mahazo manefy fiadiana intsony



Efa niteny aho hoe ara-tantara dia tsy mifaka aminao hoe mety ireo teneninao ireo fa ny zava-misy teny an-toerana izay nambaran'ny mponina teny an-toerana no nahazoana ireo teny hoe nisy ireo ampahany izay tsy tafala tao fa tototra satria tsy ampy ny fe-potoana nanaovana ny fampandrenesana mba hiala tao avokoa ny rehetra.
52. RBNIR ( 06/09/2017 08:33)
Tsy hoe rehefa kristiana dia manana ilay fampianarana tsy misy kilema...

Fa izay tena vonona hanaraka ny sitrapon'Andriamanitra 100% ihany..

Izay rehetra tsy manaiky hanaraka an'io fampianarana tsy misy kilema io no mora andairan'ny fampianaran-diso (tsy avy amin'Andriamanitra fa avy amin'ny devoly)...

Ilay tsy misy kilema mantsy dia avy amin'Andriamanitra mivantana...Hoy i Jesosy hoe: « Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jaona 7:16)
53. endriny ( 07/09/2017 03:48)
Aiza foana aza ity fampianarana tsy misy kilema ity?

Hoy ny Malagasy: Manaonao foana ohatran'Atra nanao ny voay

Dia hoy ny Kristianina: "Nanaonao foana ohatran'Atra nanao ny Demonia"
54. Miharena ( 07/09/2017 18:38)
Tsy Andriamanitra no nanaotao foana fa ny Demonia no nanao izay nataony ka nanohitra ilay rindran-damina ka lasa nandeha any amin'ny zotra mihamaizina hatrany sy miharatsy hatrany fa tsy tonga amin'ny tanjona nanamboarana voalohany izao rehetra izao.

Ny olona mijoro tsara dia mahalala ireo tranga ireo ary afaka manazava ny tranga ratsy mihatra ary afaka manasitrana sy miatrika izany.

Misy fahadiovam-panahy kokoa ny olona mino satria tsy andairan'ny fampiviliviliana ary mahafantatra hoe izatsy avy amin'ilay ratsy ka tsy mahavoa azy.
55. rhaj0 ( 07/09/2017 19:12)
ry Miharena izany rahefa mamboatra (mamorona) tavimandry ohatra, dia raha mitritra dia manary rano ilay tavimandry, dia an'i Tavimandry ny hadisoana, fa i Miharena "mpamorona" ary tena "omnipotent" dia TSY tompon'andraikitra amin'inon'inona eee...

ka tsy "manaonao foana" ve ianao ry Miharena aa...
56. Miharena ( 08/09/2017 07:57)

rhaj0:

ry Miharena izany rahefa mamboatra (mamorona) tavimandry ohatra, dia raha mitritra dia manary rano ilay tavimandry, dia an'i Tavimandry ny hadisoana, fa i Miharena "mpamorona" ary tena "omnipotent" dia TSY tompon'andraikitra amin'inon'inona eee...

ka tsy "manaonao foana" ve ianao ry Miharena aa...


Raha mamorona fiara ianao ohatra dia ampiasain'i Lesabotsy tsy mahay mamaky teny sy manoratra satria mpivangabao dia handeha tsara tsy misy tomika io fiara io ve raha tsy jerijereny tsara ny menaka, tsy kolokoloiny ny fitaovana mampandeha tsara io fiara io?

Sa hilaza Lesabotsy rehefa mipoaka ny motera hoe tena dondrona Rhaj0 Mpamorona ity fiara ity??
57. Miharena ( 08/09/2017 07:57)

rhaj0:

ry Miharena izany rahefa mamboatra (mamorona) tavimandry ohatra, dia raha mitritra dia manary rano ilay tavimandry, dia an'i Tavimandry ny hadisoana, fa i Miharena "mpamorona" ary tena "omnipotent" dia TSY tompon'andraikitra amin'inon'inona eee...

ka tsy "manaonao foana" ve ianao ry Miharena aa...


Raha mamorona fiara ianao ohatra dia ampiasain'i Lesabotsy tsy mahay mamaky teny sy manoratra satria mpivangabao dia handeha tsara tsy misy tomika io fiara io ve raha tsy jerijereny tsara ny menaka, tsy kolokoloiny ny fitaovana mampandeha tsara io fiara io?

Sa hilaza Lesabotsy rehefa mipoaka ny motera hoe tena dondrona Rhaj0 Mpamorona ity fiara ity??

Mba atombeno tsara ny jerinao Rhaj0 fa aza mamorona saina toa an'i Lesabotsy a!
58. rhaj0 ( 08/09/2017 13:04)
Miharena:
Raha mamorona fiara ianao ohatra dia ampiasain'i Lesabotsy

Ka ny tsy takatry ny rezonema-n'i Miharena, dia i Andrmntra koa no "namorona" an'i Lesabotsy.

Sa namorona-tena toa an'i Atra koa ny Devoly/Satana??
59. Miharena ( 08/09/2017 17:36)
Marina fa noforonina Satana ary tsara no namoronana azy.

Fa rehefa tsy nanaiky notezain'ny Mpamorona dia lasa manaotao foana toa an'i Lesabotsy.
60. rhaj0 ( 08/09/2017 22:56)
Miharena:
Marina fa noforonina Satana...

IsmaelTix:
Noforoniny izao tontolo izao niainga tamin'ny tsy misy, ka hainy atao koa ny mandevona ny misy rehetra.
( "Dieu a créer le monde à partir du néant, Il peut aussi réduire le monde à néant").

hi hi hi... Fa naninona azany no tsy riatany ho faty any hono ilay "noforoniNY" ry Miharena aa ???

Satria "angano arira" daholo izany, ary vendrana be ny "namorona" ity angano (sy ny mpino azy) :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3179