Fampianarana mivavaka

61. rhaj0 ( 06/06/2017 13:00)
Ka "mamoromoporona fotsiny" daholo izany ireo Kristiana namanao mahita, "mivaingana sy tsapa", an'io Ingahibe lava-robe-fotsy-lava-volo-fotsy io??
(izaho indray ve hi-contredire anao @ izany ry Miharena)
62. Miharena ( 06/06/2017 13:09)

rhaj0:

Ka "mamoromoporona fotsiny" daholo izany ireo Kristiana namanao mahita, "mivaingana sy tsapa", an'io Ingahibe lava-robe-fotsy-lava-volo-fotsy io??
(izaho indray ve hi-contredire anao @ izany ry Miharena)


Tsy namorna ksoa angamba izay nahazo hafatra toy izao e!

Apok 22: 1-17

1 Ary izy naneho ahy onin'ny ranon'aina, manganohano tahaka ny vato krystaly, nivoaka avy teo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry
2 teo afovoan'ny lalambeny. Ary teny andaniny roa amin'ny ony nisy hazon'aina mamoa voa roa ambin'ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin'ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro.
3 Ary tsy hisy ozona intsony; ary ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry ho eo aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy
4 ka hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo amin'ny handriny.
5 Ary tsy hisy alina intsony; ary tsy mba mila fahazavan'ny jiro na fahazavan'ny masoandro izy; fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy.
6 [Teny farany] Ary hoy izy tamiko: Mahatoky sady marina ireo teny ireo; ary ny Tompo, Andriamanitry ny fanahin'ny mpaminany, naniraka ny anjeliny haneho amin'ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana.
7 Ary, Indro, avy faingana Aho; sambatra izay mitandrina ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity.
8 Ary izaho Jaona no nahare sy nahita ireo zavatra ireo. Ary rehefa nahare sy nahita aho, dia niankohoka hivavaka teo anoloan'ny tongotr'ilay anjely naneho ahy ireo zavatra ireo.
9 Dia hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman'ny mpaminany rahalahinao sy izay mitandrina ny teny amin'ity boky ity; Andriamanitra ihany no ivavaho.

10 Ary hoy izy tamiko: Aza asiana tombo-kase ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity, fa antomotra ny andro.
11 Izay manao ny tsy marina aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy; ary izay maloto, aoka mbola hihaloto ihany izy; ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy, ary izay masina, aoka mbola hihamasina ihany izy.
12 Indro avy faingana Aho; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany.
13 Izaho no Alfa sy Omega, ny voalohany sy ny Farany, ny fiandohana sy ny fiafarana.
14 Sambatra izay manasa ny akanjony, mba hananany fahefana amin'ny hazon'aina sy hidirany amin'ny vavahady ho ao an-tanĂ na.
15 Fa any ivelany ny alika sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga.
16 Izaho Jesosy naniraka ny anjeliko hanambara aminareo ireo zavatra ireo ho an'ny fiangonana. Izaho no Solofo sy taranak'i Davida, ny Kintana mamirapiratra fitarika andro.
17 Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin'ny ranon'aina.


Ny olana eto dia ilay andininy faha-11.

Aoka anie tsy ho tanteraka ho amin'ny olona izany satria dia mazava be hoe Atheista sy Manaiky AZY izay miteny no tiana ambara eto.

ka antomotra moa io andro io. Izaho tsy manana fe-potoana toa AZY ary iana otorak'izany raha nofo no jerena.

fa izay manily ny Fanhy ihany no mahatakatra izay teneniNY e!
63. rhaj0 ( 06/06/2017 13:16)
Manofaofa rivotra i Miharena izany...

Fa efa 2000 taona izao no "antomotra moa io andro io", nefa dia tohizanao kopakopahina ao foana ve ry Miharena aaa...

Fa mety ampifoha ireo miesona (noho ianao ihany) ao @ Leglizy ao io kibain'Apokalipsa io an.. :-)
64. MIharena ( 06/06/2017 13:21)
rhaj0:

Manofaofa rivotra i Miharena izany...

Fa efa 2000 taona izao no "antomotra moa io andro io", nefa dia tohizanao kopakopahina ao foana ve ry Miharena aaa...

Fa mety ampifoha ireo miesona (noho ianao ihany) ao @ Leglizy ao io kibain'Apokalipsa io an.. :-)


Fiheverana tsy mitsinjo lavitra ny anao ito.

2000 taona angaha azo atao referansy ho an'Ilay Mandrakizay!! Tsy piti-drora ao anaty ranomasina ve io?

Aza manao toy ny zazakely tsy nahita afa-tsy ny an-tendron'orona aloha ianao e!
65. rhaj0 ( 06/06/2017 15:23)
Aza mba manao toa zazakely Menasofina nampitahorina Ingahibesola, efa ho h@ izay 2000 taona izay ho'a ka h@ izao... fa efa mandroso ny taona (2017) eee...

Mba diniho ihany fa ny zaza Menahoditra azany tsy natahotra (sady tsy mahalala) izay Ingahibesolan'Apokalipsa izany, fa ny azy ny Grand Manitou-ny dia mitahy foana.
Ny zaza Menalamba koa moa (mino fa) tahin'ny Razany hatrany.

Dia izao nefa anie anie no mampihomehy ry Miharena eee... Ny ankamaroan'ireo zaza Menasofina aty izao anefa efa TSISY @ izany kibain'Apoakatsimisy izany intsony, fa ianao indray ity no lasa milentika lalina ao @ fota-drevo ao ...
66. Miharena ( 07/06/2017 04:30)
Efa voalazan'ny Baiboly ny fihemorana tao Eoropa sy ataon'ny menasofina.

Izy no nampiroborobo aloha dia avy eo izy no nitsipaka.

Mba firy moa no miditra am-piangonana any izao? Nefa rehefa mijery ianao dia misy Fiangonana isaky ny helakelan-trano!

Dia mihevitra izy fa ambony noho ny rehetra rehefa tsy miditra am-piangonana, tsy mivavaka, manao atheista!

Tena mifamadika ambony ambany izy izany!

Izay nampianarina taty amin'ny zanatany, nahazo Fahasoavana.

Ry zareo nahazo fahasoavana teny am-boalohany, vao niroborobo, dia adinony ILAY MPANOME FAHASOAVANA! fa ny sai-beny no lazainy fa mampandroso azy!! dia mivadika fanjanahana sy fangalarana ary politika maloto no entiny hitondrana ny vahoakany. Dia ianao Rhaj0, lasa mirona amin'izany!

Nefa fantatrao tsara fa politika maloto dia lazainao fa lasa lavitra !! Miaina amin;ny loto anie izany e! Hrena azo amin;ny tsy rariny!! IREO NO OLONA MANDOSITRA NY TAVAN'ANDRIAMANITRA ka misafidy ilay iraika.

Aoka ho fantatrao fa tsy misy atheista fa manompo tompo hafa no misy!!

67. rhaj0 ( 07/06/2017 12:09)
Miharena:
Izy no nampiroborobo aloha dia avy eo izy no nitsipaka... Izay nampianarina taty amin'ny zanatany, nahazo Fahasoavana.

Esy e ry Miharena... Nahazo fahasoavana ny "zanatany" an...

Fa marina ny anao, fa tsy tsaroako tsara ny statistika, fa ao Quebec ohatra, dia misy Leglizy iray mikatona isaka ny herinandro, sa isan'andro moa izy teo. Ary mampihomehy fa lasa ... trano fandihizana ohatra ny sasany. Ny hafa indray, mbola Leglizy be ao io ny alahady, dia ny alahady hariva dia ilalaovana bingo na lotto ny ao ambany rihana. Dia raha mibalady ianao ny alahady maraina, dia ny beantitra sisa no mianjaika miangona eee...

Miharena:
Aoka ho fantatrao fa tsy misy atheista fa manompo tompo hafa no misy!!

Esy e ry Miharena... Asa ho'a, ahoana indray ny famaritana ny "Atheista" ao @ diksionera-Miharena. TSY toa anao daholo re ny olona ka "manompo manompo" izao zavatra na Tompo imazinera rehetra izao ee...
68. Miharena ( 08/06/2017 04:39)
Ny diksionerako aloha dia milaza hoe ny Atheista dia izay mpanohitra ny Mpahary e! Iza izany no rainy?
69. rhaj0 ( 08/06/2017 12:29)
Ny Atheista re ry Miharena dia TSY manaiky ny fisiana (existence) an''izany Andmntra izany aa...Ka ahoana ny "fanoherana" zavatra TSY MISY izany ry Miharena???

Izaho manokana anefa aloha, dia "manaiky" ny fisiaNY ihany, fa MISY Izy ao @ imagination (collective) ho'a.

Ao @ imagination-n'ny Israelita, misy Yaveh
Ao @ imagination-n'ny Ejipsiana, misy Osiris
Ao @ imagination-n'ny Grika, misy Zeus
Ao @ imagination-n'ny Sinoa, misy Guanyin
Ao @ imagination-n'ny Amerindiana, misy Grand Manitou
Ao @ imagination-n'ny Gasy, misy Andriananahary sy Andriamanitra
Ao @ imagination-n'ny Miharena, misy Andriamanitra
Ao @ imagination-n'ny Caillou, misy Georges

Ary ao @ imagination-n'ny Atheista, dia mahita fa misy an'ireo rehetra ireo ao @ imagination-n'ny tsi11 io.
70. Miharena ( 08/06/2017 13:45)
Raha tsy manaiky ny fisiako ianao Rhaj0 dia manaiky aho fa tsy misy Andriamanitra.

Ka ny Atheista moa izany TSY manaiky ny fisiaNY dia tsy manaiky ny fisehoaNY amin'ny OLONY.

Fa ny mahagaga dia na ireo Atheista ireo aza anie tsy afaka manaporofo akory fa tsy misy IZY e!

Dia mody atao hoe Imagination collective e!

Izao indray ary e! Omeo vokatry ny imagination collective aho dia miaiky ny Atheiste!

Ohatra : misy Atheiste maromaro milaza hoe Big bang io! dia nipoitra ny Big bang!!

Na koa hoe nisy atheista nandeha teny Analakely dia nanao imagination collective hoe ho avy ny orana amin'ny 4 ora, dia nandaitra izany.

Alefa!
71. rhaj0 ( 08/06/2017 14:01)
Miharena:
Raha tsy manaiky ny fisiako ianao Rhaj0 dia manaiky aho fa tsy misy Andriamanitra.

ianao ange ry Miharena io miara-mahita fa "mivaingana sy tsapa" io, araka ny filazanao azy ihany eee... Nefa izao Andmntra izao, hatramin'izao, tena, na ianao Miharena azany, TSY mahasahy milaza fa nahita an'Andrmntra "mivaingana sy tsapa". Inona no maha-kanosa anao ao, ka tsy sahy mitantara eto ho'a eee..

(izao belazao eraky ny Baiboly izao foana no averimberinao. Ianao dia ianao, sy ny tsapa sy hitanao, anefa no anontaniana)

Miharena:
ireo Atheista ireo aza anie tsy afaka manaporofo akory fa tsy misy IZY e!

Ahoana no hanaporofoianao zavatra TSY MISY ry Miharena??
Ny zavatra NISY no amena porofo, ny sisany (ohatra fossile) na hoe ny vokatry ny nataony.

Sa ianao Miharena efa nahita ny sisan-taolam-patin'i Andrmntra (iilay namboatra izao tontolo izao, h@ galaxie atsy @ milliards de km).

Miharena:
Omeo vokatry ny imagination collective aho

Aleo atao tsotrabe ilay ohatra, Ny namana Caillou sy ny anabaviny Mousseline izao dia samy ni-imaginer an'i Georges, na koa i Pere Noel. Ny vokany dia io "tena hendribe sy malemy paikabe ary falibe @ ataony ao (noho ny finoany an'i Georges)" io rizareo.

Dia toa izay koa i Miharena sy ny Kristiana namany.
72. Miharena ( 08/06/2017 14:28)
Aza miresaka Caillou rehefa hanaporofo fa maivana izany!! Tantara noforonina io!!

izay no atao hoe maivana be ilay atheista rehefa niresaka!
73. Miharena ( 08/06/2017 14:34)
Ampiana kely, izay famoronan-tsain'nhy olona ihany no atao referansy entin'ny athee manaporofo fa tsy misy hono izao Andriamanitra Mpahary izao!

dia laviny daholo izay fijoroana rehetra misy sy tsapan'ny marobe ts ytambo isaina.

Ny jamba no mieboebo hitarika olona fa tsy Andriamianitra mahiratra no ianteherany hahalalany ny marina momba ny voary sy ny tenany.

Miaina aiza ianao ity Rhaj0 a!
74. rhaj0 ( 08/06/2017 16:05)
mba ataoko parallel amina tantara eny @ garabola ny resaka mba azahoan'i Miharena azy tsara. Dia inona ity mampikitakita anao re ry Miharena???

Io ny valin-teny, izay tena "tsara" ho anao Miharena, ka inona indray...

Ny vokatry ny imagination collective, dia io "tena hendribe sy malemy paikabe ary falibe @ ataony ao (noho ny finoany an'i GOD imazinera) ny Kristiana


(manjary diso ilay hoe "Kristiana malemy paikabe" raha mikitakita be toa io ianao ry Miharena)
75. Miharena ( 08/06/2017 16:58)
Ny vontoatin-dresaka ambara jerena fa aza avily amin'ny mokondohanao ilay izy.

Mety hanampy anao hifoha ihany manko rehefa manaraka tsara ianao.
76. rhaj0 ( 08/06/2017 18:42)
Eny azany ee.. inty izao ny vokatry ny "imagination (collective)" @ izao "namoronan'Andrmntra izao tontolo izao". Jereo tsara fa nitsoraka i Andrmtnra, @ havia nipetaka ny Masoandro, ary @ havanana napetaka ny Volana. Tsy hay izao hoe, iza no nanjaitra ny ankanjon'Andrmntra, fa dia ... io fotsiny izany eee...
:-)




Dia ity indray ny ny vokatry ny "imagination (collective)" @ izao "namoronan'Andrmntra an'i Eva". jereo tsara, fa "tahakan'ny endriny" i Eva sy Adama, fa saingy mbola naboridaniny kosany ho'a eee... Dia jereo tsara anie ee.. INONA no banjinin'i Adama tsaratsara eo io?? hein??!!
:-)


77. Miharena ( 09/06/2017 01:23)
1 Ary izy naneho ahy onin'ny ranon'aina, manganohano tahaka ny vato krystaly, nivoaka avy teo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry
2 teo afovoan'ny lalambeny. Ary teny andaniny roa amin'ny ony nisy hazon'aina mamoa voa roa ambin'ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin'ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro.
3 Ary tsy hisy ozona intsony; ary ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry ho eo aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy
4 ka hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo amin'ny handriny.
5 Ary tsy hisy alina intsony; ary tsy mba mila fahazavan'ny jiro na fahazavan'ny masoandro izy; fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy.


Ny fitarafana an-tsaina dia nataon'ny fiangonana Romana manome sary Olona an'Andriamanitra ary natao antitra satria Rain'ny rehetra.

Fa ny marina dia izay niseho tamin'i Jaona voasoritra ao amin'io andinin-tsoratra voalaza io.

Dia anontanio Tsaratsara fa io hitan'i Jaona io no hitany.

Seza fiandrianana no hitany ary olona no hitany fa tsy dragona na zavatra hafa tsy miresaka, tsy mitsiky.

Ho an'ny tsy nahita dia ataony antitra IZY ary tsy manalavitra ny olona mihitsy.

Tamin'i Mosesy dia tsy endrika afo no fahitany AZY nefa miteny.

Amin'ny olona sasany dia feo mazava tsara, miteny mazava tsara aminy ao anatiny no fisehoNY.
78. rhaj0 ( 09/06/2017 11:00)
Raisina ara-baki-teny ve k'lou ireo, sa metafaoro indray eee...
79. rhaj0 ( 09/06/2017 13:56)
Ambara-pamalian'i Miharena ny fanontaniana, hoe, ara-baki-teny sa metafaoro, dia inty aloha ny kisary (ao @ imagination collective) maneho ilay "seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry" eee... Toatoa izao izany hono ny @ andro farany eeee...



Dia jereo tsara, ireo (sari-na) Kerobima eo ambanin'ny Ray. Ireo etsy ambany mitana boky indray no Serafima (misy karazany 9 hono ny Anjely, dia mba mitsabo fotsiny aho io)

Dia inona ho'a ilay boule de crystal tazomin'ny Ray io eee??
Tena mba tsy nahay kosany i Steve Jobs fa ny Ipad tsy mba nataony boribory toa io.. SAhala @ tsy mamaky BAiboly ry Steve..
80. Miharena ( 10/06/2017 05:13)

rhaj0:

Raisina ara-baki-teny ve k'lou ireo, sa metafaoro indray eee...


Ara-bakiteny ny soratra rehetra raha ny marina.

Ny fanoharana dia azo raisina ho an'ny mino ary efa lasa lavitra anie ny olona amin'ny fandalinam-pinoana e!

Ilay sary indray : Tamin'ny fotoan'androny nalaina ny mpahay sary handravaka ny Eglizy dia nasiana theme izany dia io izany no hitan'ny mpanao sary malaza araka ny theme nomena azy fa aza manao toy ny zazakely tsy mahita ny an-tendron'orona hoy aho Rhaj0. Tsy mahay manadihady ny fototry ny tranga fa maka ohatra tsy mitombina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7185