MADAGASIKARA ilay NOSY ivoahan'ny fitsipika hoan'ny jentilisa(firenena rehetra)

81. Miharena ( 24/05/2017 10:33)
Miarahaba ny rehetra.

Raha manaraka ilay adihevitra aho dia mahita hoe mbola manta ara-panahy daholo izay miteny.

Fanavahana anarana no iadiana eto fa tsy ny vontoatin'ny maha-IZY AZY sy ny fiasaNY amintsika zanak'olombelona izay tokony havotana hiala amin'ny haizina ho amin'ny FahazavaNY Mahagaga.

Ny ankehitriny dia tokony ho efa fahatanterahan'ny Teny rehetra nolazain'i Jesoa?Jesosy?Yahoshua.

Izay filazanareo Azy mety daholo satria tsy ny Anarany no tokony hifotorana fa ny TENY nentiNY.

Matetika isika mpandalina finoana dia mitompo teny fantatra amin'ny resaka anarana fa tsy mijery ny vontoatin'ny Filazantsara nentina voarakitra ao anaty Baiboly ary efa misy ireo olona izay mahatsapa tanteraka ny fahatanterahan'ny TENY izay nolazain'i Jesoa hambara amin'ny olona rehetra eto ambany masoandro.

Mpaminany maro no efa nifandimby. Apostoly maro no efa manana ny Bitsiky ny Fanahy. Maro ireo izay efa nanehoana ireo karazan-dalan'ny fanahy tsirairay.

Fa ny olana dia mbola jamba sy matory daholo dia io no mahatonga ny tsy fahazoana izay lazaina sy ambaran'ny faminaniana maro nifanesy.

Irina fatra tra ny hifohazantsika Malagasy raha toa ka tiana tokoa ilay loha-hevitra hoe Madagasikara no ilay Nosy hivoahan'ny Fitsipika ho an'ny Firenena rehetra.

Ny tiana hisarihana ny fon'ny tsirairay dia ny hanaraka ny famantarana manaraka ny Mino ary iriana fatratra ny fifohazana amin'izany Finoana izany fa tsy ho lany andro amin'ny adihevitra tsy misy vontoatiny.

Mazotoa ary aoka samy hahita ny Marina ao anatiny avy.

Ilay Mpahary anie haneho AZY ao anatintsika tsirairay avy !

82. stahtam ( 24/05/2017 10:35)

[quote=MINDAOZY]
Ary tena efa miavaka tokoa izao ny vary sy ny tsiparifary a!
Jereo anie e:
-Izay miaraka @ Yahoshuah no vary.
-Izay miaraka @ Jesosy no tsiparifary.
-Dia i stahtam bozaka, satria tsy mino baiboly.
[quote=stahtam]
Ilay tsiparifary t@ 1996 izany nivadika vary t@ 2009. Tanimbary aiza no misy an'izany fa tena tokony hampidirina ho anisan'ny merveilles du monde an!
Baiboly tsy natao ho anao moa no ilingilingiana ka aiza moa no tsy hiteniteny foana?
83. RBNIR ( 24/05/2017 12:00)
Salama Miharena, elaela izy izany namana, faly misera aminao indray...
84. stahtam ( 24/05/2017 14:01)

[quote=Miharena]
Miarahaba ny rehetra.

Raha manaraka ilay adihevitra aho dia mahita hoe mbola manta ara-panahy daholo izay miteny.
Fanavahana anarana no iadiana eto fa tsy ny vontoatin'ny maha-IZY AZY sy ny fiasaNY amintsika zanak'olombelona izay tokony havotana hiala amin'ny haizina ho amin'ny FahazavaNY Mahagaga.
Ny ankehitriny dia tokony ho efa fahatanterahan'ny Teny rehetra nolazain'i Jesoa?Jesosy?Yahoshua.

Matetika isika mpandalina finoana dia mitompo teny fantatra amin'ny resaka anarana fa tsy mijery ny vontoatin'ny Filazantsara nentina voarakitra ao anaty Baiboly ary efa misy ireo olona izay mahatsapa tanteraka ny fahatanterahan'ny TENY izay nolazain'i Jesoa hambara amin'ny olona rehetra eto ambany masoandro.
Mpaminany maro no efa nifandimby. Apostoly maro no efa manana ny Bitsiky ny Fanahy. Maro ireo izay efa nanehoana ireo karazan-dalan'ny fanahy tsirairay.

[quote=stahtam]
Ka rehefa mandeha eto ny fandinihana dia ho hita miandalana ihany izay "mbola manta" sy "efa masaka" ka!
1°) Aminao izany dia mbola manta izay miady anarana:
Maninona ny baiboly malagasy no misy version roa farafahakeliny @ anarana? Jesosy (dikan-teny protestanta) sy Jesoa (dikan-teny DIEM)
Hoy mantsy ianao hoe: "Izay filazanareo Azy mety daholo satria tsy ny Anarany no tokony hifotorana fa ny TENY nentiNY." Ka naninona no novain-dry zareo mpandika baiboly sy nataony fanoratra samy hafa ilay anarana fa tsy ilay taloha fotsiny no notazonina dia vita?
2°) "Fa ny olana dia mbola jamba sy matory daholo dia io no mahatonga ny tsy fahazoana izay lazaina sy ambaran'ny faminaniana maro nifanesy"
Ka ilazako faminaniana iray àry ianao ilay "mahiratra sy efa mifoha" : Ary hitako fa, indro, ny Zanak'ondry nitsangana teo an-tendrombohitra Ziona, ary nisy 144 000 nomba Ary, samy manana ny anarany sy ny anaran'ny Rainy voasoratra eo amin'ny handriny (Apok 14/1). Dia mba atoroy anay mbola jamba sy matory ary hoe: iza no anarana voasoratra eo @ handrinao? Sa mety daholo (misy karazany marobe izany) fa ny "vontoatin'ny maha-IZY AZY sy ny fiasaNY amintsika zanak'olombelona" ihany no tokony hiadiana?
Ny faminaniana dia nilaza hoe: hisy anarany vaovao izay homeny ny mpandresy (Apok 3/12). Ka hadalàny izany no nitenenany an'io fa araka ny fandalinanao (izay tsy mitompo teny fantatra) dia tsy ny anarana no tokony hifotorana?
3°) "Izay filazanareo Azy mety daholo satria tsy ny Anarany no tokony hifotorana fa ny TENY nentiNY." Teny nentiny ny momba ny anarany; dia tokony hifotorana izany sa tsy tokony?
85. RA TAN ( 25/05/2017 04:29)
stahtam:

Mirefarefa ilay niveau RA TAN a!
verset io hoe: "jugement". Dia = fitsipika koa ve izany io jugement io aminao? sa jugement no rariny ho an'ny jentilisa?

- Dia aleo koa eto, atao mahitsy tahaka ny miresaka @ zazakely fa tena mahakivy ilay niveau e!
Fomba ilazàna ny Israeliana ny hoe Jakoba fa ilay havendrananao dia miharihary loatra!

Ampahatsiahiviko eto ny valiteninao miseho manambanimbany io, dia ho hitanao fa tena ianao no ambany fisainana:

Miezakamafy ny mafy ny mandositra an'ilay *DEO,30:11-12* i ngahy stahtam, fa tsy afaka e! DIKAINY MANTSY IO SORATRA MASINA IO.
Jereo indray anie ty fialana ataony e:

Hoy i stahtam hoe:
"DEO,30:11-13". .... Mika 4 dia milaza hoe: 1 Ary izao no ho tonga ANY AMPARANY ...; Ary ny firenena rehetra hitanjozotra hoany, ...

Izaho:
***DEO,30:11 Fa izao lalàna izao, izay andidiako anao anio, ...12 Tsy any an-danitra izany ka ... 13 Ary tsy any an-dafin'ny ranomasina izany ...***
"IZAO" & "ANIO": Efa t@ fahaveloman'i Moshè io lalàna io no notandremana sady nihatra nanomboka tamin'izany; fa tsy hoe mbola hoavy akory.
Fa tao ambony tao aho no efa niteny hoe: lazain'i stahtam fa MBOLA HO AVY indray zao io "DEO,30:11-13" io rehefa sahirana izy, dia io tokoa ary fa lazainy fa MBOLA ANY AMPARANY INDRAY HONO IO. Fa ingahy stahtam tsy mahasahy miteny mahitsy; fa mody ilay *MIKA,4:1-* no mody arosony eo.
Nefa mazava be ny teny sady tsis mivilana na kely akory aza.
MIFATOTRA IANAO RY STAHTAM AAAAAA!!
MPANDIKA LALÀNA IANAO EEE!!
FA MITONANTONANA BE MANINONA ATY M/CAR NGA IO STAHTAM IO O????
MANANGANA SECTE VE??
==> FANOHERANA NY TENIN'I MOSHÈ INDRAY IO ATAONY IO!
DIA REHEFA MANOHITRA AN'I MOSHÈ IANAO DIA MANOHITRA NY *TESTAMETA TALOHA* NY DIKAN'IZANY E!

Dia iza ary ilay lazainao fa israeliana TPNDROIN'IO ISAIA,42:1-6 io aminao??
Tonga dia lazao ny anarany, fa tsy ny resaka dikateny indray no itsingolohanao ataonao fialana bala eo. sa MBOLA ANY AMPARANY tahaka an'itsy ambony indray koa?
86. Miharena ( 25/05/2017 04:47)
stahtam:

Ka rehefa mandeha eto ny fandinihana dia ho hita miandalana ihany izay "mbola manta" sy "efa masaka" ka!
1°) Aminao izany dia mbola manta izay miady anarana:
Maninona ny baiboly malagasy no misy version roa farafahakeliny @ anarana? Jesosy (dikan-teny protestanta) sy Jesoa (dikan-teny DIEM)
Hoy mantsy ianao hoe: "Izay filazanareo Azy mety daholo satria tsy ny Anarany no tokony hifotorana fa ny TENY nentiNY." Ka naninona no novain-dry zareo mpandika baiboly sy nataony fanoratra samy hafa ilay anarana fa tsy ilay taloha fotsiny no notazonina dia vita?
2°) "Fa ny olana dia mbola jamba sy matory daholo dia io no mahatonga ny tsy fahazoana izay lazaina sy ambaran'ny faminaniana maro nifanesy"
Ka ilazako faminaniana iray àry ianao ilay "mahiratra sy efa mifoha" : Ary hitako fa, indro, ny Zanak'ondry nitsangana teo an-tendrombohitra Ziona, ary nisy 144 000 nomba Ary, samy manana ny anarany sy ny anaran'ny Rainy voasoratra eo amin'ny handriny (Apok 14/1). Dia mba atoroy anay mbola jamba sy matory ary hoe: iza no anarana voasoratra eo @ handrinao? Sa mety daholo (misy karazany marobe izany) fa ny "vontoatin'ny maha-IZY AZY sy ny fiasaNY amintsika zanak'olombelona" ihany no tokony hiadiana?
Ny faminaniana dia nilaza hoe: hisy anarany vaovao izay homeny ny mpandresy (Apok 3/12). Ka hadalàny izany no nitenenany an'io fa araka ny fandalinanao (izay tsy mitompo teny fantatra) dia tsy ny anarana no tokony hifotorana?
3°) "Izay filazanareo Azy mety daholo satria tsy ny Anarany no tokony hifotorana fa ny TENY nentiNY." Teny nentiny ny momba ny anarany; dia tokony hifotorana izany sa tsy tokony?

Ny famintinana ity hevitra asehonao ity dia mifototra amin'ny karazana anarana.

Aoka ho fantatsika fa ny ANARAN'Andriamanitra dia samy manana ny fiantsony AZY ny fokom-pirenena isan-tokony nanehoaNY hatrany ny VoninahiNY.

Ity ny Apok 3/12 "Izay maharesy no hataoko andry eo amin'ny tempolin'Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy; ary hosoratako eo aminy ny anaran'Andriamanitro sy ny anaran'ny tanànan'Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin'Andriamanitro, ary ilay anarako vaovao."

Ny AnaraNY VAOVAO io lazaiNY io fa tsy izay nahafantarantsika AZY tety ambonin'ny TANY. Ka na Jesoa, na JESOSY, na ISSA, na Yahoshua sns marobe tsy voatanisa eto ambonin'ny tany na koa aza any amin'ny faritra ankoatry ny Tany dia izay vontoatin'ny TENY ihany no manambara AZY raha fantarinao tsara IZY.

Aza manonofy isika fa rehefa tonga amin'ny sehatra manaraka amin'ny tena VAOVAO vao afaka mahazo ANARANA avy AMINY ka hahalalanao fa IZY marina no nanjohy anao hatrany teo ampanaovana ny ASANY ka homena ny ANJARA MANDRAKIZAY.

RAHA MAHAFANTATRA NY ANARANY IANAO ETO NEFA TSY MAHAFANTATRA NY ASANY, sanatria lasa sampy ny ANARANY.

Izany no nanomezana ny DIdy folo ka ao amin'ny didy voalohany dia efa nolazaiNY hoe aza manonom-poana ny ANARAN'Andriamanitrao. Midika io hoe fantaro IZY aloha amin'ny ASANYsy ny HAFANY fa aza antsointsoina nefa tsy fantatrao akory ny maha-IZY AZY.
87. RA TAN ( 25/05/2017 05:39)
Miharena:

...Jesoa?Jesosy?Yahoshua.

Izay filazanareo Azy mety daholo ...

Lalàna aiza ao @ baiboly no miteny anao hoe ataovy araka izay saimpatanareo ny Anaran'A/tra?
Eritreritrao manokana io fa tsy marina.

Fa izao no sitrapon'A/tra:
"ASA,4:12 fa tsy misy ANARANA hafa ety ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay ahazoantsika famonjena"
Arak'izany, TOKANA ny anaran'io zanak'A/tra io ETO AMBONIN'NY TANY.

Ary JIOSY io zanak'A/tra io dia ANARANA JIOSY NY ANARANY (JAONA,4:22): "YAHOSHUAH" ilay anarana jiosy.

ASA,10:43 fa amin'ny ANARANY no ahazoan'izay rehetra mino Azy famelankeloka.

JAONA,3:18 Izay mino Azy dia tsy ho helohina, fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo; satria tsy mino ny ANARAN'ny zakak'Andriamanitra izy.

Tena nitsahinao daol ireo tenin'A/tra ireo.

Mampitovy an'A/tra @ devoly izay mampitovy an'i YAHOSHUAH @ a/try ny grika(iesous/zeus/zezo/jesosy).

Aza manaiky ataon'ny devoly fitaovana intsony.
88. RA TAN ( 25/05/2017 06:53)
stahtam:

Holazaiko aminao hatao inona ny mesiako, fa angaha ianao tsy efa manana? Tsy misy azonao @ izany eto

stahtam:(02/12/2016 07:48)
…Ny Mesia inoako dia Jodaiste ka lojika be ny teninao. Yahoshuah dia tsy jodaiste, normal izany ny fifanoherana raha misy. “JODAISME tsy mino ny testameta vaovao” Ka taiza no nisy Jodaistes nanorina fampianarana t@ io? Ny Mesia inoako dia ny Lalàna sy ny Mpaminany sy ny Salamo no nataony fototry ny fampianarany sy notanterahiny fa tsy ny tantaran’ny testameta vaovao. …
… Raha ny testameta vaovao no lazainao fa filazantsara dia manamafy tsara mihintsy izany fa samy hafa ny baibolintsika. Hafa no nomena ny Jodaistes ary hafa ny anareo. Manamafy izany ny Salamo 147/19,20 satria ny Isiraeliana no voalaza eo. Ny testameta vaovao no anareo. Olona hafa taty aoriana no nanoratra ireny hianareo fa ilay ivavahanay sy ilay Mesia nirehiny kosa dia tsy mba nanome izany testameta vaovao izany hoanay. Izy sy ny mpianany dia tsy nanorina ny fiangonany t@ izay verset avy tao. …
“ROM 11:28 ra ny amin’ny filazantsara dia fahavalo ny jiosy noho ny aminareo”. Ary ilay olona niteny an’io verset io mba inona?
stahtam:(16/01/2017 07:31)
… Ny kristy eritreretinao aza ange ka iomehezan’ny israeliana e! Taranaka haterak’I Davida no Mesia nolazain’ny faminaniana Israeliana. Ny anao anefa dia sady tsy taranak’I Davida no mbola avy @ fanahy koa. …
stahtam:(20/01/2017 07:49)
… Voasoratra ao anatin’ny testameta taloha @ teny hebreo ny Mesia inoako. Mbola tsy nosoratana akory io testameta vaovao-nareo io dia efa fantatry ny Israeliana izany. Tsy misy idiran’ny testameta vaovao @ izany … Ny anarany? Tsy yahoshuah (Anarana azo avy @ mathematique io yah+hoshuah=yahoshuah) fa Anarana hafa efa nambaran’ny mpaminany (israeliana) sy nosoratany tao anaty baiboly hebreo hatry ny ela. …

[color=blue]RA TAN:
Nahay niteny an'ireo teny sasany momba ny mesia-nao ireo ianao ka ahoana no TSY SAHY mitonona ny anarany eto?
Rehfa tsy sahy mitonona ihany, maninona raha tsy niteny an'ireo fandrirarirana be ireo hatrany amboalohany.
Fa tsy misy ilaivako ny mesia-nao izany, fa efa fantatra anie fa devoly ny anao matoa mitsipaka baiboly e!
Efa fantatro anie izany mesia-nao izany e! fa ianao mihintsy no didiko hiteny ny anarany eto raha sahy(fa ianao efa fantatra fa tsy sahy izany, fa misy manery anao tsy hiteny ao). Na tsy hiteny aza ianao efa fantatro ilay izy; na ny devoly mpibaiko an'io mesia-nao io aza fantatro, ary ianao koa fantatro!

Fa atao tsy mahateny ny anaran'ny mesia-nao mihintsy ianao, mba ho fantatry ny rehetra fa tsy fampiseho akory ny anaran'ny mesia-nao nohon'ny faharatsiany diso tafahoatra.
Izany no mahatonga anao io miraikitra tahak'io.
89. Miharena ( 25/05/2017 07:05)

RA TAN:

Miharena:

...Jesoa?Jesosy?Yahoshua.

Izay filazanareo Azy mety daholo ...

Lalàna aiza ao @ baiboly no miteny anao hoe ataovy araka izay saimpatanareo ny Anaran'A/tra?
Eritreritrao manokana io fa tsy marina.

Fa izao no sitrapon'A/tra:
"ASA,4:12 fa tsy misy ANARANA hafa ety ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay ahazoantsika famonjena"
Arak'izany, TOKANA ny anaran'io zanak'A/tra io ETO AMBONIN'NY TANY.

Ary JIOSY io zanak'A/tra io dia ANARANA JIOSY NY ANARANY (JAONA,4:22): "YAHOSHUAH" ilay anarana jiosy.

ASA,10:43 fa amin'ny ANARANY no ahazoan'izay rehetra mino Azy famelankeloka.

JAONA,3:18 Izay mino Azy dia tsy ho helohina, fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo; satria tsy mino ny ANARAN'ny zakak'Andriamanitra izy.

Tena nitsahinao daol ireo tenin'A/tra ireo.

Mampitovy an'A/tra @ devoly izay mampitovy an'i YAHOSHUAH @ a/try ny grika(iesous/zeus/zezo/jesosy).

Aza manaiky ataon'ny devoly fitaovana intsony.

Ny maha-zendana ankehitriny RA TAN dia takona tanteraka ny Hasin'ny Tompo rehefa mitory anarana ny mpitarika.

Fantatrao ve ny tantara nihatra tamin'ny fotoan'andro nahatongavan'ny Mpitory teto Madagasikara? David Jones sy Thomas Bevan no nahazo bitsika ny hitondra ny Filazan-tsara teto Madagasikara. Nampianatra izy ireo fa tsy nitory Anarana.

Mba azonao an-tsaina ve hoe tamin'izany andro izany dia nifanesy ny fahagagana noho ny Tenin'Andriamanitra arak'io dika teny Malagasy hitantsika sy ampiasaintsika io izao?

Miverena ianao aloha mamaky ny tantara nateraky ny toriteny teto vao miteny hoe diso lalana ny olona.

Azo hakana ohatra ny tantaran'ny Fifohazana ary arahina tsara ny fifandraisan'i Jesoa/Jesosy/Yahoshua mivantana tamin'ireo izay nofohazina. Izy ireo no mahalala fa tsy mahasoa ny ady anarana satria tsy izany no nanirahana azy ireo. Mba fantatrao ve hoe raha nihaona tamin'i Jesoa ireo olona ireo, dia tsy nomena azy ny tena ANARANY fiantsoana AZY any andanitra? Mahafantatra ireo fa tsy mahasoa ny miady anarana satria na ny Soratra Masina aza mbola zaza bodo ny Malagasy amin'ny fahazoana ny vontoatiny.

Saingy be Voninahitra sady mitana ny maha-Mpanetry Tena Azy ny Tompo matoa manaiky antsoina amin'izay fahafantaran'ny olona AZY. Na ny Silamo aza izao mahafantatra Azy amin'ny anarana hoe ISSA.

Betsaka ny vavolombelona fa mila fantarina amin'ny voany ny hazo.

Ny Mpanjaka Mahefa ny zava-drehetra tsy azonao ferana rehefa miasa ka sao dia voavilivily amin'ny fanompoana anarana izay fampianaran'i Jesoa teto amin'ity izao tontolo izao ity.
90. RA TAN ( 25/05/2017 07:34)

Aza miodinkodina be ianao, jereo fotsiny izay ambaran'ny soratra masina, dia aiza ho aiza ianao manoloana an'izany.
Dia valio mahitsy koa ny fanontaniako:

Lalàna aiza ao @ baiboly no miteny anao hoe ataovy araka izay saimpatanareo ny Anaran'A/tra?
Eritreritrao manokana io fa tsy marina.

Fa izao no sitrapon'A/tra:

"ASA,4:12 fa tsy misy ANARANA hafa ety ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay ahazoantsika famonjena"
Arak'izany, TOKANA ny anaran'io zanak'A/tra io ETO AMBONIN'NY TANY.

Ary JIOSY io zanak'A/tra io dia ANARANA JIOSY NY ANARANY (JAONA,4:22): "YAHOSHUAH" ilay anarana jiosy.

ASA,10:43 fa amin'ny ANARANY no ahazoan'izay rehetra mino Azy famelankeloka.

JAONA,3:18 Izay mino Azy dia tsy ho helohina, fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo; satria tsy mino ny ANARAN'ny zakak'Andriamanitra izy.

EKENAO ARY VE IREO VOALAZAN'NY SORATRA MASINA IREO SA LAVINAO????
Valio mahitsy: rehefa ENY dia ENY, rehefa TSIA dia TSIA. Fa raha tsy sahy manome valiteny mahitsy ianao mampieritreritra.

Mampitovy an'A/tra @ devoly izay mampitovy an'i YAHOSHUAH @ a/try ny grika(iesous/zeus/zezo/jesosy).

Aza manaiky ataon'ny devoly fitaovana intsony.
91. MINDAOZY ( 25/05/2017 07:53)
92. MINDAOZY ( 25/05/2017 07:58)
93. Miharena ( 25/05/2017 08:33)
Misaotra amin'ny Finoana ananareo ary manantena vokatra tsara e!

Be Voninahitra ny TOMPO ka hiseho eo anatrehanareo hatrany anie IZY!

Ny tiana ambara etoana dia ilay hafatra hoe : TANO MAFY IZAY ANANANAO MBA TSY HISY HAKA NY SATRO-BONINAHITRAO!

ARY koa : DIDY VAOVAO NO OMEKO ANAREO DIA NY MBA HIFANKATIAVANAREO! Famantarana manaraka ny MINO izany.

Ka aoka hatsahatro aloha ny ady teny fa tsy misy maharesy lahatra afa-tsy ny Fanahy Masina ihany sy ny Mpamorona miseho amin'ny voariny io.
94. RA TAN ( 25/05/2017 09:09)

Miharena:

Ny tiana ambara etoana dia ilay hafatra hoe : TANO MAFY IZAY ANANANAO MBA TSY HISY HAKA NY SATRO-BONINAHITRAO!

ARY koa : DIDY VAOVAO NO OMEKO ANAREO DIA NY MBA HIFANKATIAVANAREO! Famantarana manaraka ny MINO izany.
..tsy misy maharesy lahatra afa-tsy ny Fanahy Masina ihany sy ny Mpamorona miseho amin'ny voariny io.

Valio ilay fanontaniako, fa aza mitady lalana andosirana e!

LALÀNA AIZA AO @ BAIBOLY NO AHAFAHANAO MILAZA FA METY DAOL IZAY ATAO ANARAN'A/TRA??

Fa tsy avy @ Fanahy masina angaha aminao ny "ASA,4:12" no lavinao??

Fanoherana soratra masina no misy any aminareo any, fa tsy misy fanahy masina izany any. Ka fanoherana an'A/tra ve no ho tazominao mafy?

Fa aty @ YAHOSHUAH vao mety ilay hoe "tano mafy izay anananao", fa tsy any ivelan'ny fanjakan'A/tra any.
95. Miharena ( 25/05/2017 09:49)
Raha hamaly fanontaniana aho RA TAN, tsy misy soratra ao hoe Yahoshuah no AnaraNY fa Jesosy no ao ka asa hoe LALANA avy aiza no itenenanao fa tsy izy ilay JESOSY izay voasoratra ao? Ary ny mahagaga dia io Baiboly vakianao io dia JESOSY avokoa no ao aloha ka hahafantaran'ny maro AZY eto ambonin'ny Tany.

Marina fa efa fantatra ny fiantso AZY amin'ny Jiosy. Ny J dia Y no fanononana azy amin'ny teny taloha teo amin'ny Romana ka mitovy ihany ny Yahoshuah sy ny Jesosy na Jesoa satria aoka ho fantatra fa nizara ny fomba fanononana arakaraka ny firenena tsirairay. Issa hoy ny Silamo hoy aho teo.

Aoka ho fantatsika fa ny Yahoshuah dia Famaritana fa tsy ANARANA raha vahavahana ny momba azy.

Fa ny ANARANA tena AZY marina tsy eto ambonin'ny TANY no hanononana azy. Saingy IZY mahafantatra fa IZY no antsoin'ny isam-pirenena araka ny fiantsony avy.

Raha miteny ianao hoe any ny Fanjakan'Andriamanitra, ny filazan'i Jesoa ihany no manipaka izany. Hoy IZY, raha misy milaza aminareo hoe eroa na atsy ny Fanjakan'Andriamanitra dia aza mino! Fa indro ny Fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo!!!

Tokony hatsahatra ilay famitaham-bahoaka namana fa mampalahelo a!

Hamaranana : Hoy IZY : indro mandondona AHO, ka raha misy mampandroso AHY dia hiditra ao aminy AHO ary hiara-hisakafo aminy. Miara-mitombo AMINY no tiana ambara eto. Ka aoka izay no imasoana fa tsy fanindrahindrana famaritana ANARANA.

96. RA TAN ( 25/05/2017 12:13)
Hoan'i Miharena sy RBNIR.

MAT,5:37 Fa aoka ny teninareo ho eny dia eny, tsia dia tsia; fa ny ankoatr'izay dia avy amin'ilay ratsy.

"ASA,4:12 fa tsy misy anarana hafa ety ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay ahazoantsika famonjena"

EKENAREO VE IO TENIN'A/TRA IO???
ENY na TSIA fotsiny, fa aza miodinkodina.

Fa ra vao tsy mamaly ENY na TSIA eo nareo, fa mbola miodinkodina mitady hevitra andosirana eo, dia ianareo ihany no mametraka ny tenanareo ho avy amin'ilay ratsy.
97. Miharena ( 25/05/2017 13:22)

Tenin'Andriamanitra mazava ireo ary ao anaty Baiboly misy hoe Jesosy fa tsy Yahoshuah voasoratra mazava tsara koa.

Ka ekenareo ve ENY sa TSIA fa ts yvoasoratra ao anatin'ny Baiboly novakianao ny hoe Yahoshuah!!??

Aza mihodinkodina koa fa valio fa avy amin'ilay ratsy ny fihodinkodinana sy ny fitadiavana ankoatr'izay nampaiarana ny tsirairay!!
98. RA TAN ( 25/05/2017 13:56)
[quote=RA TAN]
Hoan'i Miharena.

MAT,5:37 Fa aoka ny teninareo ho eny dia eny, tsia dia tsia; fa ny ankoatr'izay dia avy amin'ilay ratsy.

"ASA,4:12 fa tsy misy anarana hafa ety ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay ahazoantsika famonjena"

EKENAREO VE IO TENIN'A/TRA IO???
ENY na TSIA fotsiny, fa aza miodinkodina.

Fa ra vao tsy mamaly ENY na TSIA eo nareo, fa mbola miodinkodina mitady hevitra andosirana eo, dia ianareo ihany no mametraka ny tenanareo ho avy amin'ilay ratsy.

Valio aloha io fanontaniako io, dia rehefa voavalinao io dia izay ianao vao mametraka fanontaniana amiko indray.

Ianao mbl tsy namaly ny fanontaniako akory, nefa mametraka fanontaniana amiko sahady. Fandosirana an'io fanontaniana tsotra kely apetrako io ny dikan'io fihetsikao io.

Valio aloha ny ahy, dia valiko ny anao avy eo e!
99. RA TAN ( 26/05/2017 04:05)
stahtam:

Ilay tsiparifary t@ 1996 izany nivadika vary t@ 2009. Tanimbary aiza no misy an'izany fa tena tokony hampidirina ho anisan'ny merveilles du monde an!
Baiboly tsy natao ho anao moa no ilingilingiana ka aiza moa no tsy hiteniteny foana?

=> Ndana vakio ny "JEREMIA,25:8,9", fa tena i Nebokadinezara mpanompo devoly be mihintsy aza no nataon'A/tra hoe "Nebokadinezara mpanompoko". Fa rehefa misy zavatra tin'A/tra ahatongavana tsy miraharaha izany Izy, fa na ny devoly aza ataony fitaovana.

Dia tahak'izany koa, tena nampiasain'i YAHOSHUAH ilay anaran-demony be (1995-2008), satria mbola tsy tonga ny fotoana hilazany ny Anarany tamin'izany. Fa ny vary dia vary atr@ voalohany, fa mbl tsy namoa Izy tamin'izany dia tsy hainao ny nanavaka Azy t@ tsiparifary: YAHOSHUAH dia YAHOSHUAH hatr@ voalohany, fa mbl tsy niteny ny anarany Izy t@ izany dia tsy hainao.
100. RA TAN ( 26/05/2017 04:23)
Miharena:

Ka ekenareo ve ENY sa TSIA fa ts yvoasoratra ao anatin'ny Baiboly novakianao ny hoe Yahoshuah!!??

Tonga dia mahitsy be aho miteny aminao: TSIA.
TSY ao anatin'ny baiboly gasy ilay anarana marina YAHOSHUAH.
Fa ambaran'ny baiboly rehetra ny fepetra momba an'io anarana io; anisan'izany fepetra izany ilay "ASA,4:12" TOKANA ny anarany sady TSY AZO OVAINA.

Dia valio mahitsy koa ny fanontaniako.
EKENAO VE NY "ASA,4:12"???
ENY sa TSIA.

Valio.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1263