Atra ve mba mitaindrina ny didy 10?

41. RBNIR ( 04/05/2017 13:54)
rhaj0:

Io ho'a ry RBNIR TSY mahakasika anay.. io ho'a n'engage que celui qui y croit. Ao @ imagination-nao (irery) ao daholo izany. Dia o ianao mihovitrovitra pataloha ao.

Diso hoy aho izany fa ny baiboly dia milaza hoe..« ary amin'izany dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy ianareo amin'izany fanaranam-po amin'ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy; » (1 Petera 4:4)


Gaga ianareo ary izay no mahatonga izao teny foronina rehetra izao.....

42. rhaj0 ( 04/05/2017 15:15)
eny ho'a ee... aviravirao ao anaty imagination-nao ao azany izaho eee... hoe any @ afobe.
Ka mangitsy koa aty eee... mila hafanana :-)


Fa hono ho'a ry RBNIR iza no nanoratra an'ity? Sa "tenin'Andrmntra" koa io, satria ao anaty Baiboly?? Dia mifanaraka tsara @ Didy Folo ve izao??

2 Joany 1:10 Raha misy olona tonga ao aminareo, ka tsy mintondra izao fampianarana izao, dia aza mandray azy ao an-tranonareo na miarahaba azy akory.



43. RBNIR ( 04/05/2017 15:49)
« Fa maro ny mpamitaka efa lasa any amin'izao tontolo izao, dia ireny tsy manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy. Izy no mpamitaka sy antikristy. » (2 Jaona 7)

Raha manaraka tsara dia izay olona mampianatra fa tsy mbola tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy no hiaran'io (mpamitaka sy antikristy) hoy izy......

Fiarovana ireo mpanompon'Andriamanitra tsy hiroaroa saina ka hiala amin'ny finoana daholo re izany ry rhajo a!

Izaho raha hiresaka amin'i stahtam ohatra tsy problema amiko mihitsy (fantatro tsara hoe hatraiza no fetra)......

Adidiko ny mbola mandresy lahatra azy aloha hatreto......

44. rhaj0 ( 04/05/2017 16:40)
ianao izany anie ry RBNIr ka TSY manaja manaraka ny resa-Baiboly eee... "tsy problema" aminao inona ny "olona TSY mitondra izato fampianarana"; vitanao h@ miarahaba azy eto, nefa efa raràn'i John the Evangelist ianao? ary "tenin'Atra" (satria anaty Baiboly) io fandrarana tateriny io??
45. RBNIR ( 04/05/2017 22:54)

rhaj0:

ianao izany anie ry RBNIr ka TSY manaja manaraka ny resa-Baiboly eee... "tsy problema" aminao inona ny "olona TSY mitondra izato fampianarana"; vitanao h@ miarahaba azy eto, nefa efa raràn'i John the Evangelist ianao? ary "tenin'Atra" (satria anaty Baiboly) io fandrarana tateriny io??


« .......... ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin'ny anton'ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanajana, » (1 Petera 3:15)

Raha avy dia handroaka azy aho!!! iza indray no mba afaka hamonjy azireo!!! Tsy aleko aloha mandresy lahatra!!! rehefa tsy mety hino izy dia akory atao????
46. endriny ( 05/05/2017 03:40)
Dia hoy Atra: "Manaja ny Rainao sy ny Reninao"... fa tonga nitady an'i Jesosy aza ny Rainy sy ny Reniny, ny Reniny sy havany dia hoy i Jesosy sady notndrotondroina tsara ny olona: Fa iza moa ny Reniko sy havako fa tsy ianareo izay. Tane tsy nisy fanajana na dia kely aza an'ireto nitotototo nitady azy.

Aoka re marina e
47. endriny ( 05/05/2017 03:54)

RBNIR:

Raha avy izany fotoana izany endriny (izay tsy irariko ho anao mihitsy) dia fifonana no betsaka ao ambavanao ary nenina no hameno ny fonao....


Rahoviana io?

Toa efa ela Jesosy no niteny fa: "tsy handalo fasana akory ny sasany amin'izao taranaka izao dia tonga ny farany"

Asa raha iza tamin'ny taranaka nanatrika azy tamin'io fotoana io no mbola velona. Nandainga i Jesosy kanefa didy faha firy moa no mifehy ny lainga?
48. RBNIR ( 05/05/2017 05:03)
endriny:

Rahoviana io?

Amin'ilay atao hoe arivo taona no hitranga ilay fitsarana dia tsy olona iray no hitsara fa be dia be hahita seza fiandrianana maro hoy ny teny.....

« Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona. » (Apokalypsy 20:4)

Fa aza maika ny ho tonga amin'izany hoy aho, raha ho tonga ihany dia aleo mba izaho sy ianao no ho eo ambonin'ny seza fiandrianana miaraka mitsara Aminy fa tsy ny mifanohitra amin'izay akory.....

Raha ny fanirina dia samy mba ho eo ambonin'ilay seza fiandrianana daholo e!!!!

Mbola misy ny fotoana fa MIBEBAHA!!!
49. rhaj0 ( 05/05/2017 13:40)
rhaj0:
... efa raràn'i John the Evangelist ianao? ary "tenin'Atra" (satria anaty Baiboly) io fandrarana tateriny io??
RBNIR:
Raha avy dia handroaka azy aho!!! iza indray no mba afaka hamonjy azireo!!!

Bravo RBNIR... tena ario any an-joridira any tokoany ny vavan'i John The Evangelist.. Lehilahilehibe tsy mahay miaina!... Hoe "aza mandray azy ao an-tranonareo na miarahaba azy akory".

Fa tandremo fa isan'ny "voasoratra dia voassoratra" ao anaty Baiboly io teny io, izany hoe, teknikema, "Tenin'Andrmntra".

Fa dia ao ianao izany eee :-)
50. RBNIR ( 05/05/2017 15:38)
tsy fanohitra ny tenin'Andriamanitra rhajo a!

Nefa ity izao nanohitra ny teniny nefa tsy bedy.....« Ary nisy feo nanao taminy hoe: Mitsangàna, ry Petera; vonoy, ka hano. » (Asan'ny Apostoly 10:13)
« Fa hoy Petera: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola nihinana zava-padina na tsy madio aho. » (Asan'ny Apostoly 10:14)
« Fa hoy ilay feo taminy fanindroany: Izay efa nodiovin'Andriamanitra dia aza ataonao ho fady. » (Asan'ny Apostoly 10:15)
« Ary intelo no nanaovana izany; dia nakarina tany an-danitra niaraka tamin'izay ilay zavatra. » (Asan'ny Apostoly 10:16)

Ny azy ary tsy i jaona no notoheriny fa ILAY ANDRIAMANITRA MIHITSY....
51. RBNIR ( 05/05/2017 15:39)
Tsy dia raisina ara-bakiteny avokoa akory ny teny rehetra......
52. endriny ( 05/05/2017 15:57)

RBNIR:

Tsy dia raisina ara-bakiteny avokoa akory ny teny rehetra......


Fa tenin'Atra ve ireo ry RBNIR sa tantara anganon'i Kakolahy a?

Sa tena tsy misy marina Atra fa ny olona ihany no mamorona ity atsanga tsy aman'orana ity dia izay tiany handikana izay nosoratany ihany no izy

Ombin-tsaretin-dRaleva io izany
53. RBNIR ( 05/05/2017 16:51)

endriny:


RBNIR:

Tsy dia raisina ara-bakiteny avokoa akory ny teny rehetra......


Fa tenin'Atra ve ireo ry RBNIR sa tantara anganon'i Kakolahy a?

Sa tena tsy misy marina Atra fa ny olona ihany no mamorona ity atsanga tsy aman'orana ity dia izay tiany handikana izay nosoratany ihany no izy

Ombin-tsaretin-dRaleva io izany

Petera dia nahafantatra tsara fa Andriamanitra tsy haniraka azy hihinana zavatra efa noraran'Andriamanitra tsy hohanina mihitsy....

Fahitana iny ary izao no dikany : « Dia hoy izy taminy: Hianareo mahalala fa fady amin'ny Jiosy ny hanan-draharaha na hiantrano amin'ny olona hafa firenena; nefa izaho efa nampahafantarin'Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio. » (Asan'ny Apostoly 10:28)

Io no tena marina : te hampahatantra an'i petera Andriamanitra fa tsy misy olona azony atao hoe fady na tsy madio..............
54. endriny ( 08/05/2017 15:07)
Fa ilay namorona ny lalam-panorenana Kristianina indray izany no manitsakitsaka ny lalam-panorenana noforoniny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5498