Atra ve mba mitaindrina ny didy 10?

21. RBNIR ( 03/05/2017 13:47)
ka ny olana aminao mihitsy ange dia ilay hoe hanaiky mba hanjakany e!

Izay tsy manaiky hanjakany no hiaran'ilay teny ao amin'ny lioka 19:27
22. rhaj0 ( 03/05/2017 13:59)
Bravo RBNIR.. kay izany i RBNIR koa dia "mino" ilay "Andriamanitra-mpamely-Helo-eto-an-tany" araka ny resaka nifanaovana t@ Stahtam tatsy
http://forum.serasera.org/forum/message/m58ff7bbd7a583/20#m5909e03400d9c

- @ Stahtam dia "izay TSY manaraka ny lalàna apetrany"
- @ RBNIR dia "Izay tsy manaiky hanjakany"

ireo olona ireo, tonga dia ARIPAKA, ary eto an-tany eto no andripahana azy.

23. RBNIR ( 03/05/2017 14:37)
Heverinao izany fa Andriamanitra dia LOZA BE avy dia mandringana nefa ny antony andringanana ny olona aza tsy fantany akory????

Tsy maintsy misy foana ny fialana nenina.....Misy foana ny olona fidina atao fanasina mba hanasina ny tany....

Izay tsy mety handray no hiharan'ny fahatezerana...
24. rhaj0 ( 03/05/2017 14:57)
Izay m(p)andringana dia m(p)andringana.

hainao ve ilay fiteny hoe, "tolérance zéro"? Izany no filazan'ny olona, rahefa resaka fanitsakitsahana zon'olombelona. Ary ito azany tena zo ny ho velona tsotra fotsiny no itsakitsahana, satria fotsiny "tsy manaiky hanjakany" hono. Ca va pas la tête????


Fa io ry RBNIR dia .. ao ianao izany eee..
"Aza Mamono Olona" hozy Izy, nefa Izy ihany anefa no "Maniraka Mampamono Olona". Dia avy eo
- vonoiny ianao raha TSY manaraka ny Teniny (tsy mamono ilay fahavaloNY)
- vonoiny ianao raha TSY manaraka ny Didy10 (mamono olona, dia ilay fahavaloNY)

ka akory atao RBNIR aa ??? hi hi hi... loz'ty :-)

25. rhaj0 ( 03/05/2017 16:37)
inty indray koa zavatra mampalahelo manjo an-dry RBNIR sy ny tariny. Loza mihintsy ho'a ny manjo an-dry RBNIr eee... Jereo ange eee...

1- Nirahin'i Jesosy hanasitrana ny sasany.

Matio 10:8 Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demony

2- Fa rahefa TSY nahasitrana, dia nahazo ny paquet-ny.

Matio 17:15 Nentiko tamin'ny mpianatrao izy, fa tsy nahasitrana azy izy ireo. 16 Ary namaly Jesoa nanao hoe: Ry taranaka tsy mino sy ratsy fanahy, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? (...) 18 Tamin'izay, dia nanatona an'i Jesoa mangingina ny mpianany ka nanao hoe: Nahoana no tsy naharoaka azy izahay? 19 Noho ny tsy fahampian'ny finoanareo, hoy Jesoa taminy.

Ivereno kely in-1 mandeha... Ivereno kely in-1 mandeha... huuummm...

Tsy ampy finoana == tsy mahasitrana == nompain'i Jesosy: Taranaka TSY mino sy RATSY fanahy === tsy iza fa ireo voa-iraka ho mpanasitrana === Herinirina === mwa ha ha ha :-)
26. RBNIR ( 03/05/2017 17:36)
Tsy misy olombelona afaka hitsara an'Andriamanitra......

Ary ny zavatra rehetra dia misy antony avokoa.....
27. rhaj0 ( 03/05/2017 18:36)
hi hi hi ... ianao RBNIR sy Herinirna no noresahiko.. sa ianareo Andrmntra kely??

ka ahoana ho'a... "mpianatry" ny Mpampianatra mahay nareo ao an... ary nirahiny..
Io Matio 10:8 io dia hafatra ho an'ny Mpianany (rehetra) eee...

ka nahasitrana ny marary ve ianao ee?? sa aleo atao hoe i Herinirna iihany no mahay azy, satria i Hrnrn efa niresaka mivantana t@ Jesosy; nanondro-tena ho izay i Hrnrn.
Ka sitrana aby ve re ny Jamba sy Marenina ao ry RBNIR aaa?? ny boka ??


Ataovy ao foana moa ho'a, fa efa hainao tsara izao ny ho lazain'i JEsosy aminareo itony rahefa tsy mahavita azy toa io ao ianareo ho'a eee...
Ry taranaka tsy mino sy ratsy fanahy...
28. RBNIR ( 04/05/2017 07:11)

rhaj0:

hi hi hi ... ianao RBNIR sy Herinirna no noresahiko.. sa ianareo Andrmntra kely??

ka ahoana ho'a... "mpianatry" ny Mpampianatra mahay nareo ao an... ary nirahiny..
Io Matio 10:8 io dia hafatra ho an'ny Mpianany (rehetra) eee...

ka nahasitrana ny marary ve ianao ee?? sa aleo atao hoe i Herinirna iihany no mahay azy, satria i Hrnrn efa niresaka mivantana t@ Jesosy; nanondro-tena ho izay i Hrnrn.
Ka sitrana aby ve re ny Jamba sy Marenina ao ry RBNIR aaa?? ny boka ??


Ataovy ao foana moa ho'a, fa efa hainao tsara izao ny ho lazain'i JEsosy aminareo itony rahefa tsy mahavita azy toa io ao ianareo ho'a eee...
Ry taranaka tsy mino sy ratsy fanahy...

Otran'izany no nahazo an'i Noa.....
Ny andro nibaliaka, ary tsy nisy signes mihitsy ahafantaran'ny olona hoe mety hisy ny safo-drano (nandritra ny zato taona nanamboarany an'ilay sambofiara)

Kanefa tsy kivy izy fa nanohy hatrany...

Hoy Jesosy hoe....« Ary tahaka ny tamin'ny andron'i Noa, dia hisy toy izany koa amin'ny andron'ny Zanak'olona: » (Lioka 17:26)
29. RBNIR ( 04/05/2017 07:40)
P.S : aza dia fatra mitady famantarana (porofo) re ry rhajo a! izao no nolazain'i Jesosy tamin'ireo olona fatratrra nitady an'izany.....

« Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy misy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin'i Jona ihany. Ary nandao azy Jesosy ka lasa. » (Matio 16:4)
30. RBNIR ( 04/05/2017 07:52)
« Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy ianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino. » (Jaona 20:29)
31. RBNIR ( 04/05/2017 07:54)
ianao tsy mety mino anay satria hoe tsy misy an'izao tsy misy an'izao ,

Efa mba nandinika ny tenanao v ianao ka nanontany hoe sao dia mba tanteraka aminao ary iry teny ao amin'ny mat.16:4 iry???
32. RBNIR ( 04/05/2017 08:13)
Ny antony mahatonga ahy miteny hoe tokony handinika ny tenanao ianao dia satria misy dia misy ireo olona mijoro vavolombelona fa nahazo fanasitranana tao.......
33. rhaj0 ( 04/05/2017 10:53)
Ka tantarao azany hoe, ahoana ny nahatanteran'i Hrnrn ny hafatr'i Jesosy ao @ Matio io
Matio 10:8 Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demony

1- Ahoana ny nanasitranan'i Hrnrn
- ny Jamba... Efa hoe ny an'i Jesosy nasiany fotaka miharo rora ny mason'ilay Jamba
- ny Moana Marenina ... Efa hoe ny an'i Jesosy nasiany tain-tsofina sy rora teo ambony lelan'ilay Moana

2- Ahoana ny nananganan'i Hrnrn ny maty..

3- Ahoana ny nanadiovan'i Hrnrn ny boka? Efa mba nanao izany akoriny azany ev moa izy io ao izao

4- Ahoana ny fandroahanareo Demony ao ampiangonanareo ao... Efa hoe ny an'i Jesosy nalefany tany @ Kisoa. mba misy Kisoa ve ao aminareo ao rehefa mivavaka iny ianareo?


Rahefa TSY mahavita an'ireo ry RBNIR (sy Hrnrn) dia, na ho lavabe tahak'n'inona azany ny lamentation-nareo, dia mendrika ho anareo ny hihirahirana ny hoe:
RBNIR sy Hrnrn = TSY MAHAVITA AZY ... Taranaka tsy mino sy ratsy fanahy...
34. RBNIR ( 04/05/2017 11:27)
izay v no fijerinao azy? tsy tadidinao angah fa nisy fotoana ny mpianatry ny Tompo fahiny devoly aza tsy afakany?

Misy fotoanany ny zavatra rehetra rhajo!!!
35. rhaj0 ( 04/05/2017 12:43)
Letia eee.. mba mamaky Baaiboly ve i RBNIR ity eee??? na hoe, mba mamaky n yefa voasoratra io ambony io ee??? Io ivereno Matio 17:15

Efa hoe, izay TSY nahavitan'ny Mpianatry ny Tompo fanasitranana (sy fahagagana) izay indrindra no nanompain'i Jesosy azy ireo hoe, "Ry Taranaka tsy mino sy ratsy fanahy..."..

Tsy mazavabe ve io eee... Rahefa TSY MAHAVITA AZY ianareo, dia satria TSY MINO (comme il faut) !!!


36. RBNIR ( 04/05/2017 13:04)
Marina izany fa voaraokan'i Jesosy v izireo satria kely finoana,

Aleo hotozin-tsika ilay tantara ary....

« Dia nankao amin'i Jesosy mangingina ny mpianatra ka nanao hoe: Nahoana izahay no tsy nahavoaka azy? » (Matio 17:19)
« Ary hoy Jesosy taminy: Noho ny fahakelezan'ny finoanareo ihany; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo ka hiteny amin'io tendrombohitra io hoe: Mifindrà ery , dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao. » (Matio 17:20)
« * [*Ampio hoe: (21 Kanefa iny karazana iny tsy mivoaka raha tsy avoaka amin'ny fivavahana sy ny fifadian-kanina)] » (Matio 17:21)

Nampiny koa hoe kanefa iny karazana iny tsy mivoaka raha tsy avoaka amin'ny fivavahana sy ny fifadian-kanina...

Ka inona no olana? Jesosy tsy niteny mihitsy hoe satria tsy naharoka an'ilay devoly ianareo dia tsy izy.....

37. endriny ( 04/05/2017 13:07)

RBNIR:

Heverinao izany fa Andriamanitra dia LOZA BE avy dia mandringana nefa ny antony andringanana ny olona aza tsy fantany akory????

Tsy maintsy misy foana ny fialana nenina.....Misy foana ny olona fidina atao fanasina mba hanasina ny tany....

Izay tsy mety handray no hiharan'ny fahatezerana...


Ary tena hain'i RBNIR tsara kosa ange izany fandaharan'asan'Atra izany e. Ka rahoviana ianareo no handringana fa mba hitady fiarovan-tena aho mantsy? Sa handringana an-tsokosoko koa ianareo?

Ry Ratan moa dia efa nanontany ihany koa hoe: "Rahoviana hono ny fandringanana ny lahimatoa rehetra"?

Poa poa, aza hitako aza mahita ity Atra sadikadika sy ny mpanaraka azy ireto!

Hitako moa no roahina hiala eto Madagasikara ny Silamo koa. Hay hiala any ny fandringanana.

Aleo indray izany mifanena amin'ny FIP Mahajanga toa izany mifanena amin'ny Kristianina.
38. RBNIR ( 04/05/2017 13:26)
Raha avy izany fotoana izany endriny (izay tsy irariko ho anao mihitsy) dia fifonana no betsaka ao ambavanao ary nenina no hameno ny fonao....
39. RBNIR ( 04/05/2017 13:28)
mbola misy ny fotoana ry zalahy a! mibebaha dia ny mbola mamindra fo Andriamanitra....

Tsy an-jaza ange izany e...
40. rhaj0 ( 04/05/2017 13:41)
Io ho'a ry RBNIR TSY mahakasika anay.. io ho'a n'engage que celui qui y croit. Ao @ imagination-nao (irery) ao daholo izany. Dia o ianao mihovitrovitra pataloha ao.


Fa ahitaro mihintsy ny saina re ry RBNIR, dia mipetraha @ toeran'ilay nanoratra ilay tantara-angano aaa...

-- toatoa ny ahoana ny toe-pahalalany (niveau de connaissance): tsy mahafantatra ny ankoatry ny hitan'ny masony; tsy fantany akoriny fa misy Kilimanjaro ao atsimotsimo ao. TSy takany fa boribory Latera: heveriny fa efa-joro ary fisaka Latera. Ny masoandro amam-bolana ho'a toa punaises @ toile-n'ny Lanitra. Ary ny ao an-dohany, dia ny olona rehetra dia "lava robe sy lava volo" daholo, h@ ilay Deba be io.

-- inona ny tanjony. Ny mampilamina ny tany sy ny sainy (kely-fahalalana). Dia mba hampahendry ny ondry (sa boriky?), dia asesiny eo ny karoty (valin'ny famindra-po) sy kibay (fampitahorana be vata).

izay aloha fa eritrereto tsara ireo ee.. Efa mandroso ho'a ny taona eee...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6874