Fampianarana mivavaka

41. Miharena ( 02/06/2017 05:34)

endriny:

Ka maninona ianao no mbola mino baiboly sy tantara t@ 2000 taona lasa? Tsy hendry ianao izany?

Aza fohy fijery re rey olona a


Ny Baiboly manampy amin'ny fandalinana ny finoana sy fahalalana an'Andriamanitra fa tsy raisina ho tantara tsotra toy ny mitranga amin'ny samy olona nifandramatra satria tsy nitovy hevitra.

Vokatry ny Tenin'Andriamanitra no mahatonga ny olona hihavana sy hanary izay mampifanolana.

Izay tsy mahatsiaro tena dia izay no fohy fijery.
42. rhaj0 ( 02/06/2017 12:28)
Miharena:
Vokatry ny Tenin'Andriamanitra no mahatonga ny olona hihavana sy hanary izay mampifanolana.

Pli-vava ny anao ry Miharena, fa ny mifanohitra @ izany no mitranga. Jereo anie ny "okatry ny Tenin'Andriamanitra" ee... hazavao sy lazao eto izany Kristiana "hihavana sy hanary izay mampifanolana" azy izany.
rhaj0:
ny "guerre des religions" dia efa ... fomba (Kristiana) eee.. Koa na @ izao taona 2000 izao azany, vitan-drizareo tao Andravoahangy mihintsy ny nifanipatsipaka tao. Dia ny taty Montreal koa nifanipatsipaka eee.. nefa anie efa gasy vitsy kely aty an-tany lavitra aty.

ilay "tafika masina" angaha dia hitory fitia hono? Ary ny hoe Katolika tsy mitia Protestanta angaha tsy toa ny vao omaly. Izao ny TJ anaovana toera-tsy zaka. Ny Sekta sahala @ fara-faikan'olona.

Nefa anie samy "mpihavana ao @ Tompo" daholo hono zareo. Mainka izany fa zahay Atheist izay "tsy havany (ao @ Tompo)".

Esy e ry mpiavonavona sy mpanilikilika.. @ voninahitr'Andmntra.



Efa betsaka ny resaka ny @ io re ry Miharena. Ny fehiny dia, ho an'ny Kristiana, dia mazavabe fa...
"aleon'ny Kristiana very Tsikalakalam-pihavanana, toa izay very tsikalakalm-pivavahana"

43. endriny ( 02/06/2017 13:25)

Miharena:

Ny Baiboly manampy amin'ny fandalinana ny finoana sy fahalalana an'Andriamanitra fa tsy raisina ho tantara tsotra toy ny mitranga amin'ny samy olona nifandramatra satria tsy nitovy hevitra.


Izay tiana mitombo tarehy e!

Ilay baiboly na efa tamin'ny 2000 taona aza, sy efa tsy mifanaraka amin'ny toetr'andro mino sy mandala ny fivoarana, ary mitantara ny fifandroritana nisy teo amin'ny olon'Atra (Israelita) sy ny Jentilisa, mitantara ny fifandroritana nisy teo amin'ny olom-belona sy Atra. Dia tsy maninona fa tsara ianarana.

Fa raha manao dian-tana mitodika ny lasa mba hibanjinana ny ho avy ny Filoha sy Ramalagasy dia lazaina fa TSY HENDRY.

Mahafinaritra be ilay fomba fijery Mihareniana
44. Miharena ( 03/06/2017 11:01)

endriny:


Miharena:

Ny Baiboly manampy amin'ny fandalinana ny finoana sy fahalalana an'Andriamanitra fa tsy raisina ho tantara tsotra toy ny mitranga amin'ny samy olona nifandramatra satria tsy nitovy hevitra.


Izay tiana mitombo tarehy e!

Ilay baiboly na efa tamin'ny 2000 taona aza, sy efa tsy mifanaraka amin'ny toetr'andro mino sy mandala ny fivoarana, ary mitantara ny fifandroritana nisy teo amin'ny olon'Atra (Israelita) sy ny Jentilisa, mitantara ny fifandroritana nisy teo amin'ny olom-belona sy Atra. Dia tsy maninona fa tsara ianarana.

Fa raha manao dian-tana mitodika ny lasa mba hibanjinana ny ho avy ny Filoha sy Ramalagasy dia lazaina fa TSY HENDRY.

Mahafinaritra be ilay fomba fijery Mihareniana


Ianao no mahita hoe tsy mifanaraka amin'ny toetr'andro ny Baiboly fa izaho mahita tsara fa izay iainanao amin'izao fotoana izao dia ao avokoa. Ny Baiboly no mahafintina azy tsara.
45. rhaj0 ( 05/06/2017 12:36)
Fa tena mba liana dia liana aho hoe, toatoa ny ahoana tokoany ny "nampianarana" ny tsi11 amintsika "ivavaka", fony mbola kely..

Ny an'ireo Amerindiana, t@ taona 1960, 1970, 1980 1990 izany dia efa notantarainy mazava iny

Fampianarana mivavaka:
"they made us pray from morning until night, (..) and then prayed again before supper, prayed again before bedtime. I was always kneeling down and I developed calluses on my knees."

"we went, we’d, we’d, we’d practise every Saints Day, every like, St. Thomas, St. Michael,
St. Francis of Assisi, St. Christopher, St. Mary, St. Bernadette, St. everything; everything."


Ka toa izay koa ve ny nanjo ny Malagasy t@ 1960, 1970, 1980 1990 ??
46. rhaj0 ( 05/06/2017 16:23)
Sendra nahita ity dia zaraina..

Baibolin'ny Katolika (an'i Hery) sy i Andrianaivoravelona raha tsy diso aho
http://baiboly.katolika.org/boky/Matio/6
Matio 6:7 Ary raha mivavaka hianareo, dia aza mba maro teny tahaka ny jentily, fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana azy.

Baibolin'ny JW
https://www.jw.org/mg/zavatra-misy/gazety/g201409/ahoana-no-atao-rehefa-mivavaka/
Matio 6:7 Rehefa mivavaka anefa ianareo, dia aza mamerimberina zavatra mitovy foana, toy ny ataon’ny olona eo amin’izao tontolo izao. Heveriny mantsy fa ny fampiasany teny maro no hihainoana azy.


ka mitovy ve ireo "Fampianarana" ireo sa sahala??

Raha izaho no mitsara, dia .. tena voan'ny JW kosany ny Catho t@ ity...
47. rhaj0 ( 05/06/2017 20:12)
Ka hoe rahefa ampianarina mivavaka izany (ny amerindiana) dia nasaina nasesiny ireo Saint saint maro isan-karazany.

Fa misy Saint iray, tany Dago izy fahiny, dia i Saint-Berthieu Jacques.

http://www.rfi.fr/afrique/20121020-christianisme-madagascar-jacques-berthieu-premier-saint-ocean-indien
Ce dimanche 21 octobre 2012, le pape Benoit XVI doit canoniser le missionnaire jésuite Jacques Berthieu, un prêtre français qui a passé les vingt-et-une dernières années de sa vie à Madagascar. Il avait été assassiné en 1896, à 60 km d’Antananarivo, pendant la guerre coloniale entre Français et Malgaches.


Ka mivavaka @ io Saint io koa ve ny Gasy (Katolika)??
Toa ENY, hozy ny lahatsoratra RFI, ary tena anaovana pelerinazy akoriny aza.

En revanche, le village d’Ambiatibe est devenu un lieu de pèlerinage. L’un des plus importants à Madagascar.


Dia nefa ve, mba mahay ny Tantara ireto Mpivavaka, sa dia (nasaina) mivavaka dia mivavaka??

En juin 1896, les Menalamba, qui s’opposent au colonisateur français, le capturent au nord d’Antananarivo. (..) Jacques Berthieu est fusillé et jeté dans une rivière pleine de crocodiles. Ni tombe, ni relique donc.


ka raha "Saint" izany i Berthieu, dia tena mba TSY Saint izany ny Menalamba ee...
Angaha tsy mampalahelo.
48. Miharena ( 06/06/2017 06:23)
Raha zohina anie izany dia tsy azokazon'ny vavoninareo ilay fomba fanerena hiantso olona ho masina e!

Matoa novonoin'ny Menalamba ity Mpitory Filazan-tsara St Berthieu ity dia mazava fa noho ny maha-fotsy hoditra azy ary koa noho ny rivotra nitsoka hatramin'ny Ranavalona I izay mbola tsy levona na dia amintsika miteny izao aza satria ianao ohatra dia mety ho isany manana firehena Ranavalona I.

Izaho manokana indray dia tsy manameloka izay mametraka ny olona ho masina satria fifanomezam-boninahitra izany ary fitaratra ho an'ny mpino.

Raha momba io firehana Ranavalona I io dia mbola misy koa ny firehena Fariseo sy Sadoseo izay tsy manaiky fa Andriamianitra Masina Jesoa! satria olona ihany. Izay no tsy haneken'ny olona sasany ankehitriny hoe afaka miaina ao anatin'ny olona Andriamianitra ary maneho ny fahagagana amin'izany endrika izany.

Misy teny malaza izay nataon'i Jesoa hoe Raha ampanginina ny vavan'ireo mino dia ny vato no hiantsoantso satria Andriamianitra afaka manangana zanaka na avy amin';ny vato aza!

Ny fehiny tiana lazaina dia toe-po avokoa no mahatonga fanakianana, na teo amin;ny Sadoseo sy ny Fariseo, na teo amin;ny tany voazanaka.

Ny olana amin;ny tany voazanaka dia ny maha-voafatotra azy tsy hanana anjara amin;ny fifehzana ny harena eo amin'ny taniny no mahatonga azy manao safo-bemantsina ka na tonga hitondra zava-tsoa aza ny sasany amin'ny mpanjanaka dia fahavalony hatramin'ny farany.







49. rhaj0 ( 06/06/2017 10:50)
Eny ho'a ee... Io izany ny Tantara : Menalamba contre Menasofina.

Fa dia maka Menasofina ry Miharena eee... arahina blabla amina paragraph 7 andevonana azy.
50. Miharena ( 06/06/2017 10:54)

rhaj0:

Eny ho'a ee... Io izany ny Tantara : Menalamba contre Menasofina.

Fa dia maka Menasofina ry Miharena eee... arahina blabla amina paragraph 7 andevonana azy.


Fomba fijery Kristianina fotsiny ilay izy kah! Alaivo ho namana ny fahavalonao dia hanasoa anao izy ary hiara-hitombo ianareo.

Ny ady tsy mampitombo na iza na iza.
51. rhaj0 ( 06/06/2017 11:00)
Efa hainay anie nareo ry Miharena ee... Tsisy mahagaga intsony io:
- Kristiana aloha izay vao Malagasy
- tsikalakalam-piVavahana aloha izay vao tsikalakalam-piHavanana.


Fa dia derao sy ankalazao ao izany ny fi(s)ainanareo Miharena Kristiana eee...
52. Miharena ( 06/06/2017 11:03)
Ny joron-kevitra tsy mampandroso tsy fahendrena
53. rhaj0 ( 06/06/2017 11:23)
Ny fahendrena TSISY joron-kevitra dia TSY mampandroso
54. Miharena ( 06/06/2017 11:37)
Marina ny anao. Fa ny Fahendrena tsy raisina amin'ny Tompony tsy mampandroso.
55. rhaj0 ( 06/06/2017 12:14)
Raha ny imagination-NAO no tompon'ilay Fahendrena, dia ... ihatakataka kely aho handinika.. na hivanitika.
56. Miharena ( 06/06/2017 12:32)
Ilay sary an-tsaina tsy manana aho aloha fa izay fantatro mivaingana sy tsapa no tantaraiko.

Rehefa tsy tsapanao dia maka sary an-tsaina ianao izany.

Fa raha hitady ihany dia amin'ny raki-tsoratra mifantoka fa aza dia mamorona ny hafa ho mpanonofy e!
57. rhaj0 ( 06/06/2017 12:40)
Ka tantarao aminay eto azany izao Andrmntra "mivaingana sy tsapa"-nao ao izao ry Miharena aaa..


(ity fiangaviana ity indray izao TSY ho valian'i Miharena mivantana sy tsotra mihtnsy, fa ihodikodinany, dia alevony ao anaty paragraph 7 indray)
58. Miharena ( 06/06/2017 12:48)

rhaj0:

Ka tantarao aminay eto azany izao Andrmntra "mivaingana sy tsapa"-nao ao izao ry Miharena aaa..


(ity fiangaviana ity indray izao TSY ho valian'i Miharena mivantana sy tsotra mihtnsy, fa ihodikodinany, dia alevony ao anaty paragraph 7 indray)


Efa voambara ilay fiandohan'ilay Fahatsapana. Ny sisa manaraka ho azy.

Rehefa henonao fa tsy ianao intsony no velona fa ILAY MAHERY tsy azonao hhihodivirana, dia izay ilay IZY.
59. rhaj0 ( 06/06/2017 12:51)
Ka ""Ingahibe lava robe fotsy sy lava volo fotsy (koa) ve ilay Andrmntra "mivaingana sy tsapa"-nao ao izao ry Miharena, sa toatoa ny ahoana??
60. Miharena ( 06/06/2017 12:56)
Fahatsapana tsy ivelany fa anaty aloha.

Ny fahitana dia izay nomena azy no mitantara ary tsy vitsy.

izay no izy aloha fa aza maorona sarisary ingahibe eo!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0841