Atra ve mba mitaindrina ny didy 10?

1. endriny ( 02/05/2017 14:43)
Hoy Atra: "Aza mitsiriritra fananan'olona", kanefa izy Atra ary nitsiriritra ny fofom-badin'i Josefa

Hoy Atra: "Aza mangala-badin'olona". Kanefa tsy vitan'ny hoe notsiriritiny fotsiny ny fofom-badin'i Josefa fa nopehany mihintsy ka tsy namelany raha tsy bevohokany.

Dia hiteny isika hoe: "tsia tsy marina izany". Ataovy ao amintsika ny toeran'i Josefa. Ilay ramatoakely fofom-bady no bevohokan'ny dadabe sanatria.

Hoy Atra: "Aza mandainga", kanefa hoy ry RATAN sy ny hafa hoe "efa foana ny didy 10", ny sasany hoe : "Efa fanekena vaovao izao" satria efa nofohan'i Jesosy zanany hono ny didy 10"> Ka raha I Jesosy tonga nanafoana ny didy 10, satria tsy marina izany ny didy 10 koa atao ahoana moa.

Hoy Atra: "Aza mamono olona", fa izy Atra ihany no namono olona ary mbola nampamono olona tamin'ny kroazady, sy hatramin'izao.

Aleo aloha hatreo
novalian'i endriny ny 08/05/2017 15:07
2. rhaj0 ( 02/05/2017 15:04)
Ka ireto "didy" anie ho an'ny olona fa tsy ho Azy eee...

Dia izany ihany koa no ianaran'izao adala sy hendry eran-tany izao.

Fa ny loza dia, vao mainka azany ireo adala sy hendry ireo mahazo oye-oye..

izay indrindra no fataon'i RBNIR manindrahindra ho "masina-masina" io, na dia "mandripaka" azy Andrmntra-ny eee...
3. endriny ( 02/05/2017 15:35)
Ny an'i Sareraka izany: "aza ny ataoko no atao fa izay lazaiko tanteraho"
4. rhaj0 ( 02/05/2017 16:32)
Lasa ihomehezana fotsiny sisa izy ity... Inona no loza kokoa:
- ny tsy mitandrina ny Didy
- sa i Sareraka


Fa ny "vilam-bava" fataon'Atra anie dia ... toa azo raofina @ sobika mihintsy izao "inconsistance/contradiction" ao @ Baiboly ao izao eee.. raha "inoana" fa "tenin'Atra" izao ao @ Baiboly ao izao.

Sirik'Ineny Gogola ato, fa raiso tsi11 anie eee...
https://infidels.org/library/modern/donald_morgan/contradictions.html


Dia tena tsy mahagaga intsony izany raha mifanipaka toa kisoa am-bala moa, sa adrisa an-karona, ny Kristiana.

5. RBNIR ( 03/05/2017 07:54)
Andriamanitra mihitsy no nampianatra ny olona hitandrina ny didy 10...

« Ary tamin'ny andro fahafito dia vitan'Andriamanitra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin'ny andro fahafito Izy tamin'ny asany rehetra izay efa nataony. » (Genesisy 2:2)
« Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany no nitsaharan'Andriamanitra tamin'ny asany rehetra izay noforoniny tamin'ny nanaovany azy. » (Genesisy 2:3)


Didy faha efatra amin'ny didy 10 io....

Fanampiny Jesosy IZAY Andriamanitra ihany koa dia nitandrina ireo didy ireo....

« Ary ny devoly nitondra Azy nankany amin'ny tanàna masina ka nampitoetra Azy teo an-tampon ny tempoly, » (Matio 4:5)
« dia nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao; Ary eny an-tànany no hitondran'ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao (Sal. 91. 11, 12). » (Matio 4:6)
« Hoy Jesosy taminy: Voasoratra hoe koa: Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao (Deo. 6. 16). » (Matio 4:7)
« Ary ny devoly nitondra Azy Indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny, » (Matio 4:8)
« dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao. » (Matio 4:9)
« Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ry Satana: fa voasoratra hoe; Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 6. 13). » (Matio 4:10)


Izay rehetra voasoratra dia notandreman'i Jesosy....

6. RBNIR ( 03/05/2017 08:00)
Inona moa no tanjona amin'ny Fanompoana???

« Koa amin izany aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra. » (Matio 5:48)


Mba hitovy toetra amin'Andriamanitra (tanteraka tahaka Azy).....

Ahoana no hahatanterahan'izany???

« Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. » (Galatiana 2:20)


Atao izay hahatonga an'i Kristy velona ao anatinao ao....Ny toetran'i Kristy no lasa toetranao, Kristy dia nitandrina ny didy noho izany ianao koa dia mila mitandrina ny didy, kristy tsy nanota, noho izany ianao koa dia tsy tokony hanota.......sns.....

Izay olona tonga amin'izay toerana izay no manana ny fiainana mandrakizay (na ny fanjakan'ny lanitra)...« Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, ety! na ery ! fa, indro, ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo*.[*Na: efa eo aminareo] » (Lioka 17:21)





7. RBNIR ( 03/05/2017 08:19)
Ny fanjakan'Andriamanitra dia fiainana,

Miala amin'ny toetra maha olona dia tonga amin'ny toetra maha zanak'Andriamanitra (mitovy toetra Aminy tahaka an'i Kristy Jesosy)

Te ho tonga amin'izany v ianao? Mangetaheta fiainana mandrak"izay???

Araho ity fandaharana ity hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany fa ho tonga ianao ary tsy hanenina...



8. RBNIR ( 03/05/2017 09:16)
rhaj0:

Ka ireto "didy" anie ho an'ny olona fa tsy ho Azy eee...

Izay ilay tsy fahafantarana ny secretn'Andriamanitra izay...

Ny tanjon'Andriamanitra dia ny ahatonga ny olona ho lasa zanak'Andriamanitra "tanteraka tahaka Azy",

Noporofoiny tamin'ny alalan'i Kristy Jesosy fa azon'ny olona atao tsara ny ho tanteraka tahaka Azy...
9. RBNIR ( 03/05/2017 09:27)
Fampianarana no nataon'Andriamanitra mba haneken'ny olona fa azo atao tsara ny manao ny sitrapony...;


Ny tanjon'Andriamanitra dia mba lasa ho olona masina tahaka Azy ny olona rehetra...« Mitenena amin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, hoe: Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho, Jehovah Andriamanitrareo. » (Levitikosy 19:2)


Ny fahamasinana dia hotanteraka ao amin'ny olona iray rehefa mitandrina ny didiny sy mino an'i Jesosy ilay olona...« Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy. » (Apokalypsy 14:12)

Olona masina = dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy....
10. RBNIR ( 03/05/2017 10:41)
endriny:

Hoy Atra: "Aza mangala-badin'olona". Kanefa tsy vitan'ny hoe notsiriritiny fotsiny ny fofom-badin'i Josefa fa nopehany mihintsy ka tsy namelany raha tsy bevohokany.

Tsy dia izay loatra angamba fa raha ny marina dia karazana "mère porteuse" fotsiny ihany i Maria renin'i Jesosy...
11. RBNIR ( 03/05/2017 10:42)
Izao ilay voasoratra...

« Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy tamin'ny nofy ka nanao hoe: Ry Josefa, zanak'i Davida, aza matahotra hampakatra an'i Maria vadinao; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin'ny Fanahy Masina, » (Matio 1:20)


Ary matoa nanaiky i Josefa dia mino aho fa tsy araka ilay noheverinao ny zavatra nitranga endriny...
12. rhaj0 ( 03/05/2017 11:15)
Ny lamentation-ndRBNIR ve ho lany...

Fa inty indray izao ohatra "vilam-bava" iray nataon'Andmntra.

Matio 5:44 Fa izaho kosa milaza aminareo: Tiavo ny fahavalonareo
=== ho an-draolona, averina kely, "Tiavo ny fahavalonareo"

Lioka 19:27 Ary ireo fahavaloko tsy nety hanjakako ireo kosa dia ento atý, ka vonoy eto anatrehako.
===ho an'Andrmntra, "vonoy ny fahavalo[size=8]n'Andmntra[/size]"


Letia ee... Dia tsy Izy no manao azy izany, fa dia tena maniraka fotsiny Izy @ io.

Dia tsy mila lazaina akoriny ilay ao @ Didy 10 hoe, "Aza Mamono Olona" @ io.
13. RBNIR ( 03/05/2017 11:20)
Any amin'ny fitsarana izany rhajo a! izay ilay droit n'ny mpamorona izay tsy hitovizany amin'ny zavatra noforoniny...

Fa ny olana ange dia ity e! takona tanteraka aminao mihitsy ilay "fahatsaran'Andriamanitra"....
14. rhaj0 ( 03/05/2017 11:47)
Angaha Izy @ io moa ry RBNIR efa any @ Fitsarana? araho tsara ny contexte, fa zavatra mbola eto an-tany daholo ilay voa-iraka ny hamono sy ilay fahavalo ho vonoina.

(io foana ilay fomba ratsinao ry RBNIR, hoe, tsindrotsindrohina ny ankavia sy ankavanana, dia afotetaka hiaraka ao, na ho any na tsy ho any)


Dia ahoana izany... miomAna ianao ao izany ny "hamono ahy" ry RBNIR, fa izaho tsinona (ao @ imagination-nao ao) toa fahavalon'Atra eee.... :-)
15. RBNIR ( 03/05/2017 11:55)
fanoharana ny lioka 19:27....
16. rhaj0 ( 03/05/2017 12:12)
ka ahoana azany ny interpretasio anao ao @ ity lazainao fa parabaolina ity indray ry RBNIR aa.. hoe Lioka 19:27
"vonoy eto anatrehako" ilay olona.
17. RBNIR ( 03/05/2017 12:30)
parabole ho an'ireo mpanompo nomena farantsa io rhajo a!

Ilay anankiray niteny an'ity teny ity no nomeny an'io teny io ho fampieritreretana...

« Fa tonga kosa ny anankiray ka nanao hoe: Tompoko, indry ny farantsanao, izay notehiriziko voafono amin'ny mosara. » (Lioka 19:20)
« Fa natahotra anao aho, satria olona mila voatsiary ianao ka maka izay tsy napetrakao, ary mijinja izay tsy nafafinao. » (Lioka 19:21)

Humm...mampieritreritra an!! tahaka ny mitovitovy amin'ny tenin'ilay olona iray izay hoe izay loza be mpandringa io koa v iza no hanaiky hanjakan'io????
18. rhaj0 ( 03/05/2017 12:55)
Ekena fa ilay Mpanjaka no nampitenenin'i Jesosy tao @ ity fanoharana. Fa i Jesosy @ io dia mampitovy ny tenany @ ilay Mpanjaka. Izay sa tsy izay?

Dia araho tsara, fa ilay Mpanjaka dia TSY @ ilay "Tiavo ny Fahavalonao" velively.

Fa dia averiko ihany ny fanontaniaina: ahoana azany no fandraisanao io "fanoharana" io..
19. RBNIR ( 03/05/2017 12:59)
rhaj0:

Fa dia averiko ihany ny fanontaniaina: ahoana azany no fandraisanao io "fanoharana" io..

Raha nahatsapa ianao fa nametrahany harena sarobidy (ILAY FAMONJENA IZAY NOMENY MAIMAIPOANA OHATRA NA DIA TSY NANGATAKA NY HOVONJENA AKORY AZA IANAO) dia ampitomboy (ZARAZARAO ILAY FAMONJENA FA AZA FIHININA HO ANAO IRERY AO) izany harena izany fa aza miavonavona satria hoe loza be IZY mpandringana SNS......
20. rhaj0 ( 03/05/2017 13:20)
Ilay 19:26 anie no taritaritinao lava io eee.. Fa ilay 19:27 no ankamely farany.

Lioka 19:27 Ary ireo fahavaloko tsy nety hanjakako ireo kosa dia ento atý, ka vonoy eto anatrehako.

Inona no ifandraisan'ny farantsa @ io "vonoy eto anatrehako" io?

Dia mbola marihiko tsara ihany, fa lay "fanoharana" dia manohatra ny tenany @ ilay Mpanjaka i Jesosy, etsy ambonimbony
Lioka 19:12 ka hoy izy: Nisy andriandahy anankiray nankany an-tany lavitra mba handray fanjakana, dia mbola hiverina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4254