MADAGASIKARA ilay NOSY ivoahan'ny fitsipika hoan'ny jentilisa(firenena rehetra)

61. RBNIR ( 23/05/2017 09:36)
RA TAN:

zaho mihintsy aza no niteny taminareo hoe YAHOSHUAH io tenenin'ny ISAIA,42:1-6 io e.

Efa tsara hoy aho rehefa manaiky an'izay ianareo...

Dia fantaro ary fa IZY no mpanome ilay fitsipika ho an'ny jentilisa (fa tsy ingahy samuelson edward) akory....

Koa hoy IZY (amin'ny jentilisa hoe : « Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin'izay tsara? Iray no tsara*; fa raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy.[*Na: (Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany dia Andriamanitra.)] » (Matio 19:17)


Satria IZY no nampianatra fa....« Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. » (Galatiana 3:28)


Ny teny fikasana rehetra nomena ny Jiosy dia efa nomena ny Jentilisa ihany koa,

Izany no mahatonga ny Jentilisa afaka "mitory ny tenin'Andriamanitra" ihany koa.....
62. rhaj0 ( 23/05/2017 10:30)
RBNIR:
Satria IZY no nampianatra fa....« Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. » (Galatiana 3:28)

I Paoly no IZY @ io.
Fampianaran'i Paoly io notsindrohan'i RBNIR io.
I Paoly (ilay Saoly taloha) no nanoratra ny Galatiana.

Izany hoe tena revin'i Paoly io, fa tsy hoe, dia "nobitsihan'Andrmntra" lava tao foana i Paoly nandritra ny andro niainany tao.
63. RBNIR ( 23/05/2017 10:49)
Otran'izao no fomba nilazan'i Jesosy azy...
« Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy ka nanao hoe: Lazao amin'ny efa nasaina hoe: Indro, efa voavoatra ny nahandroko; efa voavono ny ombiko sy ny nafahiko, ka efa voavoatra avokoa ny zavatra rehetra; koa mankanesa aty amin'ny fampakaram-bady ianareo. » (Matio 22:4)
« Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny anankiray ho any amin'ny sahany, ary ny anankiray ho any amin'ny varony. » (Matio 22:5)
« Ary ny sisa nisambotra ny mpanompony, dia nisetrasetra taminy ka namono azy. » (Matio 22:6)
« Ary dia tezitra ilay mpanjaka ka naniraka ny miaramilany, dia nandringana izany mpamono olona izany sady nandoro ny tanànany. » (Matio 22:7)
« Dia hoy izy tamin'ny mpanompony: Efa voavoatra ny fampakaram-bady, fa ny efa nasaina no tsy miendrika. » (Matio 22:8)
« Koa mankanesa ianareo any amin'ny sampanan-dalana, ary izay hitanareo, dia asao ho ao amin'ny fampakaram-bady. » (Matio 22:9)
« Dia nivoaka ho any amin'ny lalana ireny mpanompo ireny ka namory izay rehetra hitany, na ny ratsy, na ny tsara; ary dia feno mpihinana ny fampakaram-bady. » (Matio 22:10)

Taloha dia voafetra ho an'ny Jiosy irery ihany ilay fanasana....saingy rehefa tsy namaly izireo dia nosokafana ho an'ny jentilisa ihany koa ilay izy...
64. MINDAOZY ( 23/05/2017 13:13)
Ra hiresaka fahamarinana momba ny fivavahana izany wa dia izao no domaine de definition:
NY ANARAN'A/TRA SY NY LALÀNA AHAFAHANA MIARAKA AMINY.
Fa ianao rehefa diso a/tra sady tsy mahalala ny lalana mankany aminy dia diso daholo izay teneninao eo na inona na inona.

Dia izao:
IZA NY A/TRAO? Porofoy!
INONA NY LALÀNA AHAFAHANA MIARAKA AMINY? Porofoy!
65. RBNIR ( 23/05/2017 13:32)

RBNIR:

Ilay Anarana v sisa Mindaozy???

Mba fantatrao moa ny antony "hanekeko manokana" Ilay Anarana hoe Jesosy????

Satria io no nolazainy rehefa tonga nifidy ity olona ity IZY.....


Ary ankehitriny dia tanteraka amiko koa ireto teny ireto...

« Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, [*Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] » (Jaona 14:16)
« dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. » (Jaona 14:17)
« Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareo Aho. » (Jaona 14:18)


Ary ILAY NOMENA AHY dia tsy manohitra ny voalazan'iry olomboafidiny iry...

Heverinao v fa raha sain'olombelona hahita ireny DISO BE BE DIA BE AMPIANARINAREO IRENY????

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!

66. stahtam ( 23/05/2017 13:36)

[quote=RA TAN]
Tanteraka eto @ NOSY M/CAR ilay tenin'ny Isaia mpaminany:"ISAIA,42:1,4,6".
Ny ambassadeur an'i Yahoshuah Samuelson Edward no mitondra ny Teny; miainga eto M/car, dia mandre izao tontolo izao.
[quote=stahtam]
Tsara ianao manohy ilay rediredy mba hohehezina indray.
Ny Isaia 42/1 dia savihina(re)o mafy hanandratana ny mpampianatra ana(re)o. Toa izao anefa ny teny ao: "Indro ny Mpanompoko, Izay nofidiko, Ny Malalako, Izay sitraky ny foko indrindra; Hapetrako ao aminy ny Fanahiko, Hamoaka FITSIPIKA ho an'ny Jentilisa Izy;"...
1°) dia avadika hoe LALàNA indray ilay hoe fitsipika mba hahafahana mamoaka "lalàna" vaovao handravana ilay D 10 sy LM,
2°) Fa ity no mahavariana: lazaina fa fahatanterahan'ny faminaniana ny testamenta vaovao (Matio, Marka...)
3°) Dia izao indray no voalaza ao @ Matio 12:
and. 17 mba HAHATANTERAKA izay nampilazaina an'Isaia MPAMINANY hoe:
and. 18 Indro ny Mpanompoko, Izay nofidiko, Ny Malalako, Izay sitraky ny foko indrindra; Hapetrako ao aminy ny Fanahiko, Ary hitory ny RARINY amin'ny Jentilisa Izy...(Isaia. 42:1-4).

Dia mipetraka ny fanontaniana: Inona no marina?
a- Hamoaka fitsipika (lalàna) ho an'ny Jentilisa sa;
b- Hitory ny rariny amin'ny Jentilisa Izy?
c- sa Fitsipika = Rariny?
Fa amiko dia izao: tsy ny fanerenao ahy hilaza ny anaran'ny Mesia inoako akory no hahaafaka ny lainganareo teto, fa ianareo no nanao pub teto hatr@ izay hoe "marina ny fampianaranareo e!" sy ny hoe tsy mpanota ianareo (na dia mandainga aza). Ka rehefa voaporofo (eto indray) fa lainga tokoa ireny dia fandokafan-tena toy ny papelika sy fisoratan-tena toa voatango sisa no betsaka. Izahay tsy hanao publicité aminao ny fivavahanay eto mihitsy satria fanodinkodinan-dresaka sy versets mampiady mason-daomy ary fanontaniana hors sujet am-boletra no vontoatin'ny resakareo eto fa tsy fahamarinana izany.
1°) Na izany i episcopo no mpandainga raha milaza fa izy no mahatanteraka ny famoahana fitsipika (lalàna) ho an'ny Jentilisa ary mbola milaza koa fa sady marina ny faminaniana ao @ Isaia no marina ny "fahatanterahany" ao @ Matio;
2°) Na i Matio no mandainga ka ianareo no fitahiny fa hay tsy fitsipika ilay havoakan'i Y... fa "rariny"
3°) Na dia hikiribiby fotsiny (tahaka ny fanaonareo hatrizay ihany) hoe samy marina daholo rangahy ireo na ny testamenta taloha na ny vaovao a! Eisy ee...
Ka dia avoahy foana fa hohehezinay tsy mitsahatra eto raha mbola misy e!
67. RA TAN ( 24/05/2017 04:09)
stahtam:

Ny Isaia 42/1 dia savihina(re)o mafy hanandratana ny mpampianatra ana(re)o. "Indro ny Mpanompoko, Izay nofidiko, ... Hamoaka FITSIPIKA ho an'ny Jentilisa Izy;"...

=> Ianao anie efa fantatra fa tsy maintsy hanohitra foana ny zavatra tenenia eto na inn na inn e. Lazainao fa lainga daol ny zavatra rehetra, satria tsy misy marina aminareo(JAONA,8:44]. Porofon'izany anontaniako izay mba ho heverinareo ho marina nareo, fa tsy sahy miteny (ny anaran'ny mesia-nao, ...). Inty indray mikasika ny "ISAIA,42:1", dia efa niteny taminao aho hoe: rehefa toherinao ary izay teneniko dia, IZA ARY IO MAMOAKA FITSIPIKA HOAN'NY JENTILISA IO? INONA ILAY FITSIPIKA? DIA TAIZA? Fa tsy manana valiteny matotra ianao. Namaly ihany ianao fa nahodinao tany @ SALAMO,147:19,20 indray. Dia hoy aho hoe "mitsipaka jentilisa io salamo 147 io fa tsy natao hoan'ny jentilisa izany".
Dia mbl miandry aho atreto: IZA ILAY MAMOAKA FITSIPIKA HOAN'NY JENTILISA?
68. RA TAN ( 24/05/2017 04:31)
Na i RBNIR na i stahtam dia samy gasy mitandrina didy folo, ary samy mpanohitra an'i YAHOSHUAH ianareo ireo. Ary mpiray tsikombakomba ireo, fa jereo anie fa i stahtam tsy manohitra an'i RBNIR mihintsy e, ary i RBNIR tsy manohitra an'i stahtam. Fa samy manohitra an'i YAHOSHUAH ireo.

I RBNIR asaiko manazava ny momba an'ilay JESOSY, tsy mahavita manazava.
I stahtam asaiko milaza ny anaran'ny mesia-ny, tsy mahasahy miteny.

Eto indray nareo asaiko milaza an'ilay FITSIPIKA (LALÀNA) HOAN'NY JENTILISA.

INONA ILAY FITSIPIKA HOAN'NY JENTILISA???
Fa tsy didy folo aloha ilay izy a, fa ny didy folo efa voarara mafy ny anomezana azy hoan'ny jentilisa (SAL,147:19,20 NEH,13:3 DEO,30:11-13 ASA,15)
69. stahtam ( 24/05/2017 05:31)

[quote=RA TAN]
Na i RBNIR na i stahtam dia samy gasy mitandrina didy folo, ary samy mpanohitra an'i YAHOSHUAH ianareo ireo. Ary mpiray tsikombakomba ireo, fa jereo anie fa i stahtam tsy manohitra an'i RBNIR mihintsy e, ary i RBNIR tsy manohitra an'i stahtam. Fa samy manohitra an'i YAHOSHUAH ireo.

I RBNIR asaiko manazava ny momba an'ilay JESOSY, tsy mahavita manazava.
I stahtam asaiko milaza ny anaran'ny mesia-ny, tsy mahasahy miteny.

Eto indray nareo asaiko milaza an'ilay FITSIPIKA (LALÀNA) HOAN'NY JENTILISA.

INONA ILAY FITSIPIKA HOAN'NY JENTILISA???
Fa tsy didy folo aloha ilay izy a, fa ny didy folo efa voarara mafy ny anomezana azy hoan'ny jentilisa (SAL,147:19,20 NEH,13:3 DEO,30:11-13 ASA,15)

[quote=stahtam]
1°) "Ianao anie efa fantatra fa tsy maintsy hanohitra foana ny zavatra tenenia eto na inn na inn e. Lazainao fa lainga daol ny zavatra rehetra, satria tsy misy marina aminareo(JAONA,8:44)"
- Io indray RA TAN tsy azonao ahodinkodina @ izany fandrebirebena izany ny mahay mandinika a! Ianao no nanao publicité teto hoe marina ny fampianaranao, dia izaho mahita fa lainga, dia izaho no manaporofo hoe lainga ilay izy. Fa angaha tsy ianareo no nilaza fa Yahoshuah no nahary izao tontolo izao, ka misy marina ve @ izany? Ka iza no tsy misy marina ao aminy @ izany? Fa izay verset avoakanao eo dia mifotitra mamatotra anao avokoa.
Ka aza mody ahodina indray ilay izy hoe ianao no hanontany ahy! Holazaiko aminao hatao inona ny mesiako, fa angaha ianao tsy efa manana? Tsy misy azonao @ izany eto fa raha mbola misy abobo dia alefaso fa hatao @ fanaovana azy foana e!
2°) "Porofon'izany anontaniako izay mba ho heverinareo ho marina nareo, fa tsy sahy miteny (ny anaran'ny mesia-nao, ...)"
- Sao heverinao fa angely aza no ampiadiana eto ka hoe ity ny ahy fa mba aiza ny anao? Tsy adim-borontsiloza koa ny eto ka hoe hitambatra @ izay RBNIR-nao any aho vao ho sahy hamotsitra ny lainganao eto. Ianao no mety miantehitra @ isan'ny olona miady hevitra (MINDAOZY + YAHOAVAO + Rafieritreretana + psni + Yahl + Herilanto777 + ...) fa tsy ny aty velively. Efa nolazainareo fa sarimbavy aza aho fa tsy misy mitsoaka aminareo izany eto raha mbola baiboly no resahina.
3°) Inty indray mikasika ny "ISAIA,42:1"... IZA ARY IO MAMOAKA FITSIPIKA HOAN'NY JENTILISA IO? INONA ILAY FITSIPIKA? DIA TAIZA? ... Dia mbl miandry aho atreto: IZA ILAY MAMOAKA FITSIPIKA HOAN'NY JENTILISA?
- Raha ho ahy io fanontaniana io dia izao no valiny: alohan'ny hitompoanao teny fantatra hoe FITSIPIKA io resaka io dia ekeo aloha hoe mino ianao fa tanteraka ao @ testamenta vaovaona(re)o ny faminaniana. Ka ny Matio 12/17 dia milaza fa RARINY no havoakany ho an'ny jentilisa fa tsy FITSIPIKA; dia hono hoy aho: tsy mahatsapa ve ianao hoe tsy misy fantatrao akory ilay verset mba ilelalelanao eto? natao ho ana(re)o ve ny hanao interprétation ny faminaniana sa ho an'ny israeliana? Ny tokony hataonao dia manaporofo (na manao amboletra indray) hoe: fitsipika=rariny
70. RBNIR ( 24/05/2017 06:45)
RA TAN:

Na i RBNIR na i stahtam dia samy gasy mitandrina didy folo, ary samy mpanohitra an'i YAHOSHUAH ianareo ireo. Ary mpiray tsikombakomba ireo, fa jereo anie fa i stahtam tsy manohitra an'i RBNIR mihintsy e, ary i RBNIR tsy manohitra an'i stahtam. Fa samy manohitra an'i YAHOSHUAH ireo.

RA TAN an, ianareo irery ange no mbola mahita ilay fampianarana ho marina fa na dia ny atheist aza eto dia mahita fa flagrant ilay fahadisoana e!!!

71. RBNIR ( 24/05/2017 08:12)
RA TAN:

INONA ILAY FITSIPIKA HOAN'NY JENTILISA???
Fa tsy didy folo aloha ilay izy a, fa ny didy folo efa voarara mafy ny anomezana azy hoan'ny jentilisa (SAL,147:19,20 NEH,13:3 DEO,30:11-13 ASA,15)

Diso izany izao ilay teny ao amin'ny «..........Hamoaka fitsipika ho an'ny jentilisa Izy. » (Isaia 42:1)

Araka io teny io ny fitsipika izay havoakan'Ilay Zanak'Andriamanitra dia ho an'ny Jentilisa.....

Ity teny ity dia fitsipika iray navoakany ....« Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin'izay tsara? Iray no tsara*; fa raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy.[*Na: (Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany dia Andriamanitra.)] » (Matio 19:17)


Araka izany dia namoaka an'io fitsipika io ho an'ny Jentilisa Izy (raha tohizana dia didy ao amin'ny didy folo no tanisainy ao)!!!
72. RA TAN ( 24/05/2017 08:25)
stahtam:
Ka ny Matio 12/17 dia milaza fa RARINY no havoakany ho an'ny jentilisa fa tsy FITSIPIKA;


Aza odina fanina koa aloha, fa ianao tasy ambadika efa niteny hoe: Isaia 42/1 sy 43 dia manambara fa i Jako (na Israely) no tondroina ary matoa tenenina tsara hamoaka ... ho an'ny Je dia TSY JENTILISA izany mpamoaka.


Dia nasongadiko tsara ny resaka:

RA TAN:
ISAIA,42:1Indro ny Mpanompoko , izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady sitraky ny foko; napetrako tao aminy ny Fanahiko; Hamoaka fitsipika hoan'ny Jentilisa Izy.
4Tsy ho reraka na ho kivy Izy mandram-panoriny ny rariny amin'ny tany, ary ny Nosy hiandry ny lalàny.

Ilay FITSIPIKA hoan'ny Jentilisa dia LALANA aty @ fanekena vaovao; ary izany no RARINY hoan'ny Jentilisa, fa tena tsy rariny raha ny didy folo no entina hoan'ny jentilisa

=> EFA TONGA ETO M/CAR ILAY FAMONJENA, DIA MIAINGA ETO INDRAY.
Mivoaka eto ny fitsipika hoan'ny jentilisa

stahtam:
Isaia 42/1 sy 43 dia manambara fa i Jako (na Israely) no tondroina ary matoa tenenina tsara hamoaka ... ho an'ny Je dia TSY JENTILISA izany mpamoaka.

RA TAN:
TAIZA I JAKOBA NO NAMOAKA FITSIPIKA HOAN'NY JENTILISA???
OVIANA???
INONA ILAY FITSIPIKA NAVOAKANY???

stahtam:
Mbola velona ve i Jakoba t@ nanoratana ny Sal 147/19? Taiza Ilay nivavahany no nilaza ny teniny taminy? T@ oviana? Inona ilay teniny nolazainy?

RA TAN:
Ny resahina eto dia ILAY MAMOAKA FITSIPIKA HOAN'NY JENTILISA (ISAIA,42:1).
Nahodinao any @ SALAMO,147:19,20 IZAY MANAKOPILY NY JENTILISA indray ilay izy.
Aiza ai @ io "SALAMO,147:19,20" io indray ary izay fitsipika hoan'ny JENTILISA eo e?
Tena namatotena ihany ianao nampiditra an'io salamo io teo.
Tsy hitan'ny voamasonao intsony hoe fitsipika hoan'ny Israeliana anie io ao @ SALAMO,147 io, ary mitsipaka jentilisa fa tsy fitsipika hoan'ny Jentilisa velively.
Fa efa mamon'ny fankahalana sy ny fialonana diso tafahoatra loatra mantsy ianao.

Minia tsy mamaly an'io mihintsy ingahy stahtam, satria mifatotra @ teniny ihany izy
73. RA TAN ( 24/05/2017 08:38)
TSY SAHY MITONONA NY ANARAN'NY MESIANY INTY JIOSY GASY IRAY(stahtam) IZAY MITSIPAKA NY TESTAMETA VAOVAO SADY MANOHITRA MAFY AN'I YAHOSHUAH (YAHOSHUAH www.rtvyahoshuah.com )

Raha niresaka tamiko io stahtam io tao @ http://forum.serasera.org/forum/message/m55c1e708dc951/160 dia izao no hevi-dehibe nisongadina:


RA TAN:(01/12/2016 08:15)
“JODAISME” miady @ Yahoshuah sy ny mpianany
“JODAISME” tsy mino testameta vaovao
“JIOSY MPITANDRINA DIDY FOLO” miady @ YAHOSHUAH SY NY MPIANANY (ISAIA 66:5; ASA 4:17,18; 1TES 2:14-16). Ny jiosy mpitandrina didy folo dia soloin’ireto jiosy gasy ireto tena raha eto M/car…


STAHTAM:(02/12/2016 07:48)
…Ny Mesia inoako dia Jodaiste ka lojika be ny teninao. Yahoshuah dia tsy jodaiste, normal izany ny fifanoherana raha misy. “JODAISME tsy mino ny testameta vaovao” Ka taiza no nisy Jodaistes nanorina fampianarana t@ io? Ny Mesia inoako dia ny Lalàna sy ny Mpaminany sy ny Salamo no nataony fototry ny fampianarany sy notanterahiny fa tsy ny tantaran’ny testameta vaovao. …
… Raha ny testameta vaovao no lazainao fa filazantsara dia manamafy tsara mihintsy izany fa samy hafa ny baibolintsika. Hafa no nomena ny Jodaistes ary hafa ny anareo. Manamafy izany ny Salamo 147/19,20 satria ny Isiraeliana no voalaza eo. Ny testameta vaovao no anareo. Olona hafa taty aoriana no nanoratra ireny hianareo fa ilay ivavahanay sy ilay Mesia nirehiny kosa dia tsy mba nanome izany testameta vaovao izany hoanay. Izy sy ny mpianany dia tsy nanorina ny fiangonany t@ izay verset avy tao. …
“ROM 11:28 ra ny amin’ny filazantsara dia fahavalo ny jiosy noho ny aminareo”. Ary ilay olona niteny an’io verset io mba inona? …

RA TAN:(03/12/2016 10:39)
Teto aloha izany dia TENA NANAMBARA AMPAHIBEMASO IANAO, FA “TSY MINO NY TESTAMETA VAOVAO”IANAO; mazava hoazy fa nareo jiosy gasy rehetra dia tsy mino filazantsara daholo. Ary tena toherinareo à fomba rehetra mihintsy izany.
Mipetraka ary ny fanontaniana:
AIZA AO @ LALANA SY NY MPAMINANY ARY NO MISY AN’IZANY MESIA-NAREO IZANY???
FA NY MPAMINANY SY NY LALANA ARY NY SALAMO DIA EFA SAMY NANONDRO AN’I “YAHOSHUA”H DAHOLO: “LIOKA 24:44 … fa tsy maintsy tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ny lalàn’I Moshè sy ny Mpaminany ary ny Salamo”.
Ary aty @ testameta vaovao no fahatanterahan’izany rehetra izany.
Nolavinao anefa ny testameta vaovao, donc, NOLAVINAO NY TENIN’NY MPAMINANY ARY NY SALAMO. Noho izany, NOLAVINAO KOA NY TESTAMETA TALOHA: Tena ny BAIBOLY IRAY MANONTOLO MIHINTSY NO LAVINAO. …
Fa izahay mpanaradia an’I YAHOSHUAH kosa milaza fa MARINA DAHOLO NA NY TESTAMETA TALOHA NA NY TESTAMETA VAOVAO. Satria tenin’ny Dadanay izay any andanitra no ao; Izy no nanao an’ireo..


STAHTAM:(04/01/2017 07:05)
… porofoy amiko fa fahatanterahan’ny testameta taloha ny testameta vaovao (raha anisan’ny testameta vaovao ny bokin’i Matio) dia hanaiky aho fa MARINA ny teninao. …

RATAN: (10/01/2017 08:49)
I Moshè efa niteny hoe:
“DEO 18:15 Mpaminany avy aminao dia avy amin’ny rahalahinao tahaka ahy, no hatsangan’I Yahvah Andriamanitrao hoanao; izy no henoinareo”
Dia jereo ary ny mpaminany Israeliana fa samy nanondro an’I YAHOSHUAH daholo. Ary i YAHOSHUAH koa mbola nampahatsiahy an’izany; ka hoy Izy hoe: “LIOKA 24:44 … fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ny lalàn’I Moshè sy ny Mpaminany ary ny Salamo”
- ATERAKY NY VIRIJINY IZY:
“ISAIA 7:14” tanteraka izany ao @ MAT 1:18-23

-TERAKA AO BETLEHEM IZY:
“MIKA 5:1” tanteraka izany ao @ MAT 2:1

-GENOCIDE ANA ZAZAKELY T@ ANDRONY:
"JER 31:15" tanteraka izany ao @ MAT 2:16-18

-TSY NOTAPAHINA NY TAOLANY:
"SAL 34:20" "EKS 12:46" tanteraka izany ao @ JAONA 19:31-33

-NILOKANA NY AKANJONY:
"SAL 22:18" tanteraka izany ao @ JAONA 19:24


T@ andron’I YAHOSHUAH no nahatanterahan’ireo tenin’ny mpaminany ireo; ary nohon’I YAHOSHUAH no anton’ireo teny ireo. Santionany fotsiny ireo, fa be dia be ao fa tsy ary ho voatantarako eto daholo.
Fanontaniana mipetraka @ stahtam izay mitsipaka ny TESTAMETA VAOVAO:
RAHOVIANA IREO TENIN’NY MPAMINANY IREO VAO HO TANTERAKA RAHA EFA NOLAVINAO NY TESTAMETA VAOVAO???
IZA ILAY MESIA ERITRERETINAO??? IZA NO ANARANY???
RAHOVIANA IANAREO NO HANAO GENOCIDE ANA ZAZAKELY???
Didin’I Yahvah A/tra mpamorona ny zava-drehetra ny tenin’ireo mpaminany israeliana ireo (DEO 18:18), ka izay tsy mino an’ireo tenin’ny mpaminany Israeliana ireo dia hotsarain’I Yahvah (DEO18:19). Dia miomana koa ianao ry stahtam fa hotsarain’I Yahvah tahaka an’ireo ELOHYM an’ny Egyptiana koa a (EKS 12:12).
NITSIPAKA NY TESTAMETA VAOVAO IZAY FAHATANTERAHAN’NY TENIN’NY MPAMINANY IANAO, DIA MAZAVA HOAZY FA MITSIPAKA NY TENIN’NY MPAMINANY AO @ TESTAMETA TALOHA; DIA MAZAVA FA NY TESTAMETA TALOHA MIHINTSY NO TSIPAHINAO.
Porofon’izany ny fanitsahanao ny “DEO 30:11-13”; angalarinao ilay didy tsy natao hoanao dia entinao mandositra aty M/car.


STAHTAM:(16/01/2017 07:31)
… Ny kristy eritreretinao aza ange ka iomehezan’ny israeliana e! Taranaka haterak’I Davida no Mesia nolazain’ny faminaniana Israeliana. Ny anao anefa dia sady tsy taranak’I Davida no mbola avy @ fanahy koa. …

RA TAN: 19/01/2017 16:02)
… VALIO ALOHA IREO FANONTANIANA MAROBE MITAMBESATRA AMINAO EO AMBONY IREO:
- Rehefa nolavinao ny testameta vaovao izay fahatanterahan’ny tenin’ny mpaminany dia IZA NO ANARAN’IZANY MESIANAO IZANY????? Izay tsy ao anaty testameta vaovao mazava hoazy.
- Raha mbola mivingitra didy folo ihany ianao dia ATAONAO AHOANA NY TENIN’NY MPAMINANY ISRAELIANA IZAY MIFANIPAKA @ DIDY FOLO????
- Dia aza odina fanina ilay “DEO,30;11-13” a!! …


STAHTAM:(20/01/2017 07:49)
… Voasoratra ao anatin’ny testameta taloha @ teny hebreo ny Mesia inoako. Mbola tsy nosoratana akory io testameta vaovao-nareo io dia efa fantatry ny Israeliana izany. Tsy misy idiran’ny testameta vaovao @ izany … Ny anarany? Tsy yahoshuah (Anarana azo avy @ mathematique io yah+hoshuah=yahoshuah) fa Anarana hafa efa nambaran’ny mpaminany (israeliana) sy nosoratany tao anaty baiboly hebreo hatry ny ela. …

RA TAN:
TSY MILA RESAKA LAVA BE IZANY, FA TONGA DIA TONONY ETO NY ANARANY
Fa maninona ianao no tsy mahasahy mitonona ny anaran'ny mesia-nao ry stahtam a?

74. RBNIR ( 24/05/2017 08:40)
RA TAN:

Ny resahina eto dia ILAY MAMOAKA FITSIPIKA HOAN'NY JENTILISA (ISAIA,42:1).

Voalazanao fitipika ho an'ny jentilisa no havoakan'Ilay Zanak'Andriamantra....

Ity misy fitsipika 1 navoakany...« Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin'izay tsara? Iray no tsara*; fa raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy.[*Na: (Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany dia Andriamanitra.)] » (Matio 19:17)

75. RA TAN ( 24/05/2017 08:51)
Fanontaniana apetrako @ RBNIR koa ity:
Ingahy stahtam efa fantatra fa mitsipaka ny TESTAMETA VAOVAO.

Fa maninona ianao RBNIR no tsy manohitra an'i stahtam mihintsy sady tsy miaro ny testameta vaovao mihintsy???
Fa maninona no izaho irery no mahasahy mitsangana miaro ny testameta vaovao???
Fa maninona no izaho miaro mafy ny testameta vaovao indray no enjehinao mafy???

Conclusion, MPIRAY TSIKOMBAKOMBA @ stahtam i RBNIR.
Porofo tsy azo lavina; samy mpitandrina didy folo, ary samy manenjika an'i YAHOSHUAH.
Ary raha tena mpitandrina didy folo marina ianao RBNIR dia tonga dia mitsipaka an'io testameta vaovao io koa, ary tsy mino zanak'A/tra tahaka ny tena jiosy sy tahaka an'i stahtam koa (fa saingy ny problem an'i stahtam tsy mety mody any israel)
76. RBNIR ( 24/05/2017 09:24)
Hamonjy olona no ataoko eto RA TAN, hanitsy ny olona rehetra mba hizorany amin'ny lalàna MARINA, koa tsy hitsara an'iza na iza aho fa izay mety hahitsy dia mahafaly ahy avokoa na iza na iza
77. RBNIR ( 24/05/2017 09:30)
Ianao sy MINDAOZY sns koa anisany raha mety ianareo.....
78. stahtam ( 24/05/2017 09:34)

RA TAN:

[quote=stahtam] Ka ny Matio 12/17 dia milaza fa RARINY no havoakany ho an'ny jentilisa fa tsy FITSIPIKA;


Aza odina fanina koa aloha, fa ianao tasy ambadika efa niteny hoe: Isaia 42/1 sy 43 dia manambara fa i Jako (na Israely) no tondroina ary matoa tenenina tsara hamoaka ... ho an'ny Je dia TSY JENTILISA izany mpamoaka.


Dia nasongadiko tsara ny resaka:

RA TAN:
ISAIA,42:1Indro ny Mpanompoko , izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady sitraky ny foko; napetrako tao aminy ny Fanahiko; Hamoaka fitsipika hoan'ny Jentilisa Izy.
4Tsy ho reraka na ho kivy Izy mandram-panoriny ny rariny amin'ny tany, ary ny Nosy hiandry ny lalàny.

Ilay FITSIPIKA hoan'ny Jentilisa dia LALANA aty @ fanekena vaovao; ary izany no RARINY hoan'ny Jentilisa, fa tena tsy rariny raha ny didy folo no entina hoan'ny jentilisa
...
[quote=stahtam]

Mirefarefa ilay niveau RA TAN a!
1°) Efa mba manome indice ihany aho (hoe mba jereo ny dikan-teny rehetra soratan'ny baiboly) fa ... ee !ee !ee !, tsy ao mihitsy ilay fahatongavan-tsaina fa dia ny handravondravona sy hipasopasoka araka ny mahazatra ihany no ao an-tsaina. Fitsipika sy rariny no hita dia mijoboka sy manarontsarona zavatra tsy mifanandrify akory. Ka aleo lazaina mahitsy izany ilay izy fa toa hivaralila indray ity resaka ity raha ny fahatakaranao no mba andrasana.
Misy baiboly izao milaza an'io verset io hoe: "jugement". Dia = fitsipika koa ve izany io jugement io aminao? sa jugement no rariny ho an'ny jentilisa? Dia hampiady mason-daomy @ io voambolana vaovao io indray izany ianao izao? Alefaso fa hafatotra araka ny fanaovana azy ihany avy eo e!
2°) RA TAN: "Ny resahina eto dia ILAY MAMOAKA FITSIPIKA HOAN'NY JENTILISA (ISAIA,42:1).
Nahodinao any @ SALAMO,147:19,20 IZAY MANAKOPILY NY JENTILISA indray ilay izy.
Aiza ai @ io "SALAMO,147:19,20" io indray ary izay fitsipika hoan'ny JENTILISA eo e?
Tena namatotena ihany ianao nampiditra an'io salamo io teo.
Tsy hitan'ny voamasonao intsony hoe fitsipika hoan'ny Israeliana anie io ao @ SALAMO,147 io, ary mitsipaka jentilisa fa tsy fitsipika hoan'ny Jentilisa velively.
Fa efa mamon'ny fankahalana sy ny fialonana diso tafahoatra loatra mantsy ianao."

- Dia aleo koa eto, atao mahitsy tahaka ny miresaka @ zazakely fa tena mahakivy ilay niveau e!
Fomba ilazàna ny Israeliana ny hoe Jakoba fa ilay havendrananao dia miharihary loatra! Tsy ara-bakiteny no dikan'izany. Tsy Jakoba ara-bakiteny no nilazany ny teniny eo @ Sal 147 fa ny Israeliana @ ankapobeny, ka inona no fitsipika havoakan'i Jakoba ho an'ny Jentilisa eo? Dia mba tadidio fa mahamenatra e!
Ka ny tiako hotenenina @ ilay Sal 147 (ohatra) dia hoe: tsy i Jakoba ara-bakiteny no resahina eo ka hoe: taiza i Jakoba no namoaka fitsipika ho an'ny Jentilisa? Hitan'ny masonao io fa tsy takatry ny sainao satria tsy nomena ana(re)o. Izay no fomba famaky an'ireny, dia atoro anareo. Tsy mahalala biby afa-tsy sahona.

3°) "Minia tsy mamaly an'io mihintsy ingahy stahtam, satria mifatotra @ teniny ihany izy"
Dia tokony mba efa mazava aminao @ izay ilay tsy namaliako azy (sy ny namaliako azy teo) fa hay tena tenenina hatr@ a sy b mihitsy rehefa miresaka aminareo itony vao mahataka-javatra. Izany ve no aina dia mitsofotsofoka eto?
Aleo ampiana maromaro ny ohatra mba hilentika tsara sao mbola mitady hiala bala:
1- Isaia 41/8,14: tsy Jakoba ara-bakiteny no tiany horesahina fa Israely,
2- Isaia 42/24: tsy nisy nisambotra an'i Jakoba izany fa Israely no tiany horesahina eo,
3- Jeremia 46/27,28: lazainy fa hampodiana i Jakoba nefa olona efa maty elabe. Israely no hampodiana.
4- Mika 2/12: Jakoba no voasoratra fa Israely no tiany horesahina.
Ampy kosa angamba izay...! Dia aza nandra toa izao intsony @ sisa. Ivereno dinihina daholo ireo fanontaniana napetrakao dia esory izay tsy izy.
79. stahtam ( 24/05/2017 09:52)

[quote=RA TAN]
1- ... Ingahy stahtam efa fantatra fa mitsipaka ny TESTAMETA VAOVAO.
2- Fa maninona ianao RBNIR no tsy manohitra an'i stahtam mihintsy sady tsy miaro ny testameta vaovao mihintsy???
3- Conclusion, MPIRAY TSIKOMBAKOMBA @ stahtam i RBNIR.
4- Porofo tsy azo lavina; samy mpitandrina didy folo...sy tahaka an'i stahtam koa (fa saingy ny problem an'i stahtam tsy mety mody any israel)

[quote=stahtam]
Raha vao misy "stahtam" aloha voaresaka eto na an-kolaka io na mivantana, dia tsy maintsy avy aho.
1- Ahitsy ianao: tsy manorina ny finoako @ testamenta vaovao aho. Tsy filazantsara io amiko satria be lainga ao anatiny. Ohatra : Matio 2/23. fa izaho tsy mitsipaka ny testamenta vaovao. Ekeko fa tantara toy ny tantara rehetra io. Misy marina sy diso ao, saingy tsy azo terena hino 100% izay voalaza ao aho.
2- Inona àry ity mamporisika olona tahaka ny zaza tsy mahasahy miady ity?
3- Conclusion-n'ny olona tai-dronono mandroatra io. Ianareo angamba no mpiray tsikombakomba any fa aza ailika aty.
4- Fa angaha raha samy kristiana ianareo dia holazaiko fa mpiray tsikombakomba? Aiza ilay saina mba mandinika e? sa efa donton'ny famafazana lainga ka dia tsy maintsy misy abobo foana mivoaka ny vava?
- RA TAN: "Tsy mety mody any Israel"
Efa hoe tsy natao ho anareo mihitsy ho'aho ny fanaovana interprétation-n'ny tenin'i Elôhym (faminaniana, salamo, lalàna) fa raha te-hirediredy dia tohizo ihany !
80. MINDAOZY ( 24/05/2017 09:58)
Ary tena efa miavaka tokoa izao ny vary sy ny tsiparifary a!
Jereo anie e:
-Izay miaraka @ Yahoshuah no vary.
-Izay miaraka @ Jesosy no tsiparifary.
-Dia i stahtam bozaka, satria tsy mino baiboly.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0882